NY GEN.34 NO MILAZA NY NANOLANAN'NY MPANAPAKA IRAY TEO AN-TOERANA NY ZANAKAVAVIN'I JAKOBA SY NY NAMONOAN'NY ZANAK'I JAKOBA ROALAHY NY LEHILAHY REHETRA TAO AN-TANANA.
Natahotra valifaty i Jakôba ka nandositra tany betela (Gen. 35). Niseho taminy indray Andriamanitra ary namerina ny fanekena nampanantenaina ao @ Gen.35:11,12.
Ny ambin'ny Gen.35 no milaza ny @ nahaterahan'i BENJAMINA, sy ny nahafatesan'i Rahely, ary manazava ny mikasika an'i ROBENA (Gen.35:22). Mifarana ny Gen.35 rehefa tafakambana indray Jakôba sy i Isaka izay 180 taona. Maty i Isaka ary nalevin'ny zanany 2 lahy.
Ny Gen.36 no ahitanany fianakavian'i Esao izay vetivety dia tsy hita ao @ tantara. Ny Gen. 37 kosa dia mikasika an'i Jakôba sy ny zanaka "nofidiny".
Inona no lesona avy amin'izany tantara rehetra izany? Misy fahotana maro tokoa. Kanefa Andriamanitra dia mbola afaka manantanteraka ny sitra-pony. Hevero fotsiny anie izay hiseho raha toa ka izay rehetra milaza ho tena vahoakany marina no tena mankato azy e!
Vak. Gen.37. Rehefa izany dia valio ireto fanontaniana manaraka reto:
1. Nahoana no tena nankahala azy mafy ny rahalahin'i Josefa?
2.Inona no nataon'i Josefa nahatonga ny zavatra hiharatsy?
3.Tsy hafahafa ve hoei Rôbena irery no hany niezaka hanao izay nety?
4.Inona no antony heverinao ho nanapahan'ny rahalahiny hevitra tsy hamono an'i Josefa?
5.Inona no nety ho nataon'i Josefa ka nahatonga io zavatra mampalahelo io ho tonga taminy?
Rehefa fantantsika ny tantaran'ity fianakaviana ity, dia tsy hahagaga antsika ny tantara. Fialonana sy ady ary fitaka no nanamarika ity fianakaviana ity hatrany am-boalohany. Raim-pianakaviana nanompo an'Andriamanitra marina no nanabe ireto zatovolahy ireto. Nahazo toro lalana manokana avy amin'Andriamanitra aza izy ireo. Kanefa naneho izy ireo fa tsy nahafantatra an'Andriamanitra.Tsy nanandrana ny fiovam-po izay ilain'ireo rehetra te hanompo azy marina.
Jereo, hatraiza ny halaviran'ny nitondran'ny fahotana tsy voafehy an'ireto olona ireto? Inona no hafatra hoentin'ity tantara ity ho an'ny tsirairay avy amintsika mikasika ny hoe hatraiza no mety hitondran'ny fahotana antsika?
Inona ireo hafatra manana ny lanjany @ tantara ao amin'nyGen.38? Inona no lazain'izany amintsika?
Noho ny antony sasany dia miafara amin'ny tantaran'i Josefa ny Gen. 38. Angamba tian'Andriamanitra ny haneho ny fahasamifana miharihary teo @ tsy fahamarinan-toetran'ireo mpamadika an'i Josefa, Joda, sy ny toetra marin'ilay navadika, Josefa.
Manampy antsika hahatakatra ihany koa ny Gen.38 fa " hadinon'ireo zanakalahin'i Jakôba ny andraikitra masina ananan'ny vahoakany. Koa tandindomin-doza ny ho faty @ fahotan'i Kanàna izy ireo. Raha toa ka tsy niditra an-tsehatra Andriamanitra tamin'ny fianakavian'i Jakôba ho any Egipta, dia ny fianakaviana manontolo no mety ho latsaka tao ambanin'ny hery ratsy miasa manginan'ireo fomba amam-panao Kananita. Koa ny Gen.38 dia ampahany manan-danja teo @ tantaran'Isiraely tany am-piandohana"SDABC, t.434.
Tena feno fahotana ny zavatra nataon'i Joda. kanefa t@ fomba ahoana no nanehoany herim-po ara-pitondran-tena? gen.38:26; Vak. koa Gen.37:26.
Hita ny fahotana mahatsiravina nataon'i Joda tamin'ny Tamara. Koa tsy nisy azony natao afa-tsy ny niaiky ny fahadisoany. Hita ihany koa, tamin'ny drafitra izay natao hamelezana an'i Josefa fa naneho toe-tsaina mendrika sy tsy misy fihatsaram-belatsihy izy, na dia teo aza indraindray ireo toetrany mahatsiravina. Ny fiaiken-keloka tsy misy fitak'i Joda, ny fikarakarany araka ny tokony ho izy an'i Tamara, ary ny toetrany manokana avy aminy. Ny fiovan'ny toetran'i Joda no nahatonga azy ho afaka hitarika ny fianakaviany sy nahatonga ny zanany ho afaka hitarika an'i Isiraely( Gen. 49:3,4,8-10 ).
Inona no antony tsy maintsy hitandremantsika fatratra tsy hitsaratsara olona (Mat.7:1). Amin'ny fomba ahoana no ahafahantsika milaza ny fahasamihafan'ny fitsarana ny zavatra atao @ fitsarana ny olona. Inona no antony maha-zava-dehibe izany fahasamihafana izany?
Nandalo ireo havoana misy ny lain'i Jakôba ireo andiana rameva nitondra an'i Josefa @ maha-andevo azy. Nandritra ny fotoana anankiray dia '' nilofika tamin'alahelo sy tahotra tsy hay fehezina i Josefa''(PM, t.209). Kanefa tsaroan'i Josefa ireo tantaran'i Jakôba mikasika ny fitiavana sy ny fahatokian' Andriamanitra t@ Abrahama sy Isaka ary Jakôba. Koa dia nanapa-kevitra ny hitoky amin'Andriamanitra izy ary hitondra tena toy ny mponin'ny fanjakan'ny lanitra. Tamin'ny fandaminana ny hitondra an'i Josefa mankany Egipta dia nanomana lalana Andriamanitra ho an'ny fianakavian'i Jakôba ho afaka amin'ireo hery ratsy miasa mangina sy mifehy avy @ ireo firenena hafa, mandra-pahatongan'ny fahotan'ny Amôrita tao Kanàna hahatratra ny fatran'ny fahafenoany (Gen.15:13-16). Ny fandehanan'i Josefa ho any Egipta no anombohan'ny tantara tsy mampino ny amin'izay azon'Andriamanitra hatao amin'ny alalan'ny olona iray izay maniry izay maniry ny hitoetra ho mahatoky aminy, na dia irery aza.
Zavatra kely no fantatra mikasika an'i Josefa tany aloha. Kanefa inona ireo zavatra avy @ lasan'i Josefa izay maneho fa mahatoky amin'Andriamanitra izy? Inona no lesona azontsika ianarana avy amin'izany?
Eritrereto ny mikasika ireo olana niaraka t@ fanirian-dratsy nasehon'ny olona sasany ao @ fianakaviana (Gen.35:22;38:16,18), indrindra moa fa ny fomba nahazatra nanambady maro (izay tsy isalasalana hamahanana ny filàna ambany). Noho izany ny herim-po ara-pitondran-tena nananan'i Josefa hanohitra ny fankampanahy avy @ vadin'ny tompony dia fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ny @ finoana sy ny toetrany.
Indro Josefa namidy ho andevo, ary nalefa tany an-tranomaizina tsy ara-drariny. Kanefa in-telo ny Gen. 39 no milaza fa "nomba azy Andraiamanitra".
Ahoana ny fahafantarantsika ny dikan'izany? Ahoana no hoe "momba azy" Andriamanitra nefa zavatra ratsy marobe toy izany no miseho aminy?
Ireo olana sy zava-tsarotra dia tsy maneho fa nilaozan'Andriamanitra ny olona anankiray. Tsy afaka ny hahatakatra ny fitarihan'Andriamanitra i Josefa. Tsy afaka ny ho nahita izay hitantsika amin'izao fotoana izao i Josefa. Raha ny fomba fijerin'i Josefa, dia tsy misy heviny aminy ireo zava-mitranga. kanefa dia nanapa-kevitra ny hitoetra mahatoky izy na ho inona na ho inona.
Inona ny lesona mikasika ny fahatokiana an'Andriamanitra azo ianarana avy amin'io tantara io, tsy mampaninona na ratsy manao ahoana aza ny fihodinan'ny tantara?
Na ilay mpanao mofo na ilay mpitondra kapoaka dia mpandraharaha manana ny lanjany tao @ lapan'i Farao. ( Ampit. Neh. 1:11). Nalefa tany an-tranomaizina izy ireo. (Nety ho voapanga ho nikasa ny hanongana an'i Farao izy ireo). Ary dia napetraka teo ambany fikarakaran'i Josefa izy ireo.
Inona no fahalalana lalindalina kokoa omen'i Gen.40:6-8 antsika mikasika ny toetran'i Josefa?
Na dia tany an-tranomaizina aza, dia niezaka ny hanampy ny hafa sy hijoro ho vavolombelona ho an'Andriamanitra izy t@ nanomezany ny hevitry ny nofy.
Nahazo"fahombiazana tao an-tranomaizina izy ary naneho fahatokiana an'Andriamanitra. Kanefa inona no nolazain'i Josefa izay maneho fa fantany fa tsy rariny ny zavatra natao taminy sy ny faniriany lalina ny hivoaka ny fonja?
Natoky i josefa. Kanefa mbola niezaka ny hahazo ny fanampian'ny olombelona izy mba hahazoany ny fahafahany. Tsy mbola fantany ihany koa ny ho avy. Tsy fantany ny drafitr' Andriamanitra. Kanefa niezaka araka izay azony natao izy mba hialany amin'io toerana misy azy io. Tena @ maha-olona izany ary azontsika tsara. Kanefa, araka izay asehon'ny Gen.40 dia tsy nandeha izany. Rehefa afaka dia nanadino tanteraka momba an'i Josefa ilay lehiben'ny mpanao mofo. Kanefa moa tsy nilaza va ilay lehiben'ny mpanao mofo hoe " He, Farao, misy Hebreo anankiray any am-ponja izay mahay manambara ny hevitry ny nofy. Tokony havelanao hivoaka izy!" Ary araka izay hitantsika ao @ Gen.41 ilay lehiben'ny mpanao mofo dia niresaka mikasika an'i Josefa rehefa tonga ny fotoana sy ny fahatokiana izy raha nipetraka tao am-ponja nandritra ny 2 taona indray.
Tsy isalasalanafa ny fahadisoam-panantenan'i Josefa dia nihamangidy teo @ toerana nisy azy. Amin'ny fomba ahoana no hahamora ny mety ho namelany ny finoana sy ny fanantenana rehetra. Inona no zavatra nataonao rehefa hitanao ny ngidin'ny fahadisoam-panantenana eo @ fiainana?
Ahoana no ahafahantsika mitahiry ny finoana sy ny fanantenana mandritry ny fahadisoam-panantenana toy izany.
Ny Gen.41 no nampiditra antsika @ fomba fanao mahazatra ny Egiptianina. Vakintsika ao @ ireo ombivavy tsara tarehy mijoro ao anaty renirano. Lazaina ao ny bararata (Gen. 41:2). Ary noharatana i Josefa raha nandao ny tranomaizina . (Ao @ kisarisarin'ny Egyptianina, ny Jiosy dia manao volom-bava). Mihevitra ny Egiptianina fa reniranon'i Neily no loharanon'ny aina. Izany no antony tsy maintsy ho nampahatahotra ny Egiptianina rehefa nilazana ny amin'ny ombivavy ao @ reniranon'i Neily.
Tamin'ny fomba ahoana no nahaatongavan'ilay lehiben'ny mpanao mofo hanavotra an'i Josefa t@ farany? Gen. 41:9-13.
Na dia taorian'ireo fahadisoam-panantenana ireo aza dia mbola naneho ny finoany an'Andriamanitry ny rainy Josefa. Tao @ Gen.41:16, dia nolazain'i Josefa mazava tsara t@ alalan'ny Andriamaniny irery ihany no ahafahany manome ny hevitry ny nofy. Mety ho mora t@ Josefa ny nilaza izany rehetra izany ho avy @ tenany mba hahatonga azy ho tsara kokoa ao anoloan'i Farao. Kanefa tsy nanao izany izy. Hitantsika eto ihany koa ny finoan'i Josefa miasa.
Taorian'ny nilazan'i Josefa ny hevitry ny nofy, inona no zavatra lazainy izay fijoroany ho vavolombelona ny amin'Andriamaniny? Gen. 41:28,32
Amin'i Josefa, izay rehetra hitany mialoha dia vokatry ny asan'Andriamanitra eo amin'izay hiseho. Ireo tenin'i Jehovah dia mbola maneho fa matoky ny herin'Andriamanitra izy. Izany no azo antoka fa manampy hanazavana ny antony nahafahan'i Josefa nihazona ny finoany na dia tany an-tranomaizina aza.
Taorian'ny nilazan'i Josefa ny hevitry ny nofy dia nanomboka nanome torohevitra ny mpanjaka izay mikasika izay tokony hatao. Tao anatin'izany ny fifidianana olona iray ho tompon'andraikitra @ fanangonana ny vokatra ao an-trano fitehirizana. Inona tao @ nofy no nanambara hevitra toy izany? Tsy misy! Angamba tsapan'i Josefa ny lalana misokatra ho azy t@ fivoahany ny fonja. Koa dia nanantena izy fa ho azy io asa io. Nahoana moa? Izany no zavatra tokony hatao @ maha-olona. Na dia ny olona iray izay tia an'Andriamanitra sy matoky azy aza.
" Raha nivoaka avy tao an-tranomaizina i Josefa di atonga governoran'ny tany Egipta. Sady be voninahitra no feno zava-manahirana koa izany raharaha izany. Tandindomin-doza maro izay olona miakatra ao amin'ny toerana faran'izay ambony. Ny tafio-drivotra mahery izay toa tsy miraharaha loatra ny voninkazo any an-dohasaha , dia mahongotra ny hazo makadiry eny an-tendrombohitra. Toy izany koa ny olona, mety ho marina izay sy mahitsy izy raha mbola tso-piaina sy tsy fantatr'olona firy, fa ho mora hindaosin'ny fakam-panahy samihafa izay manodidina azy hivarina eo @ lavaky ny faharatsiana kosa, rehefa omem-boninahitra sy tombotsoa.
I Josefa dia nijoro ho mahatoky t@ androm-panambinana, dia toy ny nijoroany ho mahatoky yt@ androm-pahoriana. Na tao @ lapan'i Farao na tao an-davaky ny tranomaizina dia nahatoky teo anatrehan'Andriamanitra izy. Na dia vahiny teo @ tany jentilisa aza izy, lavitry ny fianakaviany izay hany tena mpivavaka amin'Andriamanitra marina, dia tsy nitsahatra niankina tamin'ilay mpitarika ny diany sady nanao tamim-pahintsiana ny adidy rehetra nomena azy". PM, t. 217.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
1.Tamin'ny lesona tamin'ity herinandro ity, ireo nofy sy ny filazana ny heviny dia manana anjara lehibe @ fomba fiasan'Andriamanitra. Izany dia noho iny faritr'izaio toltolo izao taloha iny nihevitra ny nofy ho hafatra avy amin'ireo andriamanitra samy hafa. Moa ve Andriamanitra ankehitriny miasa @ alalan'ny nofy sy ny fanambarana ny heviny tahaka izay nataony t@ lasa?
Na mety hanao misimisy kokoa an'izany izy any @ kolon-tsaina iray noho ny any @ hafa, izay tsy mandray ny nofy ho tena zavatra manan-danja?
rehefa apetraka @ toerana môderina ny tantaran'i Josefa na eo @ kolon-tsaina manokana dia inona no mety ho nanehoan'Andriamanitra ny Tenany sy ny Drafitra ataony?
2. Aoka ireo mambran'ny kilasy hiresaka ny tantaran'ny tenany manokana. Mety ho ao anatin'ireo ny fanandramana mangirifiry kanefa maneho ny fitarihan'Andriamanitra mahagaga.
3.Ny olona sasany mandalo fanandramana mangidy ary mivoaka avy eo mihamatanjaka @ finoana. Ny hafa kosa levona ny finoany. Amin'ny maha-kilasy, ifanakalozy hevitra izay mahatonga ny fahasamihafana amin'ireo vokatra roa ireo.