Trimestre 1 : Famille terrestre et famille spirituelle

Leçon 8 : NATAON'ANDRIAMANITRA MAHINTSY NY OLONA! INONA NO NITRANGA?

Date : 17-02-2007 au 23-02-2007. Etude : Mpitoriteny 7

Verset à mémoriser : Indro, izao ihany no hitako : nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy. Mpit.T. 7:29

Sabotsy 17-02-2007 : Fampidirana

Ireo vehivavy any Parisy manome sombi-mofo "notsakoina kely ka somary lanan'ny rora" ho an'ny vorona no tian'i Rainier Rike, pôeta, horesahina, raha nanoratra izy manao hoe : "Mahafinaritra an-dry zareo ny misaina hoe misy kely amin'ny forany lasa mandehandeha any amin'izao tontolo izao, ary ao am-bavan'ireo voronkely ireo ny tsirony rehefa iny izy ireo lasa manidina, na dia hoe afaka fotoana fohy ihany aza dia tsy tsaroan'izy ireo intsony izanye."

Inona fa tsy etona e (hebel), poaka aty sy foana. Ohatra mampalahelo mampiseho ny olombelona mikatsaka dikany sy antony any amin'ny toerana tsy izy. Isika olombelona tokoa mantsy dia mikatsaka dikany sy antony ary lalana haleha, ary indraindray amin'ny fomba hafahafa koa no anaovantsika izany. Indro àry isika, eto amin'ity izao tontolo izao ity, izay misy zavatra maro movaova sy safidy maro ary lalana maro isafidianana. Ahoana no ahafantarantsika hoe iza amin'ireo no marina?

Ny Mpir.T.7 no hodinihintsika amin'ity herinandro ity. Toy ny mamaky ny bokin'ny Ohabolana isika rehefa mamaky ireo and. 14 voalohany, misy ohabolana kely manaitra mikasika ny toetra mendrika, ny fiainana, ny tsy fahamarinana, ny tsy rariny, ny fahendrena, sy ny sisa, sy ny sisa. Mandrakariva, tsy mora ny fahazoana azy ireny, nefa izy ireny dia feno ny karazam-pahendrena izay andrasantsika avy amin'ilay lehilahy izay, na i Jesôsy aza niresaka mpmba ny fahendreny. Ireo and. sisa ao amin'io toko io kosa dia mampahatsiahy  kokoa an'i pitoriteny, ilay  Sôlômôna efa antitra, feno fangidiana, izay mbola nanana fahendrena betsaka hozaraina, na dia tao anatin'ny fangidiany aza.

Ity toko ity, tahaka ny boky manontolo, dia mamakafaka fanontaniana maro hafa momba ny fiainana. Ny MpitT. 7, rehefa raisina miaraka amin'ny fanambaran'ny Baiboly manontolo, dia mampiseho fa ao amin'Andriamanitra irery ihany no ahitana ny valiny marina, dia ao amin'Ilay Andriamanitra izay namorona antsika sy nanavotra antsika ary efa nanome antsika, araka izany, ny dikany sy ny antony izay matetika katsahin'ny maro any amin'ireny toerana tsy misy ilàna azy sy tsy mahafa-po ireny.


A propos des parisiennes qui nourrissent les oiseaux avec des morceaux de pain " un peu mâchés et mouillés ", le poète Rainer Rilke a écrit : " Cela leur fait du bien de penser qu'un peu de leur salive s'en va de part le monde et que les petits oiseaux s'envolent avec son gout dans leur bec, même si peu après ils oublient. "

Si ce n'est pas là de la vapeur ou hebel ! Nous, les humains, recherchons un sens, un objectif, une direction à notre vie, parfois de façon fort étrange. Nous voici dans le monde, face à tant de diversité, d'options, et de chemin. Comment savoir lesquels sont les bons ?

Cette semaine, nous étudions Ec 7. Les quatorze premiers versets se lisent à la façon des Proverbes, petits dictons brefs et concis sur la moralité, la vie, l'inégalité, l'injustice, la sagesse, etc. même s'ils ne sont pas toujours faciles à comprendre, ils sont remplis de la sagesse à laquelle on pourrait s'attendre de la part d'un homme auquel Jésus lui-même faisait référence. Le reste du chapitre rappelle davantage l'Ecclésiaste, le vieux Salomon amer qui, même dans son angoisse, a néanmoins une grande sagesse à partager.

Ce chapitre, comme livre tout entier, aborde de nouvelles questions sur la vie. Considéré dans l'ensemble de la Bible, Ec 7 montre qu'on ne trouve de réponses justes que dans le Dieu qui nous a créés, rachetés et qui nous a donné le sens et le but que tant de gens cherchent en de choses futiles et insatisfaisantes.

Alahady 18-02-2007 : Laza soa. mpit.t. 7:1

Amin'ny teny hebreo izay nanotatana voalohany ny Baiboly dia misy tsilalaon-teny eto izay tsy hita ao amin'ny dikan-teny. Ny teny ilazana ny hoe "laza" ("shm") dia tena akaiky tokoa amin'ny teny ilazana ny hoe "menaka" ("shmn"). Izany dia anankiray amin'ireo fomba ampiasain'ny mpanoratra, eo amin'ny lafiny haiteny ("linguistique") sy tononkalo ("poétique"), izay mety tsy hifono hevitra lalina sy miafina, kanefa nanome hery sy hatsaran-tarehy ny teny voalohany nanoratana ny Baiboly. Mampalahelo fa very izany hery sy hatsaran-tarehin'ny teny izany rehefa adika.

Raha atao indray mitopy maso io andininy io, indrindra ny tapany farany dia toa mampiseho ny toe-tsain'i Sôlômôna tsy manampo afa-tsy trangan-javatra ratsy("pessimisme"): aleo tsy teraka toy izay velona mahita izao ratsy rehetra atao aty ambanin'ny masoandro izao; aleo maty eo am-piterahana toy izay velona, sy ny sisa sy ny sisa. oa milaza zavatra ankoatra izany koa anefa ny Mpit. T. 7:1. Ny votoatin'izay angamba dia ao amin'ny tapany voalohany amin'io and. io.

Inona no hafatra fototra ambaran'i Sôlômôna ao amin'ny tapany voalohany amin'ny Mpit.T. 7:1? Jereo koa Ohab. 22:1; Dan. 6:5; 1 Tim. 3:2,10.

Hita miharihary eo amin'ny fizaràana io ny tombam-bidin'ny laza soa. Mifanaraka mora foana amin'izany ny voalaza manaraka ao amin'io and. io. Ny mpanoratra frantsay, Jean-Paul Sastre dia nilaza marimarina fa ny fiain'nny olona irey, rehefa dinihina lalina, dia voafaritry ny fahafatesany, amin'ny heviny hoe vita hatreo ny aminy rehefa maty izy. Tsy misy fiovana intsony, tsy misy fahafahana hanao zavatra intsony, tsy misy fitomboana intsony. Ianao dia araka izay toetranao tamin'ny fotoana nahafatesanao, dia izay ihany, tsy misy na inonana na inona ankoatra izay.

Marina izany amin'ny lafiny irey. Ny fahafahantsika hahazo laza soa sy hanana toetra tsara ary ho tonga hery miasa mangina ho an'ny tsara eto amin'ity izao tontolo izao ity sy ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia mifarana hatreo rehefa maty isika. Eto no amolavolana ny toetra fa tsy any am-pasana. Izao fotoana izao no fotoana mety hahazoantsika famonjena fa tsy aorian'ny fahafatesana.

Amin'ny lafiny irey izany io and. io dia tena mikasika ny zavatra atao laharam-pahamehana. Ny laza soa dia haharitra; fa ny olona ratsy fanahy kosa dia ho eto ary ho lasa, tahaka ny fofo-manitry ny menaka manitra. Koa zava-dehibe àary izany ny hikajiantsika tsara ny fotoanantsika, ny handaminantsika ny asantsika araka izay tokony hatao laharam-pahamehana. Inona ireo zavatra ataontsika, izay hisy akony maharitra, eny mandrakizay mihitsy aza, ho amin'ny tsara, izay mifanohitra amin'ireo zavatra tsy ho hita intsony indray andro any, fa efa nanjavona hatry ny ela ary tsy tsaroana intsony? Azo antoka fa zavatra mendrika ny hosaintsainina izany.

Fomba ahoana no ampiasanao ny fotoananao? Raha tsy maintsy hijoro eo anatrehan'Andriamanitra ianao, hilaza ny zavatra nataonao tao anatin'ny 24 ora lasa, hanao ahoana ny ho fandehan'izany?


UNE BONNE RÉPUTATION

L'hébreu d'origine fait ici un jeu de mots qui n'apparaît pas dans la traduction. Le mot traduit par " réputation " ou " nom " (shm) est très proche du terme signifiant " onguent " ou " huile " (shmn). Il s'agit de l'un de ces artifices linguistiques et poétiques qui, bien que n'ayant sans doute pas de sens profond ou caché, donne à la langue d'origine une force et une beauté qui, malheureusement, sont perdues dans la traduction.

A première vue, ce verset, notamment la dernière partie, rappelle le pessimisme de Salomon : il vaut mieux ne pas être né que vivre et voir tout le mal qui se fait sous le soleil ; il vaut mieux être mort à la naissance que vivre, etc. Ec 7.1, cependant, semble dire autre chose. La clef se trouve peut-être dans la première partie du verset.

Le message est évident : une bonne renommée a de la valeur. Ce qui vient ensuite dans le texte s'insère harmonieusement. Jean-Paul Sartre avançait que la vie d'une personne se définit essentiellement par sa mort, car à la mort tout est fini. Plus de transformations, plus de potentialités, plus de croissance. Une personne n'est rien d'autre que ce qu'elle est au moment de sa mort.

En un sens, c'est correct. Les occasions d'acquérir une bonne renommée, un bon caractère et d'avoir sur le monde et pour le royaume une influence positive, n'existent plus une fois que l'on est mort. Le caractère se forme ici-bas et non dans la tombe. Le salut nous est offert maintenant et non après la mort.

C'est pourquoi, en un sens, ce verset traite en réalité de nos priorités. Une bon-ne réputation est durable ; la personne méchante ne fera que passer, comme l'odeur d'un onguent, sans doute, il est donc important que nous fassions at-tention au temps dont nous disposons et que nous accordions une priorité à nos actions. Qu'est-ce qui aura un impact bénéfique durable, voire éternelle en op-position à ce qui sera un jour disparu et oublié? C'est certainement là un sujet de réflexion utile.

" Une bonne réputation vaut mieux qu'un parfum couteux, et le jour ou un homme meurt est préférable à celui de sa naissance.. " (Ec 7.1, BFC)

Quel est le message essentiel dont Salomon nous fait part dans la première moitié d'Ec 7.1? Voir aussi Pr 22.1 ; Dn 6.6 ; 1 tm 3.2; 10.

Que faites -vous de votre temps? Si vous deviez vous tenir devant Dieu et lui rendre compte de la façon dont vous avez passé ces dernières vingt-quatre heures, comment vous en tireriez-vous?

Alatsinainy 19-02-2007 : Trano misy fanasana, trano misy fisaonana. mpit.t. 7:2-6

Ny Batisa dia manana izao fitenenana izao : "Manana fivavahana ampy hahatonga azy ho fadiranovana izy." Samy efa nahita ireny karezan'olona ireny angamba isika rehetra. Ireny angamba no tian'i Jesôsy hambara ao amin'ny Mat. 6:16, dia ireo mandehandeha amin'ny tarehy malahelo mba hampisehoana amin'ny rehetra fa masina izy ireo.

Ny famakiana maimaika ny Mpit.T. 7:2-6 dia mety hahatonga ny tena hieritreritra hoe izany mihitsy no tokony ho toe-tsaina amin'ny fivavahana. Aleo misaona toy izay mifaly ao amin'ny fanasana, aleo malahelo toy izay mihomehy, sy ny sisa sy ny sisa. Mifanaraka amin'ny foto-kevitra momba ny fifaliana ao amin'ny Tompo, momba ny hoe mifaly ao amin'i Ktisty ve izany rehetra izany (Lev. 23:40, Sal. 5:11; 149:2; Fil 4:4; 1tes.5:16 ? Amin'ny fomba ahoana?

Raha mamaky tsara ireo and. ao amin'ny Mpit.T. 7 ireo ianao, dia misy tsipy hevitra ao izay manampy antsika hametraka izany rehetra izany amin'ny toerany araka izay tokony handraisana azy.

Diniho tsara ny and. 2, ireo fehezanteny vitsivitsy farany. Inona no hevitra asongadin'i Sôlômôna eto, izay manampy antsika hahatakatra ny hafatra fototra ambarany ao amin'ny and. 2-6?

Amin'ny lafiny iray, dia mamerina ny hevitra noresahina tao amin'ny lesona omaly i Sôlômôna. Na manao fety be toa inona ianao, amin'ny farany dia misy fisaonana foana satria, amin'ny farany dia maty avokoa isika rehetra. Mahazo an'izany ny hendry. Fantany fa henjana ny toe-javatra iainan'ny olombelona ary ny fifalifaliana amin'ny fanaovana fety sy ny hehy, marina fa manana ny anjara toerany, kanefa dia tsara ho fantatra ao anatin'ny tontolon-kevitra mivelatra kokoa momba ny fiainana amin'ny kapobeny. Ny fiainantsika dia tsy mifarana amin'ny fety, fa mifarana amin'ny fisaonana. Tsy mifarana amin'ny hehy ny fiainantsika fa amin'ny alahelo. Ny adala dia mandeha eny tsy mahatsapa akory ny fiafarana izay miantsy azy amin'ny farany. Indray andro any, dia tsy hehy no hisy fa "fitomaniana sy fikotroha-nify".

Vak. Lio. 12:41-48. Ny hafatra noresahina teo ambony ihany no ambaran'izany. Amin'ny fomba ahoana?

Ahoana no hahafahantsika Kristianina mampifandanja tsara izany? Rehefa dinihina, tsy sangisangy fa tena henjana tokoa ny ady lehibe ifanandrinan'i Kristy sy i Satana. Tena ara-bakiteny mihitsy, tsy resaka fiainana fotsiny izany, fa resaka fiainana mandrakizay. Ahoana no ampifandanjantsika io fahamarinana lehibe io amin'ny hoe tokkony hifaly ao amin'ny Tompo isika? Sa tsy mifanipaka velively ireo hevitra ireo? Ento ao amin'ny kilasy ny falin-teninao.


MAISON DE DEUIL, MAISON DE BANQUET

Les baptistes ont un dicton : il a juste assez de religion pour se rendre malheureux. " Nous avons probablement tous connu ce type de personnage. Peut-être était-ce à ces gens que Jésus se référait dans Mt 6.16, ces personnes qui prennent " un air sombre " pour montrer à tous combien ils sont vertueux.

Cependant, une lecture rapide d'Ec 7.2-6 peut donner l'impression que cette attitude correspond à ce que devrait être la religion. Il vaut mieux être endeuillé que festoyer, avoir du chagrin que rire, etc. qu'en est-il dans ce cas de la joie dans le Seigneur, du fait de se réjouir en Christ (Lv 23.40 ; Ps 5.12 ; 149.2 ; Ph 4.4 ; 1 Th 5.16) ?

En un sens, Salomon reprend l'idée abordée dans la leçon d'hier. Même si nous passons notre temps à festoyer, le deuil finira par nous rattraper, car nous mourrons tous. Les sages ont conscience de cela. Ils comprennent la gravité de la condition humaine. Festoyer et rire : si ces occupations ont leur place, elles doivent être appréhendées dans le contexte plus vaste de la vie en général. Notre vie ne se terminera pas par une fête, mais par un deuil. Notre vie ne se terminera pas par des rires, mais dans la tristesse. Les insensés passent leur chemin, ignorants de la fin qui les attend. Un jour, à la place du rire, il y aura " des pleurs et des grincements de dents. " (Mt 8.12)

Examinez soigneusement le verset 2 et les dernières expressions exprimées. Quel point Salomon souligne-t-il, point nous aidant à comprendre le message essentiel des versets 2-6 ?

Lisez Lc 12.41-48. En quoi ce texte nous adresse-t-il le même message que précédemment?

Comment le chrétien peut-il trouver le juste équilibre? Après tout, le grand conflit cosmique est quelque chose de grave. Il est question non seulement de la vie, mais aussi de la vie éternelle. Comment trouver l'équilibre entre cette importante vérité et le fait de se réjouir dans le Seigneur? Mais peut-être ces notions ne sont-elles pas contradictoires? Faites part de vos idées aux membres de l'école du sabbat.

 

 

Talata 20-02-2007 : Faharetana sy avonavona. mpit. t. 7:7-14

Efa hitantsika izay ireo and. enina voalohany ao amin'ny Mpit.T. 7. Hovitaintsika anio ity fizaràna voalohany ity, izay ahitana oha-pitenenana fohy miendrika ohabolana.

Vak. Mpit.T. 7:7-14. Inona ireo hevitra asongadiny eo? Iza amin'ireo no miteny mazava dia mazava sy mivantana aminao manokana; izany hoe, mahakasika anao amin'ny faritra maharary anao?

Misy fahendrena be ny fisafidianana avy amin'ireo zavatra ao anaty fonosana eo ireo. Ny and. 7 ohatra, izay miresaka momba ny kolokoly manimba ny fo, dia mikasika indrindra lafin-javatra ara-panahy iray lehibe dia lehibe tikoa: ny marimaritra ireisana iray dia mitarika ho amin'ny iray hafa. Io and. io tsy miteny hoe ny fo simban'ny faharatsiana dia mandray kolikkoly fa hoe ny kolikoly dia manimba fo. Fampitandremana mahery vaika tokoa ho antsika rehetra izany mikasika ny zavatra ataon'ny fahotana amin'ny fanahy.

Jer. ny and. 9. Inona no hevitra asongadina eto? Inona no anampian'ireto toko sy and. hafa ireto amin'io hafatra io? Mat. 5:22; 18:21,22; Rôm. 12:19-21.

Jer. ny and. 12. Ahoana no maha-fadiranovana ny fahendrena? Fomba ahoana no iarovan'ny fahendrena ny aina? Jer. koa Ohab. 1:7; 9:10; Dôl. 1:28; Jak. 3:13-18.

Ahoana no fahazoanao ny hevitra fonosin'ny and. 14? Jer. Fil. 4:11-13.

Mahita fahombiazana tsara ve ianao eo amin'ireo sehatra ireo? Inona ireo zavatra ilaina ovàana eo amin'ny fiainanao? Fahatezerana, marimaritra iraisana, tsy fananana fitokiana? Moa tsy zava-dehibe indrindra àary ve ny mandohalika eo anatrehan'i Jehôvah, mikatsaka ireo zavatra izay omeny maimaimpoana amin'ny alalan'i Jesôsy?


ESPRIT PATIENT, ESPRIT HAUTAIN

 

Nous avons étudié les six premiers versets d'Ec 7. Aujourd'hui nous terminons la première partie de ce chapitre, composée de dictons brefs, semblables à des proverbes.

Nous trouvons ici de bons morceaux de sagesse. Le verset 7, par exemple, évoquant les pots-de-vin qui corrompent le cœur, met l'accent sur un élément spirituel clef : un compromis entraine l'autre. Il ne dit pas que le cœur corrompu pratique les pots-de-vin, mais que les pots de vin corrompent le cœur. Quel puissant avertissement pour nous tous sur les effets du péché en nous !

Lisez Ec 7.7-14. Quels sont les arguments de Salomon? Lesquels vous touchent personnellement, là où vous êtes le plus sensible?

Examinez le verset 9. Quel est le point souligné ici? Qu'ajoutent à ce message les textes suivants? Mt 5.22 ; 18.21, 22 ; Rm 12.19-21.

Examinez le verset 12. En quoi la sagesse protège-t-elle? En quoi préserve-t-elle la vie? Voir aussi Pr 1.7 ; 9.10 ; Col 1.28 ; Jc 3.13-18.

Comment comprenez-vous le verset 14? Voir Ph 4.11-13.

Comment-vous comportez vous dans ces domaines? Que devez-vous changer à votre vie? Colères, compromis, manque de confiance ? Comme il est important de tomber à genoux devant le Seigneur et de rechercher tout ce qu'il nous offre gratuitement par Jésus!

 

Alarobia 21-02-2007 : Ny toetrantsika mpanota - fizarana 1 mpit.t. 7:15-21

Vak. Mpit.T. 7:15-21. iza amin'ireto and. eto ambany eto ireto no mahalaza tsara indrindra ny hafatra fototra ao amin'ireo and. ao amin'ny Mpit.T. eo ireo?
(a) 1Kôr. 13:13             (b)gal.6:2            (d) Rôm. 3:10
Azo lazaina fa ratsy ny sarin'ny olombelona asehon'i Sôlômôna eto? Mety halaim-panahy ny tea hihevitra hoe avy amin'ny toe-tsaina efa raikitapisaka ao aminy , tsy manampo afa-tsy trangan-javatra ratsy mandrakariva (pessimisme), no fototr'izany. Tsy tsotra toy izany anefa izy io.
Tamin'ny fiandohan'ny "Vanim-potoanan'ny Fahazavana" [Sciècle de Lumière" : vanim-potoana tamin'ny taonjato faha-17 nipoiran'ny fahalalana sy ny teknôlojia vaovao], tany Erôpa tamin'ny taonjato faha-17, dia nientanentana ery ny olombelona fa feno fahalalana vaovao. Tao anatin'izany fahafantarana vaovao an'izao tontolo izao izany no fanantenana lehibe ny fahafanterahan'ny olombelona. Eny, ratsy izao tontolo izao, ary ratsy ny olona hatramin'izay , fa ankehitrinykosa, amin'izao fotoana ahazoana fahalalana vaovao sy fahafantarana an'izao tontolo izao mivelatra kokoa izao dia ho resy ny habadoana ary hifatsara ny olombelona, hiroso tsy an-kiato amin'ny lalan'ny fahatanterahana ara-pitondran-tena.
Nandroso hatrany ny zava-miseho hany ka nino ny olona tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20 fa, amin'ny alalan'ireo zava-baovao hitan'ny siansa sy amin'ny alalan'ny teknôlojia vaovao, tsy ho ela dia hianatra hamolaka ireo zavatra izay natatonga azy ho tra-pahasahiranana be toy izao ny olombelona. Amin'ny alalan'ireo milina sy ireo fitaovana ary ireo zava-baovao noforonintsika dia ho resintsika ny aretina, ho resintsika ny loza ateraky ny voary, ho resintsika ny fankahalana sy ny ady.
Eritrereto ireo toe-javatra nitranga tao anatin'izay taon-jato lasa izay. Nahatanteraka ireo fanantenana lehibe napetraky ny olona taminy ve ny siansa? Jer. koa Mat. 24.
Tsy araka izay nantenaina ny fandehan-javatra, sa tsy izany? Na dia nahazo fahalalana vaovao aza isika, dia mbola ny toetrantsika olombelona mpanota ihany no nahazo laka tao anatintsika, ary maro tamin'izany fahalalana sy hery vaovao azo izany no lasa loharanon'ny ratsy sy ny fahoriana. Ny hery sy ny fahalalana, raha izy fotsiny amin'izao, dia tsy voatery ho tsara na ho ratsy. Arakaraka izay fomba ampiasan'ny olona azy ihany no mahatsara na maharatsy azy. Ny filohan'ny firenena matanjaka iray dia manana hery be tokoa. Azony ampiasaina hanamboarana trano na hanjerana baomba amin'ny trano izany hery izany. Tsy hery na fahalalana vaovao loatra no ilaintsika, fa fo voavolavola araka ny endrika sy ny toetran'Andriamanitra; raha tsy izany dia mety hampiasaina ho amin'ny ratsy ny fahalalana sy ny hery.
Samy manana fahalalana sy hery avokoa isika rehetran ny fatrany fotsiny no tsy mitovy. Fomba ahoana no ampiasanao izany? Ho amin'ny tsara, ho voninahitr'Andriamanitra ve? Sa hararaotinao izahy hanatanterahana tanjona tsy dia mendrika loatra? Lazao ny marina, na dia maharary anao aza izany.
 

 
LA NATURE HUMAINE DÉCHUE (première partie)

Salomon donne ici une image assez négative de l'humanité. Même si on est tenté de la mettre sur le compte de son pessimisme de base, ce n'est pas si simple.

Au début du siècle des Lumières, dans l'Europe du XVIIe siècle, les êtres humains débordaient de connaissances nouvelles. Cette nouvelle vision du monde comportait, entre autres, une grande espérance en la perfection humaine. Certes, il y avait eu de la méchanceté de par le monde et les gens n'en avaient pas manqué, mais maintenant qu'ils acquéraient de nouvelles connaissances et une meilleure compréhension des choses, ils allaient vaincre l'ignorance et l'humanité s'améliorerait, progressant régulièrement vers la perfection morale.

Le progrès n'a pas cessé depuis lors, si bien qu'au début du XXe siècle, les gens croyaient que grâce aux découvertes scientifiques et aux technologies nouvelles, l'humanité ne tarderait à maitriser tout ce qui avait été source de tant d'épreuves. Elle finirait, à l'aide des machines, de procédés et d'inventions de toutes sortes, par vaincre les maladies, maitriser les catastrophes naturelles et renverser la haine et les guerres.

Les événements n'ont pas tourné tout à fait comme nous le souhaitons. N'est-ce pas? Certes, nous avons acquis des connaissances nouvelles, mais notre nature pécheresse l'a emporté et une grande part de ces découvertes et pouvoirs nouveaux ont été source de malédiction et de souffrance. La puissance et la connaissance ne sont en soi ni bons ni mauvais. C'est ce qu'on en fait qui le détermine. Le dirigeant d'un pays puissant possède un grand pouvoir, qu'il peut utiliser pour construire des maisons ou pour les bombarder. Plus que de nouvelles connaissances et de nouveaux pouvoirs, nous avons besoins de cœurs façonnés à l'image de Dieu et de son caractère. Sinon, la connaissance et le pouvoir risquent d'être utilisés au service du mal.

Lisez Ec 7.15-21. Lesquels des versets ci-dessous décrivent le mieux le message principal contenu dans ce passage ?
a) 1 Co 13.13 ;
b) Ga 6.2 ;
c) Rm 3.10.

Réfléchissez aux événements du siècle dernier. La science a-t-elle répondu aux grandes espérances humaines? Voir Mt 24.

Alakamisy 22-02-2007 : Ny toetrantsika mpanota - fizarana 1 mpit.t. 7:15-27

 Fitanisana lavareny ny fahoriana manjo ny olombelona no ataon'i Sôlômôna ao amin'ny Mpit.T. 7:15-27.

Vak. and. 15. Inona no itarainan'i Sôlômôna eto? Mitombina ve izany fitarainany izany?

Tsy eo amin'io and. io akory no fototra voalohany niresahany mikasika an'io. Inona no lazainy ao amin'ny Mpit.T. 3:16, 17 izay manampy antsika hahafantatra ny zava-mitranga eto?

 Ny tena manaitra indrindra angamba dia ny teniny ao amin'ny Mpit.T. 7:20, izay toa mitovy be amin'ny fanambaran'i Paoly ao amin'ny Rôm. 3:10 (Tsy misy marina na dia ieray akory aza) na amin'ny an'i Jaona ao amin'ny 1 Jao.1:10 (raha hoy isika:  tsy manota isika, dia mampandaika Asy, ary ny Teniny tsy ato anatintsika.) Na dia esoin'ny olona aza ny Kristianina matetika noho ny fijerin'izy ireo tsy manampo zavatra avy amin'ny olombelona afa-tsy ny ratsy foana, sy ny fijeriny tsy mahita afa-ysy ny lafiny ratsy amin'ny olombelona, aoka fotsiny ireny olona mpaneso ireny hijery izao tontolo izao, hijery ny tantarany ary koa ny toetrany amin'izao fotoana izao, fa ho hitany porofo ny fahamarin'ny fampianarana kristianina mikasika ny toetran'ny olombelona mpanota. Mety hila finoana ianao hinoanao ny maro amin'ireo lesona ampianarin'ny fivavahana kristianina, fa tsy anisan'izany ny toetran'ny olombelona mpanota.

Vak. and. 26. Inona no toe-javatra niainan'i Sôlômôna tany aloha tany ka mahatonga azy hiteny ho toy iazny? 1 Mpanj. 11:1-4.

Marina fa miharihary hoe karazana vehivavy manokana mihitsy no tondroin'i Sôlômôna eo (ampitahao amin'izay voalaza ao amin'ny Ohab. 16:22), saingy mihoatra lavitra noho ny resaka hoe lehilahy sa vehivavy ny hafatra lehibe eto. Tandremo izay olona rehetra azon'ny devoly ampiasaina hanangoly anao sy hampivily anao hiala amin'i Jehôvah.

Ny and. 29 farany angamba no and. manaitra indrindra ao amin'ity toko ity. Haingana ery io and. io mampaka ny sarin'ny toetran'ny olombelona. Nataon'Andriamanitra masina isika, kanjo lasa tsy masina. Aso raisina ho ohatra mampiseho io foto-kevitra io. Azo raisina ho ohatra mampiseho io foto-kevitra io ny fiainan'i Sôlômôna, amin'ny lafiny iray. Eny , marina fa tsy hoe tsy nanota mihitsy izy, saingy nandeha tamin'ny lalana mahitsy izy tany amboalohany. Ny teny hebreo nadika hoe "mahitsy" dia teny mahazatra ilazana ny hoe "mahitsy" ary ampiasaina matetika izy hanehoana ny asan'ny olombelona (Deo. 16:18; 1 Mpanj. 22:43; 2 Mpanj. 18:3; Jôba 1:1,8). Na dia "nahitsy" aza izy tany am-boalohany, dia niala tsikelikely tamin'izany fahitsiany izany izy nony farany.

Vak. 2 Kôr. 13:5. Ao amin'ny finoana ve ianao? Ahoana no anaporofoanao ny falin-teninao?


LA NATURE HUMAINE DÉCHUE

Dans Ec 7.15-27, Salomon prononce une litanie de lamentations sur l'être humain.

Le plus frappant, peut-être, ce sont les paroles de Salomon dans Ec 7.20, qui semblent très proches de Paul dans Rm 3.10 (" Il n'y a pas de juste, pas même un seul ") ou celle de Jean dans 1 Jn 1.10 (" Si nous disons que nous n'avons pas péché, nous faisons de lui un menteur, et sa parole n'est pas en nous. ") Même si les chrétiens sont souvent ralliés pour leur vision " pessimiste " et " négative " de l'humanité, il suffit d'observer le monde, à la fois au cours de son histoire et dans les circonstances actuelles, pour vérifier ce qu'il révèle de la condition pécheresse de l'humanité. Il faut peut-être une grande foi pour croire aux enseignements du christianisme, mais pas à la nature déchue de l'humanité.

Même s'il est clair que Salomon évoque un certain type de femmes (cf. Pr 18.22), le message va en réalité beaucoup plus loin qu'une simple question de sexe : méfiez-vous de toute personne que le diable utilise pour vous piéger et vous détourner du Seigneur.

Le verset le plus étonnant de ce chapitre est sans doute le dernier, le verset 29. Avec quelle acuité il résume la condition humaine ! Dieu nous a faits saints et nous ne le sommes pas restés. La vie de Salomon, d'une certaine manière, pourrait servir à illustrer ce point. Certes, il n'était pas sans péché, mais c'était un homme droit. Le terme hébreu traduit par " droit " est un mot courant dignifiant " intègre " et il est souvent utilisé pour décrire les actions des hommes (Dt 6.18 ; 1 R 22.34 ; 2 r 18.3 ; Jb 1.1, 8). Même s'il était " intègre " et " droit " au départ, l'être humain s'est ensuite égaré.

Lisez le verset 15. De quoi Salomon se plaint-il ici? Ses lamentations sont-elles justifiées?

Ce n'est pas la première fois, cependant, qu'il aborde ce thème. Ce qu'il dit dans Ec 3.16, 17 ne nous aide-t-il pas à comprendre ce qui se passe sur terre?

Lisez le verset 26. Pourquoi, sans doute, Salomon déclare-t-il cela? 1 R11.1-4.

Lisez 2 Cor 13.5. Êtes-vous dans la foi? Justifiez votre réponse.

 

 

Zoma 23-02-2007 : Fianarana fanampiny

"Ny tena fanabeazana marina dia tsy manao tsinontsinona ny tombambidin'ny fahalalana ara-tsaina na ny fahaizana momba ny haisotatra; nefa omeny lanja ambonin'ny fahalalana ny fahefana; omeny lanja ambonin'ny fahefana ny hatsaram-panahy; ary omeny lanja ambonin'ny fahaizana ara-tsaina ny toetra. Olona manana toetra mendrika no ilain'izao tontolo izao kokoa toy izay olona manam-pahaizana ambony. Olona manana fahaizana fehezin'ny foto-kevitra tsy azo hozongozonina no ilainy.

"Ny voaloham-pahendrena dia izao: mahazo fahendrenaf." "Ny lelan'ny hendry mamiseho fahalalana tsara" (Ohab. 4:7; 15:2). Ny tena fanabeazana marina dia manolotra izany fahendrena izany. Ny tena fanabeazana marina di amampianatra ny fomba tsara indrindra ampiasana iereo hery rehetra ananantsika sy ireo fahaizana rehetra azontsika fa tsy ny irey totsiny amin'ireo rehetra ireo. Araka ieany dia mahafaoka ny adidintsika manontolo amin'ny tenantsika sy amin'izao tontolo izao ary amin'Andriamanitra izany.

"Ny fanorenana toetra no asa lehibe indrindra nankinina tamin'n olombelona; ary tsy mbola nanana lanja lehibe toy ny amin'izao fotoana izao mihitsy ny filofosana amin'ny fandinihana izany. Tsy mbola nisy mihitsy taranaka tany aloha rehetra tany nantsoina hiatrika fanontaniana goavana toy ireo atrehin'ny taranaka amin'izao fotoana izao; tsy mbola nisy mihitsy tany aloha tany tanora zazalahy sy tanora zazavavy niatrika loza lehibe toy izay atrenin'izy ireo ankehitriny. " -Ed, t. 225.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN6KEVITRA:

1. Iverenonareo ao amin'ny kilasy jerena ny falin-teny nomenareo ny fanontaniana ao amin'ny lesona tamin'ny Alatsinainy.
2. Resaho ny amin'ny fanambarana nalaina avy tamin'ny boky nosoratan'i EGW eo ambony eo io. Mariho amin'ny fomba manokana ny paragrafy voalohany. Mifanaraka tsara amin'ny sasany amin'ireo zavatra nianarantsika tamin'ity herinandro ity izany. Amin'ny fomba ahoana? Nahoana no zava-dehibe ny toetra, indrindra indrindra fa eo amin'ireo manana hery na fahefana betsaka?

3. Nikasika kely momba ny resaka hery miasa mangina ny lesona: niresaka ny amin'ny fomba nitarihan'ireo vadin'i Sôlômôna an'i Sôlômôna hiala tamin'Andriamanitra izany. Tena manana lanjany lehibe dia lehibe tokoa ity resaka hery miasa mangina sy fanerena avy amin'ny olona manodidina anao (namana akaiky anao) ity, indrindra indrindra ho an'ireo tanora; loza fa maro amin'ny tanora tokoa no voatariky ny naman-dratsy hiala amin'Andriamanitra. Inona no azonareo fiantonana atao hanampiana ny tanoranareo handositra ireny hery miasa mangina ratsy ireny? Inona ireo zavatra azon'ny fiangonanareo atao mba hahafahan'izy ireo manao safidy tsara kokoa?

4. Vakio mafy amin'ny irey kilasy ny fanambarana nataon'i Rike eo amin'ny lesona tamin'ny Sabata tolakandro. Inona no ambaran'izany aminareo mùikasika ny filàan'ny olombelona dikany sy antony? Fomba ahoana no anomezan'ny finoantsika valiny ireny filàana ireny? Izao koa, fomba ahoana no ahafahantsika mizara tsara kokoa ny zavatra izay nomena antsika, amin'ireo izay mikatsaka dikany ao amin'ny zavatra tsy misy dikany indrindra?

 


 

 

POUR ALLER PLUS LOIN

A LIRE : Ellen WHITE, Child Guidance, p. 166 : Testimonies for the Church, vol. 4, p. 606 ; vol. 8, p. 86 ; voir aussi pour un bon équilibre mental et spirituel, vol, 2, " La colère "p. 532-540 : " La formation du caractère ", p. 563-572.

" La véritable éducation ne méconnait pas la valeur des connaissances scientifiques ou littéraires ; mais au dessus du savoir elle met la compétence ; au dessus de la compétence, la bonté ; au dessus des acquisitions intellectuelles, le caractère. Le monde n'a pas tant besoin d'hommes d'une grande intelligence que d'hommes au noble caractère. Il a besoin d'hommes qui allient au talent la fermeté.

Voici le commencement de la sagesse : acquiers la sagesse. Proverbes 4.7. La langue des sages rend la connaissance meilleure. Proverbe 15.2. Une éducation authentique transmet cette sagesse. Elle nous enseigne à utiliser au mieux toutes nos connaissances, toutes nos facultés, et non l'une ou l'autre d'entre elles seulement. Ainsi, elle nous amène à faire face à toutes nos obligations - envers nous-mêmes, le monde et Dieu.

Former le caractère ! Jamais œuvre plus importante n'a été confiée aux hommes. Jamais il n'a été aussi essentiel qu'aujourd'hui de s'y consacrer avec soin. Jamais aucune des générations passées n'a été placée devant des problèmes aussi considérables, jamais les jeunes gens, les jeunes femmes n'ont été confrontés à des dangers aussi grands qu'aujourd'hui. " - Ellen WHITE, Education, " Éducation et caractère ", p. 255, 256.

A Méditer

1. Que les membres de la classe examinent leurs réponses à la leçon de lundi.

2. Discutez de la citation d'Ellen White ci-dessus. Remarquez notamment le premier paragraphe. N'évoque-t-il pas certains points de l'étude de cette semaine ? Expliquez. Pourquoi le caractère a-t-il de l'importance, surtout chez ceux qui ont un grand pouvoir?

3. La leçon aborde le problème de l'influence que l'on exerce et la façon dont les femmes de Salomon l'ont égaré. L'influence exercée et la pression des camarades sont des questions particulièrement importantes pour les jeunes, un grand nombre d'entre eux se laissant sérieusement égarer par de mauvais amis. En tant qu'Eglise, comment aider nos jeunes à éviter les mauvaises influences ? Que peut-elle faire pour leur offrir des alternatives plus intéressantes?

4. Que les membres de l'école du sabbat lisent à haute voix la citation de Rilke du début de la leçon. Que dit-elle sur le besoin humain de sens et de but ? En quoi notre foi répond-elle à ce besoin ? Comment mieux partager ce que nous avons reçu avec ceux qui recherchent du sens dans des activités sans valeur?

www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006
Semaine 03 année 2006
Semaine 02 année 2006
Semaine 01 année 2006