Trimestre 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Leçon 5 : REHEFA HIANTSOANTSO NY VATOLAMPY

Date : 28-04-2007 au 04-05-2007. Etude : Isa. 20:1; Nah. 3:2-7; Lio. 19:40; Heb. 11:24-27; Jao. 20:24-31.

Verset à mémoriser : Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'ny Farao, rehefa lehibe izy, nifidy manisy hiara-mitondra fahoriana amin 'ny olon'Andriamanitna tov izav hanana fifaliana vetivetv amin'ny fahotana.

Sabotsy 28-04-2007 : Fampidirana

MITANA ANJARA LEHIBE EO AMIN'NY FANAMAFISANA ORINA NY FAHAMARINANA ANANAN'NY TT NY FIKAROHANA ARKEOLOJIKA:

Tamin'ny  fiandohan'ny taon-jato faha-19, dia nisedra fifanoherana mafy avy tamina fototra  maro samihafa ny Baiboly. Ny lehibe indrindra tamin'izy ireny, izay mampalahelo tokoa ny milaza izany azy.dia avy tamin'ireo mpandinika  ny Baiboly ihany, izay nanambara fa tsy azo inoana ny Baiboly sy ireo  tantara voarakitra ao aminy. Naroso avokoa izao karazana fiheverana sy fahalalana (théorie) rehetra izao hoenti-manazava ny fototra niavian'ny Baiboly, ka na dia samy nanana ny fomba filazany aza izy rehetra ireny dia nanana hevidehibe niombonana kosa, satria samy niafara tamin'ny tsy finoana sy tsy fahatokiana ny Baiboly avokoa izany.

Ny zava-mahaliana kosa anefa , rehefa nihanahery vaika hatrany ireny fifanoherana ireny, dia nanomboka namoaka zava-baovao mampitolagaga vokatry ny fikarohana nataony ireo mpanao fikarohana arkeôlôjika, ka nanjary nahitam-baliny  tsikelikely teny ireo fihaikana natao tamin'ny Baiboly.

Izao no nosoratan'ity mpandinika  ny Baiboly malaza iray: " Vokatry ny fikarohana natao tany aloha tany ka nahitana sy nahafantarana zava-baovao, dia azo antenaina fa hanohy hanohana ny fahamarinan'ny tantaran'ny Baiboly koa ireo fikarohana arkeôlôjika hotanterahina amin'ny ho avy. SS, t. 168.

Amin'ity herinandro ity dia hijery ny amin'ireny fikarohananatao ireny isika sy ny fomba nitondrany vahaolana tamin'ireo fihaikana maro natao tamin'ny Baiboly. 


QUAND LES PIERRES CRIENT

°°°°°°°

Etude de la semaine :Es. 20:1; Na 3: 2-7; Lc 19:40; He 11:24-27; Jn 20:24-31.

 

Versets à mémoriser : "C'est par la foi que, devenu grand, Moïse renonça à être appelé fils de la fille de pharaon, préférant être maltraité avec le peuple de Dieu que d'avoir la jouissance éphémère du péché. " ( He 11:24,25)

 

Pensée centrale:L'archéologie a joué un rôle clé pour établir la véracité de l'Ancien Testament.

 Au début du XIXème  siècle, la Bible a subi une série d'attaques venues de directions diverses, les plus importantes étant le fait, disons-le tristement, des spécialistes affirmant qu'on ne pouvait se fier à la Bible et à ses écrits historiques. Toutes sortes de théories nouvelles ont été proposées pour expliquer les origines de la Bible. Même si elles différaient, elles avaient toutes un point commun majeur : elles discréditaient la Bible. Il est intéressant de noter qu'au plus fort de ces attaques, les archéologues ont commence à faire de surprenantes découvertes ; peu à peu, les défis lancés à la Bible ont trouvé réponse.

" Etant donné ce qui a été découvert par le passé, écrivait un érudit biblique bien connu, on peut s'attendre à ce que de nouvelles découvertes archéologiques étayent encore davantage les traditions bibliques. "
Edwin YAMAUCHI, The Stone and the Scriptures, Inter-Varsity press, Londres 1973, p.168.

Nous examinerons rapidement cette semaine quelques-unes de ces découvertes et quelles énigmes elles ont résolu.

 

Alahady 29-04-2007 : Ny finoana sy ny fikarohana arkeolojika

Na dia tsy niresaka momba ny fikarohana. arkeôlôjika aza i Jesôsy raha nilaza io andininy io, dia azo ambara fa nanao izany ihany Izy. Nandritra ny taona maro nifandimby, dia nanao zava-dehibe tokoa ho fanamafisana orina ny raki-tsoratry ny Baiboly ireo fikarohana arkeôlôjika maro samihafa, anisan'ireny ny vato atao hoe «Rosetta stone» sy ny soratra hita tamin'ny takela-baton'i Behistun na «Behistun inscription».

Aza raisina ho amin'izany anefa ny tenintsika. Vakio tsara ireto fanambarana vitsivitsy nataon'ny mpanao fikarohana arkeôlôjika ireto:

Hoy i Dr W.F. Alboright (izy ity angamba no mpanao fikarohana arkeôlôjika malaza indrindran'ny taonjato faha-20). «Tsy isalasalana fa nanaporofo ny fahamarinan'ny tantaran'ny TT tokoa ny fikarohana arkeôlôjika.» ARI, t. 176

Izao indray no.nambaran’i Millar Burrows, avy any Yale: «Amin'ny ankapobeny dia nampitombo ny fahatokiana ny fahamarinan'ny raki-tsoratry ny SM ny asa fikarohana arkeôlôjika, ary tsy misy iadian-kevitra ny amin'izany. Tsy mpanao fikarohana arkeôlôjika iray ihany tsy akory no nahita sy nahatsapa ny finoany sy fanajany ny Baiboly, izay nitombo tamin'ny alalan'ny fanandramana natao tamin'ilay fihadiana lavaka tany Palestinina.» WMS, t. 1.

Hoy kosa indray i K. A. Kitchen: «Eo amin'ny resaka fahazoana antoka ny Baiboly amin'ny an kapobeny (...) arakarakara ny niheverana tsy tamim-piangarana sy araka ny tokony ho izy ny dikan-tsoratry ny TT sy ireo mpanoratra azV no tena nisehoan'ny maha-izy azy marina.» OROT, t. 500.

Na dia tsara sy mahafinaritra toy inona aza ireny fanambarana ireny, sy ny maro hafa koa, dia tsy tokony ho amin'ny fikarohana arkeôlôjika toy izany no hampiorenana ny finoana, satria toy ny fampianarana rehetra ihany dia misy ezaka avy amin'ny olombelona hatrany ny famoahana sy fampitana azy ireny. Tsy maintsy manazava ny zava-misy na ny porofo hita ny olona, ary dia tsy maintsy mipoitra eo koa amin'izany ireo zavatra noeritreretin'ny saina manokana, dia miseho ny fanitaran-kevitra. Dia izao koa: inona no zava-mitranga raha misy olona manao fikarohana ka mahita zava-baovao izay lazain'ireo mpandinika ny Baiboly fa mifanohitra amin'ny zavatra ambaran'ny Baiboly? Mampihozongozona ny finoanao ve izany? Na dia tsara sy mahafinaritra aza ny hoe mifandraika amin'izay inoantsika ny fanazavana omen'ny fahalalana avy amin'ny fikarohana arkeôlôjika, dia tsy tokony hapetraka amin'ny vato na ny soratra voarakitra amin'ny takela-bato ny finoantsika, fa amin'ny teny fikasan'Andrimaanitra ihany izay naseho antsika tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy.

Vak. Jao. 20:24-31. Inona no foto-kevitra ambara eto izay azontsika hanaovana fampiharana eo amin'ny fanandramantsika manokana ny amin'ny finoana an'i Jesôsy? Inona no lesona azonao sintonina avy amin'io tantara io, indrindra fa izay voalazan'ny and. 29, ka afaka hanampy anao hahatakatra ny tena atao hoe finoana?


 

"Il répondit: Je vous le dis, si eux se taisent, ce sont les pierres qui crieront ! " (Lc 19 :40)

Même si Jésus n'évoquait probablement pas l'archéologie quand il a fait cette déclaration, c'était tout comme .Au cours des ans, diverses découvertes archéologiques, telles que la pierre de Rosette et les inscriptions de Béhistoun, ont grandement participé a confirmer les récits bibliques.Lisez plutôt quelques citations d'archéologues ci-dessous :

W.F.Albright, sans doute l'un des plus célèbres archéologues du XXe siècle, a dit : " Il ne fait pas de toute que l'archéologie a confirmé la valeur historique essentielles des traditions de l'Ancien Testament. " - Archaeology and the Religion of Israël, Baltimore : The Johns Hopkins Press, 1942, p.176.

Millar Burrows ,de Yale : " Dans l'ensemble, cependant, les travaux de l'archéologie ont indiscutablement renforcé la confiance dans la fiabilité du récit biblique. Plus d'un archéologue a vu son respect pour la Bible s'approfondir grâce aux fouilles réalisées en Palestine " - What Mean These stones ? New Haven, Conn. : American Schools of Oriental Reach, 1941, p.1

Même s'il est plaisant de posséder de telles citations et d'autres encore, nous ne devons pas fonder notre foi sur l'archéologie. En effet, comme toute discipline, elle reste une entreprise humaine. Ce sont des preuves interprétées par des hommes, or l'élément subjectif est toujours présent. Que se passe-t-il quand, à la suite d'une découverte, des spécialistes l'interprètent comme allant a l'encontre du récit biblique ? Notre foi en est-elle ébranlée ? Même si nous apprécions le fait que certaines interprétations archéologiques confirment nos croyances, ne faisons pas dépendre notre foi de pierres et d'inscriptions, mais plutôt des personnes que Dieu nous a révélées en Jésus-Christ.

Lisez Jn 20 :24-31.Quel principe s'appliquant à notre propre expérience de foi en Jésus est-il révélé ici ? Quelles leçons nous aidant à comprendre ce qu'est la foi tirons-nous de ce passage, notamment au verset 29 ?

Alatsinainy 30-04-2007 : Faminaniana voaporofo

Araka ny fantatsika dia ahitana faminaniana marobe ao amin'ny Baiboly, izay efa maro tamirï izy ireny koa no tanteraka. Sady mahafinaritra no mahaliana, raha miainga amin'ny fomba fijerintsika, ny manao jery todika ireny faminaniana ireny, ka mahita ny fomba anehoan'ny fikarohana arkeôlôjika amintsika ny fahatanterahan'izy ireny araka izay nambaran'ny Baiboly azy marina tokoa.

Ohatra : i Ninive no renivohitr'i Asiria izay tao anatin'ny fara tampon'ny heriny sy ny voninahiny tokoa tamin'izany. Iray tamin'ireo ivon-toeran'izao tontolo izao mihitsy izy io. Avy amin'ireo departemanta miandraikitra momba ny fanapahana no nanendrena ireo govemora hisahana fitondrana izay midadasika dia midadasika tokoa satria nipaka hatrany amin'iny faritr'i Persia sy Arabia iny izany, izay mahazo ny ilany atsinanana hatrany amin'ny morontsiraka maitson'ny Ranomasina Mediteraneanina any andrefana; dia miainga avy eo amin'ny sisin-tanin'i Etiôpia indray amin'ny ilany atsimo hatrany amin'ny Ranomasina Mainty any avaratra. Araka ny fanambaran'ny Baiboly anefa dia tsy nateza izany fitondrana izany fa rava ihany.

Araka ny voalazan'i Nahôma, dia inona no zava-nitranga tamin'ity tanàna lehiben'i Ninive ity? Nah. 3:2-7.

Tamin'ny alalan'ny herin'ny fanjakana medianina sy babilônianina mitambatra no naharava ny tanànan'i Ninive tamin'ny taona 612 TIK. Nodoranany lapa, nianjera.ny tempoly, ary nopotipotehina tsy nisy noraisina intsony ny fototra matanjaka dia matanjaka niorenan'ny tanàna.

Vak. Isa. 13:19-22. Inona koa no zavatra niandry ilay fanjakana lehibe iray, dia i Babilôha izany?

Ny fikarohana arkeôlôjika natao nandritra ny taona maro no nahalalana fa hay tanàna kanto sy mahafinaritra aok’izany ity Babilôna ity. Santionany tamin'ny zavatra nampahalaza an'i Babilôna ireto tanisaina manaraka ireto:

1.    Ny tamboho: nahatratra hatrany amin'ny 17 600 m mahery ny tamboho nanodidina ny tanàna, izay rindrimbe mihitsy, satria 25,5 m ny hateviny.

2.    Ny vavahady: Nahitana vavahady marobe ny tanàna, anisan'izany ilay antsoina hoe: «Ishtar Gâte» izay voaravaka biriky tsara tarehy ka namoaka sarina dragona sy ombalahy 575 ary sarina liona 120 ny firafiny.

3.    Ny lapan'i Nebôkadnezara izay voahaingo fatratra; tao amin'io lapa io no nisy ilay efitra malalaka be fanaovana fanasana sady nisy ny seza fiandrianan'ny mpanjaka ihany koa: 50,40 m ny lavan'ilay efitra ary 17,10 m kosa ny sakany.                                   

Na toy inona na toy inona anefa ny hakantony sy ny lazan'izany tanàna izany fahiny, dia faharavana no hany fahatsiarovana navelany ankehitriny, izay nohamafisin'ny fikarohana arkeôlôjika fa tsy nisy niangana ny tanàna.

Rava i'Babilôna? Rava i Ninive? Mety ho azo ampitahaina amin'izany koa ankehitriny raha misy olona miteny fa tsy maintsy ho rava ihany koa i Etazonia! Inona no lesona ho antsika eto izay manambara fa mandalo sy miserana ihany ny zavatry ny tany? Inona àry no tokony ho laharam-pahamehana eo amin'ny fiainantsika?

 


DES PROPHÉTIES CONFIRMÉES

°°°°°°°

 

La Bible telle que nous la connaissons est remplie de prophéties, dont un grand nombre se sont réalisées. Il est fascinant de constater la façon dont l'archéologie montre que ces prophéties se sont accomplies comme l'avait annoncé la Bible.

Par exemple, Ninive était la capitale de l'Assyrie quand celle -ci était au faite de sa puissance et de sa gloire .C'était l'un des plus grands centres du monde. De ses bureaux administratifs, des gouverneurs étaient envoyés diriger un vaste empire, qui s'étendait de la Perse et de l'Arabie à l'est aux rivages verdoyants de la Méditerranée à l'ouest, et de la frontière de l'Ethiopie au sud à la mer Noire au nord. Pourtant, d'après la Bible, cet empire ne devait pas durer.

D'après Nahum, que devait-il arrivera à la grande ville de Ninive ? Voir Na 3 :2-7

Sous l'assaut des forces conjointes des Mèdes et des Babyloniens, la ville a été détruite en 612 av. J.-C. Ses palais ont été brûlés, ses temples brisés et ses solides fortifications démolies.

Lisez Es 13 :19-22. Quel devait être le sort d'un autre grand royaume, Babylone ?

Les découvertes archéologiques faites au cours des ans ont révélé que Babylone a été autrefois une ville magnifique qui possédait, entre autres,
1) Un mur de fortification autour de la ville principale de plus de dix -huit kilomètres de long et de vingt -huit mètres de large ;
2) De nombreuses portes, y compris celle d'Ishtar et ses cinq cent soixante-quinze dragons, taureaux et cent vingt lions en mosaïque ;
3) Le splendide palais décoré de Nabuchodonosor, le hall du banquet et la salle du trône, de vingt mètres de large et pourtant, quelle qu'ait été sa gloire ancienne, comme le confirme l'archéologie, la ville n'est que ruines aujourd'hui.

Babylone en ruines? Ninive en ruines? A notre époque, cela reviendrait à dire que les Etats -Unis deviendront des ruines .Quelle leçon devons-nous en tirer sur le caractère éphémère de tout ce qui est terrestre ? Quelles devraient être nos priorités ?


Talata 01-05-2007 : Mbola misy porofo hatrany

Diniho ireto toko sy and, ireto: Gen. 15:20; Eks. 3:8; Jôs. 1:4; 1 Mpanj. 10:29 ary 2 Tant. 1:17. Firenen'iza avy no voalaza amin'ireo?

Tsy mba nisy firy akory ny filazalazana ny amin'ny «Hetita». ao amin'ny Baiboly. Nandritra ny taona maro anefa dia porofo nilazana fa tsy azo inoana ny Baiboly izany zavatra izany, raha teo amin'ny lafiny ara-tantara no resahina. Inona àry no antony? Satria tsy nisy loharanom-pahalalana hafa tany aloha tany izay nilazalaza momba ny Hetita. Araka izany dia nisy ireo olona sasantsasany izay nahita ny tsy fahampian'ireny loharanom-pahalalana ireny, ka izany no noraisiny ho porofo hilazana fa tsy azo inoana ny Baiboly. Noheverina fa olona fantatra tamin'ny alalan'ny lovan-tsofina fotsiny ny Hetita, na koa foko tsy dia manao ahoana loatra nitoetra tao amin’ny tanàna iray na roa fotsiny. Soa ihany anefa fa nisy ireo fikarohana arkeôlôjika marobe natao ka mahafantatra isika ankehitriny fa hay efa nanjaka tamin'iny faritr'i Azia Minora iny ny Hetita, niainga hatreo amin'ny Ranomasina Mediteraneanina izany ka mipaka hatrany amin'ny Ony Eofrata. Nanan-kery sy fahefana ambanimbany kely fotsiny noho ny an'i Asiria na i Egipta ry zareo Hetita. Rehefa nifarana anefa ny fanjakan'ny Hetita teo amin'ny manodidina ny taona 1200 TiK, dia tsy yoarakitra tao amin'ny pejin'ny tantara akory ny mombamomba azy ireo na dia nisy tanàna kely tavela ihany aza. Mbola niantsoantso ihany ny vatolampy teto nanaporofo ny fahamarinan'ny-Baiboly.

Misy fanambarana voarakitra ao amin'ny Baiboly izay voaporofo koa ny fahamarinany, dia ny fifandraisana nisy teo amin'ny Isiraely sy Môaba. Ahoana no amaritan'ny Baiboly izany fifandraisana izany? 2 Mpanj. 3:4-27.

Tao amin’ity tanàna kely iray farany atsinanan'ny Ranomasina Maty no nahitana ilay vato atao hoe «Moabite Stone» na Vaton’i Moaba, izay nasian'ny  mpanjaka  Mesa soratra  milaza ny  amin'ny fâmpahorian'ny

firenen'ny Isiraely an'i Môaba, araka izay voalaza ao amin'ny Baiboly. Any amin'ny trano fitahirizana ny rakitry ny ela, na «musée» any Lowvre, Paris no ahitana io vato io ankehitriny. Natao ho anisan'ny vato saro-bidy tokoa izy io satria somary nisy fahasamihafana kely tamin'ny teny hebreo fahizay ny soratra hita teo aminy. Tany amin'ny taona 850 TIK tany ho any no nanamboarana io vato io.

Andeha atao hoe tsy nisy na dia vaton'i Môaba iray aza hita. Dia tsy ho zava-tsarotra mihitsy araka izany raha milaza ireo mpandinika mpanakiana fa mbola porofo manamafy ny tsy maha-azo antoka ny Baiboly koa izany, toy izay nataon'izy ireo tamin'ny Hetita. Inona àry no lesona azontsika hianarana avy amin'izany rehetra izany ny amin'izay zavatra tokony hampiorenana ny finoana, na ny tsy tokony hampiorenana azy koa?


CONFIRMATIONS COMPLÉMENTAIRES

Ce ne sont là que quelques exemples des douzaines de fois ou les Hittites sont mentionnés dans la Bible. Pendant de nombreuses années, cependant, on a considéré que ces exemples montraient qu'on ne pouvait, historiquement, se fier à la Bible. Pourquoi ? Parce qu'aucun autre document ancien ne faisait référence aux Hittites. Les Hittites étaient considérés comme un peuple mythique ou, pour le moins, une tribu insignifiante occupant un ou deux villages. Grâce à de nombreuses découvertes archéologiques, cependant, nous savons maintenant que les Hittites ont régné sur une grande partie de l'Asie Mineure, de la mer Méditerranée à L'Euphrate et que leur puissance était à peine inférieure à celle de l'Assyrie ou de l'Egypte. Ce n'est qu'après la fin de leur empire, en 1200 environ av. J.-C., qu'ils sont disparus de l'histoire, même si de petites villes-Etats ont demeuré. Là encore, les pierres ont crié, témoignant de l'exactitude de la Bible. Dans un petit village à l'Est de la mer Morte, on a découvert la pierre de Moab, gravée d'inscription par le roi Mesha. Elle parle de l'oppression de Moab par la nation israélite, comme décrit dans la Bible. Cette pierre est actuellement au Museum du Louvre à Paris (NDT : il s'agit en réalité d'une copie, la véritable pierre de Moab ayant été détruite). On lui attribue une grande valeur, dans la mesure où les inscriptions diffèrent très peu de l'hébreu ancien. Elle a été gravée en 850 av. J.C.environ.

Recherchez les textes suivants: Gn 15.20; Ex 3.8; Jos 1.4; 1 R 10.29; 2 Ch 1.17.Quelle nation chacun de ces textes mentionnent-ils ?

Les relations entre Israël et Moab sont un autre élément biblique confirmé par l'archéologie, comment la Bible en parle-t-elle? 2 R 3.4-27.

Imagine qu'on n'a jamais trouvé la pierre de Moab. Il est facile d'imaginer des critiques déclarer : " une preuve de plus que la Bible n'est pas fiable! ", comme ils l'ont fait pour les Hittites. Quelles leçons en tirons-nous au sujet des éléments fondateurs de notre foi ?

Alarobia 02-05-2007 : I ebla sy ireo fikarohana hafa

Anisan'ny fikarohana manan-danja ihany koa ka nahalalana zava-baovao ny fahitana ny takela-tanimangan'i Ebla, tao amin'ny tanànan'i Ebla tany Siria tamin'ny taona 1970 tany ho any. Nisy ny fanangonana ireo takela-tanimanga rehetra hita ka ny 15000 tamin'izy ireny dia fantatra fa tany amin'ny 2300 taona TIK tany ho any no efa nisiany.

«Noheverina ankehitriny fa manan-danja kokoa amin'ny fanomezana fanazavana ny tantara nitranga fahiny sy ny fototra niavian'ny Baiboly tany aloha tany ireo takela-tanimangan'i Ebla, raha mihoatra amin'ireo fikarohana arkeôlôjika hafa efa natao.» Thomson Chain Reference Bible, tt. 1653,1654.

Vak. Isa. 20:1. Iza no mpanjaka voalaza eto ?

Nandritra ny taona maro no nanambarana sy nampielezana hatraiza hatraiza fa tsy nisy izany mpanjaka izàny, hany ka nohamafisina tamin'izany fa tsy azo itokiana ny zavatra lazain'ny Baiboly. Tamin'ny taona 1840 tany ho any anefa no nanehoan'ny fikarohana arkeôlôjika ny toerana niorenan'ny lapan'ny mpanjakan'i Asiria dia i Sargôna izany, ary niaraka tamin'io dia nisy tsangambato ihany koa izay nisy soratra milazalaza ny mombamomba an'i Sargôna. Mbola voaporofo tamin'ny alalan'ny fikarohana arkeôlôjika ihany ny fahamarinan'ny Baiboly teto.

Inona no fiafarana mahatsiravina nanjo an'i Sankeriba, mpanjakan'i Asiria, izay nandimby an'i Sargôna? 2 Mpanj. 19:36,37.

Zava-mahaliana ity: ny raki-tsoratry ny fikarohana natao ka nahitana ny mombamomba ny fanjakana Asirianina no manambara fa tamin'ny andro faha-20 amin'ny volana «Tebet» no namonoan'ny zanany lahy an'i Sankeriba mpanjakan'i Asiria, noho ny fikomiana nataony tamin-drainy.

Ny fahitana ny «Lalàn'i Hammurabi» tamin'ny taona 1901-1902 tany Susa sy ny fihadiana lavaka natao tany Nuzi no naneho ireo fomba fanao mahazatra sy niombonan'ireo olona velona tao anatin'ny tontolo tany aloha elabe tany, ary fantatra fa niainan'ireo patriarika fahizay koa izany: anisan'izany ohatra ny nanomezan'i Saraha an'i Hagàra mpanompovaviny ho vadin'i Abrahàma mba hiterahany, noho izy (i Saraha) tsy nanan-janaka (Gen. 16:1-3); tao koa ny fivarotana ny fizokiana izay natakalo sakafo (Gen. 25:33); dia nisy ihany koa ny fanomezana mpanompo ho an'ny zanakavavy rehefa manambady izy ireny (Gen. 29:24,29).

Na ny fikarohana arkeôlôjika, na ny siansa, na ny tantara, na inona na inona, dia mahafinaritra mandrakariva ny mahita ireny zavatra ireny manaporofo izay inoantsika, ka tokony hankasitraka ireny porofo màro samihafa ireny isika araka izany. Miaraka amin'izay koa anefa, dia misy hafatra manan-danja tokony hotsaroantsika hita ao amin'ny Heb..11:1. inona àry io hafatra io?

 


 
EBLA ET AUTRES DECOUVERTES 
 
Autre découverte importante, les tablettes d'Ebla ont été découvertes dans la ville syrienne d'Ebla (Tell Mardikh) dans les années 1970. Il s'agit de toute une bibliothèque de tablettes d'argile, quinze mille environ, datant de 2300 ans av. J.-C. Les tablettes d'Ebla sont maintenant considérées pour l'élucidation de l'histoire ancienne et le premier contexte biblique, comme plus importantes que toute autre découverte archéologique jamais faite. " - Thomson Chain Référence Bible, p.1653, 1654.

Lisez Es 20.1. Quel roi est-il mentionné ici ?

Pendant des années, on a déclaré que ce roi n'existait pas et qu'en conséquence la Bible n'était pas fiable. Mais en 1840, des fouilles archéologiques ont mis au jour un palais avec une statue et une inscription parlant de Sargon, roi d'Assyrie. Une fois de plus, l'archéologie confirmait la Bible.

Qu'elle a été la fin tragique de Sennachérib, roi d'Asssyrie, qui régna après Sargon ? 2 R 19.36,37
Il est intéressant de noter qu'on a déterré un texte assyrien disant que le vingtième jour du mois Tebet, Sennachérib, roi d'Assyrie, a été tué par son fils au cours d'une rébellion.

Le code d'Hammourabi, découvert en 1901-1902 à Suze, et les fouilles faites à Nuzi ont montré que certaines coutumes des patriarches étaient courantes dans l'Antiquité : Sara offrant son esclave à Abraham (Gen 16.1-3), le droit d'aînesse échangé contre la nourriture (Gn 25.33), de jeunes épouses se voyant offrir une servante par leur père (Gn 29.24, 29).

Qu'il s'agisse de l'archéologie, de la science, de l'histoire, ou autre, il est toujours agréable de voir confirmer nos convictions; soyons-en reconnaissants. En même temps, quel message, dans He 11.1, devons nous garder en mémoire ?

 

 

Alakamisy 03-05-2007 : Fanampim-pahalalana

Vak. Heb. 11:24-27. Araka ny voalazan'ireo andininy ireo, dia inona no zavatra nafoin'i Mosesy noho ny amin'llay Andriamaniny?

Mety ho inona àry ny zava-tsoan’ny Egipta izay navelan'i Mosesy tany aoriany tany ka tsy noraharahainy intsony?

Tamin'ny taona 1922 no nahitan'i Howard Carter ny fasan'i Tutankhamen; velona tamin'ny taonjato faha-14 TIK i Tutankhamen. Manampy be dia be antsika mba hahalala misimisy kokoa ny mombamomba an'i Mosesy sy ny zava-tsoan'ny Egipta ny fikarohana nataon'i Howard Carter. Zavatra be dia be, efa mahery ny 1700 a.ny mihitsy, izay hita tao amin'ny fasan'i Tutankhamen no aranty ao amin'ny trano fitehirizana ny rakitry ny ela na «musée» any Le Caire ankehitriny; anisan'izany ny saron-tavan'ny mpanjaka (na masque) izay vita tamin'ny volamena, natao hitahirizana faty, dia nisy koa ireo firavaka 143 no isany miampy ireo haingo saro-bidy marobe, izay kanto dia kanto tokoa. Io fasana io irery ihany no nanana izany harena saro-bidy aman-tapitrisa dôlara maro izany, izay tena nahatalanjona sy nahasodoka aok’izany. Fasana ho an’i Farao tokana ihany koa izy io. Ambaran'ny Baiboly anefa fa nilaozan'i Mosesy izany harena saro-bidy izany satria nahita izay tsy hita izy (Heb. 11:27).

Nilaza i Siegfried Horn fa ny fahitana ny fasan'i Tutankhamen dia nanome valin-teny ho an'ireo mpandinika ny Baiboly ka manao fanakianana amin'izay voalazany. Nanambara mantsy ry zareo mpanakiâna fa «porofo matanjaka hoenti-manamarika ny fahataran'ny bokin'i Josoà sy Mpitsara ny  fampiasana ny vy voarakitry ny tantara ao amin'ireo boky roa ireo, satria noheverina fa tsy mbola nampiasaina ny vy talohan'ny taonjato faha-12 TIK. Ireo zavatra na fitaovana vita tamin'ny vy, izay hita tao amin'ny fasan'ny mpanjaka Tutankhamen anefa dia naneho fa diso ny fomba fiheveran'ireo mpanakiana, ary efa niasa tamin'izany fotoana izany mihitsy ny vy.» SCB, t. 121.

Manome porofo maro izay manamarika ny fahamarinan'oy tantara ao amin'ny Baiboly ny fikarohana.

Vak. 1 Sam. 15:2,3. Inona no nasain'Andriamanitra nataon'ny Isiraelita?

Maro ireo izay mahita andininy toy itony no mihevitra azy ho zavatra manahiran-tsaina ka miteraka ady hevitra be. Nandritra ny taona maro anefa no nanomezan'ny fikarohana arkeôlôjika fanampim-panazavana momba izany toe-javatra izany, mba hahazoantsika mahatakatra tsara izay zava-nitranga tamin'izany fotoana izany. Nisy mpikaroka sasantsasany nilaza fa fivavahana tsy mifaditrovana sady lian-dra ny fivavahan'ny Kananita, ary izany no nahatonga ireo vahoaka kananita hanao fihetsika feno herisetra sy fanalam-baraka. Raha marina izany fomba fijery izany, dia afaka hanampy amin'ny fanazavana ny antony nampiasan'i Jehôvah ny Isiraelita hitondlra famaizana ho azy ireny. Tamin'izany ihany dia naneho foto-kevitra izay afaka hanampy antsika hahazo bebe kokoa ny zava-niseho teto ny Gen. 15:16.

Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny matoky ny Tompo sy ny hatsaram-panahiny, na dia eo aza ireny andininy maro samihafa ao amin'ny Baiboly ireny, izay saro-takarina ny heviny, ohatra amin'izany io hitantsika ao amin'ny 1 Sam. 15:2,3 io?

Diniho tsara amin'ny sainao manokana ireo ohatry ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindrampony ary ny famelany heloka. Dia angataho ny Tompo hanome finoana matanjaka anao mba hatokisanao Azy hatrany, na dia eo aza ireo zavatra saro-pantarina.


 AUTRES APERÇUS
°°°°°

 Quels trésors Moïse a-t-il dont laissés derrière lui? En 1922, Howard Carter a découvert la tombe de Toutan- khamon, qui a vécu au XIVe siècle av. J.-C. La découverte de Carter nous aide à mieux comprendre ce texte sur Moïse et les trésors de l 'Egypte. Plus de mille sept cents objets, trouvés dans la tombe de Toutankhamon, sont exposés au musée du Caire. Parmi ceux-ci, un masque du roi en or pur, une barque des morts en or, cent quarante -trois bijoux et de nombreux autres objets précieux . Cette tombe, á elle seule, possède un trésor de plusieurs millions de dollars, qui éblouit les sens .Or il s'agit d'une seule tombe, celle d'un seul pharaon. Pourtant d'après la Bible, Moïse a renoncé a tous ces trésors, parce qu'il avait vu " celui qui est invisible " (He 11.27).

Siegfried Horn a dit que la découverte de la tombe de Toutankhamon répondait aux critiques bibliques qui déclaraient que la mention du fer dans les récits des livres de Josué et des Juges indiquait que ceux -ci avaient été rédigés tardivement , ´´parce qu'on croyait que le fer n'avait pas été utilisé avant le XIIe siècle av. J.-C. Les objets en fer de la tombe du roi Toutankhamon, quoi qu'il en soit, montrent que ces critiques se trompaient et qu'on utilisait déjà á l'époque des objets en fer.´´The Spade confirms the book, Review and Herald publication Association ,Washington ,D.C1957, p.121.Cette découverte donne davantage de preuves encore de l'exactitude historique des récits bibliques .

Beaucoup de personnes trouvent ce type de texte troublant .Au cours des années, cependant, l'archéologie a mis au jour des connaissances qui nous aident à comprendre .Certains archéologues affirment que la religion des Cananéens était extrêmement cruelle et sanguinaire, les conduisant à commettre des actes violents et avilissants. Cela expliquerait dans ce cas pourquoi le Seigneur s'est servi des Israélites pour exécuter son jugement á leur rencontre. À cet egard, Gn 15.16 dévoile un principe qui nous permet également de mieux comprendre.

Lisez He 11.24-27.d'après ce texte, á quoi Moise a-t-il renoncé pour Dieu ?

Lisez 1 S 15.2, 3.Quel ordre Dieu a-t-il donné aux Israélites ?

Pourquoi est-il essentiel que nous placions notre foi dans le Seigneur et sa bonté, malgré des textes aussi diffi-cile á comprendre que 1 S 15.2, 3? Recherchez dans vos souvenirs des exemples de l'amour, de la miséricor-de et du pardon de Dieu. Demandez au Seigneur de vous donner assez de foi pour lui faire confiance, en dépit de ce qui vous parait difficile à comprendre.

 

Zoma 04-05-2007 : Fianarana fanampiny

 Vakio SDA BC, «Archeology and the Recovery of Ancient History», b. 1, tt. 99-132.

 «Ny hevi-diso momba ireo raki-tsoratra fahiny izay niforona noho ny anton-javatra maro samihafa, ka niheverana fa tsy afaka hahalala ny marina velively ny olona, dia nihanaka ka tonga hatrany amin'ny tsy fahatokiana ny zavatra voasoratra ao anaty Baiboly. Maro ny olona nihevitra fa ny fanambaran'ny Baiboly mikasika ny tantara fahinin'ity tontolo ity, sy ny tantaran'ireo patriarika, mpaminany, mpitsara ary mpanjaka dia saika honohono sy fantatra tamin'ny alalan'ny lovan-tsofina fotsiny, toy ny an'ireo olona hafa fahizay, izay niampitapita hatrany mandra-pahatongany taty amintsika tamin'ny alalan'ny raki-tsoratra grika sy latinina. Ireo mpahay tantara sy teôlôjianina malaza indrindran'ny taonjato faha-19 no tena mpiahiahy ny amin'ny fahamarinan'ireo tantara ao amin'ny Baiboly, ary ao amin'izy ireo ihany no nipoiran'ireny mpanakiana lozan-tany ireny.
 «Niova tanteraka anefa izany fihetsika sy fomba fijery izany hatramin'ny nidiran'ny taonjato faha-20. Nanehoana fanajana sy fankatoavana bebe kokoa izao ny TT, ireo tantara voarakitra ao aminy ary koa ny fampianarany, raha noharina tamin'izay nisého taona maromaro lasa izay. Ny vokatry ny fikarohana natao tamin'iny faritr'i Proche Orient iny no tena nitondra ity fiovana lehibe ity;
 «Noho ny fahalalana be navoaky ny fikarohana arkeôlôjika izay nentina namantatra ireo «sivilizasiona fahiny», dia nandroso sy nivelatra ny fahalalana ny TT, ka tsy hoe azo itokisana fotsiny ny tantara voasoratra ao aminy, fa tokana ny heriny sy ny fahefany ary ny fahalavorariana ananany raha mitaha amin'ireo vokatra tsara indrindran'ny tontolo fahiny.» SDA BC, b. 1, t. 100.
 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

 1.   Ifanakalozy hevitra eo amin'ny kilasinao ny amin'ny finoana an'i Jesôsy. Inona no atao hoe «finoana»? Avy aiza izy io? Inona no antony mahatonga ny olona tsy hanam-pinoana, na ho very finoana? Inona no anjara toeran'ny fikarohana arkeôlôjika eo amin'ny finoanao? Nahoana anefa isika no tsy tokony hifikitra be loatra amin'ireny, na koa amin'ireo fampianarana hafa, ohatra hoe ny siansa? Inona no tokony hataontsikc hampahatanjaka ny fmoantsika tsirairay avy?
 

2.    Andeha hatao hoe tsy nisy porofo nahafantarana ny fisian'ny olona natao hoe «Hetita» izany mihitsy. Dia tsy maintsy ho avy ny mpanakiana hanamafy fa tsy ampy porofo ny Baiboly, noho izany azo toherina, na dia fantatra ihany aza hoe tena nisy ange izany Hetita izany fa tsy honohono e! Amin'ny teny hafa dia izao no tiana hambara: Satria tsy ampy na tsy mitombona ny porofo dia midika hoe tsy marina ny zavatra ambara. Inona àry no lesona azontsika hianarana avy amin'izany mikasika ny amin'izay tokony hampiorenana ny finoana na ny tsy tokony hampiorenana azy ihany koa? 


 POUR ALLER PLUS LOIN

A LIRE: Seventh-day Adventist Bible Commentary, "Archeology and the Recovery of Ancient History ", vol.1, p.99-132.

" Le scepticisme envers les écrits anciens, fondé dans de nombreux cas, a également concerné les écrits de la Bible. De nombreuses personnes ont pensé que les récits bibliques ayant trait à l'Antiquité, ainsi que ceux que sur les patriarches, les prophètes, les juges et les rois, étaient, la plupart du temps, aussi légendaires que les histoires des autres peuples anciens qui nous ont été transmis en grec et en latin. Les plus fameux historiens et théologiens du XIXe siècle faisaient partie de ceux qui ont le plus douté de la véracité des récits bibliques et qui ont été parmi leurs plus vigoureux critiques. "

" Cette attitude a beaucoup changé depuis le début du XXe siècle. On témoigne maintenant d'un respect beaucoup plus grand envers l'Ancien Testament, ses récits et ses enseignements, qu'il y a quelques décennies. Le résultat des fouilles faites au Proche-Orient y a contribué plus que toute autre chose. "

" Dans la lumière jetée par l'archéologie sur les civilisations de l'Antiquité, l'Ancien Testament se détache non seulement comme étant historiquement fiable, mais aussi comme étant unique quant á sa portée, sa puissance et ses idéaux élevés comparés aux meilleurs produits de l'Antiquité " Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol.1, p.100.

 

A MEDITER

1. Que les membres de l'École du sabbat discutent du problème de la foi en Dieu. Qu'est -ce que la foi? D'où vient-elle? Pourquoi la perd-on Quel est le rôle de l'archéologie vis-à-vis de notre foi? Pourquoi devons -nous cependant éviter de trop mettre l'accent sur cette discipli-ne ou toute autre, telle que la science? Comment nous entraider à fortifier notre foi?

2. Imaginez que les preuves de l'existence des Hittites n'aient jamais été trouvées. Les criti-ques ne manqueraient pas d'en profiter pour attaquer la Bible, en dépit du fait que ce peu-ple a vraiment existé. En d'autres termes, le fait de manquer de preuves ne signifie pas que quelque chose n'existe pas. Quelles leçons en tirer sur les fondements de notre foi ?


 

www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006
Semaine 03 année 2006
Semaine 02 année 2006
Semaine 01 année 2006