Trimestre 2 : Ttre du trimestre 2 2006

Leçon 8 : FANAMBARANA NY FANANTENANA

Date : 19-05-2007 au 25-05-2007. Etude : Sal. 34:7; Sal. 91:4; Rôm. 3:26; 1 Kôr 15:51-58; Kôl. 1:14; Kôl. 2:13; 1 Tes. 4:13-18; 1 Pet. 3:18; 1 Jao. 1:9; 2:12.

Verset à mémoriser : Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.Rôm.15:4

Sabotsy 19-05-2007 : Fampidirana

MANAMBARA AMINTSIKA NY TONTOLON'NY FANANTENANA SY NY TENY FIKASANA NY BAIBOLY.

Nisy mpanamory fiaramanidina efatra tamin'ny fotoan'ny Ady Lehibe faharoa nilatsaka tamin'ny elon'aina ka nitaingina zahatra kely vita tamin'ny hazo, dia nitsingevaheva teny am-povoan'ny Ranomasimbe Pasifika teny nandritra ny 21 andro. Tsy nisy rano hosotroina na sakafo hohanina izy ireo tamin'izany. Rehefa tena hanan'ny hetaheta anefa izy ireo dia nirotsaka ny orana; nanangona orana ry zareo ary iny no nosotroiny. Rehefa nihamafy koa ny hanohanana ka tsy zaka intsony dia nisambotra ireny voron-drano marina tonga manatona ilay zahatra nitaingenany ireny izy ireo ary dia ireny votons ireny no nohaniny.

Rehefa voavonjy àry izy ireo tamin'ny farany dia nanontaniana tsirairay, nosarahina toerana ry zareo tamin'izany fa tsy niaraka teo, ary samy nametrahana fanontaniana mitovy toy izao: «Ho an'iza moa no hanoloranareo ny fahavelomanareo rehefa tsy maty tany an'ady ianareo fa mbo!a tratra velona toy izao?» Na dia nosarahin-toerana aza izy efa-dahy ireo tamin'izany dia nifototra tamin'izao valin-teny izao avokoa ny zavatra nambaran'ny tsirairay avy: nisy TV tao anatin'ilay zahatra nitaingenan-dry zareo, izay novakiny isan'andro isan'andro. Art' io boky io no nanome fanantenana azy mba hitozo hatrany ka tsy hitsoaka an-daharana na dia hita izao aza fa tsy misy antenaina ny zavatra rehetra hita sy niainana.

Ao amin'ny Baiboly dia tsy araka ny fampiasa azy mahazatra akory no ampiasana ny teny hoe «fanantenana», izay faniriana manana fototra na fanorenanà kely dia kely, fa ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fanantenana dia aseho amin'ny maha-fahamarinaq azy, dia fahamarinana mikasika Ilay Andriamanitra be fitiavana sady manan-kery sy fahefana hanao ny zavatra rehetra, izay miahy sy mikarakara antsika isan'andro, manome antsika izay ilaintsika ary koa manolotra antsika ny teny fikasan'ny fisiam-piainana vaovao indray-any amin'ilay tontolo vaovao efa nomaniny ho antsika.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny amin'izany fanambarana ny anantenana izany izay omena antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. 

 


 8. L'ESPÉRANCE RÉVÉLÉE 

°°°°°°°°°° 

Etude de la semaine : Ps 34:8; 91:4; Rm 3:26; 1 Co 15:51-58; Col 1:14; 2:13;1 Th 4:13-18; 1 P 3:18; 1 Jn 1:9; 2:12.

 

Versets à mémoriser : " Car tout ce qui a été écrit autrefois a été écrit pour notre instruction, afin que, par la persévérance et par l'encouragement des Écritures, nous ayons l'espérance."

(Rm 15:4)

Pensée centrale: La Bible nous dévoile un univers d'espérance et de promesses.

Des aviateurs de la Seconde Guerre mondiale, leur avion abattu, ont flotté vingt et un jours dans un petit ca­not au milieu du Pacifique. Ils n'avaient ni eau ni nourriture. Quand leur soif est devenue intolérable, il a plu; ils ont recueilli l'eau de pluie et l'ont bue. Quand leur faim est deve­nue intense, des mouettes se sont posées sur le canot; ils les ont attrapées et les ont mangées.

Quand ils ont finalement été sauvés, on les a interrogés séparément, en posant la même question à chacun : « À quoi attribuez-vous votre survie?» Tous les hommes ont à peu près donné la même réponse : il y avait un Nouveau Testament dans le canot et ils le lisaient tous les jours. Ce livre leur a donné assez d'espoir pour s'ac­crocher à la vie, même quand la situa­tion semblait désespérée.

Dans la Bible, le mot «espérance» ou «espoir» n'est pas utilisé au sens po­pulaire du terme, un vœu sans fonde­ment réel. Dans la Parole, le mot «es­pérance» est lié à la réalité d'un Dieu aimant et tout-puissant qui se soucie de nous, veille sur nos besoins et nous promet une nouvelle existence dans un monde nouveau. Cette semaine, nous étudierons l'espérance que nous révèle la Parole de Dieu. 


ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                               

Alahady 20-05-2007 : Fiononana avy amin'ny sm. rôm. 15:4

Eo amin'io and. io i Paoly dia miresaka ny amin'ny fiononana avy amin'ny SM izay mitondra ho amin'ny fanantenana. Inona ireo zavatra manana ny mampiavaka azy manokana ho anao ao amin'ny Baiboly ka mitondra fanantenana ho an'ny tenanao?

Miresaka momba ny toerana misy ny olombelona ny Baiboly, dia ny amin'ny maha-mpanota antsika rehetra (Rôm. 3:10), ary fahafatesana no tambin'izany ota izany (Rôm. 6:23). 1 Paoly no naneho ny tolona ho amin'ny famonjena ho an'ny taranak'olombelona raha nilaza izy manao hoe: «Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?» (Rôm. 7:24). Ao amin'i Jesôsy Kristy tompontsika no misy ny valin'izany (Rôm. 6: 23). Noho ny fitiavany dia nanaiky an-tsitra-po ho tonga teto amin'ity tany ity i Kristy, niaina tahaka ny olombelona, ary maty tamin'ny fahafatesana izay tokony ho nihatra tamintsika amin'ny maha­mpanota antsika.NyBaiboly no maneho amintsika ny fanantenan'ny famonjena izay ananantsika ao amin'i Jesôsy noho ny sorona nataony ho fanavotana antsika.

Inona ny fanantenana aseho antsika ao amin'ireto toko sy and. ireto? Rôm. 3:26 sy 1 Pet 3:18; Jao. 16:13 sy 2 Tim. 3:16; Lio. 18:29,30 sy 1 Jao. 5:13.Teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy, izay tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra (Kôl. 1:16), no nizaka irery ny onitry ny fahotantsika. Maty teo amin'ny toerantsika i Jesôsy, niaritra izay tokony ho niaretantsika Izy; nataony ho antsika avokoa izany rehetra izany.

Nahoana àry i Kristy no dia nizaka ny  mafy toy izany ho antsika raha toa ka hoe tsy hisy zavatra azo antoka ho  antsika akory amin'ny farany? Inona no ho anjarantsilka, ary fanantenana toy Inona no miandry antsika amin'ny farany? 

 


 

  LA CONSOLATION QUE DONNENT LES ÉCRITURES  

°°°°°°°°°°

"Or, tout ce qui a été écrit d'avance l'a été pour notre instruction, afin que, par la patience et la consolation que donnent les Écritures, nous possédions l'espérance." (Rm 15.4, Segond révisée à la Colombe)

 

Paul, dans le verset ci-dessus, évoque «la consolation que donnent les Écritures», qui conduit à l'espérance. Quels éléments bibliques particuliers vous communiquent personnellement de l'espérance.

 

La Bible parle de la condition humaine : nous sommes tous pécheurs (Rm 3.10) et le salaire du péché est la mort (Rm 6.23). Le combat pour le salut de l'humanité est exprimé par Paul en ces termes : « Misérable que je suis ! Qui me délivrera de ce corps de mort ? » (Rm 7.24) C'est en Jésus-Christ, notre Seigneur, que se trouve la réponse (Rra 6.23). Par amour, le Christ, volontairement, est venu dans ce monde, a vécu en homme, est mort de la mort que nous méritions. La Bible souligne l'espérance de salut qui est la nôtre en Jésus grâce à son sacrifice en notre faveur.

Quelle espérance ces textes nous présentent-ils?

1. Rm 3.26 ; 1 P 3.18

2.Jn 16.13 2 Tm 3.16

3. Lc 18.29, 30 ; 1 Jn 5.13

À la croix, Jésus, en qui «tout a été créé» (Col 1.16) a pris sur lui le châtiment que nous méritons pour nos péchés. Jésus est mort à notre place, il a souffert à notre place, pour nous.

Pourquoi le Christ aurait-il tant enduré si ce n'était pour quelque chose ayant pour nous une immese valeur? De quoi s'agit-il et quelle espérance cela.   


   ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                             

Alatsinainy 21-05-2007 : Fanantenan’ny famelan-keloka

 Maty novonoin’olona ity ramatoa iray. Tamin-kasiàhana sy herisetra no nahafatesan’io vehivavy io. Rehefa avy nanadihady ny fandehan’ny raharaha ireo pôlisy «psychologues» dia nanomana paik’ady hisamborana ilay nahavanon-doza. Nanafenan-dry zareo «micro» (fandraisam-peo) sy «camera vidéo» (fakana sary) tao amin’ny fasana nandevenana ilay rarnatoa. Dia niandry izay zavatra hitranga ry zareo. Indray alina, nisy lehilahy tamy nanatona ny fasana, nandohalika ilay rangahy rehefa tonga teo amin’io toerana io, nitalaho, nangata-pamelana tamin’ilay ramatoa novonoiny. Voaray tao amin’ilay «camera» daholo ny zavatra rehetra nataon’ilay rangahy teo.

 Inona àry no nitarika io rangahy io hiverina tany amin'ny olona novonoiny? Tokana ihany ny valin’izany: ny hadisoana vitany.

Amin’ny maha-olombelona lavo sy mpanota antsika dia samy efa nanao ny tsy mety avokoa isika. Eny, fa na dia olona tsy mino ny Baiboly aza, ka tsy mahalala akory ny hevitry ny fahotana tahaka antsika dia mahay manavaka ny marina sy ny diso, ny mety sy ny tsy mety ihany. koa, ary mazàna mahatsapa fa diso rehefa nanao ny tsy mety, Ho an’ny olona sasany, ny fahatsapana fa meloka ny tena dia mampivalaketraka sy mampahory tokoa. Io no fihetseham-po fototra izay mitarika ho amin’ny zavatra rehetra ataony:

Ho an’ny ankamaroan’ny olona dia mitondra ho amin’ny fahadisoam-panantenana goavana izany, ary tsy hoe ho azy ireny irery izany fa ho an’ireo izay miaritra fijaliana ihany koa vokatry ny fahadisoana vitany noho ny fihetsika na fitondran-tena tsy nety natao.

Soa ihany anefa fa misy ny fanantenana ary ambaran’ny SM amintsika izany. Nomena antsika ao amin’ny SM mantsy ny tantaran’i Jesôsy sy ny fahafatesany; lzy no nisolovoina antsika ho fanavotana antsika mpanota.

Inona no ambaran’ny Asa. 26:18;   Efes. 1:7; 4:32 ;   KoI. 1:14;  2:13 ary  l. Jao. 1:9;  2:12 amintsika mikasika ny famelan-keloka atolotra ny olona rehetra arnin’ny a Jesôsy?

Eny, mazava ny fanambaran’ny Baiboly fa amin’ny alalan’i Jesôsy tokoa no ahazoantsika famelan-keloka. Raha ny haben’izany famelan-keloka izany no Neverina dia toy izao no anehoan’ny SM an’Andriamanitra eo amin’ny tomba famelany heloka.

 

— «Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantantsika amintsika» (Sal. 103:12).

— Hariany ho any amin’ny ranomasina lalina na koa nariany teo ivohony ny fahotantsika rehetra (Mika 7:19; Isa. 38:17).

Novonoiny sy nolevoniny ny fahadisoantsika (Sal 51:1,9; Isa. 43:25; 44:22).

— Navelan’Andriamanitra ny helotsika ary tsy hotsarovany intsony ny fahotantsika (Jer. 31:34).

Ho an’ny fahotan’ny tany iray manontolo mihitsy no nahafatesan’i Kristy, nanaovany sorona ny tenany, izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana (Rôm. 3:25). Ka na iza ianao na iza, na inona na inona zavatra efa vitanao, dia azon’Andriamanitra avela ny fahotanao raha toa ianao ka manaiky ny teny fikasan’ny famelan-keloka ho an’ny tenanao.

Mbola mitolona ao anatin’ny fahatsiarovan ho meloka ve ianao? Raha izany no izy dia ivereno dinihina indray ireo toko sy andininy nomena anao tamin’ny esona androany. Ento am-bavaka ny fandraisanao azy ireny ho an’ny tenanao; aborahy eo amin’Andriamanitra izay ao am.ponao ao ary angataho izy hampahazo toky anao fa natao ho anao tokoa ireny teny fikasana ireny, ary tsy hoheverina intsony izay zava-bitanao tany aloha rehetra tany.

 


 L'ESPERANCE DU PARDON

°°°°°°°°

Une femme avait été sauvagement assassinée. Des policiers psychologues, après examen du cas, ont conçu un plan pour arrêter le meurtrier. Ils ont caché un microphone et un camera vidéo dans le sol, près de la tombe, Puis, ils ont attendu, une nuit, un homme s'est approche de la tombe, est tombé a genoux et a supplié la femme de lui pardonner. Les policiers ont tout entendu sur la bande d'enregistrement.

Qu'est-ce qui a poussé cet homme à revenir vers sa victime il n'y a qu'une seule réponse possible le sentiment de culpabilité.

En tant qu'êtres humains pécheurs, nous avons tous fait du mal. Même ceux qui ne croient pas en la Bible, qui ne comprennent comme nous la notion de péché, connaissent le bien et le mal et se sentent souvent coupables quand ils agissent mal. Il arrive parfois que la personne se sente écrasée par un sentiment de culpabilité, qui devient l'émotion à l'origine de tous ses actes. Cela peut conduire à un immense désespoir, non seulement pour la personne, mais aussi pour les autres qui souffrent de son comportement aberrant.

Pourtant, une espérance existe, celle que nous révèleraient les Ecritures, parce qu'elles nous livrent l'histoire de Jésus et de sa mort en notre faveur.

Qu'est-il dit dans Ac 26 :18 ; Ep 1 :7 ; 4 :32 ;Col 1 :14 ; 2 :13 ; 1Jn 1 :9 ; 2 :12 sur le pardon offert à tous par Jésus?

 

Oui, la Bible dit clairement que par Jésus nous sommes pardonnés. Quant à la portée de ce pardon, les Ecritures disent de Dieu qu'il " éloigne de nous nos transgressions " de même que " l'orient est éloigné de l'occident " (Ps 103 :12); qu'il les a jetées "dans les profondeurs de la mer" (Mi 7 :19) ou derrière son dos (Es 38 :17); qu'il les a effacés ( Ps 51 :3,11 ; Es 43 :25 ; 44 :22) et qu'il ne s'en souviendra plus (Jr 31 :34). Et certes, c'est pour les péchés du monde entier que le Christ est mort en un sacrifice rédempteur, rendu efficace par la foi (Rm 3 :25). Indépendamment de la personne que vous êtes ou de ce que vous avez fait, vos péchés seront pardonnés par Dieu si vous vous saisissez de ses promesses de pardon.

Luttez-vous toujours contre la culpabilité? Dans relisez certains des textes présentés aujourd'hui. Lisez-les, priez et confiez votre cas à Dieu en lui demandant de vous donner la certitude que ces promesses sont vôtres indépendamment de ce que vous avez fait.   


 

ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                            

 

Talata 22-05-2007 : Fanantenana mandresy ny fahotana

Vak. Ohab. 24:16 sy I Kôr. 15:57. Inona no fanantenana hita ao amin’ireo andininy ireo?

Na dia mety lavo aza isika dia misy hatrany ny fanantenana, dia fanantenana milaza amintsika fa mbo!a ho tafarina foana isika ary tsy hafoin’Andriamanitra na oviana na oviana. Ary na manota aza isika dia hijoro ho mpanelanelana antsika i Jesôsy ary hiaro antsika (Heb: 7:25; 1 Jao. 2:1). Fanampinizany dia ambaran’ny Baiboly koa fa amin’ny alalan’ny herin’i Jesôsy no hahazoàntsika mandresy ny fahotana.

Zavatra iray entina hlazana ny teny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny famelan-keloka izany. Ary maro dia maro izy ireny izay tsy ary ho voatanisa eto. Fa ahoana kosa àry ny amin’ny teny fikasany izay mampanantena fandresena ny fahotana? Moa tsy zava-marina sy manan-danja tokoa ve izy ireny sa ahoana?

 

Hanao ahoana tokoa re raha raisintsika ho an’ny tenantsika manokana ireny teny fikasana ireny, ka iainantsika ny.mah.a-zava marina azy eo amin’ny fiarahantsika mandeha amin’i Jesôsy e!

Mety hisy mambra sasantsasany mitolona ho amin’ny fahazoàna fandresena ny fahalemena, na inona na inona endrika isehoany.

Ireto dingana manaraka ireto ireto izay mifototra.amin’ny SM dia afaka hitarika antsika ho amin’ny fandresena:.

1 Fantaro ireo fahalemenao ary aoka ho tsapanao fa tsy afaka handresy azy ireny amin’ny herin’ny tenanao ianao. (Jer. Jao. 15:5).

2. Raiso ary ekeo ho anao ireo teny fikasanAndriamanitra mampanantena fandresena. (Jer. Fil. 4:13)

3. Minoa fa omen’ny Tompo anao ny fandresena ireny fahalemana ireny ary misaora Azy noho izany. (Jer. 1 Kôr. 10:13)

4. Ekeo ny teny fikasany ny amin’ny fanaovana ny tena ho efa maty ny amin’ny ota,. fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’I Kristy Jesosy. (Rôm. 6:11)

5. Manaova dingana azo tsapain-tanana sady azo anaovana fampiharana mba hisorohana ireo zavatra mety hitarika anao. ho amin’ny fahotana. (Jer. Rôm. 13:14)

6. Aoka ianao hivelona ao anatin’ny toe-tsaina feno fiderana sy fanandratana ny Tompo ary koa ny toe-tsaina tia vavaka. Derao ilay manome anao ny hery hoenti-mandresy ny fahalemana. (Jer. 1 Kôr.15:57)

Ahoana ny aminao? Efa nanaiky ny teny fikasan’ny Baiboly ny amin’ny famelan-keloka ianao, fa moa ve mitolona ho fahazoana fandresena ianao ankehitriny? Efa nahita tsy fahombiazana ve ianao na dia teo ireo teny fikasana rehetra mampanantena fandresena hita ao amin’ny Baibly ?  inona àry ny fiovana ilainao hatao ho fampiharana araka ny tokony ho izy ireo dingana voalaza teo ambony ireo, eo amin’ny fiarahanao mandeha amin’ny Tompo? 


Lisez Pr 24.16; 1 Co 1 5.57. De quelle espérance ces versets parlent-ils?

Même si nous tombons, une espérance existe, elle a de pouvoir nous relever encore et encore, si besoin est, et de ne pas être rejetés par Dieu. Er si nous péchons, Jésus nous défendra en tant que Médiateur (He 7.25; 1 In 2.1). En outre, la Bible dit également que par la puissance de Jésus, nous avons là victoire sur le péché.
C'est une chose de proclamer les promesses de pardon divin. Il en existe beaucoup. Mais que dire de ses promesses de victoire sur le péché? Ne sont-elles pas tout aussi réelles ? Tout aussi importantes ? II est donc vital que nous fassions nôtres ces promesses et expérimentions leur réalité dans notre cheminement avec Jésus.
Certains chrétiens luttent peut-être pour surmonter leurs faiblesses, quelles qu'elles soient. Les étapes suivantes, fondées sur les Ecritures, nous conduiront à la victoire :
1. Reconnaitre ses faiblesses et le fait qu'on ne puisse les surmonter avec ses propres forces, Voir Jn 15.5.
2. Proclamer les promesses de victoire divines; cs faire siennes. Voir Ph 4.13.
3. Croire que le Seigneur nous a donné la victoire sur ces faiblesses et le remercier. Voir 1 Co
10.13.
4. Proclamer la promesse de la mort du moi en Christ. Voir Rm 6.11.
5. Prendre des dispositions concrètes pour éviter ce qui nous entraîne à pécher. Voir Rm 13.14.
6. Vivre en louant et en priant le Seigneur, qui nous donne la force de surmonter nos faiblesses. Voir I Co 15.57.

Et vous? Vous qui avez proclamé les promesses bibliques de pardon, luttez- vous maintenant pour remporter la victoire? Echouez-vous malgré toutes les promesses de victoire que l'on trouve dans la Bible? Quels changements faire pour mieux concrétiser les étapes ci-dessus dans votre propre cheminement avec le Seigneur?

 


 

ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour  ( ci-dessous )

                                            

Alarobia 23-05-2007 : Fanomezana sy fiarovana. sai. 37:25

Vak. Mat. 6:25-35. Inona no fanantenana omen’i Jesôsy antsika ao amin’ireo andininy ireo? Inona no ambarany amintsika tsirairay avy?

Amin’ny maha-Mpahary izao rehetra izao ny Tompo dia nofenoiny ny zavatra tsara sy mahafinaritra avy Aminy ny tany. Fanomezana kanto loatra izany! Ny fandringanana sy faharavana afitsoky ny fahitana anefa no nanimba ny saran’ireny fanomezana ireny, hany ka tsy ny olon-drehetra intsony no nanjary mahazo tombon-tsoa àmin’ny fampiasana azy ireny. Izao anefa, na manana harena be mitafotafo isika na mahantra fadiranovana, dia samy manana ny teny fikasan’Andriamanitra daholo izay mampanantena antsika ny fanomezany izay zavatra ilaintsika.

Mbola omen’Andriamanitra miaraka amin’izany koa ny fanantenan’ny fiarovana. .Tsy miaina eo ambany fanapahan’ny kisendrasendra isika, . izay midika fa misy hery tsy fantatra izay tsy misy tanjona kendrena ary mitondra ny fiainantsika eny ; ka na dia tsy maintsy hisy zavatra ratsy aza mitranga eo amin’ny fiainantsika, ireo izay tia an’Andriamanitra kosa dia hanana ny teny fikasana izay afaka hanome antsika fanantenana lehibe na dia misy aza ny loza sy ny antambo,

Vak. SaL 46:1-3; 34:7; 91:4; 125:2; Mat. 28:20. .Inona no fanantenana hitanao ao amin’ireo toko sy and. ireo?

Nanome teny fikasana mahafinaritra momba ny fikarakarany sy ny fiarovany antsika amim-pitiavana ny Tompo, Ohatra marobe ho hitantsika ao amin’ny Baiboly izay maneho fa hay mahafinaritra sy mahagaga tokoa ny fiarovan’Andriamanitra ny olony. Hitantsika ao amin’ny Baiboly koa anefa ireo ohatra maneho ny fahoriana sy ny fijaliana niaretan’ny vahoakan’Andriamanitra, eny hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza na dia nijoro ho mahatoky tamin’ny fanarahana ny Tompo aza. (Jer. Mat. 14:10; Asa. 7:59; Heb 11:35- 39). Midika ve izany fa tsy tanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ireny ohatra ireny? tokony ho fantatsika kosa fa noho ireny teny fikasana ireny -  raha toa ka misy zavatra ratsy miseho eo amin’ny fiainantsika, dia mifehy ary mitsinjo ny. fiainantsika hatrany Andriamanitra, ary tokony hanana fanantenana ny amin’ny hoavy mandrakariva isika na dia eo aza ny fisedrana sy ny fahoriana mianjady amintsika? . . . .

Ahoana. no nanaovanao fanandramana ny maha-zava-misy ireny teny fikasana ireny teo amin’ny fiainanao manokana ? Inona no lesona azonao tamin’ireo fizahan-toetra sy fahoriana nihatra taminao izay afaka hanampy ireo olona mandalo izany toe-javatra sarotra sy izany koa amin’izao fotoana izao?

 


DIEU, POURVOYEUR ET PROTECTEUR

°°°°°°°°

J'ai été jeune, j'ai vieilli; et je n'ai pas vu le juste abandonné, ni sa descendance mendiant son pain (Ps 37:25)

Lisez Mt 6:25-34. Quelle espérance Jésus nous offre-t-il dans ces versets? Que dit-il à chacun de nous?

Créateur de l'univers, le Seigneur a rempli la terre de ses bontés magnifiques. Les ravages du péché, cependant, ont laissé leurs traces sordides, si bien que tous n'y ont pas accès. Pourtant, que l'on soit riche ou pauvre, Dieu promet qu'il veillera sur vos besoins.
II nous donne aussi une autre espérance: il nous protégera. Nous ne sommes pas à la merci de ce qu'on a appelé: "la tyrannie du hasard" c'est-a dire que notre vie n'est pas dirigée par des forces inconscientes et sans but. Même si des malheurs surviennent, ceux qui aiment Dieu disposent de magnifiques promesses remplies d'espérance quelles que soient les catastrophes.
                                                                                                                        

Lisez Ps 46:2-4; 34.8; 91:4; 125:2; Mt 28:20. Quelle espérance ces textes contiennent-ils? 

Le Seigneur nous a donné de magnifiques promesses concernant sa sollicitude et sa protection pleines d'amour. II y a, dans la Bible, de nombreux exemples de la façon merveilleuse, miraculeuse, même, dont le Seigneur a protégé son peuple. Pourtant, on voit aussi son peuple souffrir, mourir, même, tout en lui restant fidèle. Voir Mt 14:10; Ac 7.59; He 11:35-39. Les promesses di vines ont-elles failli dans ce cas? Ayons plutôt la certitude, grâce à ces promesses, que lorsque le malheur frappe, le Seigneur garde le contrôle et gardons espoir en l'avenir malgré les épreuves et les souffrances.

Avez-vous expérimenté ces promesses dans votre vie? Comment? Quelles leçons grâce auxquelles il vous est possible d'aider une personne traversant des circonstances difficiles, les épreuves et la souffrance vous avez apprises? 


 

ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                            

 

 

Alakamisy 24-05-2007 : Fanantenana ny fiainana mandrakizay

Na iza isika na iza, na mpanefoefo, na olona feno hery sy tanjaka ary koa mariam-pahefana, na tsara tarehy, na fanta-daza toy inona, dia tsy maintsy haran’ny fahafatesana avokoa. Ny fanafody, ny sakafo ara-pahasalamana sy ny sakafo voa tsara, ny fampiasan-tena: ireny ihany no tsy manafaingana ny fisehoan’ny tsy azo sakanana fa tsy maintsy tonga. Ka na toy inona na toy inona fiaviantsika sy toerana nitaizana ary koa namolavolana ny maha-izy antsika, ny fanabeazana na fahaizana amam pahalalana azontsika, ny firazanantsika, ny finoana arahintsika na koa ny fihodirantsika dia tsy maintsy hanjo antsika foana ny fahafatesana. Fahaverezan-kevitra mandrakariva no hita eto amin’ity fiainana ity.

Ny fananana herim-po sy fahasahiana, raha toa ka misaintsaina ny amin’izany ianao: ny .famakivakiana ny fiainana ka. itolomana amin’ireo fitsapana mahamay, ny loza sy ny antambo, ny fahadisoam-panantenana,. izay antony mahatonga ilay zavatra iray atahorantsika loatra, no fomba tokana sy azo antoka afaka hamarana ireny fizahan-toetra ireny.

Soa ihany fa afaka maneho amintsika ny zavatra tsy hain’ny natiora sy ny siansa sy ny tantara ary ny filôzôfia porofoina na itompoana teny fantatra ny Baiboly, dia izao: tsy fahafatesana tsy akory no eny farany. Ny mifanohitra amin’izany aza no izy, satria no ho Jesôsy sy ny fiainana ary ny fiainana mandrakizay dia fantatra hoe hanao ahoana ny hiafaran’ny tantara ho an’ireo izay manaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny.

•Vak, I Kôr. .I5:5I sy I Tes. 4:I3 Soraty amin’ny fiteninao azy manokana ny teny fikasana sy fanantenana natao ho antsika hita ao amin’ireo andininy ireo.

Tsy misy vahaolana ho an’ny fahafatesana eto amin’ity tontolo ity, saingy mahafinaritra ny rnahalala fa ao amin’i Jesôsy no ahitana nv vahaolana. Mahafinaritra ny mahalala fa tsy ny fahafatesana tsy akory no fiafaran’ny fiainana ; tsy alina lavabe mahatahotra izay tsy ho tonga amin’ny fanazavan’ny maraina mihitsy tsy akory izany. Tsy fonja izay tsy anantenana fahafahana mihitsy tsy akory ny fasana, fa i Jesôsy Kristy aza efa nalevina tao am-pasana ary nitsangana tamim-pandresena; koa noho izany fa ny fahafatesana izany dia azo antoka fa handresy koa isika. Izany no nampanan-kery sy fahefana ny asa notanterahin’i Kristy, ary fahombiazana tov inona nentin’izany ho antsika ! fa na ny fahafatesana aza tsy naharesy azy !

 

Izany no fanantenana hitantsika ao amin’ny Baiboly Ao no ahitantsika ny tantaran’i Jesosy sy ny zavatra rehetra efa nataony ho antsika ary mbola hataony koa amin’ny hoavy. Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny vahaolana amin’ilay fanontaniana saro-baliana eo amin’ny fiainana, dia ny fahafafesana izany. Fanampin’izany koa dia ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny fanantenana milaza fa tsy ny fahafatesana tsy akory no fijanonana farany ka vita hatreo ny fiainana.

Mba alao sary an-tsaina ange hoe mety hanao ahoana tokoa ny fiainana raha toa ka noana fa hifarana mandrakizay amin’ny fahafatesana ny zava-drehetra? Ahoana. no fahitanao ny mampiavaka ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Inona no mampiavaka ny fihetsika sy ny asa ataonao amin’izany? nona no anton-javatra azonao omena amin’ny fanohizana hatrany ny fiainana, raha atao hoe fantatrao fa hiafara amin’ny tsy misy izany fiainana izany? Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fanantenan’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny fiainanao ankehitriny?

 


 L’ESPÉRANCE DE LA VIE ÉTERNELLE

 

°°°°°°°

Que les hommes soient riches, puissants, beaux ou célèbres, tous affrontent la mort. La médecine, les régimes et l’exercice physique ne font que reculer l’inévitable. Quels que soient notre milieu social, notre éducation, notre race, nos croyances ou la couleur de notre peau, la mort finit toujours par nous atteindre. La vie ici-bas est toujours un pari perdu d’avance. Plutôt difficile, si l’on y pense : traverser la vie en luttant contre les épreuves, les tragédies, les maladies et les déceptions pour réaliser qu’en fin de compte ce qu’on redoute le plus, la mort, est le seul moyen d’y mettre fin!

 

Heureusement, la Bible révèle ce que ne peuvent montrer la nature, la science, l’histoire ou la philosophie : la mort n’aura pas le dernier mot. Au contraire, grâce à Jésus, la vie éternelle marque la fin de l’histoire pour ceux qui acceptent le Christ comme leur Seigneur et Sauveur.

 

Lisez 1 Co 15 :51-58; 1 Th 4 :13-18. Dans vos propres termes, notez par écrit quelle promesse et quelle espérance nous sont réservées d’après ces versets.

 

Si ce monde n’offre aucune réponse à la mort, il est consolant d’apprendre qu’il existe néanmoins une réponse, celle que l’on trouve en Jésus. Il est consolant de réaliser que la mort n’est pas la fin, qu’elle ne ressemble pas à une longue nuit sans matin. La tombe n’est pas une prison sans espoir de délivrance. Jésus-Christ est entré dans la tombe et il en est ressorti triomphant ; grâce à sa victoire sur la mort, nous en triompherons nous aussi. Telle a été la puissance du ministère du Christ, rendue efficace pour nous. Même la mort s’y est heurtée.

Telle est l’espérance que présente la Bible, où se trouve l’histoire de Jésus, de ce qu’il a fait et fera pour nous. La Bible répond au problème le plus terrible qui soit, celui de la mort. Nous y trouvons cette espérance : la mort n’est pas obligatoirement la fin de tout.

 

Imaginez comment serait la vie si vous pensiez que tout s’achevait à la mort. Votre vie serait-elle différente?

Vous comporteriez-vous différemment? Quelles seraient vos raisons de vivre si tout se terminait à la mort? Quel rôle l’espérance de la vie éternelle joue-telle dans votre vie actuelle?

 

 


   ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                      Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                            

 

 

 

Zoma 25-05-2007 : Fianarana fanampiny

 Vak.    HM,     « Fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra », tt. 661-678, «Mifarana ny ady», tt.689-706

«Feno teny fikasana ombam-pahasoavana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary avy amin’izy ireny no handraisan’ireo izay miaritra fijaliana, na ara-batana izany na ara-tsaina, fiononana sy fanantenana ary fankaherezana.» CH, t. 212.

«llaintsika ny mankasitraka sy mandray amin’ny fahafenoany ny hevitry ny teny milaza hoe: «  mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambany alokalony » (Ton.K. 2:3). Tsy famonjena toerana iray izay atao.ao anatin’ny fikoropahana na tsy amim-piheverana tsy akory no sary asehon’izany teny izany ao an-tsaintsika fa fialan-tsasatra feno filaminana sy fahatoniana. Maro ireo olona milaza azy ho Kristianina no mitebiteby lava sady kivy sy rera-tsaina; be dia be ireo sahiran-dava, tototry ny asa aman-draharaha ka tsy mahita fotoana hialana sasatra amim-pilaminana intsony eo amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, fa lasa toy ny hoe tsy mahazaka mahita fiadanana sy fahatoniana izany intsony. Ho an’ireo rehetra tafiditra ao anatin’izany toe-javatra izany indrindra no iantefan’ny antson’i Kristy manao hoe: «Mankanesa aty Amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana» (Mat. 11:28).—/b/d, t. 251.

 

FANONTANIANA HJFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Nahoana no mbola misy hatrany ireo olona marobe miaritra fijaliana na dia eo aza ireo teny fikasana ao amin’ny Baiboly? Na moa no avelan’Andriamanitra hitranga ireny rehetra ireny? Ahoana ny fomba tokony hampiasantsika ny Baiboly mba hitondra fiononana sy fanantenana ho an’ireo izay miari-pijaliana ?

2. Ifanakalozy hevitra eo amin’ny ki!asy ny anjara asan’ny fiangonana sy ny fomba ampiasan’Andriamanitra azy mba hitondra fanantenana ho an’ny olona avy amin’ny teny fikasan’Andriamanitra. Fomba ahoana àry no ampiasan’ny Tompo ny fiangonanao eo an-toerana ho fampitana ireny teny fikasana ireny ka ho tafapaka any amin’ny fiainan’ireo izay manaiky azy amin’ny anaran’i Jesôsy?

3. Na dia maro aza ireo teny fikasana ny amin’ny fandresena ny fahotana izay sady mazava no tsy misy isalasalana dia inona no antony mahatonga ny mambran’ny fiangonana ho tôjo zava-tsarotra mazana eo amin’ny fandresena azy (ny fahotana)? Resaho eo amin’ny kilasy izay dingana tokony hatao mba hahazoan’ny tsirairay avy mifanampy ka hahita fandresena.

4. Aoka hifampizara teny avy ao amineny Baibo!y izay mitondra fanantenana ny mambra ao amineny kilasy ary aoka hohazavaina ny hevitr’izany teny izany ho azy (izany hoe midika inona ho azy io teny nosafidiany io ?).  


  POUR ALLER PLUS LOIN

°°°°°° 

A LIRE: Ellen WHITE, La tragédie des siècles, " La délivrance p. 689-707 La fin de la tragédie ", p. 7 19-737.
II y a dans la Parole de Dieu des promesses de grâce qui offrent réconfort, espoir et encouragement à ceux qui souffrent, physiquement ou psychologiquement. Ellen WHITE, Counsels on Health, p. 213. 


" Il est nécessaire que nous sachions mieux apprécier le sens de ces mots : "J'ai grand plaisir à in son oint." (Dt 2.3, La Bible du Semeur) Ces paroles nous évoquent non pas un moment transitoire, mais un repos paisible. De nombreuses personnes qui se disent chrétiennes sont anxieuses et dépressives; d'autres sont tellement actives qu'elles ne parviennent pas à trouver le temps de se reposer paisiblement sur les promesses de Dieu; elles se comportent comme Si elles ne pouvaient s'offrir des moments de paix et de tranquillité. A toutes ces personnes, l'invitation du Christ est la suivante " Venez à moi [...] et je vous donnerai du repos." (Mt 11 :28, Segond révisée à la Colombe) " Idem, p 251.

A MEDITER

1. Pourquoi tant de gens souffrent-ils malgré les promesses de la Bible? Pourquoi le Seigneur permet-il tous ces maux? Quel usage faire de la Bible pour réconforter et redonner de l'espoir à ceux qui souffrent?

2. Que les membres de la classe discutent du rôle de et de la façon dont le Seigneur fait appel à elle pour communiquer aux hommes l'espérance contenue dans ses promesses. Comment votre église locale peut se mettre davantage au service du Seigneur pour que certaines de ses promesses se réalisent dans la vie de ceux qui s'en saisissent au nom de Jésus?
3. Malgré tant de promesses claires et sans ambiguïté sur la victoire qui est possible de remporter sur le péché, pourquoi les croyants ont-ils souvent du mal à vaincre? Que les membres évoquent les démarches à faire pour s'entraider dans le but de remporter les victoires qui leur échappent.
4. Que les membres fassent le tour de la classe en partageant un texte biblique qui leur redonne de l'espérance et en expliquant pourquoi ce passage a tant d'importance pour eux.

 


 

  ENGLISH LESSON :   Notsoahana avy tamin'ny site ssnet.org 

                       Cliquer sur la leçon du jour ( ci-dessous )

                                 

 

 


www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006
Semaine 03 année 2006
Semaine 02 année 2006
Semaine 01 année 2006