Trimestre 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Leçon 7 : I BOAZA SY I ROTA : FANORENANA MAFY

Date : 11-08-2007 au 17-08-2007. Etude : Rota 1----4

Verset à mémoriser : "Fa izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriama- nitrao no ho Andriamanitro; izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy" Rota 1:16, 17.

Sabotsy 11-08-2007 : Fampidirana

  
Hatramin'ny fahalavoana tany Edena ka hatramin'ny mariky ny bibidia amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, dia saiky sary manjombona no anehoan'ny SM ny taranak'olornbelona. Tsy sarotsaronan'ny Tenin'Andriamanitra mihitsy ny toetran'.ny olombelona. Hatrany amin'ny takila voalohany ka hatrany amin'ny takila farany, dia asehon'ny Baiboly araka ny toetrany ny olombelona.
Eo anivon'izany rehetra izany no misy ny bokin'i Rota sy ireo olona vitsivitsy tantaraina ao, olona be herim-po, manana faharesen-dahatra sy finoana, olona mahatoky sy mihevitra ny hafa fa tsy mba tia tena. Avy aiza moa ireo olona ireo?
Ny fifandraisana mahafinaritra nisy teo amin'i Bôaza sy i Rota dia mifanohitra tanteraka amin'ny zava-misy tamin'ny andron'ny mpitsara nisehoan'ny tantara, fotoana izay tsy nisian'ny mpanjaka ka samy nanana izay tiany hatao ny olona rehetra. i Rota, vehivavy môabita kosa, dia nampiseho firaiketam-po lalina tamin'ny rafozam-baviny maty vady sy tamin'ny Andriamanitry ny Isiraelita; i Bôaza indray, dia nampiseho hatsaram-panahy tsy mba niovaova. Na dia maro tokoa aza ireo sakantsakana natsipin'ny fiainana teny an-dalana, ny tantaran'i Rota dia mampiseho fa ny toetra mahitsy dia afaka mandresy ny fanoherana rehetra.
 

Indray mitopy maso:  Misy toetra manokana hitantsika ao amin'i Bôaza sy i Rota izay fototra tsara ho an'ny fanambadiana mahomby sy ho an'ny fiainana mahatoky amin'ny kapobeny.


 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 3ème TRIMESTRE


POUR LE MEILLEUR ET POUR LE PIRE

LECONS INSPIRÉES PAR LES COUPLES DE L'ANCIEN TESTAMENT

 

 7. Booz et Ruth : Des fondements solides  

Etude de la semaine : Ruth 1 à 4.

Versets à mémoriser: "Ou tu iras, j'irai; la au tu passeras la nuit, je passerai la nuit; ton peuple sera mon peuple, et ton dieu sera mon dieu; la ou tu mourras, je mourrai, et c'est la que je serai ensevelie." (Rt 1, 16,17)  

Penséee centrale:  

On trouve chez Booz et Ruth un grand nombre des traits de caractère propices à fonder un mariage heureux et, de façon générale à se montrer fidèle.

 

 

De la chute en Eden à la marque de la bête des temps de la fin, les Ecritures donnent une image assez sombre de l'humanité. La Parole de Dieu ne passe pas à coté de la condition humaine. Du début a la fin de la Bible, l'humanité est décrite telle qu'elle est.

Au beau milieu de tout cela se trouve le livre de Ruth et la poignée de personnes qu'il évoque, gens de courage, de conviction, de foi, de loyauté et de désintéressement. D'ou venaient-ils ?

La relation extrêmement positive vécue par Booz et Ruth contraste franchement avec la période des juges dans laquelle se situe le récit, époque sans roi où chacun agissait comme bon lui semblait. Ruth la Moabite, pourtant, a témoigné une dévotion extrême à sa belle-mère veuve et au Dieu des Israelites. Booz, de son cote, a fait constamment preuve de bonté. Même quand la vie jette de nombreux obstacles sur le chemin, l'histoire de Ruth illustre la façon dont une attitude juste peut en venir à bout. 

 

 


   

3rd Quarter 2007

For Better or for Worse:

  Lessons From Old Testament Couples

Contents and Introduction

 

 

 

7 . Boaz and Ruth : Firm Fundations

        (Ho an'ny rehetra )
 

 

 

 

 

 


Alahady 12-08-2007 : Raharaham-pianakaviana

Indraindray dia any amin'ny toerana tsy ampoizina no ahitantsika hatsaram-panahy sy finoana ary fanoloran-tena sy fahafoizana ho an'ny hafa

Vak. Rota 1 ka miainga avy amin'izay vakinao, valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

1. Inona no toe-javatra mitovy amin'izay nitranga tamin'ireo olona voatantara ao amin'ny Baiboly teo aloha? Rota 1:1; ampitahao amin'ny Gen. 12:10; 26:1.
2. Nifandray tsara ny olona rehetra tao amin'ity fianakaviana ity. Inona no porofon'izany hitanareo ao amin'ny Rota 1 ? Tamin'ny fomba ahoana no nampisehoana izany?
3. Vak. ny teny nolazain'i Naomy ao amin'ny Rota 1:8,15,20,21. Inona no ambaran'ireo and, ireo amintsika momba azy?
Hafa kely tokoa raha ity fianakaviana ity: Ny fifandraisan'ny rafozambavy hebreo iray amin'ny vinantovavy mpanompo sampy roa, raha araka izay fisehony ,ivelany izay, dia toa tsy ho lasa lavitra. Toetra mampiavaka,ny fifandraisana hiafara amin'ny zava-doza mantsy ireo.
Kanefa dia mampiaiky volana ny fifampiheveran'izy ireo tsirairay izay hahasoa ny andaniny na ny ankilany. Tsy fantatsika ny fandehan-javatra rehetra tao amin'ny tokan-tranon'izy ireo, miharihary kosa anefa fa nisy zavatra nananan'izy ireo izay inoana marimarina fa azon'ny tokan-trano maro ampiasaina.
 
Toetra mahatoky sy marina ve no asehonao amin'ny olona manodidina anao? Inona no azonao atao, mba tsy hiheveranao loatra ny tenanao, fa hiheveranao misimisy kokoa ny soa ho an'ny hafa? 

 

Dimanche                               12.08.07    

7. BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

AFFAIRES FAMILIALES

Il arrive que l'on rencontre de la bonté, de la foi, du dévouement et une attitude désintéressée dans les lieux les plus inattendus. Les relations familiales exposées dans le livre de Ruth auraient pu facilement être remplies d'amertume, alors qu'elles sont pour nous un exemple à imiter.

Lisez Rt 1 et, en vous fondant sur votre lecture, répondez aux questions suivantes :

1. Quel parallèle peut-on tracer ici avec de précédents personnages bibliques ? Rt 1 :1 ; cf. Gn 12 :10 ; 26 :1.2.

2. Qu'est-ce qui montre dans Rt 1, que les relations familiales entre les uns et les autres étaient bonnes ?

3. Lisez les paroles de Noémie dans Rt 1 :8,15 ;20,21. Que révèlent ces textes à son sujet ?

C'était une famille particulière : une belle-mère juive et deux belles-filles païennes, qui, en apparence, ne semblaient guère avoir la possibilité de nouer des relations profondes. Celles-ci avaient au contraire tout pour être désastreuses. Et pourtant, la façon dont chacun veillait sur le bien-être des autres était admirable. Nous ne savons pas tout ce qui s'est passé dans ce foyer, mais il est certain qu'il possédait des éléments dont de nombreux autres foyers pourraient s'inspirer.

Dans quelle mesure vous montrez-vous fidèle et loyal envers votre entourage ? Comment penser moins à vous-même et davantage à autrui .
 


 

LESSON 7                                                            SUNDAY— AUGUST  12

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   Family Affairs

 

 

          ( Ho an'ny mpampianatra)

           (Ho an'ny rehetra )

 

Alatsinainy 13-08-2007 : Ny fahafoizan-tenan' i rota

Miainga avy amin'izay voalaza ao amin'ny Rota 1, inona no azontsika fantarina mikasika ny toetran'i Rota? Inona no porofo ananantsika mampiseho fa nino ny Andriamanitry ny Isiraely izy? 

Nampihetsi-po tokoa ny fahafoizan-tenan'i Rota hanaraka ny rafozambaviny. Ampoizina fa mafy kokoa ho an'i Rota ny nanapa-kevitra hifikitra tamin'ny rafozambaviny rehefa niverina i Orpa. Hoy i Naomy tamin' i Rota sady nanondro an'i Orpa izy: "Indro ny rahavavinao lasa nody ho any aminny fireneny sy ny andriamaniny, ka mba miverena hianao koa hanaraka ny rahavavinao " (Rota 1:15). Tamin'izay fotoana izay i Rota no nanao ny fanambarana malaza  mikasika ny faniriany te-ho isan'ny firenena Isiraely. Miharihary fa nahita zavatra tao amin'ireo olona ireo sy tao amin'ny Andriamanitr'izy ireo izay nanintona azy izy. Ary nanao izany rehetra izany izy na dia tsy nitory mivantana taminy aza i Naomy, araka ny fahitana ny fihetsiny.


Inona no porofo hitantsika eto izay mampiseho fa tsy vavolombelona nijoro tsara ho an'i Jehôvah i Naomy, amin'ny lafiny iray?


Na dia teo aza ireo olana, mahita isika eto an'i Rota, vehivavy môabita, izay nitady mba ho isan'ny Isiraely, kanefa ny Isiraelita tsy mba nazoto handray Môabita izany ho isany fa naleony aza nandray Edômita sy Egiptianina. Ny zafiafin'ny Edômita sy ny Egiptianina (ny taranaka fahatelo izany) dia nahazo niditra tamin'ny fiangonan'i Jehôvah (Deôt. 23:7, 8). Fa ny taranaky ny Amônita na ny Môabita kosa dia tsy nisy nahazo niditra ny fiangonan'i Jehôvah, na dia hatramin'ny taranaka fahafolo aty aoriana aza (and. 3).
Izany akory tsy midika ho fandrarana, tsy fahazoana mihitsy manambady anankiray amin'izy ireny, na hoe fanavahana azy ireny tsy mba isan'ny mahazo famonjena. Nisafidy ny Andriamanitr'i Naomy ho Andriamaniny i Rota, koa ho setrin'izany dia naneho fitia taminy tamin'ny fomba maro Andriamanitra.


Jereo ny fiainanao, ny fiangonanao, ny fifandraisanao amin'ny hafa sy amin'i Jehôvah. Inona no misy ao (ao amin'ny fiainanao, ao amin'ny fiangonanao,...] – raha misy - izay hahatonga ny hafa ho voataona hanatona ny fiangonanao sy ny Andriamanitrao? Manambara inona aminao mikasika ny tenanao sy ny fiangonanao ny valin-teninao? Dinihonareo miaraka ao amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata.

 


 

Lundi                                    13.08.07    

7. BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

La dévotion de Ruth

Que nous révèle Rt 1 sur le caractère de Ruth? Qu'est ce qui montre qu'elle croyait dans le Dieu d'Israël?

Ruth témoignait une dévotion profonde à sa belle-mère. Qu'Orpa s'en soit retournée a peut-être rendu la décision de Ruth de rester auprès de sa bene-mère plus difficile a prendre. Noémie, désignant Orpa, lui a dit : "Regarde, ta belle-sœur est repartie vers son peuple et vers son Dieu. Toi aussi retourne, suis-là." (Rt 1 :15 La Bible des peuples) C'est alors que Ruth a fait sa célèbre déclaration, exprimant son désir de faire partie du peuple d'Israël. Il est clair que quelque chose, chez ce peuple et ce Dieu, l'attirait, et cela, en dépit du fait que Noémie n'avait rien d'une évangéliste convaincue!

 

Qu'est-ce qui montre ici que Noémie, d'une certaine manière, n'était pas un bon témoin du Seigneur?

 

Indépendamment des problèmes que cela soulevait, Ruth était une Moabite qui désirait faire partie d'Israël, même si les Israélites acceptaient davantage les Edomites et les Egyptiens que les Moabites. Les arrière: petits-enfants (ou troisième génération) des Edomites et des Egyptiens étaient autorises à faire partie de l'assemblée du Seigneur (Dt 23 :7,8), mais aucun des descendants des Ammonites ou des Moabites ne l'était, pas même a la dixième génération (Dt 23 :3.Il ne leur était cependant pas interdit d'épouser un ou une Israelite, pas plus qu'ils n'étaient exclus du salut. Ruth a adopté le Dieu de Noémie comme le sien et, en retour, Dieu lui a témoigné sa faveur de multiples façons.

Examinez votre vie, votre église et vos relations avec les autres et avec Le Seigneur. Qu'est-ce qui pourrait attirer autrui à votre église et à votre Dieu? Qu'indique votre réponse sur vous-même et sur votre église? Discutez de votre réponse à l'Ecole du sabbat


 

LESSON 7                                                   MONDAY— AUGUST  13

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   Devotion of Ruth

  

  

 

 

 

 

 

          ( Ho an'ny mpampianatra)

           (Ho an'ny rehetra )

 
 

 

 

Talata 14-08-2007 : Boaza

Hatramin'izao isika dia nahita zavatra maro tao amin'i Rota izay mampiseho azy ho olona tsara toetra sy mahatoky ary feno fanoloran-tena.
Fantatsika anefa fa olona roa vao mahaforona mpivady. Koa indro àry izao i Bôaza fa miditra an-tsehatra eo amin'ny tantara.
Vak. Rota 2:1-12. lnona no zavatra mety ho fantatsika eto mikasika ny toetran'! Bôaza? Inona ireo lafin-javatra lehibe misongadina momba azy?
 
Rehefa fantatr'i Bôaza hoe iza ity tovovavy mitsimpona ny salohim-bary latsaka tao amin'ny sahany ity, dia nanao zavatra maromaro feno fihèverana azy izy: 1) Nampirika azy tanteraka izy hitsimpona tao amin'ny sahany; 2) nanome fiadanan-tsaina azy izy tamin'ny fampahafantarana azy fa efa nanome teny ny olony izy tsy haninona azy amin'izany; 3) nanome azy ireo zavatra hafa nilainy koa izy tamin'ny namelany azy hisotro tamin'ny rano fisotrony; ary 4) nanome azy teny fampaherezana àra-panahy izy.   
Vak. Jak. 2:14-17. Aminny lafiny inona no ahitantsika fa manatanteraka ireo foto-kevitra lazain'i Jakôba i Bôaza eto? lnona no lesona ho antsika eto?

Niezaka indray i Bôaza taorian'izany nanao izay tsy hahatonga an'i Rota hihevitra ny tenany ho toy ny mpangataka (Rota 2:13-23). Tamin'ny fotoana fisakafoanana dia nasainy izy hiara-misakafo tamin'ireo mpijinja ny variny, hihinana mofo miaraka amin'ny lasaosy amin'ny vinaingitra, sady mbola nomeny lango betsaka koa aza izy ka nisy sisa tsy laniny. Nohafarany ireo mpiasany mba tsy hisakana azy na dia nitsimpona teny anelanelan'ny amboara aza izy; noteneniny mihitsy aza izy ireo hanao fanahy iniana hanisy latsadatsaka avy amin'ny amboara ary hamela ireny ho azy. Betsaka mihoatra noho izay nety ho azo tamin'ny alalan'ny asa mafy ny vary nentin'i Rota nody. Izany dia vavolombelona naneho fahalalahan-tanana. Nony farany dia nanasa azy i Boaza hitoetra teo amin'ny sahany nandritra ny fotoam-pijinjana sisa.

Impiry impiry akory moa ny teny mamy no afaka manova zavatra eo amin'ny fiainan'ny olona iray! Moa ve ianao mba mailaka maneho fiderana amin'ny olona manodidina anao, sy manao filazana tsara momba azy ireo? Aza be fanakianana; fa aoka ianao ho fatra-pilaza ny tsara momba ny olona.

 


 

Mardi                                       14.08.07 

BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

Booz

 Jusqu'ici, nous avons découvert beaucoup de chose sur le caractère de Ruth qui montre qu'elle était fidele et dévouée. Mais comme on le sait, il faut deux pour faire un couple. Par conséquent, découvrons Booz.

Lisez Rt 2 :1-12. Qu'apprenons-nous ici sur le caractère de Booz? Que remarque-t-on à son sujet ?

Quand Booz a découvert qui était la jeune femme qui glanait dans ses champs, il lui a témoigné les attentions suivantes :

1) il l'a encouragée à glaner,

2) l'a rassurée en l'informant que ses serviteurs avaient reçu l'ordre de ne pas l'importuner,

3) à veiller sur ses besoins ultérieurs en mettant de l'eau a sa disposition et

4) lui à procurer des encouragements spirituels.

Lisez  Jc 2 :14-17. Comment Booz a-t-il manifesté ici les principes exprimés par Jacques? Quelle leçon devons-nous en tirer?

Par la suite, Booz a cherché à faire comprendre à Ruth qu'il ne la considerait pas comme une mendiante ( Rt 2 :13-23). A l'heure du repas, il l'a invitée à se joindre aux moissonneurs pour manger du pain et des condiments à base de vinaigre; il lui a même offert suffisamment de grain rôti pour qu'il en reste. Il a ordonne a ses hommes de ne pas la gêner, même lorsqu'elle glanait entre les gerbes liées, leur demandant de laisser délibérément tom-ber des épis. La quantité que Ruth a ramenée chez elle était plus importante que ce qu'on pouvait récolter en travaillant dur. Il était clair qu'on lui avait témoigné de la générosité: Finalement, Booz l'a invitée à passer le reste de la moisson dans ses champs.

 

Combien de fois des paroles de bonté ont illuminé la vie d'une personne! Etes-vous dispose à louer et à encourager les gens de votre entourage? Que vos critiques soient rares et vos encouragements nombreux!


LESSON 7                                                            TUESDAY— AUGUST  14

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   Boaz

  

 

          ( Ho an'ny mpampianatra)

           (Ho an'ny rehetra )

 
 

 

 

 

 

 

Alarobia 15-08-2007 : Ny fangatahana / fiangaviana

Vak. Rota 3. Inona ireo lafin-toetra mendrika miseho eo amin'ny zavatra rehetra nataon'ireo olona voakasikio raharaha io? Tamin'ny fomba ahoana no nisehoan'ireo lafin-toetra ireo teo amin'ny fiainan'i Jesôsy?

  

Misy zavatra anankiray momba ny Baiboly tokony hazava amintsika, dia izao: ny zavatra lazaina ao dia mitranga ao anatin'ny tontolon-kevitra ara-kolon-tsaina. Na inona na inona ireo fahamarinana lehibe sy mandrakizay ampianarin'Andriamanitra antsika amin'ny alalan'ny Teniny, dia tonga amintsika amin'ny alalan'ny olona miaina sy miasa ao amin'ny kolon-tsainy izy ireny — kolon-tsaina izay indraindray toa mety ho hafahafa ihany ho an'ireo olona miaina ao amin'ny kolon-tsaina hafa.

Inona ireo zavatra ara-kolon-tsaina miseho eto amin'ity toko ity izay hafahafa ihany ho an'ny kolon-tsainao?

Na dia tao anatin'ny haizin'ny alina tao aza, dia azo lazaina fa nahasadaikatra be ihany an'i Rota ilay fangatahana. Mety ho nisy olona mantsy nitsikilo azy, ary mety ho niparitaka ny resaka. Mety ho nandà ny fangatahany koa i Bôaza, saingy avy hatrany dia nampiseho fiheverana mamy tamin'i Rota izy tamin'ny fiezahany mba hahatonga azy tsy ho sahirantsaina. Ny fîhetsika nasehon'i Bôaza dia toy ny milaza fa ny fifidianan'i Rota azy fa tsy lehilahy tanora kokoa noho izy dia tombon-tsoa nomen'i Rota azy. Dia nampanantena àry i Bôaza fa hanatanteraka izay rehetra nangatahin'i Rota. Tamin'ny farany dia nasainy niverina tany amin'i Naomy izy, sady nampitondrainy sakafo betsaka izy. Niezaka tamin'ny fomba manokana koa izy hiaro azy tamin'ny fiampangana lainga nety ho nipoitra vokatry ny famangiany azy.

Ivereno vakina indray ny Rota 3 ka jereo ireo lafin-toetra samy hafa nasehon'i Rota sy i Naomy ary i Bôaza eo. Mba maneho, tsara ireo lafintoetra ireo ve lanao eo amin'ny fiainanao? Inona ireo olana sy fihaikana atrehinao, efa mananontanona ao, izay ilàna ny fanehoanao ireo toetra ireo? Makà fotoana hisaintsainana izany zava-manahirana miandry anao izany sy ny fomba hahafahanao manao izay mety tokony hataonao, noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
 

 

Mercredi                                   15.08.07

7. BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

La requête

Lisez Rt 3. Quels nobles traits de caractère les actes des personnes impliquées révèlent-ils? La vie de Jésus ne témoigne-t-elle pas des traits semblables? 

Il doit être clair pour nous que les récits bibliques se situent dans un certain contexte culturel. Aussi grandes et éternelles que soient les vérités enseignées par Dieu a travers sa Parole, elles nous ont été transmises par des personnes qui ont vécu et œuvre dans la culture qui leur était propre. - culture qui nous parait parfois étrange.

Quelles coutumes étrangères à notre propre culture ce chapitre révèle-il?

Même si cela se passait dans l'obscurité de la nuit, la requête qu'elle faisait pouvait être très embarrassante pour Ruth. Elle aurait pu être épiée par quelqu'un et des rumeurs se seraient répandues. Booz aurait pu refuser. Mais il a immédiatement fait preuve de sollicitude en cherchant a la mettre a l'aise. Il s'est comporte comme si elle lui faisait une faveur en le choisissant lui, plutôt qu'un jeune homme. Puis il.lui a promis de faire tout ce qu'elle lui demanderait. Finalement, il l'a renvoyée chez Noémie chargée de nourriture. Il s'est également assure que personne ne lui ferait du tort a la suite de sa visite auprès de lui.

Revoyez Rt 3 Etudiez les différents traits de caractère révélés ici par Ruth, Noémie et Booz. Dans quelle mesure ces traits sont-ils présents dans votre propre vie? Prenez le temps de réfléchir aux événements futurs. Comment, par la grâce de Dieu agir de façon juste?


LESSON 7                                              WEDNESDAY— AUGUST  15

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   The proposal

 

  ( Ho an'ny mpampianatra)

 

Alakamisy 16-08-2007 : Fanavotana

Vak. Rota 4. Inona no niafaran'ity fanambadian'ny Jiosy iray olona tsy Jiosy ity?

Ny fanavotana angamba no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin'ny bokin'i Rota. Amin'ny endriny samihafa no ahitana io teny hebreo io miverina in-23 mahery ao amin'ireo toko efatra ireo. Manatanteraka ny asan'ny mpanavotra i Bôaza eto ho an'i Naomy, sy ho an'ny vadiny sy ny zanany efa maty. Hita fa i Davida, ilay mpanjaka malaza taranaka taty aoriana, no mpanavotra ny harenan'ny Isiraely very tamin'ny fotoana taorian'ny fitondran'i Josoa; ary i Jesôsy kosa indray, Izay taranaka manaraka taorian'izany, no niantoka ny fanavotana ny taranak'olombelona manontolo (Gal. 4:5, 1 Pet. 1:18, Apôk. 5:9).

Inona moa ireo adidin'ny havana mpanavotra? Lev. 25:25,47-49; Nom. 35:18,19; Deôt. 25:5,6.

Ny amin'ny lehilahy iray manambady vehivavy maty vady iray, amin'ny maha-havany azy, mba hanangana lova ho an'ilay maty, dia efa fomba fanaon'ny firenena hafa any amin'iny faritra Atsinanana Akaiky ('Proche-Orient') iny tamin'ny andro fahiny. Faritan'ny Deôt. 25:5 mazava tsara fa tamin'ny mpirahalahy miara-monina ihany no nanatanterahana io fomba amam-panao io teo amin'ny Isiraely. 1 Joda, ohatra, dia nitaona ny zanany lahiaivo hanaraka io fomba amam-panao io. Tsy mahafeno ny fepetra voalaza ao amin'ny Deôt. 25 tsy akory i Bôaza (tsy izy tsy akory no havana akaiky araka ny voalazan'ny Deôt. 25), hita eto anefa fa nivelatra ny fampiharana ity foto-kevitra ity, arakaraka ny maha-havana akaiky ilay olona.
Tsy nivarotra ny fananan'ny fianakaviany tsy akory i Naomy, nefa raha toa ka voatery tsy maintsy hamidy sy rehefa voatery tsy maintsy hamidy izany, dia ny havana akaiky indrindra no manana safidy voalohany hividy azy mba ho voahazona ao amin'ny fianakaviana ilay fananana. Ny havana akaiky izay hanavotra izany dia manana adidy hanambady an-dRota mba hanome mpandova ho an'i Malona, ilay vadiny maty.  
Nisy zavatra atahorana hitranga ihany amin'ny fanatanterahana io adidin'ny mpanavotra io. Raha toa ka tokana ihany ny zanak'ilay havana akaiky mpanavotra, amin'ny alalan'i Rota dia ho lasa amin'ny anaran'i Malona koa na dia ny fananany manokana aza. Noho izany ny lalàna dia nanome fahafahana ny havana akaiky indrindra handà tsy hanatanteraka io adidy andrasana aminy io. Raha mandà tsy mety hanavotra ny fananana sy hamelo maso ny anaran'ny havany anefa izy, dia misy fombafomba manala baraka tsy maintsy arahina mihatra amino (jer. Deôt. 25:7-10).

Araka ny efa voalaza teo aloha, ny zavatra lazain'ny Baiboly dia ao anatin'ny tontolon-kevitry ny kolon-tsaina iray manokana, izay matetika mety ho sarotra amin'ireo miaina ao amin'ny kolon-tsaina hafa ny mahatakatra azy amin'ny fahafenoany. Rehefa voalaza izay rehetra izay, inona ireo, foto-kevitra iraisan'ny tany rehetra mikasika ny adidy amin'ny fianakaviana izay azo ampiharina amintsika sy amin'ny fifandraisan'ny fianakaviantsika hitantsika eto? Manatanteraka tsara ireo adidy ireo ve ianao?


 

Jeudi                                    16.08.07

7. BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

Une rédemption

 

Lisez Rt 4. En fin de compte, qu'a donné ce mariage entre un Juif et une non-Juive?

La rédemption est sans doute le thème le plus important du livre de Ruth. Sous diverses formes, ce terme hé- breu apparait plus de vingt-trois fois dans ces quatre chapitres. Booz a joué le rôle de rédempteur pour Noémie, son mari et son fils décédés. David, son descendant célèbre, à plus tard été le rédempteur des biens d'Israël perdus après Josué. Et Jésus, descendant encore plus remarquable, a offert la rédemption a l'humanité entière (Ga 4 :5 ;1P 1 :18,19 ; Ap 5 :9).

Quels étaient les devoirs du proche parent jouant le rôle de rédempteur? Lv 25 :25, 47-49 ;Nb 36 :8,9 ; Dt 25 :5,6.

La coutume selon laquelle un proche épousait la veuve du défunt pour qu'il y ait héritage existait dans d'autres pays du Proche-Orient antique. Il est spécifié dans Dt 25 :5 qu'en Israël, cette pratique ne s'appliquait qu'à des frères vivant ensemble. Juda a cherche a ce que son second fils la suive. Booz ne répondait pas à cette exigence, mais il est clair que ce principe était applique de façon plus large, selon que l'on était plus ou moins proche du défunt.

Noémie n'avait pas vendu ses biens familiaux, mais s'ils étaient vendus, ou quand ils seraient vendus, son plus proche parent aurait la possibilité de les racheter pour qu'ils restent dans la famille. Le proche qui ferait ce rachat aurait également l'obligation d'épouser Ruth, de façon à fournir un héritier à Mahlon, Le mari décédé.

Remplir le rôle de rédempteur comportait des risques. Si le proche qui faisait le rachat n'avait qu'un enfant, comme ici avec Ruth, ses propres biens passaient sous le nom du défunt, c'est-a-dire Mahlon dans ce cas. C'est pourquoi la loi autorisait le parent le plus proche à refuser la rédemption qu'on attendait de lui. Cependant, celui qui refusait de racheter les biens et le nom du défunt devait passer par une cérémonie humiliante (voir Dt 25 :7-10).

Comme dit plutôt, les histoires de la bible se déroulent dans des contextes culturels particuliers qui peuvent être difficile à comprendre pour ceux qui sont étrangers à ces cultures. Cependant, quels principes universels concernant nos devoirs familiaux trouvons-nous ci? Assumez-vous pleinement ces charges?

 


 

LESSON 7                                                   THURSDAY— AUGUST  16

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   Redemption

  

 


 

 

 

 

Zoma 17-08-2007 : Fianarana fanampiny

Vak. ny toko «Compatibility .

Sarotra dia sarotra eo am-piandohan'ny tantara ny maminavina hoe hanambady an'i Bôaza i Rota amin'ny farany. Misy toe-javatra maro voalaza amin'ny tsipiriany nilaina hahatongavana amin'ny fihaonan'izy ireo sy ny fanambadian'izy ireo tamin'ny farany. 1) Tsy maintsy nisy aloha ny mosary tany Joda, raha tsy izany ny fiaqakavian'i Elimeleka tsy niala tao Betlehema. 2) Tsy maintsy nifidy an'i Moaba izy ireo hialokalofana, fa tsy firenena hafa toa an'i Egipta na i Edôma ohatra, mba hisian'ny fifampikasohana tamin'i Rota. 3) Tsy maintsy nisy mpitovo tao  amin'ny ankohonan'i Naomy hanambady an-dRota. 4) Tsy maintsy maty ny lahy izay vao azo heverina ny hanambadian'i Rota fanindroany. 5) Tsy maintsy nifarana ny mosary tany Joda mba hahafahan'i Naomy nieritreritra ny hody. 6) Tsy maintsy nanapakevitra ny hiaraka amin'i Naomy i Rota. 7) Tsy maintsy hoe nitsimpona vary tao amin'ny sahan'i Bôaza i Rota.
Amin'ny farany dia asehon'ny Baiboly araka ny lôjika ny sary fa mitantana ny zavatra rehetra ny tanan'Andriamanitra ary ny zavatra rehetra mitranga dia efa fantany mialoha. Ho an'ireo izay tia an'Andriamanitra sy mametraka Azy ho loha laharana, ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa azy ireo amin'ny farany (Rôm. 8:28). Ity tantara ity dia tena ohatra lehibe maneho tokoa izany foto-kevitra izany.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Jer. nyfihetsik'i Naomy ao amin'ny Rota 1:19-21. Ampitahao amin'izay
lazainy ao, amin'ny Rota 2:20 izany. Nahoana no fihetsika fahita  mahazatra izany? Inona anefa no diso amin'ny teôlôjiany*?   
2. Miaraha ianareo iray kilasy mandinika ny valin-teny nomenareo ny  fanontaniana farany ao amin'ny lesona tamin'ny Talata. Inona no ambaran'ny valin-teninareo aminareo momba ny tenanareo sy ny fiangonanareo?  Inona  ireo zavatra ao amin'ny fiangonanareo hahasarika    ny olona ho ao? Inona kosa ireo zavatra hanosika ny olona hanalavitra   azy? Inona ireo zavatra mifantoka amin ny fanatanterahana ilaina ovana    mba hahatonga ny fiangonanareo hahasarika ny hafa ho ao sy hahasarika  azy hanatona Ilay Andriamanitra soloinareo tena? Fomba ahoana no  ahafahanareo iray kilasy manampy amin'ny fanombohana nyn fanatanterahana ireo fiovana tena ilaina ireo?   
3. Miresaha ianareo iray kilasy mikasika ny kolon-tsainareo sy ny  fiatrehan'ny fifandraisana ao amin'ny fianakaviana izany kolon-tsaina izany 

 Inona ireo lafin-javatra ao amin'ny kolon-tsainareo miasa ho fanamafisana ireny fifandraisana ireny? Inona kosa ireo lafiny manohitra azy? Inona no azonao atao hanampiana ny hafa hahatsapany tsara kokoa ny adidiny amin'ny olona ao amin'ny fianakaviany?

FAMINTINANA:

Na dia teo aza ireo lafin-javatra sasany amin'ny toe-javatra niainan'i Bôaza sy i Rota izay tsy tsara ho an'ny fanambadiana, dia nanana ireo toetra tsara ilaina mba hisian'ny fifandraisana mafy orina izy ireo. Samy nampiseho toe-tsaina feno fitiavana sy tia mizara ho an'ny hafa izy ireo, ary samy nampiseho fahafoizan-tena lalina ho an'Andriamanitra koa. 

 


 

 

Vendredi                               17.08.07

7. BOOZ ET RUTH : DES FONDEMENTS SOLIDES

Pour aller plus loin

 

A lire

  Ellen White, Le foyer adventiste, "Entente mutuelle", p. 79-82.

Au début de l'histoire, les chances que Ruth finisse par épouser Booz étaient minces. De nombreuses circonstances particulières ont été nécessaires pour qu'ils se rencontrent, puis s'épousent.

1) Il fallait qu'il y ait une famine à Juda, sinon la famille d'Elimelek n'aurait pas quitte Beth-Lehem.

2) Il fallait qu'ils choisissent de se refugier à Moab et non dans quelque autre pays, comme l'Egypte ou Edom pour rencontrer Ruth.

3) Il devait y avoir des célibataires en âge d'être maries dans la famille de Noémie.

4) Il fallait que Le mari de Ruth meure pour qu'elle puisse contracter un second mariage.

5) Il fallait que la famine soit terminée à Juda pour que Noémie envisage d'y rentrer.

6) Il fallait que Ruth décide d'accompagner Noémie.

7) Il fallait que Ruth glane dans le champ de Booz.

Pour finir, la Bible présente de façon constante que la main de Dieu dirige toutes choses et qu'il a la prescience de tout ce qui arrive. Toutes choses concourent au bien de ceux qui aiment Dieu et lui donnent la première place (Rm 8 :28). Cette histoire illustre ce principe de façon saisissante.

A méditer

 

1. Voyez la réaction de Noémie dans Rt 1 :19-21. Ct. ses paroles dans Rt 2 :20. Pourquoi était-ce la une réaction courante? En quoi se trompait-elle dans sa "théologie"?

2. Que les membres de l'Ecole du sabbat discutent de leurs réponses à la dernière question de mardi. Que révèlent vos réponses sur vous-même et sur votre église? En quoi celle-ci est-elle attirante ou non? Quelles démarches concrètes entreprendre pour faire de votre église un lieu susceptible d'attirer les autres vers elle et Le Dieu que vous représentez? Comment les membres de l'Ecole du sabbat vont-ils mettre en œuvre les changements qui s'imposent?

3. Que les membres de la classe discutent de leur culture et de la façon dont s'y cultivent les relations familiales. Ce contexte contribue-t-il à resserrer ou à distendre des liens familiaux? Comment aider les autres a mieux comprendre leurs obligations envers les membres de leur famille?

 


 

LESSON 7                                                            FRIDAY— AUGUST  18

BOAZ AND RUTH: FIRM FONDATIONS

   Further Study

 

        (Ho an’ny mpampianatra)

        ( Ho an'ny rehetra)  

 

www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006
Semaine 03 année 2006
Semaine 02 année 2006
Semaine 01 année 2006