Trimestre 3 : L'évangile, 1844 et le jugement

Leçon 9 : I JOBA MIANAKAVY: MIAINA AMIN'NY FAMOIZANA

Date : 25-08-2007 au 31-08-2007. Etude : Jôba 1:1-->2:10

Verset à mémoriser : Fa hoy izy taminy: tahaka ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao.Moa ny soa ihany va no raisintsika avy amin'Andriamanitra? Jôba 2:10

Sabotsy 25-08-2007 : Fampidirana

 Ny toetry ny bokin'i Jôba dia mitovy amin'ilay antsoina hoe: "asasoratry ny fahendrena," ary toa maneho tontolo edômita ny anaran'ireo mpandray anjara ao anatin'ny tantara. Ny anaran'ny mpanjaka edômita iray atao hoe Jôbaba (Gen. 36:33) no anarana azontsika raisina, akaiky indrindra amin'ny an'i Jôba.

Tsy voalaza ny anaran'ny vadin'i Jôba. Tsy betsaka rahateo moa ny zavatra voalaza mikasika azy. Ao anaty andininy iray ihany no niresahana azy ao amin'ny Baiboly iray manontolo, ary amin'io andininy io, izay voambara tao anatin'ny fangirifiriana sy fitaintainana tsy azon'ny ankamaroan'ny olona antsaina, no ahatsiarovana azy. Na izany aza anefa dia nety ho vehivavy môdely teo amin'ny lafiny rehetra izy, teo amin'ny fikarakarana ny tokantranony, ny fikarakarana ny vadiny marary, ny fitondrana sakafo ho azy teny amin'ny fitoeram-pako, ny fitsaboana ny vainy sy ny sisa. Tsy voasoratra tao anefa ireo asa soa ireo; ny amin'ny vadiny sy ny fahoriany indray no voaantitrantitra ao, ampian'ny fampirisihany azy hanao, izay tena tadiavin'i Satana hataony indrindra.
Samy nisedra ny fahavoazana nanjo azy ireto mpivady ireto, na izany aza dia samy hafa ny fihetsiny nanoloana izany. Tsy natao hitsara azy roa ireo isika fa handray lesona kosa ary hitandrina izany.
Ho hitantsika mandritra ity herinandro ity fa ny tantaran'i Jôba sy ny vadiny dia manambara sahady ny zava-misy iainana mikasika ireo voina sy fahoriana isan-karazany eto amin'ity tany ity.  
 

 
 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 3ème TRIMESTRE


POUR LE MEILLEUR ET POUR LE PIRE

LECONS INSPIRÉES PAR LES COUPLES DE L'ANCIEN TESTAMENT

 

 9. LES ÉPOUX JOB:VIVRE AVEC SES MANQUES

Etude de la semaine : Jb 1 :1 à 2 :10

Versets à mémoriser: " Tu parles comme une folle! Nous recevrions de Dieu le bonheur, et nous ne recevrions pas aussi le malheur! "Jb 2.10

Pensée centrale: L'histoire de Job et de sa femme a révélé de bonne heure la réalité de la tragédie et des souffrances ici-bas.

Le type de ce livre qu'est celui de Job, évoquant ce qu'on appelle "la littérature des sages", et le nom des personnages suggèrent un contexte édomite. Le nom biblique le plus proche de celui de Job est celui d'un roi d'Edom, Yobab (Gn 36 :33).

Le nom de la femme de Job n'est pas cité. En fait, on ne nous dit pas grande chose sur elle. Dans toute la Bible, elle n'est citée que dans un seul verset, et ce sont ses paroles, prononcées dans une souffrance et au sein d'une tragédie telle qu'il est difficile de les imaginer, qui sont passées à la postérité. Peut-être était-elle une femme modèle en toutes choses, veillant sur sa maison, soignant son mari malade, lui apportant de la nourriture sur le tas d'ordures, soignant ses ulcères, etc. On ne nous dit rien de ses actes de bonté. L'accent est mis sur son mari et ses souffrances. Elle n'apparaît que pour le presser de faire ce que Satan désirait.

Mari et femme ont souffert en couple de leurs pertes, quoique chacun ait réagi différemment. Nous ne sommes pas appelés à les juger, mais à apprendre d'eux et à nous montrer prudents.


 

3rd Quarter 2007

For Better or for Worse:

  Lessons From Old Testament Couples

Contents and Introduction

 

 
 

9- THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

 

 

 

  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA
  1. HO AN’NY REHETRA

 

Alahady 26-08-2007 : Ny tantaran'i joba

Efa an'arivon-taonany maro izao, ny tantaran'i Jôba no nampihetsi-po sy nahavery hevitra ny mpamaky ary niteraka fihaikana teo aminy. Andriamanitra
irery no mahalala ny isan'ireo boky sy fanadihadiana ary lahatsoratra voasoratra mikasika io boky tranainy io, izay boky antitra indrindra ao amin'ny Baiboly miaraka amin'ny Genesisy, ary samy nosoratan'i Mosesy tany Midiana. "Tsy very tsy akory ireo taona maro lava dia lava nolaniana tao anatin'ny fanirerin'ny tany hay. Tsy vitan'ny hoe tafaomana ho amin'ilay asa lehibe teo anoloany fotsiny ihany i Mosesy fa nanoratra ihany koa nandritra izany fotoana izany, teo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina, ny bokin'ny Genesisy sy ny bokin'i jôba, izay hovakin'ny olon'Andriamanitra amin'ny fahalianana lehibe indrindra mandra-pahatongan'ny faran'izao rehetra izao." — ST, 19 Feb, 1880.

Vakio Jôba 1:1-2:8. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika mikasika ny toetran'i jôba? inona amin'ireo toetrany ireo no mahatonga ny zavatra rehetra nitranga taminy ho vao mainka sarotra takarina? 

Mahaliana tokoa ny nanoratana voalohany indrindra ny bokin'i Jôba niaraka tamin'ny Genesisy, amin'ireo boky rehetra ao amin'ny Baiboly. Tahaka ny hoe efa fantatry ny Tompo sahady hatrany am-boalohany fa anisan'ireo olana lehibe hatrehin'ny taranak'olombelona ny olana mikasika ny ratsy. Raha toa ka tena be fitiavana sy mahery tokoa ilay Andriamanitry ny lanitra, nahoana àry no be loatra ny fangirifiriana sy ny fahoriana eto an-tany? Mametraka ilay fihaikana lehibe indrindra ny amin'ny finoana io fanontaniana io, ho an'ny maro.


Hatramin'ny voalohany àry araka izany dia efa omen'ny Tompo antsika miaraka amin'ny bokin'i Jôba sy ny Genesisy ny toe-javatra niandohan'ny foto-kevitra mikasika ny fifanandrinan-dehibe. Ao ambadiky ny toerana isehoan-javatra isika ary aseho antsika ireo zavatra izay tsy ho hitantsika na oviana na oviana amin'ny fomba hafa, eny, fa na dia amin'ny alalan'ireo fitaovana rehetra fijerena ny tsy taka-maso sy ireo fomba siantifika hafa avo !enta aza. Na dia tsy mamaly ny fanontaniana rehetra aza ny bokin'i Jôba dia mampiseho amintsika kosa fa zara raha nahagaga an'Andriamanitra ny fahoriana sy ny alahelo ary ny atambo. Tsy tokony ho gaga ihany koa isika noho izany, ary ireo koa dia tsy mampiseho rahateo izay antony marina tokony handavana ilay Andriamanitry ny SM.

Manorata lahatsoratra, tsara indrindra araka izay vitanao, manazava ny fahatakaranao ny antony mampisy ny fahoriana eo amin'izao tontolo izao, na dia eo aza ny fitiavan'Andriamanitra azy. Miomàna hitondra ny valin-teninao eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata.   


Dimanche                          26.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE VIVRES AVEC SES MANQUES

L'HISTOIRE DE JOB

Pendant des milliers d'années, l'histoire de Job a inspiré, déconcerté et confronté les lecteurs. Dieu seul sait combien de livres, de commentaires et d'essais ont été rédigés sur ce livre ancien qui, avec la Genèse, est le plus vieux de la Bible, ces deux livres ayant été écrits par Moïse à Madian. "Les longues années passées dans les solitudes désertiques ne furent pas perdues. Non seulement Moïse se forma ainsi à la grande œuvre qui l'attendait, mais pendant cette époque, sous l'inspiration du Saint-Esprit, il rédigea le livre de la Genèse et celui de Job, livres qui seraient lus avec le plus grand intérêt par le peuple de Dieu jusqu' à la fin des temps. " - Ellen WHITE, Signs of the Times, 19 février 1880.

Lisez Jb 1 :1 à 2 :8 Que disent ces textes sur le caractère et la nature profonde de Job? En quoi ceux-ci rendent-ils tout ce qui lui arrive encore plus difficile à comprendre?

Si le Dieu des cieux est si aimant et si puissant, pourquoi existe-t-il autant de douleur et de souffrance sur terre ? Pour beaucoup de gens, cette question est l'un des plus grands défis de la foi. Ainsi, des le début, le Seigneur, avec le livre de Job et celui de la Genèse, nous présente la toile de fond du thème du grand conflit cosmique. Il nous emmène derrière la scène et nous montre ce que nous ne pouvons voir, même avec nos télescopes et autres techniques scientifiques. S'il ne répond pas à toutes nos questions, le livre de Job nous fait découvrir, notamment, que ni la souffrance, ni la douleur, ni les désastres n'ont pris Dieu par surprise. Ils ne doivent donc pas nous prendre par surprise non plus et ne justifient pas que l'on rejette le Dieu des Ecritures.

Rédigez un paragraphe expliquant le mieux possible pourquoi, d'après vous, la souffrance existe dans le monde malgré l'amour que Dieu porte à celui-ci. Préparez-vous à faire part de votre réponse sabbat prochain.


 

LESSON 9                                                           SUNDAY— AUGUST  26

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

  

 

 

  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA

  1. HO AN’NY REHETRA

 

 

 

 

 

Alatsinainy 27-08-2007 : Tsarovy ny vadin'l joba

Vakio indray ireo antambo maro samihafa nihatra tamin'io mpivady io. Meteza vetivety haka ny toeran'ny vadin'i Jôba. Inona no tsy maintsy nitranga tao an-tsain'ity vehivavy mahonena ity?

Tsy tokony hohadinontsika ny vadin'i Jôba na dia mifantoka amin'i Jôba sy ny fahoriany aza ny tantarany. Mpanompony ihany koa anie no maty e, ny tany izay nahazoany tombontsoa no rava; ary ny zanaka naloaky ny kibony no maty tampoka. Ary amboni'izany rehetra izany dia ilay vady izay nikambanany ho "nofo iray ihany" (Gen. 2:24) no nijaly tampoka noho ireo vay ratsy mahatsiravina. Izay nampangirifiry an'i Jôba dia nampangirifiry azy koa, ary mety ho nihoatra noho izany aza. Mety ho takatry ny olona iray mora foana ny nanjo azy. Na izany aza anefa dia ao amin'ny andalana iray monja ao anatin'ny toko 42 manontolo no nanehoan'ny Baiboly azy ao amin'ny tantara. Mazava loatra fa mbola nisy zavatra maro hafa nitranga ankoatra izay nambara tamintsika eto.

Vakio Jôba 2:9. Ifantohy manokana ilay fanontaniany napetrany. Inona no tiana hambara amin'io?

Ao amin'ny Jôba 1:1 dia voalaza ho olona "tam vyahsar", izay nadika hoe"marina sy mahitsy", i Jôba. Mahaliana fa ilay teny nandikana ny hoe "fahamarinana" ao anatin'ilay fanontaniany manao hoe "  Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hionao?" (Jôba 2:9) dia avy amin'ny teny nandikana ny hoe "marina" ao amin'ny Jôba 1:1, izay midika ihany koa amin'ny teny hebreo hoe "feno", na "tanteraka" (jereo koa ny Gen. 6:9; 25: 27, Sal. 37:37; 64:4). Izany teny izany ihany koa no mbola nampiasain'Andriamanitra hilazana ny amin'i Jôba, indray mandeha ao amin'ny Jôba 1:8 ary in-droa ao amin'ny Jôba 2:3 ("marina", "fahamarinana"): Io fomba nentina nilazana an'i Jôba izay niseho inefatra io indrindra àry no ilay lafin-javatra manokana mikasika ny toetrany, ka nametrahan'ny vadiny fanontaniany. Ahoana moa no mbola hijanonanao ho "marina" eo anatrehan'Andriamanitra manoloana ireo zavatra rehetra mitranga amintsika? Averina indray fa tsy tokony hohadinointsika fa samy nisedra ireo antambo ireo izy mivady ireto; tsy dia nisy fahasamihafana tamin'izay nitranga tàmin'ny vadiny izay nitranga tamin'i Jôba. 

 
Ny fiheverana miseho eto dia ny hoe: tsy tokony hitranga amintsika ireo rehetra ireo raha toa isika ka `-marina" eo anatrehan'Andriamanitra. Inona no tsy mety amin'io karazana fisainana io? Amin'ny fomba ahoana ihany koa anefa no ahazoantsika tombontsoa noho ny lahamarinantsika", eny, fa na dia amin'izao fotoana izao eo, amin'ny fiainantsika aza?

 


 

 

Lundi                           27.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE VIVRES AVEC SES MANQUES

N'OUBLIONS PAS LA FEMME DE JOB

 

 Relisez les calamites qui sont tombées sur ce couple. Mettez-vous maintenant à la place de la femme de Job. Qu'est-ce qui a bien pu se passer dans l'esprit de cette pauvre femme?

Si l'histoire de Job porte surtout sur lui-même et ses souffrances, n'oublions pas sa femme. Ses servantes person-nelles ont également disparu, ainsi que les biens dom elle jouissait et ses enfants, fruits de ses entrailles. Pour couronner le tout, son mari, avec qui elle était devenue "une seule chair" (Gn 2 :24) a été brutalement frappe d'affreux ulcères. Elle a souffert autant que lui, ou peut-être davantage. Il est facile de comprendre sa détresse. La Bible, cependant, ne lui accorde qu'un seul verset au sein de quarante-deux longs chapitres. Il est clair qu'il s'est passé en coulisses davantage que ce qui nous est révélé ici. _

Lisez Job 2 :9. Réfléchissez particulièrement à la question de sa femme. Qu'implique-t-elle?

Dans Jb 1 :1, Job est décrit comme une personne qui était tam vyahsar, c'est-à-dire "intègre et droit". Il est intéressant de noter que dans la question: " Vas-tu encore persévérer dans ton intégrité?" (Jb 2 :9, BJ), le mot "intégrité "vient du même terme que l'adjectif "irréprochable" dans Jb 1 :1 (BFC), qui, en hébreu, signifie aussi : "complet" ou "parfait" (voir Gn 6 :9 ; 25 :27 ; Ps37 :37 ;64 :5.), Dieu utilise ce mot pour décrire Job une fois dans Jb 1 :8 et deux fois dans Jb 2 :3 "intègre " ou, dans la BFC, "irréprochable"). C'était ce trait de caractère propre à Job, cité quatre fois, que sa femme remettait en question. Comment peux-tu rester aussi intègre devant Dieu avec tout ce qui nous arrive? N'oublions pas que ces désastres les concernaient tous les deux, ce qui était arrivé à Job ne différait guère de ce qui était arrive à sa femme.

L'idée exprimée ici est que de telles calamités ne devraient pas se produire quand on est " intègre " devant Dieu. Pourquoi ce raisonnement est-il erroné?

 


 

LESSON 9                                                           MONDAY— AUGUST  27

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

  

 
  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA
  1. HO AN’NY REHETRA

 

 

 

 

 

 

 

Talata 28-08-2007 : Ireo mpaka fanahy an'l satana

Avereno vakina ny Genesisy 3:1-13. Inona no manaporofo fa mifanindran-dalana io tantara io sy ny tantaran'i Jôba mivady?

Misy fîtoviana maromaro eo amin'ny tantaran'i Adama sy ny tantaran'i Jôba. Voalohany, ireo lehilahy ireo dia samy tanteraka sy "feno", fara fahakeliny teo amin'ny fiaraha-monina nisy azy avy. Faharoa, samy nandalo fizahan-toetra ihany koa izy, izay mahakasika ara-bakiteny ireo plana momba izao tontolo rehetra izao. Fahatelo, ny vadin'izy ireo koa dia samy niharan'ny fandrika nataon'i Satana, na dia tamin'ny fomba samy hafa aza. Fahefatra, samy ampiasain'i Satana eto ireo vehivavy mba ho fitaovana hakana fanahy ny vadiny.

Vakio indray ny flampangana nataon'i Satana mikasika an'i Jôba (Jôba 1:7-11, 2:3-5). Tamin'ny fomba ahoana no nampiasan'i Satana ny vadin'i Jôba hanohitra azy, na dia tsy neritreretin'ny sainy aza izany?

Azo antoka fa tsy nahafantatra intsony mihoatra noho ny vadiny, mikasika ilay toe-javatra mampivarahontsana izao tontolo rehetra izao, izay ao ambadiky ny zava-miseho rehetra ny vadin'i Jôba. Namitaka azy i Satana, nampiasa azy ho amin'ny zava-kendreny. Nanararaotra an'i Eva tao anatin'ny fahafinaretana sy ny fahasambaran'i Edena i Satana; mifanohitra amin'izay kosa, ny vadin'i Jôba indray dia nohararaotiny tao anatin'ny fahoriana sy fangirifiriana tsy hay lazaina. Hampiasa izay azony atao, rehetra, na iza na iza azony anaovana izany, ilay fahavalontsika tsy mifaditrovana, mba hahatonga antsika hanota ka hanalavitra an' Andriamanitra. Tokony homarihintsika ihany koa fa i Adama izay tsy nisy ota ary tao anatin'ny fahafinaretana sy ny fahatanterahan'i Edena dia lavo tamin'ny fitaka; i Jôba kosa anefa tsy mba toy izany na dia niaina tao anatin'ny fahoriana sy fangirifiriana mahatsiravina tokoa aza. Porofo lehiben'ny fahamarinan'i Jôba tokoa izany.

Anontanio ny tenanao, na lahy ianao na vavy: Inona no azoko atao mba tsy hitoerako na oviana na oviana eo amin'ny toerana izay hakako fanahy ny olona iray hanao zavatra tsy mety, na fanahy iniako izany na tsia, indrindra moa fa ny olona akaiky ahy? 

 


 

Mardi                               28.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE VIVRES AVEC SES MANQUES

DES FEMMES MANIPULÉES PAR SATAN

 

Revoyez Gn 3 :1-13. Quels sont les parallèles entre ce récit et l'histoire de Job et de sa femme?

Il existe des similitudes entre l'histoire d'Adam et celle de Job. Premièrement, ils étaient tous deux intègres et irréprochables, du moins dans leurs sphères respectives. Deuxièmement, ils affrontaient tous deux des épreuves d'ordre cosmique. Troisièmement, leurs femmes sont devenues les victimes de Satan, chacune a sa façon. Quatrièmement, dans les deux cas, Satan s'est servi de leurs femmes pour les tenter.  

Relisez les accusations de Satan contre Job (Jb 1 :7-11 ; 2 :3-5). De quelle façon la femme de Job, quoique involontairement, a-t-elle été utilisée par Satan contre son mari? 

De même que Job, sa femme ne savait rien du drame cosmique qui se jouait en coulisses. Satan la dupait, l'utilisant à ses fins. Satan s'était servi d'Eve dans son merveilleux bonheur édénique; ici, il se sert de la femme de Job dans sa souffrance indescriptible. Notre cruel ennemi se sert de qui il peut, de la façon dont il peut, dans les circonstances qui se présentent, pour nous attirer dans le péché et nous éloigner de Dieu. Notons également qu'Adam, être humain sans défaut dans l'enchantement et la perfection de l'Eden, a succombé à la tentation, tandis que Job, homme déchu sujet à de terribles souffrances, ne l'a pas fait. Quelle grande preuve d'intégrité !

Que vous soyez homme ou femme, posez-vous la question suivante : "Comment m'assurer que jamais je ne serai en position d'inciter volontairement ou non quelqu'un, surtout s'il s'agit d'un proche, à mal agir?"  


 

LESSON 9                                                           TUESDAY— AUGUST  28

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

  

  

  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA
  1. HO AN’NY REHETRA

 

 

 

Alarobia 29-08-2007 : HandÀ an'andriamanitra ka ho faty!

Ny tena foto-kevitr'i Satana amitranieriny amin'Andriamanitra dia ny hoe "tsy misy tsinyee i jôba sacra nanasoa azy Andriarnanitra ka rehefa tsy mandeha tsara intsony ny zava-drehetra, tsy hanaraka Azy intsony i Jôba. Indroa no nilazan'i Satana fa "handà an'Andriamanitra" eo imasony i Jôba. Araka ny hitantsika dia izay zavatra nasain'i Satana hataon'i jôba indrindra no zavatra nasain'ny vadiny hataony. Averina indray fa tokony hitandrina fatratra isika ny amin'ireo teny aloaky ny vavantsika, indrindra fa amin'ny fotoana mampifamaofao ny fihetseham-po mahery vaika maro.

Lafin-javatra iray tena mahaliana tokoa no efa voamariky ny mpanao fanadihadiana mikasika ny bokin'i jôba. Rehefa nilaza indroa i Satana fa "handà an'Andriamanitra" eo imasony i Jôba ary koa rehefa nilaza tamin'i Jôba ny veïny mba "hahafoy" an'Andriamanitra, dia tsy ireo teny hebreo mahazatra fampiasa hilazana ny hoe *'mandà" no narfipiasaina fa ny teny avy amin'ny foto-teny manao hoe: "brk" '. izay fantatra amin'ny hoe "mitahy" (Gen. 12:2, Eks. 12:32, Rota 2:4, Sal. 26:12). Manoratra mikasika ny 'fisaorana" (avy amîn'ny brk) an'Andriamanitra (Sai,16:7, 26:12, 34:1) ny mpanao Salamo. Na dia ao amin'ny Jôba aza anefa dia izany teny izany ihany izao no andikana ny hoe "mandà" (Avy amin'ny brk ihany koa ny teny hoe "manda" ao amin'ny Jôba 1:5; ary mitranga ao arnin'ny 1 Mpanj. 211:10 ihany koa ny fampiasana ny brk.)


Vakio ireo andininy efa hitantsika ao amin ny Jôba ireo, izay nandikana ny foton-teny `'brk" ho "mandà", ka soloy amin'ny teny hoe "mitahy" izany. Inona no mitranga?

Mazava fa tsy misy heviny ireo andininy ireo raha toa ka midika ho i:m!saotra" ny "brk Raha ny amin'ny vadin'i Jôba dia mety hanantitrantitra ny olona iray fa nandrabiraby izy (tahaka ny nataon'i Satana teo

anatrehan'Andriamanitra): Marina ry Jôba, tsy aleonao ve misaotra an'Andriamanitra ny aminuay soa rehetra nataony tamintsika ary avy eo maty Na izany aza anefa, araks ny ahitantsika ny fomba nampiasana azy, ao amin'ny Jôba 1:5 ohatra, dia mazava'ta anankiray monja amin'ireo fomba fiteny lasa raikitra, izay ampiasana ny teny amin'ny fomba tsy heverin'ny sains izany.  
Manao ahoana ny falharnalinanao ny amin'ny teny amplasainao? lnona no azonap atao mba hitandremanao tsy hilaza zavatra izay hanenenanao rehefa kelikely, zavatra izay mety hampahory anao sy ny hafa?

 

Inona no iazainlireto andininy ireto mikasika ny hery sy ny ianjan'ny teny? Prov. 13:3; 25:11; Mpit. 10:12; Mat. 12:36, 37; Jao. 5:24

 


 

Mercredi                               29.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE VIVRES AVEC SES MANQUES

MAUDIS DIEU ET MRUR

L'argument qui opposait Satan à Dieu était le suivant : Job était " irréprochable" uniquement parce que Dieu était bon pour lui; si les choses se passaient mal pour Job, celui-ci se retournerait contre Dieu. Par deux fois, Satan déclara : "Il te maudira en face. " Comme nous le voyons, ce que Satan a déclaré que Job ferait était exactement ce que sa femme lui a dit de faire. Comme il est nécessaire, répétons-le, de faire attention à nos paroles, notamment dans l'émotion du moment!

 

Que disent les textes suivants sur le pouvoir et l'importance des mots? Pr 13 :3 ;25 :11 ;Ec 10 :12 ;Mt 12 :36,37 ;Jn5 :24.

 

Des commentateurs ont remarqué, au sujet du livre de Job, un point très intéressant. Quand Satan a déclaré par deux fois que Job maudirait ! Dieu en face et quand sa femme lui a conseille de faire cela même, le terme hébreu courant pour " maudire" n'est pas utilisé. C'est le mot qui vient ; de la racine brk, signifiant " bénir" qui apparaît ici (Gn 12 :2 ;Ex 12 :32 ; Rt 2 :4 ; Ps 26 :12). Le psalmiste parle de " bénir" (dérivé de brk) le Seigneur (Ps 16 :7 ;26 :12 ;34 :2). Or dans Job, ce même terme serait traduit par "maudire" ? (Dans Jb 1.5, le mot "maudit" vient aussi de brk, tout comme dans 1R21 :10.)

 

 Lisez les versets que nous avons examinés dans Job, en remplaçant par bénir" la traduction " maudire" de la racine berk. Que se passe-t-il? 

 

Il est clair que ces textes n'ont plus aucun sens si brk signifie ici "bénir". On peut suggérer, dans le cas de la femme de Job, qu'elle se montrait sarcastique (comme Satan devant Dieu) : Mais bien sûr, Job, pourquoi ne bénis-tu pas Dieu pour toute sa bonté envers nous, puis tu meurs? Cependant, quand on en constate l'usage dans d'autres versets, comme dans Jb 1 :5, il est clair qu'il s'agit la d'un usage idiomatique inattendu de la langue hébraïque.

 

Faites-vous attention à vos paroles? Comment vous assurer de ne pas dire des choses que vous regretterez ensuite, parce qu'elles risquent de provoquer de la souffrance dans votre vie et dans celle d'autrui?

 


 

 

LESSON 9                                                        WEDNESDAY— AUGUST  29

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

  

 

  

  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA
  1. HO AN’NY REHETRA

 

 

 

 

Alakamisy 30-08-2007 : Mifanohana

Azo antoka fa nanohana azy saika tamin'ny fomba rehetra ny vadin'i Jôba nandritra ny fizahan-toetra nanjo azy. Tsy maintsy mba ory koa izy rehefa nikarakara ny sakafony sy nanasa ny feriny. Tsy maintsy nandrovitra ny fony ilay vatany kaozatina sy ny hodiny vaofy. Izy irery no sahy nanakaiky azy teo anatrehan'ny fofon'ainy ratsy (Jôba 19:17). Rehefa nilavo lefona izy tamin'ny farany, dia tsy ny hanoherana an'i Jôba loatra na ho soa ho an'ny tenany fa ho an'i Jôba. Niharitra ihany izy tamin'ny fahavoazana nanjo ireo fananan-tsarobidy izay nanjavona tsikelikely. Tsy mba voalaza ho nilaza teny tsy voahevitra izy rehefa nopaohin'ny fahafatesana indray maka ny zanany 10. Saingy ny nahitany ny fahoriam-badiny no zavatra tsy tantiny indrindra tamin'ireo zava-doza nitranga taminy. Rariny raha tezitra izy.


Vakio ny Jôba 2:10. lnona no zava-dehibe tao amin'ny valin-tenin'i Jôba? lnona no nambaran'izany mikasika ny fahatokiany tamin'Andriamanitra, na dia tao anatin'ny fahoriana lehibe aza?

Tsy nanana azy ho adala i Jôba rehefa namaly ny teny nivoaka avy tao am-pon'ny vadiny izy, Nolazainy fa miteny tahaka ny anankiray amin'ny vehivavy adala izy. Tsy vehivavy adala tsy akory izy ary tsy izany no tena fitondran-tenany; saîngy tsy sahaza azy izany. Araka izany dia toa manondro zavatra mikasika azy ny tenin'i Jôba; dia ny hoe raha eo amin'ny fotoana tsy itrangan'ny plana dia tsy anisan'ireny vehivavy "adala" ireny izy. Ity mitranga ity anefa dia fotoana itrangan'ny plana tokoa.
Inona no foto-kevi-diso nambaran'i Jôba raha ny amin'ny toetry ny fahoriany?

 
Na dia diso aza ny filazan'i Jôba ny fahoriany amin'Andriamanitra, dia niezaka ny hitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra ihany izy. Ny teny hebreo, nampiasaina tao amin'ny Gen. 2:17, hilazana ny hazo voarara ihany no ireo teny "tsara" sy "ratsy" nampiasainy. Nahahenika izao rehetra izao anefa ny ratsy ka na dia ny "tsy misy tsiny" aza dia mijaly amin'izany. Mazava loatra fa amin'ireo "tsy misy tsiny." rehetra tsy maintsy mijaly noho ny fahotana dia tsy misy mihoatra noho i Jesôsy, ary tsy nisy nampijalian'ny ratsy mihoatra Azy (Isa. 53:3-6; 2 Kôr. 5:21; 1 Pet. 2:24; 4:1).

Vakio ny toko 1 Pet. 1. Inona no hafatra hita eto izay mifanindran-dalana amin'ny tantaran'i Jôba mivady? Anontanio avy eo ny tenanao: Manao ahoana ny fifikirako mandritra ny fahoriako? Inona no lesona tokony hianarako izay hahatonga ahy hitoetra ho mahatoky bebe kokoa na inona zava-mitranga na inona?

 
 


 

Jeudi                               30.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE VIVRES AVEC SES MANQUES

SE SOUTENIR LES UNS LES AUTRES

  

La femme de Job l'a certainement soutenu de multiples façons au cours de ses épreuves. Sans doute a-t-elle souffert en lui préparant ses repas et en baignant ses plaies. Son corps décharné et sa peau pelée lui ont certainement déchiré le cœur. Elle seule parvenait à s'approcher suffisamment près, recevant son haleine fétide (Jb 19 :17). Quand elle a fini par craquer, elle n'a pas fait de reproches a son mari, ni cherche son bien propre, mais plutôt son bien à lui. Elle a gardé son calme quand les éléments de sa vie ont disparu l'un après l'autre. On ne rapporte de sa part aucune parole désagréable quand ses dix enfants sont morts d'un coup. Mais la vue de son mari souffrant lui a porté le dernier coup, après une série de revers immérités. Elle a été saisie d'une juste colère.

Lisez Jb 2:10. De quelle nature était la réaction de Job? Qu'indiquait-elle sur sa fidélité envers Dieu, même dans les plus grandes souffrances ?

 En réponse à l'éclat de sa femme, Job n'a pas dit qu'elle était folle, mais qu'elle parlait comme une folle. Cette femme n'était pas folle ; de sa part, sa réaction était inhabituelle, surprenante, même. Les paroles de Job semblaient indiquer qu'elle n'était pas insensée en temps ordinaire. Or il ne s'agissait absolument pas de circonstances normales.
 

Quelle erreur Job a-t-il fait concernant l'origine de ses souffrances?

 Même si Job se trompait en attribuant ses souffrances à Dieu, il cherchait à lui demeurer fidèle L'usage qu'il faisait des mots "bonheur" et "malheur " était le même que dans Gn 2 :17 pour décrire l'arbre défendu. Les êtres humains ne devaient pas connaître le mal, seulement le bien. Le mal ne vient pas de Dieu, mais d'une déviation au d'un éloignement de Dieu. Le mal, cependant, est devenu à ce point endémique que même les hommes " intègres" en souffrent. Bien sûr, de tous les hommes " irréprochables " qui ont souffert du péché, aucun n'a souffert autant que Jésus (Es 53 :3-6 ; 2Co 5 :21 ; 1P 2 :24 ;4 :1).
 

Lisez le premier chapitre de la première épître de Pierre. Quel message similaire à l'histoire des époux Job contient-il? Posez-vous la question" suivante : Comment est-ce que je supporte la souffrance? Quelles leçons dois-je apprendre pour m'aider à demeurer plus fidèle quelles que soient les circonstances?  


 

LESSON 9                                                           THURSDAY— AUGUST  30

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

  

  

  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA
  1. HO AN’NY REHETRA

 

 

Zoma 31-08-2007 : Fianarana fanampiny

    

"Kely dia kely monja no fantatsika mikasika io vehivavy io, ary mitady hihevitra azy ho vehivavy ratsy toetra isika. Azo antoka fa nampahory azy ihany koa ny fahorian'i Jôba. Nampalahelo azy ny fahaverezan'ny fananany rehetra saingy vao mainka nisy akony lavitra teo amin'ny fihetseham-pony sy ny sainy ny nahalasanan'ny zanany rehetra. Mety ho lehibe lavitra noho ny an'ny vadiny aza ny alahelony. Ao amin'ny tantara anefa dia toa mizaka izany amim-pahanginana izy. Tiany i Jôba. Tsy maintsy nampalahelo azy mafy tokoa ny nahita ny vadiny niaritra ireo fangirifiriana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, izay mihamitombo hatrany, kanefa tsy afaka ny hampitony izany. Toa fomba iray no hany sisa hitany. Nambarany tamin'i Jôba ny halalin'ny fitiavany azy sy ny fahasahiranan-tsainy ho azy. Tahaka an'i Petera dia tsy tsapany akory fa efa mampita ny tenin'i Satana izy. Tsia, tsy vehivavy adala izy, saingy niteny "tahaka" ny iray tamin'izy ireny ihany tamin'io andro io."- AR, 13 Apr. 2000, t. 27.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Vakio mafy eo amin'ny kilasy ny valin-teninao momba ny fanontaniana farany ao amin'ny Alahady. Inona avy no fantatrareo avy tamin'izany? Marina avokoa ve ireo valin-teny? Inona avy no fanontaniana tsy voavaly? Fomba ahoana no hifanohanantsika eo amin'ny fiainana miaraka amin'ireo fanontaniana tsy voavaly mikasika ny alahelo sy ny fahoriana?

2    Inona avy no fomba azo ampiasaina tsara izay hahafahan'ny mpivadymiasa mba hifampaherezany sy hifanandratany ary hifanampiany eo amin'ny lafiny ara-panahy, ka tsy hahatonga azy ho fitaovana ho amin'ny fakam-panahy izay hamingana ny hafa?
3. Misy olona ve ao amin'ny fiangonanao izay vao avy nandalo toe-javatra mampalahelo? Inona no fomba azon'ny kilasinao atao mba hampaherezana io olona io sy hanampiana azy eo amin'ny fisetrana ny alahelony.
4. Resaho eo amin'ny kilasy ny amin'ny fanaovana tsinontsinona ny anaran'Andriamanitra. Inona avy ireo ohatra ny amin'izay fomba mety efa nahameloka antsika amin'izany, na dia tsy tsapantsika aza hoe nanan izany isika? Eritrereto ireo fomba fiteny, na fandavana, na fomba fiteny raikitra, na teny kivalavala rehefa milaza ny valiny ianao.

FAMINTINANA:

Nizaka ny fahoriany tamim-pitoniana i Jôba mivady. Na dia nety ho ory kokoa noho i Jôba aza ny vadiny dia nilavo lefona ihany nony farany rehefa tsy nahazaka intsony ny nahita ny toerana nisy ny vadiny. Azontsika atao ny mijery azy ireo mba hampahery antsika rehefa manjo antsika ihany koa ny fahavoazana toy izay nanjo azy, izay mety ho maivana kokoa noho ny azy aza.



  

Vendredi                          31.08.07    

9. LES EPOUX JOB : VIVRE AVEC SES MANQUES

 

  POUR ALLER PLUS LOIN

 

A lire

Ellen WHITE, Le foyer chrétien, "Une vie commune heureuse et réussie", p. 100-107.

"Nous en savons très peu sur cette femme et on a tendance à la considérer comme une mauvaise épouse. Nul doute que les souffrances de Job l'ont également fait souffrir. Il est douloureux de perdre toutes ses richesses, mais émotionnellement et psychologiquement beaucoup plus dévastateur de perdre tous ses enfants. Peut-être que sa douleur a été encore plus intense que celle de son mari. Pourtant, dans le récit, sa présence, reste discrète. Elle aimait Job. Il a certainement été pour elle extrêmement douloureux de voir son mari subir d'incroyables souffrances physiques, psychologiques et spirituelles sans pouvoir lui apporter un soulagement. Une seule issue lui a semblé possible. Elle s'est adressée à Job du plus profond de son amour et de sa sollicitude. Elle ne réalisait pas que, comme Pierre, elle faisait écho aux paroles de Satan. Non, elle n'était pas insensée, mais, ce jour-là, elle a parlé comme si elle l'était." - Angel RODRIQUEZ, Adventist Review, 13 avril 2000, p. 27.

A méditer

 

1. Que les membres de la classe lisent à voix haute leurs réponses à la dernière question de dimanche.' Qu'apprenez-vous les uns des autres? Que valent vos réponses? Quelles questions demeurent en suspens? Comment s'entraider les uns les autres à vivre malgré les questions restées sans réponse sur la douleur et la souffrance ?

2. Comment les épouses peuvent-elles concrètement s'encourager, s'édifier et s'aider spirituellement les unes les autres pour ne pas devenir des outils de tentation et faciliter la chute de leur époux?

3. L'un des membres de votre église a-t-il récemment traverse une tragédie? Comment les membres de l'Ecole du sabbat vont-ils l'encourager et l'aider à affronter son chagrin?

4. Que les membres de la classe discutent de ce qu'implique prononcer en vain le nom du Seigneur. Ne nous rendons pas, parfois, involontairement coupables de ce péché ? Donnez des exemples. Discutez en en réfléchissant aux expressions, jurons, idiomes et mots d'argot de votre propre langue.

 


 

LESSON 9                                                           FRIDAY— AUGUST  31

THE JOBS: LIVING WITH LOSSES

   FURTHER STUDY

 
  1. HO AN’NY MPAMPIANATRA

  1. HO AN’NY REHETRA

 


www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006