Trimestre 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Leçon 2 : IREO MEMY IZAY HO AVY

Date : 06-10-2007 au 12-10-2007. Etude : Jer. 9:7-16; Rôm. 1:21-32; 2 Kôr. 12:7-12; 1 Pet. 4:12-19, 5:8-11.

Verset à mémoriser : «Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany: fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehon’ny voninahiny koa» 1 Pet. 4:12,13.

Sabotsy 06-10-2007 : Fampidirana

Matetika any amin'ireny labôratôara momba ny simia ireny no ahitana singa simika samihafa atao ao anaty, tavoahangy kely, ary hafanaina amin'ny mari-pana ambony dia ambony. Rehefa mihamahamay ilay tavoahangy dia izao: na mitsonika ilay singa simika, na izy mipitipitika, na izy mipoapoaka, na izy mirehitra manome hazavana mamirapiratra be, arakaraka ny toetra mahaizy ilay singa simika. Antsoina hoe memy ilay tavôahangy.
Ny memy dia faritana toy izao ao amin'ny raki-bolana:
1) tavoahangy iray ampiasaina hanempoana zavatra iray izay mitaky hafanana ambony dia ambony,
2) fitsapana henjana,
3)toerana na toe-javatra iray ifandafaran'ny hery hiteraka na hiasa hahatonga  fiovana na fivoarana.

Ireo famaritana ireo dia manampy antsika koa hahazo an-tsaina ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainantsika ara-panahy. Hasongadintsika amin'ity herinandro ity ireo antony sasantsasany mahatonga antsika ho tery dia tery tampotampoka eo sy handalo fitsapana amin'ny toerana misy toejavatra izay mahatonga antsika hiova sy hivoatra ary hitombo ara-toetra. lzany dia hanampy hahatonga antsika hahatsapa ny zavatra ataon'Andriama nitra eo amin'ny fiainantsika, ka amin'izay rehefa miditra ao anaty memy isika, dia ho azontsika an-tsaina ny fomba hiatrehana azy.
INDRAY MITOPY MASO : Inona ireo antony mahatonga ireo fotoan-tsarotra lalovantsika eo amin'ny fiainana?
 

 

 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 4ème TRIMESTRE


LE FEU DE L’AFFINEUR

  

 2. FOURNAISES A VENIR

 

  

Etude de la semaine : Jr 9.6-15 ; Rm 1.21-32 ; 2 Co 12.7-12 ; 1 P 4.12-19 ; 5.8.11

 

Versets à mémoriser: " Bien-aimés, ne soyez pas surpris de l'embrasement qui sévit parmi vous pour vous mettre à l'épreuve, comme s'il vous arrivait quelque chose d'étrange. Au contraire, réjouissez-vous d'avoir part aux souffrances du Christ, afin qu'aussi vous vous réjouissez et soyez transportés d'allégresse à la révélation de sa gloire. " (1 P 4.12, 13)

 

Questions clefs: Pourquoi traversons-nous des périodes de crise ?  

 

En laboratoire, on place souvent plusieurs éléments dans un petit récipient que l'on chauffe à une température extrême. Quand le récipient devient brûlant, ces élément fondent, grésillent ou émettent une forte lumière, selon leur composition. Ce récipient s'appelle une éprouvette.

Une éprouvette est ainsi définie dans le dictionnaire : " 1. Vase ou tube de verre qui sert à manipuler des liquides ou des gaz en laboratoire. 2. échantillon de métal que l'on soumet à des essais mécaniques destinés à mesurer ses qualités. " - Dictionnaire Hachette Encyclopédique, 2001, p. 553.

Ces définitions nous donnent un excellent aperçu de ce qui se passe dans la vie spirituelle. Cette semaine, nous mettrons en lumière certaines des raisons pour lesquelles nous nous retrouvons parfois en situation de stress, face à des épreuves qui nous font changer et mûrir et forment notre caractère. Nous prendrons ainsi mieux conscience de ce que Dieu fait dans notre vie, de sorte que lorsque nous serons éprouvés, nous saurons comment réagir. 

 
 

 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

    

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

 

  •   ( Ho an'ny mpampianatra )

  http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

  •   ( Ho an'ny rehetra)   

        http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

 

Alahady 07-10-2007 : Zavatra mahagaga tsy ampoizina 1 pet. 4:12.

Amin'ny fomba maro no mety hahatongavan’ny zavatra.mahagaga tsy ampoizina. Fiara nanapaka ny arabe niroso nankeny amin'ny lalanao. Taratasy tonga tampoka fampahafantarana fa esorina amin'ny asanao ianao. Fitiliana ara-pahasalamana izay mampahafantatra anao vaovao ratsy tsy nampoizina. Olona tianao sy noheverinao fa tia anao nefa namadika anao. Efa ratsy rahateo ny fahoriana mahazo anao, nefa nanampy trotraka izany mandrakariva izy ilay tsy nampoizina.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery karazana toe-javatra mampahory vitsivitsy voafaritra mazava tsara na memy mivaivay izay tsy tokony hanampoka antsika.

Ho fanombohana izany dia andeha hiverenana ilay and. ao amin'ny Petera, voatokana ho an'ny lesona anio. Ny teny grika nadika hoe "gaga" ao amin'ny 1 Pet. 4:12 dia manana hevitra hoe "vahiny" na "any ivelany". Mampirisika ny mpamaky azy i Petera mba tsy ho latsaka ao amin'ny fandrika hoe hino fa fanandramana vahiny amin'ny Kristianina ny fizahan-toetra sy ny fitsapana mahamay. Tokony hoheverina hoe ara-dalàna aza izy ireny – ampoizina ary tokony hampoizina ny fisiany eo amin'ny fanandramana iainan'ny Kristianina.

Ny teny ampiasaina ilazana ny hoe "fizahan-toetra mahamay" (dkt NRSV) na "fitsapana mampahory" (dkt NIV) na "fitsapana mahamay" (dkt NKJV) dia avy amin'ny teny grika iray hafa, ary ny heviny  dia hoe "afo midedadeda". Any amin'ny faritra hafa ao amin'ny Baiboly dia adika hoe lafaoro misy afo mirehitra [toerana mahamay be ady mangotraka]" izy. lo fanandraman'ny fijaliaha noho ny finoantsika io àry izany dia azo heverina ho "fizotran'ny fandrendrehana, fizotran'ny memy mivaivay.

Vak. 1 Pet. 4:12-19. Inona no hafatra ampitain’ i Petera?

Gaga amin'ny fahoriana ny maro amintsika satria matetika tsotra loatra, ny fahitantsika ny fiainana kristianina. Fantatsika fa misy ankolafiny roa: Andriamanitra, izay tsara; sy i Satana, izay ratsy. Matetika àry izany dia mandeha ho azy amintsika ny mametraka ny zavatra tsara rehetra ao anaty kitapo iray miaraka amin'Andriamanitra, ary ny ratsy rehetra kosa ao anaty kitapo iray miaraka amin'i Satana. Tsy tsotra toy izany anefa ny flainana. Tsy azontsika ampiasaina ny fihetseham-pontsika hamaritana hoe inona no ao anaty kitapon’Andriamanitra na inona na inona no, ao anaty kitapon'i Satana. Indraindray ny fiarahana mandeha amin'Andriamanitra dia mety ho fihaikana sarotra sy mafy tokoa. Ary ny fanarahana an'i Satana kosa, araka ny fahitana azy, dia mety hitera-boka-tsoa lehibe.I Jôba, izay marina nefa nijaly, dia maneho izany rehefa nanontany an'Andriamanitra izy manao hoe: "Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?" (Jôba 21:7).

 
Fitsapana vokatry ny fijoroana ho mahatoky amin'ny fanarahana an'i Kristy no tian'i Petera horesahina. Kanefa misy antony hafa koa mahatonga ny fitsapana. Fomba ahoana no anampian'ny 1 Pet. 4:12.19 anao, hahafahanao manazava amin'ny namanao, amim-pahendrena omban'ny fahaizana mandanjalanja, ny antony tokony tsy hahagaga azy amin'ny fitsapana mampahory mety hatrehiny?
 


  

   Dimanche                             07.10.2007

2. FOURNAISES A VENIR

 NE SOYEZ PAS SURPRIS  

 

" Bien-aimés, ne soyez pas surpris de l'embrassement qui sévit parmi vous pour vous mettre à l'épreuve, comme s'il vous arrivait quelque chose d'étrange. " (1 P 4.12)

De douloureuses surprises surviennent de multiples façon : une voiture qui fait une embardée et se place sur votre route ; l'annonce soudaine de la perte de votre travail ; un bilan médical vous communiquant de mauvaises nouvelles; la trahison d'un être cher. Si douloureux que cela soit, la soudaineté de l'événement empire les choses.

Nous examinons cette semaine quelque situation, ou épreuves, particulièrement douloureuses qui ne devraient pas nous prendre par surprise.

Pour commencer, revenons au texte de Pierre pour aujourd'hui. Le terme grec traduit par " surpris ", dans 1 P 4.12, évoque l'étrangeté ou ce qui est étranger. Pierre exhorte ses lecteurs à ne pas tomber dans le piège consistant à croire que les épreuves - ou " embrasements " - sont étrangères à l'expérience chrétienne. Elles devraient être considérées comme normales. Il faut, et on doit, s'y attendre !

Le mot traduit par " embrasement " ou "fournaise " (La Bible du Semeur) ou " dure épreuve " (BFC) vient du terme grec signifiant : " qui brûle ". […] Cette expérience où nous souffrons pour notre foi fait penser à un processus de fusion, comme ce qui se passe dans le creuset du fondeur.

Lisez 1 P 4.12-19. Quel est le message de Pierre ?

La souffrance est une surprise pour beaucoup d'entre nous, par ce nous avons souvent une vision trop simpliste de la vie chrétienne. Nous savons qu'il existe deux camps : celui de Dieu, qui est le bien et celui de Satan, qui est le mal. Le plus souvent, nous plaçons automatiquement tout ce qui nous semble bon du coté de Dieu, et tout ce qui nous semble mal du coté de Satan. Or, parfois, marcher avec Dieu devient un défi douloureux, alors que suivre Satan peut sembler être source de grandes gratifications. Job, juste et souffrant, illustrait cela quand il demandait à Dieu : " Pourquoi les méchants vivent-ils ? Pourquoi vieillissent-ils ? Pourquoi reprennent-ils même des forces ? " (Jb 21.7)

Pierre évoquait des épreuves qui découlaient d'une prise de position en faveur de Christ. Mais il existe d'autres causes aux épreuves. Comment vous servir de 1 P 4.12-19 pour expliquer avec tact à un ami les raisons pour lesquelles il ne doit pas être surpris par les épreuves douloureuses qu'il traverse ?

 


  

   

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

 

  http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

      http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

Alatsinainy 08-10-2007 : Memy mivaivain’i satana. 1 pet 5:8.

Vak. io and. eo ambony eo io. Inona no hafatra ho antsika eo? Anontanio ny tenanao hoe: "Moa ve tsy heveriko ho somonga ireo teny ireo? Inona ireo zavatra ataonao eo amin'ny fiainanao izay mampiseho fa tsy mihevitra ireo teny ireo ho vazivazy tokoa ianao?

Efa mba nandinika liona noana ve ianao? Tena mampihoron-koditra satria fantatrao fa afaka misambotra sy mihinana izay rehetra tadiaviny izy. Lazain'i 'Petera fa mihaodihaody toy izany koa i Satana. Ny tena mampivarahontsana dia ity: rehefa mijery manodidina isika, dia hitantsika ireo vokatry ny faniriany hamono. Hita hatraiza hatraiza ny fahafatesana, ny fahoriana, ary ny fanolanana sy ny fanovana ny fomba fiaina ara-pitondran­tena sy ny soatoavina. Tsy afaka ny tsy hahita ny asan'i Satana isika.

Vak. 1 Pet. 5:8.11. Ahoana no tokony hanoheran'ny Kristianina ny fandehandehanan'i Satana mihaodihaody eny amintsika eny?

Inona no ampanantenain'Andriamanitra fa hataony ho an'ireo izay mijaly? and. 10.

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanoherana ny famelezan'i Satana ny finoana kristianina no anoratan'i Petera ireo teny ireo. Nefs, araka ny efa voalazantsika, dia miasa amin'ny fomba"maro sarnyhafa i Satana. Ary na dia tsy maintsy tonga saina ny amin'ny fisiàn'ny fahavalontsika sy ny heriny aza isika, dia tsy tokony ho kivy mihitsy isika, satria tsy maintsy tsaroantsika

mandrakariva fa efa nandresy an'i Satana i Jesôsy, fa fahavalo resy i Satana, ary raha mbola mifandray hatrany amin'i Jesôsy koa isika, raha mbola mitoetra ho mahatoky aminy amim-pinoana koa isika, dia tsy ho resy mihitsy koa isika na rahoviana na rahoviana. Noho ny hazo fijaliana dia fandresentsika ny fandresen'i Kristy.

Eritrereto ireo fomba hafa ampiasain'i Satana hahatonga fijaliana. Moa ve ny famakiana ny 1 Pet 5:8-11 afaka manampy antsika amin'ny famahana ny olana momba ny tebiteby lainantsika noho ny anjara miandry antsika, dia izao isika miaina ao amin'ny tontolo iray feno ota misy an'i Satana navela handrava sy handringana izao?

 


                                              

 

Lundi                                08.10.2007

2. FOURNAISES A VENIR

 L'ÉPREUVE QUI VIENT DE SATAN  

  

 

" Soyez sobres, veillez. Votre adversaire, le diable rôde comme un lion rugissant, cherchant qui dévorer. " (1 P 5.8)

 

 

Lisez les versets ci-dessus. Quel en est le message ? Demandez-vous si vous prenez ces mots suffi-samment au sérieux. Quels éléments de votre vie témoignent de la façon dont vous les considérez.

 

Avez-vous déjà observe un lion affamé ? Il vous impressionne, car vous savez qu'il est capable d'attraper et de dévorer pratiquement tout ce qu'il veut. Pierre dit que Satan rôde de cette façon. Il est tragique d'observer autour de nous les conséquences de son désir de tuer. Nous voyons partout la mort, la souffrance, les valeurs morales déformées et perverties. Il est impossible de ne pas voir les œuvres de Satan.

 

Lisez 1 P 5.9-11. Comment le chrétien doit-il réagir face à Satan qui rôde ?

Que promet Dieu à ceux qui souffrent ? (1 P 5.8-10)

 

Pierre écrit ces mots pour que nous sachions répondre aux attaques de Satan contre la foi chrétienne. Mais comme nous l'avons déjà mentionné, Satan est à l'œuvre de nombreuses façons. Même en étant conscient de l'existence et de la puissance de l'ennemi, il ne faut pas se décourager ni oublier que Jésus a vaincu Satan. Tant que nous restons en contact avec Jésus, tant que nous nous ancrons en lui par la foi, nous sommes vainqueurs. Grâce à la croix, la victoire du Christ devient la nôtre.

 Réfléchissez aux autres façons dont Satan fait souffrir. Les paroles de 1 P 5.8-11 ne nous aident-elles pas à apaiser l'angoisse due au fait que nous vivons dans un monde pécheur où Satan a la possibilité de faire des ravages ? Expliquez. 

 


 

   

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

  http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

        http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

  

Talata 09-10-2007 : Ireo memy mivaivain'ny fahotana. rôm. 1:18.

 
 
Ny zavatra rehetra ataontsika dia misy vokany avokoa. Raha mijoro eo amin'ny,toerana misy masoandro migaingaina mihinana gilasy ianao, dia azo antoka fa hitsonika izany. Miaraka hatrany tsy afa-misaraka ny anton-javatra sy ny vokatra aterany. Ary na dia irintsika mafy aza mba ho hafa ny fandehan­javatra, dia tsy misy hafa amin'izany ny ota. Mijinja ny vokany mandrakariva izy. Andriamanitra akory tsy hoe mipetraka any an-danitra any mieritreritra ny zavatra mahatsiravina azony atao amin'ny olona manota; tsia, tsy izany, fa ny ota mihitsy no tonga, miaraka amin'ireo vokatra efa voavoatra rahateo ao aminy ao.

Ny olana dia izao: impiry impiry moa isika no mihevitra fa azontsika atao ny miseho ho fetsy noho Andriamanitra, ka manota tsy hijinja ny vokany. Tsy misy mihitsy izany. Asehon'i Paoly mazava tsara fa rehefa manota ny olona dia tsy vitan'ny hoe misy vokany ho amin'ny mandrakizay izany fa misy vokany maharary sy mampahory amin'izao fotoana izao koa.

Soritsoritan'i Paoly ao amin'ny Rôm.1:21-32 ny fandehan'ny raharahan'ny olona lavo ao amin'ny fahotana sy ny vokatr’ireny fahotana ireny. Vak. tsara amim-pivavahana ireo and. ireo, ka fintino ny votoatin'izay ambarany, mifantoka indrindra indrindra amin'ireo ambaratongan'ny ota sy ny vokany.

Raha miverina kely amin'ny and. roa alohan'ireo and. ireo isika dia lazain'i Paoly eo fa fahatezeranAndriamanitra" (and.18) ireo vokatra ireo. Ny fahatezeran'Andriamanitra eo amin'ireo andalan-teny ireo dia tsy inona fa ny famelan'Andriamanitra ny olombelona hijinja izay nafafiny. Na dia ho an'ny Kristianina aza, mandrakariva dia tsy miditra an-tsehatra avy hatrany Andriamanitra hanaisotra ny maharary vokatry My nataontsika ihany. Impiry Impiry akory moa lzy no mameliantsika hianjadian'ny vokatry ny nataontsika mba ho fantatsika fa tena manimba dia manimba tokoa sady manafintohina mihitsy ny otantsika.

Vao avy nandinika ny vokatry ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra  momba ny fitondran-tena isika izao. Fa ahoana kosa ny amin'ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra momba ny fahaslamana? Fonenan'Andriamanitra ny tenantsika. Raha ampijalintsika ny tenantsika amin'ny tsy fihinanantsika sakafo ara-pahasalamana na amin'ny tsy fanaovantsika fampiasan-tena, na raha toa ka miasa mafy tsy tapaka tafahoatra loatra isika, izany koa dia fahotana amin'Andriamanitra. Ary misy vokany mety hitarika ho amin'ny fiforonan'ny memy izany.

Tamin'ny fomba ahoana, teo amin'ny fiainanao, no nijinjanao ireo vokatry ny fahotanao teo no ho eo? Inona ireo lesona nianaranao tamin'izany? Inona ireo fiovana tsy maintsy hataonao mba tsy hisy, zavatra toy izany indray hianjady aminao?

 


 

 

Mardi                            09.10.2007

2. FOURNAISES A VENIR

 NE SOYEZ PAS SURPRIS  

   

" La colère de Dieu, en effet, se révèle depuis le ciel contre toute l'impiété et l'injustice des gens qui tiennent la vérité captive dans l'injustice " (Rm 1.18).

 

Tout ce qu'on fait a des conséquences. Si vous vous tenez sous un chaud soleil avec une glace, celle-ci fond. Il y a toujours un phénomène de cause à effet. Même si nous souhaitons qu'il n'en soit pas ainsi, il en va de même pour le péché. Il a toujours des conséquences, non que Dieu, sur son trône, se demande de quels terribles châtiments il pourrait frapper les pécheurs ; mais le péché survient avec des conséquences qui lui sont intrinsèquement liées.

Le problème, c'est que le plus souvent nous pensons être plus habiles que Dieu et pouvoir pécher en évitant les conséquences. C'est impossible. Paul affirme clairement que le péché n'a pas seulement des conséquences douloureuses et désespérantes dans le présent.

Dans Rm 1.21-32, Paul décrit comment on tombe dans le péché et quelles en sont les conséquences. Lisez ces versets soigneusement et avec prière, puis résumez-en l'essentiel, en vous concentrant plus particulièrement sur les étapes menant au péché et sur ses conséquences.

Paul évoque ces conséquences comme étant " la colère de Dieu " (Rm 1.18). Dans ces passages, celle-ci exprime simplement le fait qu'il laisse les êtres humains récolter ce qu'ils ont semé. Dieu n'intervient pas toujours immédiatement pour écarter la souffrance due à nos actes, même si nous sommes chrétiens. Il nous laisse souvent en faire l'expérience pour que nous comprenions les profonds ravages et les torts que causent nos péchés.

Nous avons examiné les conséquences qui découlent de la violation des lois morales de Dieu. Mais qu'en est-il lorsque nous violons les lois de la santé ? Notre corps est sa demeure. Si nous malmenons notre corps en le privant d'une nourriture saine et d'exercice physique, ou en travaillant trop, nous péchons également contre Dieu. Les conséquences d'un tel comportement créent les conditions d'une épreuve.

Quelles ont été, dans votre vie, les conséquences immédiates de vos péchés ? Quelles leçons en avez-vous tiré ? Quels sont les changements à apporter pour ne pas recommencer ?

 


   

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

 

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

           http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

Alarobia 10-10-2007 : Memy fanadiovana

 

 Raha ataon'ny Fanahin'Andriamanitra ao an-tsainao ny tenin'i Jehôvah iray mankarary fo anao, dia aoka ho azonao antoka fa misy zavatra tiany horatraina ho faty." - MUHH, t. 271. 

Ahoana no fahazoanao io teny nalaina avy tamin'ny boky sy io and. eo ambony eo io? Nanao ahoana ny fanandramana nataonao ny amin'ny fahoriana ao anatin'izany asa fanadiovana izany?

Vak. Jer. 9:6-15. Lazain'Andriamanitra fa "handrendrika sy hizaha toetra" na "hampiempo" (dkt KJV) an'i Joda sy i Jerosalema Izy (and. 6). inona ireo antony roa omen'Andriamanitra mahatonga izany? Fomba ahoana no hisehoan'izany fandrendrehana izany? (and. 14,15).

Misy asa mahery vaika ao anatin'ny fandrendrehana sy ny fizahan-toetra ataon'Andriamanitra. Antony telo angamba no mahatonga izany fandrendrehana sy fizahan-toetra izany ho toy ny memy.

Voalohany, mahatsiaro maharary isika rehefa ampiasain'Andriamanitra ny toe-javatra hisarihana ny saintsika ho amin'ny fahotantsika. Taloha kelin'izao i Jeremia dia nanoratra tamin'alahelo hoe: "May ny tafoforana, levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan 'ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy" (Jer. 6:29). Araka izany, indraindray dia ilaina ny asa mahery vaika mba hisarihana ny saintsika.

Faharoa, mitebiteby isika rehefa malahelo noho ny ota izay miharihary amintsika ankehitriny.

Fahatelo, mandalo fahadisoam-panantenana isika rehefa iny isika fa miezaka ny hiova fialna. Mety ho tena mampanano sarotra sy manahirana ny manohy misafidy ny hahafoy ireo zavatra efa raiki-tampisaka teo amintsika.

Eritrereto ireo ota iadianao. Raha toa ka handrendrika sy hizaha toetra anao Andriamanitra anio, fomba ahoana no mety hanatanterahany izany? Inona no azonao atao ankehitriny handaminana Izany alohan'ny handraisan'Andriamanitra fanapahan-kevitra henjana momba anao, toy izay nataony tamin'ny Isiraely?
  


  

Mercredi                            10.10.2007

2. FOURNAISES A VENIR

 UNE ÉPREUVE PURIFICATRICE 

  

" C'est pourquoi ainsi parle l'Eternel des armées ; voici ! Je vais les épurer et les éprouver. Car comment agir à l'égard de la fille de mon peuple ? " (Jr 9.6, Segond révisée à la Colombe)

  " Si l'Esprit de Dieu vous met en mémoire une parole du Seigneur qui vous blesse, soyez certain qu'il veut blesser à mort quelque chose en vous. " - Oswald CHAMBERS, My utmost for his highest, Barbour & Company, Inc., Uhrichsville, Ohio, 1963, p. 271.

Comment comprenez-vous la citation biblique ci-dessus ? Quelle a été votre propre expérience de purification douloureuse ?

Lisez Jr 9.6-15. Dieu dit qu'il va " épurer " et " éprouver " (9.6) ou faire " fondre au creuset de l'épreuve " (La Bible du Semeur) Judas et Israël. Quelles sont les deux raisons données par Dieu ? Comment cet " affinement " se produira-t-il ? (9.14, 15)

Epurer et éprouver de la sorte requérait de la part de Dieu une action radicale. Il y a sans doute trois raisons pour lesquelles un tel affinement est ressenti comme une épreuve purificatrice. Premièrement, il y a souffrance quand Dieu utilise les circonstances pour attirer notre attention sur notre péché. Peu de temps auparavant, Jérémie écrivait tristement : " Le soufflet est brulant, le plomb disparaît au feu… C'est inutilement qu'on s'obstine à épurer, les scories ne se détachent pas. " (Jr 6.29) Des actions énergiques sont parfois nécessaires pour attirer notre attention. Deuxièmement, le péché que nous discernons clairement nous angoisse. Troisièmement, nous éprouvons de la frustration en cherchant vainement à vivre différemment. Il est parfois désagréable et douloureux de renoncer à des choses qui font partie de notre vie.

Réfléchissez aux péchés contre lesquels vous luttez. Si Dieu vous affinait et vous éprouvait aujourd'hui, comment s'y prendrait-il ? Quels choix faire des à présent pour que Dieu n'ait pas à intervenir de façon radicale dans votre vie comme il l'a fait pour Israël ?

 


 

   

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

 

        http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

      http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

 

Alakamisy 11-10-2007 : Memy fahamatorana

Misy fahasamihafany lehibe ny hoe tapahina sy ny hoe rantsanana. Ny zava-maniry tsy ilaintsika intsony no tapahintsika; fa ny zava-maniry mbola tiantsika hitombo sy hamoa bebe kokoa no rantsanantsika, Samy ilàna antsy maranitra avokoa anefa ireo asa roa ireo. Eny, ny fandrantsanana dia mitaky ny fanapahana ny rantsana sasany amin'ilay zava-maniry, ka ho an'ny mpikolokolo zaridaina mbola zazavao dia toa toy ny manimba azy izany. Toy izao no nosoratan'i Bruce Wilkinson, eo amin'ny tontolon'ny ara-panahy: "Moa ve ianao mangataka ny fitahian'Andriamanitra mitafotafo sy mitalaho mba hamolavolany anao hanahaka ny Zanany bebe kokoa? Raha eny ny valin-teninao, dia mangataka ny horantsanana ianao izany." -SV,t.60.

Lasa eritreritra ny olona ny amin'ny tena tian'i Paoly hambara amin'ilay hoe"tsilo tamin'ny nofo" (2 Kôr. 12:7). Samy hafa ny hevitra: misy manao hoe ny famelezan'ny fahavalo an'i Paoly tsy tapaka izany, ary misy kosa milaza fa fahasahiranana eo amin'ny fitenenana izany. Toa olana momba ny fahitan'ny masony anefa izy io, raha ny marina. - SDA BQ, b. 6, t. 1107. Ny mahagaga dia nino i Paoly fa "nasiana" tsilo tamin'ny nofony (izany hoe nino izy fa "nomena azy" io tsilony" io).
Araka ny hevitrao, inona no tian'i Paoly hambara amin'io hoe "nasaina" na "nomena ahy" io? Iza no nanome azy io tsilo io? Tamin'ny fomba ahoana no nahazoan'Andriamanitra nampiasa izany hahasoa an'i Paoly?
 

Mariho fa nisy tanjona voafaritra mazava tsara nokendrena tamin'io tsilon'i Paoly io: "mba hiaro ahy tsy hirehareha" (and. 7, dkt NIV). Tsy noho ny ota iray voafaritra fa efa nataony, fa mba hiarovana azy tsy hanota arnin'ny hoavy. Niaiky i Paoly fa, araka ny toetrany, dia nanana fahalemena hanota izy, ary afaka niaro azy tamîn'izany io "tsilo" io?

Vak. 2 Kôr. 12:7-12. Manao ahoana ny fiatrehan'i Paoly ny "tsilony"? Heverinao ve fa nisy tombon-tsoa ara-panahy hafa ho azy ny fahalemeny? Ahoana no ahafahan'ny fomba namalian'i Paoly manampy anao amin'ny fiatrehanao "ireo tsilo" mety ho tsy maintsy hoentinao?

 

Amin'ny lafiny ahoana no mety tsy hitovizan'ny hevitr'Andriamanltra ho farnpitomboana anao ara-panahy sy ny hevitrao? Hevero ireo sehatra eo amin'ny fiainanao izay ilaina mba hitondranao vokatry ny fahamarinana bebe kokoa. Inona ireo toetra tsara ara-panahy tianao hangatahina amin'Andriamanitra mba hampitomboana ao aminao amin'ny aialan'ny asa "fandrantsanana" ataony?

 

Jeudi                               11.10.2007

2. FOURNAISES À VENIR

 L'ÉPREUVE DE LA MATURATION

 
" Et pour que je ne me croie pas supérieur après de telles révélations, une épine a été plantée dans ma chair, un, messager de Satan dont les gifles me gardent de tout orgueil. " (2 Co 12.7, La Bible des peuples)

Il existe une grande différence entre couper et tailler. Nous coupons les plantes dont nous ne voulons plus ; nous taillons celles dont nous voulons une production plus abondante. Ces interventions nécessitent cependant toutes deux un outil aiguisé. Tailler implique que nous tranchions ou coupions certaines parties de la plante - un jardinier novice pourrait croire que nous la détruisons. Bruce Wilkinson, en se plaçant sous l'angle spirituel, écrit : " Priez-vous pour que Dieu vous accorde ses abondantes bénédictions et le suppliez-vous de vous rendre davantage comme son fils ?

Si votre réponse est affirmative, alors attendez-vous à la cisaille. «- Bruce WILKINSON, Secrets of the Vines, Multnomah Publishers, Inc., Sisters, Ore., 2001, p. 60.

" On s'est souvent demandé ce que Paul voulait dire par une "écharde dans la chair" (2 Co 12.7). On a suggéré beaucoup d'explications - attaques constantes de la part d'ennemis ou difficulté d'expression. Il s'agirait en réalité d'un problème de vue. " - Ellen WHITE, dans Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol. 6, p. 1107. Aussi surprenant que cela soit, Paul pensait que cette " écharde " lui avait été " donnée ".

 

A votre avis, que voulait dire Paul par " il m'a été donné " une écharde ? Qui la lui avait donnée ? Comment Dieu utilisait-il celle-ci pour le bien de Paul ?

Remarquez que l'écharde de Paul avait un but bien défini : " pour que je ne sois pas trop orgueilleux " (2 Co 12.7) Elle n'était pas la conséquence d'un péché qu'il aurait commis, mais elle lui évitait de pécher à l'avenir. Paul reconnaissait qu'il avait une faiblesse naturelle et que cette " écharde " l'en protégeait.

Lisez 2Co 12:7-12:2 que fait Paul de son " écharde " ? Pensez-vous que cette faiblesse était pour lui source d'autres bienfaits spirituels ? La réaction de Paul ne vous aide-t-elle pas à accepter toute " écharde " qui serait votre ?

 

En quoi la façon dont Dieu envisage votre développement spirituel est-elle sans doute très différente de la vôtre ? Dans quels domaines vous serait-il nécessaire de produire davantage de fruits de justice ? Quelles qualités spirituelles souhaiteriez-vous que Dieu développe en vous à l'aide de sa cisaille ?

 


 

     http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_02.pdf 

           http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less02.html

 

 

    

02 -THE CRUCIBLES THAT COME

 

 


 

Zoma 12-10-2007 : Fianarana fanampiny

 ST, 18 Nôvambra 1903; SDA BC, b.4, t.1182; My Life Today.

"Ilay mamaky ny ao am-pon'ny olona dia mahalala ny toetra amam-panahiny mihoatra noho ny fahafantarany ny tenany. Hitany fa misy manan-kery sy fahaizana izay, raha voatarika tsara, dia ho azo hampiasaina ho fampandrosoana ny asany. Noho ny fitondran'Andriamanitra dia ataony eo amin'ny toerana samihafa sy toe-javatra samihafa ireny olona ireny, mba hahitan'izy ireny ny tsy mety eo amin 'ny toetra amam-panahiny izay voaafina ka tsy fantany hatramin 'izay. Omeny fotoana mety izy ireo hoenti-manitsy ireny toetra ratsy ireny mba hahatonga ho afaka hanompo Azy, Matetika dia avelany hamely azy an-terisetra ny afon'ny fahoriana mba hanadiovana azy. "- TMF(F1), t. 395 - TMF(F2), t. 313.

 

 FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

 

1. Mety ho tena mafy rehefa mijinja ny vokatry ny fahotantsika isika. Velom- panontaniana isika manao hoe; "Mbola azo arenina ho mahitsyj hifanaraka amin'Andriamanitra indray ve aho?" Inona ireo tenyi fampanantenana ataon'Andriamanitra izay afaka mampahery antsikal hanam-paharetana amin'ny fotoana toy ireny ka tsy hanary toky? (Jereo izay soratan'i Paoly aty aoriana ao amin'ny Rôm. 5:1-11). Inona no àzonao lazaina amin'ny olona iray izay mametraka io fanontaniana io mihitsy?

2. Inona     no.    tian'i     Ellen     White     hambara     amin'ny    hoe:"fitondran'Andriamanitra"? Manao ahoana ny fiasan'izany? Ahoana no ahafantaranao fa mitranga araka ny fitondran'Andriamanitra ny zavatra anankiray? Inona ireo asan'ny fitondran'Andriamanitra nitondra ho amin'ny fitsapana teo amin'ny fiainanao? Dinihonareo iray kilasy ny lesona notsoahinareo tamin'izay fotoana izay. Ahoana no mety hanampianareo ny olona hafa izay manontany tena raha toa ka fitondran'Andriamanitra tokoa ny toe-javatra iray nitranga?

3. Raha mahafantatra olona mandalo ao anaty memy ianao amin'izao fotoana    izao   indrindra, zava-dehibe ve, sa tokony ho zava-dehibe izay nahatonga izany memy  any? Izany hoe, ahoana no tokony ho fihetsîka asehonao amin'ireny olona ireny sy ny fahoriana entiny, na inona na inona antony nahatonga izany?

4. Nisy tanora zazalahy kristianina nonina tany Amerika atsimo nandalo fitsapana mangidy Rehefa nifarana izany fitsapana izany, dia nifindra monina tany Eorôpa izy, ary hoy izy tamin'ny olona iray: "Navelako tany Amerika atsimo ny vatan-tenako." Inona no dikan'izany? Nahoana isika rehetra, amin'ny lafiny iray, no tsy maintsy mamela ny vatan-tenantsika amin'ny toerana iray any ho any? Inona no asan'ny fitsapana amin'izany fizotran-javatra izany?

5. Manaova drafitra ianareo iray .kilasy ho any amin'ny hôpitaly iray na any amin'ny toerana iray hafa izay hahafahanareo manampy sy mampahery ary mamalifaly ireo voaporitra ao anaty memy, na inona na inona anton'izany memy izany

 


      

Vendredi                               12.10.2007

2. FOURNAISES À VENIR

 

 Pour aller plus loin

 

 

A Lire

  

  


 

 

Ellen WHITE, dans Signes of the Times, 18 novembre 1903 ; Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol. 4. p. 1182; Avec Dieu chaque jour, p. 97 (29 mars).
" Celui qui lit dans le cœur des hommes les connaît mieux qu'eux-mêmes. Il sait que quelques-uns ont des talents qui, bien employés, pourraient contribuer à l'avancement de son règne. Dans sa providence, il place ces per-sonnes dans certaines situations qui leur permettent de découvrir des défauts ignorés, ce qui leur donne l'occasion de se corriger et de se préparer à son service. C'est pour les purifier qu'il les fait souvent passer par l'épreuve. " - Ellen WHITE, Le ministère de la guérison, " Viatique de la vie journalière ", p. 406.

 

A méditer...

__________________________________________________________________________________

1_ La vie peut nous sembler vraiment difficile quand nous souffrons des conséquences de nos péchés. Nous nous demandons peut-être : " Parviendrai-je jamais à redresser ma vie devant Dieu ? " Quelles promesses Dieu nous a-t-il faites pour nous encourager à persévérer et à ne pas abandonner en de tels moments ? Voyez ce que Paul écrit dans Rm 5.1-11. Que répondre à quelqu'un qui se pose la même question ?

2_ Que veut dire Ellen WHITE en parlant de sa " providence " ? De quoi s'agit-il ? Comment savoir qu'il s'agit bien de la providence divine ? Quels effets de la " providence " divine ont été source d'épreuves dans votre vie ? Que les membres de la classe discutent de ce qu'ils ont appris à ce sujet. Comment aider quelqu'un qui se demande si certains événements sont bien le fait de la " providence " divine ?

3_ Si vous connaissez quelqu'un qui passe par le creuset de l'épreuve, les événements ayant provoqué celle-ci importent-ils ? Comment allez-vous réagir à ces événements et aux souffrances subies, indépendamment de leur cause ?

4_ Un jeune homme chrétien qui vivait en Amérique du Sud a traversé une douloureuse épreuve. Il s'est ensuite installé en Europe et, plus tard, a fait le commentaire suivant : " J'ai laissé mon cadavre en Amérique du Sud. " Qu'est-ce que cela signifie ? Pourquoi devon-nous tous, d'une certaine manière, laisser notre cadavre derrière nous ? Quel est le rôle des épreuves à cet égard ?

5_ Prévoyez, avec les membres de la classe, une visite à l'hôpital ou dans un lieu où vous apporterez aide et réconfort à des personnes qui traversent une épreuve, quelles qu'en soient les raisons.

 

   

  


 

 02 - THE CRUCIBLES THAT COMES