Trimestre 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Leçon 7 : FANANTENANA TSY METY LEVONA

Date : 10-11-2007 au 16-11-2007. Etude : Jôba 38-41; Isa 41:8-14; Jer. 29:1-10; Hab 1:1-4; Heb. 12:1-13.

Verset à mémoriser : Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika. Rôm 5 : 5

Sabotsy 10-11-2007 : Fanantenana tsy mety levona

Mora ery, ny miresaka sy mihira momba ny fanantenana rehefa feno tsiky ny olona manodidina anao ao am-piangonana. Rehefa ao anatin'ny memy kosa anefa isika dia toa tsy mora mandrakariva ny itoeran'ny fanantenana. Amin'ny fotoana izay aneren'ny toe-javatra maro samihafa antsika dia manomboka mametra-panontaniana ny amin'ny zavatra rehetra isika, indrindra indrindra moa fa ny amin'ny fahendren'Andriamanitra. 

Tantarain'i C.S. Lewis ao amin'ny anankiray amin'ireo bokiny ny amin'ny liona iray tsy tena izy. Nisy olona iray naniry ny hahita izany liona izany ka nanontany ndrao mampidi-doza ilay liona. Nolazaina azy fa tsy mampidi-doza izy fa "tsara fanahy kosa"
 Na dia tsy takatsika mandrakariva aza Andriamanitra ary toa manao zavatra tsy ampoizina aza Izy dia tsy midika tsy akory izany fa manohitra antsika Izy. Midika fotsiny izany fa tsy mbola fantatsika amin'ny fahafenoany ny momba Azy. Fikirintsika mafy kosa anefa ilay foto-kevitra fa raha te hanana fiadanana sy fitokisana ary fanantenana isika dia tsy maintsy mora takatra ary ampoizina mandrakariva izay tian'Andriamanitra hatao. Araka ny fihevitsika dia tokony "tsy hampidi-doza" Izy. Mitondra fahadisoam-panantenana ho antsika anefa izany eritreritra izany.
 
Ho hitantsika mandritra ity herinandro ity ny hoe amin'ny fomba ahoana no hanampian'ny fahatakarana ny toetran'Andriamanitra. 

  

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 4ème TRIMESTRE


LE FEU DE L’AFFINEUR

 

 7.  UNE ESPÉRANCE INDESTRUCTIBLE

  

Etude de la semaine : Jb 38 à 41; Es 41.8-14; Jr 29.1-10; Ha 1.1-4; He 12.1-13.

 

Versets à mémoriser: "Or l'espérance ne rend pas honteux, puisque l'amour de Dieu a été répandu dans notre cœur par l'Esprit saint qui nous a été donné."(Rm 5.5)

Questions clefs: Pourquoi comprendre le caractère divin aide-il à maintenir l'espérance dans la fournaise?

   

A l'Eglise, entourés de gens souriants, comme il est facile d'évoquer et de chanter l'espérance! Mais quand nous nous trouvons dans l'épreuve, ce n'est plus aussi facile! Tandis que les circonstances nous bousculent, nous avons tendance à tout remettre en question - notamment la sagesse divine.

Dans l'un de ses ouvrages, C. S. Lewis parle d'un lion imaginaire. Voulant rencontrer ce dernier, une personne demande si elle sera en sécurité. On lui répond que non, mais qu'" il est bon".

Même si nous ne comprenons pas toujours Dieu, même s'il semble agir de façon imprévisible, cela ne signifie pas qu'il est contre nous, mais que notre vision est incomplète. Or nous nous débattons avec l'idée que Dieu doit être compréhensible et prévisible pour que nous ayons un sentiment de paix, de confiance et d'espérance. Il nous semble nécessaire qu'il soit "sécurisant". Ainsi, nous nous prédisposons aux déceptions.

 

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE


     

07 -Indestructible hope

 

  • (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

  

Alahady 11-11-2007 : Sary lehibe

 Rehefa voadona isika dia tena mora tokoa ny mihevitra fa izay zava-mitranga amintsika ihany no tena olana goavana. Misy sary somary lehibebe kokoa noho ny "izaho" fotsiny ihany anefa (jereo Apôk. 12:7; Rôm. 8:22). 

Vakio Hab. 1:1-4. Inona no atrehin'i Hab. eto?
 
Mety hanantena angamba ianao fa hilaza zavatra toy izao Andriamanitra: "Tena mahatsiravina tokoa izany ry Habakôka; ho avy izao dieny izao Aho hanampy anao." Mifanohitra amin'izay anefa ny valin-tenin'Andriamanitra. Nambarany tamin'i Habakôka fa hiharatsy kokoa aza ny fandehan-javatra. Vakio ny Habakôka 1:5-11.
 
Efa nobaboin'ny Asirianina ny Isiraely kanefa Andriamanitra dia nanome toky fa toe-javatra ratsy kokoa aza no ho avy: ho lasan'ny Babilônianina koa izao ny vahoakan'ny Joda. Mbola mitaraina mafy indray i Habakôka ao amin'ny andininy 12-17, ary miandry izay holazain'Andriamanitra.
 
Ahoana no itondran'ny fampidiran'Andriamanitra ny amin'ny fandravana an'i Babilôna efa nampanantenainy ao amin'ny Habakôka 2:2,3 fanantenana?
 
Teny fikasan'Andriamanitra ny amin'ny handravana an'i Babilôna ny Hab. 2. Ataon'ny Heb. 10:37 anaty farango sosona ny Hab. 2:3, mba hilazana fa miresaka ny amin'ny Mesia any amin'ny hoavy izany. Azontsika antoka araka ny nampanantenana azy ny fandravana an'i Babilôna, dia azontsika antoka ihany koa noho izany ny handravana ilay "Babilôna lehibe" (Apôk. 18:2).
 
Voafandrika teo anelanelan'ny zava-dratsy lehibe manodidina azy sy ny fampanantenan'Andriamanitra izay ratsy lavitra noho izany i Habakôka. Toy izany mazava tsara ihany koa ny fahitantsika ny toerana misy antsika eo amin'ny tantaran' ny famonjena. Manodidina antsika ny ratsy lehibe, kanefa ny Baiboly dia milaza mialoha fa ratsy lavitra noho izany no hiseho. Ny fanalahidin'ny mbola fahaveloman'i Habakôka dia ny nitondrana azy hijery ny sary iray manontolo. Noho izany ao amin'ny toko 3 dia afaka nanao vavaka feno fiderana tsy mampino izy ny amin'izay hataon'Andriamanitra any amin'ny hoavy.
 
Vakio ny Hab. 3:16-19. Inona no fantatr’i Habakôka fa anton'ny fanantenany? Inona no fanantenan'ny vahoakan'Andriamanitra eo am-piandrasana ny fisehoan'ireo toe-javatra ara-paminaniana farany? Ahoana no hiainanao manokana izany fanantenana izany?

  

   Dimanche                              11.11.2007

7. UNE ESPÉANCE INDESTRUCTIBLE

Une vision d'ensemble 

 

Quand nous souffrons, nous avons tendance à penser que la seule chose qui compte est ce qui nous arrive. Il existe pourtant une vision d'ensemble, qui dépasse notre "moi" (voir Ap 12.7; Rm 8.22).
Lisez Ha 1.1-4. A quoi Habacuc était-il confronté ? On pourrait s'attendre à ce que Dieu réponde quelque chose comme : "C'est vraiment terrible, Habacuc, je vais immédiatement te porter secours." Mais la réponse divine est à l'opposé. Dieu annonce au prophète que la situation va empirer. Lisez Ha 1.5-11.
Israël avait été emmené en captivité par les Assyriens, mais Dieu promet que le pire est encore à venir: les Babyloniens vont s'emparer des habitants de Juda. Habacuc crie à nouveau vers le Seigneur aux versets 12-17, puis attend la réponse divine.
Pourquoi la prophétie divine annonçant la destruction de Babylone dans Ha 2.2, 3 est-elle porteuse d'espérance ? Ha 2 est, de la part de Dieu, la promesse que les Babyloniens seront détruits. He 10.37 cite Ha 2.3, suggérant que cette promesse à une application messianique. Tout comme la destruction de Babylone était une promesse, nous avons également la certitude que "Babylone la grande" (Ap 18.2) sera détruite.
Habacuc se sentait piégé entre les maux qui l'environnaient et l'annonce, de la part de Dieu, que le pire était encore à venir. C'est pourtant précisément à un moment semblable de l'histoire du salut que nous nous trouvons. Il existe autour de nous de grands maux, mais la Bible prédit que le pire est encore à venir. Habacuc a été amené à avoir une vision d'ensemble, clef de sa survie. C'est pourquoi, au chapitre 3, il prononce une incroyable prière de louange en rapport avec la façon dont Dieu interviendra ultérieurement.

Lisez Ha 3.16-19. Quelles sont les raisons de son espérance?
Quelle est l'espérance du peuple de Dieu tandis qu'il attend le déroulement des dernières scènes prophétiques ?
Comment faire votre une telle espérance ?

  


  

07 -Indestructible hope

 

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

Alatsinainy 12-11-2007 : Iza moa io raintsika io

Izao no nosoratan'i Oswald Chambers: "Efa mba nanontany an'Andriamanitra ve ianao ny amin'izay hataony? Tsy hilaza izany aminao na oviana na oviana Izy. tsy hilaza aminao izay hataony Andnamanitra fa ny maha-Izy Azy no hambarany aminao." - MUHH. 

Araka ny hevitrao inona no tian'i Chambers hambara amin'io foto-kevitra io?
 
Araka ny fantatsika dia miantomboka amin'ny toe-javatra lehibe sady mampalahelo mikasika ny fiainan'i Jôba ny bokin'i Joba. Very avokoa ny fananany rehetra afa-tsy ny ainy ,sy ny vadiny izay nanolo-kevitra azy "hahafoy an'Andriamanitra fa hofaty!" (Jôba 2:9), Ny voalaza manaraka dia ny resaka nifanaovan'izy sy ny namany izay niezaka ny hamaofivaofy ny antony nahatonga izany rehetra izany. Nangina anefa Andnamanitra nandritra izany fifanakalozan-kevitra rehetra izany.
 
Nipoitra tampoka anefa Andnamanitra ao amin'ny Jôba 38 ka nilaza hoe: "Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?" (and. 2). Tsy nisy fiatoana Andnamanitra raha nametraka tamin'i Jôba ireo fanontaniana miisa 60 nampitanaka ny vavany. Sokafy ny Baibolinao ka jereo ao amin'ny andininy 38 sy 39 izany.
 
Taorian'ny fanontaniana farany dia namaly i Jôba hoe: "Indro tsinontsinona aho, ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao. Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho. "(Jôba 40: 4,5). Tsy nijanona teo anefa Andriamanitra. Noraisiny indray avy eo ny fitenenana .ka andiam-panontaniana "lehibe" nifanesy indray no napetrany,
 
Vakio ireo valin-tenin'i Jôba farany ao amin'ny Jôba 42:1-6. Inona no niezahan'Andriamanitra nolazaina tamin'i Jôba, ary inona no vokatr'izany teo aminy?
 
Tsy novalian'Andriamanitra na oviana na oviana ireo "nahoana" tao amin'ny fanontanian'ny naman'i Jôba, Andriamanitra kosa anefa dia tena naneho an-tsary mazava tokoa ny fahalehibiazany tsy manam-paharoa, araka ny voambara tamin'ny alalan'ny asa mampitolagagan'ny famoronana. Taorian'izay dia azo inoana fa tsy nisy valim-panontanianna nilain'i Jôba akory.
Takon'ny sary goavana iray izay maneho ny famirapiratan'Andriamanitra ny fikatsahana fanazavana.
 
Fanoherana mahavariana no ambaran'io tantara io. Ny fanantenana sy ny faherezana dia mety hipololotra avy amin'ny fahazoantsika an-tsaina fa kely dia kely ny fahalalantsika. Mety ho teraka ho azy ao amintsika ny fiezahana hahazo toky avy amin'ny fahalaiana ny zavatra rehetra, ary dia diso fanantenana isika rehefa tsy afaka ny hahalala. Indraindray anefa dia asongadin'Andriamanitra ny tsy fahalalantsika mba hahatonga antsika hiaiky fa tsy mahita fiarovana afa-tsy ao amin'Andriamanitra izay lehibe lavitra noho isika ny fanantenan'ny taranak'olombelona.
 
Misy zava-mitranga aminao ve amin'izao fotoana izao ka tsy takatrao ny antony? Raha misy izany, dia mifantoha amin'ny toetran'Andriamanitra. Ahoana no hanananao fanantenana avy amin'io fa mila maharitra amin'izany toe-javatra tsy takatra amin'izao fotoana izao izany ianao?

 

     Lundi                        12.11.2007

7. UNE ESPERANCE INDESTRUCTIBLE

Qui est notre Père

 

Oswald Chambers écrit : "Avez-vous demandé à Dieu ce qu'il allait faire ? Il ne vous le dira pas. Il ne dit jamais ce qu'il va faire; il vous révèle qui il est. " - My Utmost for His Highest, Barbour & Company, Inc., Uhrichsville, Ohio, 1963, 2 janvier.

Que veut dire Chambers, à votre avis ?

Comme nous le savons, le livre de Job commence par le récit des tragédies qui l'ont frappé. Il a tout perdu, sauf sa vie et sa femme, et celle-ci lui suggère : "Maudis donc Dieu et meurs !" (Jb 2.9) Vient ensuite une discussion au cours de laquelle ses amis essayent de comprendre pourquoi tout cela lui est arrivé. Dieu, pendant ce temps, demeure silencieux.

Puis, soudain, dans Jb 38, Dieu apparaît et parle : "Qui est celui qui obscurcit mes projets par des propos sans connaissance ?" (38.2) Sans s'arrêter, Dieu pose à Job environ soixante questions époustouflantes. Ouvrez votre Bible et parcourez-les dans Jb 38 et 39.

Après la dernière question, Job répond : "Je suis peu de chose; que te répliquerais-je ? Je mets la main sur ma bouche. J'ai parlé une fois, je ne répondrai plus; deux fois, je n'ajouterai rien." (Jb 40.4,5) Mais Dieu n'a pas terminé. Il se met à poser une nouvelle série de "grandes" questions.

Lisez la réponse finale de Job dans Jb 42.1-6. Qu'est-ce que Dieu cherchait à dire à Job et quel en a été le résultat ?

Dieu ne répond a aucune des questions du style "pourquoi ?" des amis de Job. Mais il dépeint sa grandeur inégalée, telle qu'elle se révèle dans les œuvres étonnantes qu'il a créées. Après quoi, Job n'a certes pas besoin de réponses. Son besoin d'explication disparaît devant l'impressionnante description de la magnificence divine.

Ce récit révèle un fascinant paradoxe. L'espérance et l'encouragement surgissent parfois lorsque nous prenons conscience de notre ignorance. Instinctivement, nous cherchons à nous réconforter en essayant de tout comprendre et nous nous décourageons quand ce n'est pas possible. Mais il arrive que Dieu souligne notre ignorance, nous incitant à réaliser qu'il n'est de placement sur pour l'espérance qu'en un être qui nous dépasse.

Des circonstances incompréhensibles surviennent-elles actuellement dans votre vie ? Dans l'affirmative, concentrez-vous sur le caractère divin. Ne vous communique-t-il pas l'espérance dont vous avez besoin pour persévérer malgré ce qui vous semble actuellement incompréhensible ?
 

 

 

 

 

 


 

 

07 -Indestructible hope

 

  • (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

 

Talata 13-11-2007 : Ny fanatrehan'ny raintsika

 "Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. " (Isa. 41:13).

 
Nisy olona nilaza indray mandeha nanao hoe: "Rehefa iny toa lavitra iny Andriamanitra, dia iza no nifindra toerana voalohany?" Rehefa tonga ny olana, dia heverintsika fa nahafoy antsika Andriamanitra. Ny marina dia tsy lasa nandeha taiza na taiza Izy tsy akory.
 
Toa lavitra dia lavitra ny Jiosy natao sesitany ny fanatrehan'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'i Isaia anefa dia nanome toky azy ireo Andramanitra ny amin'ny fanafahana ho avy. Na izany aza anefa, mbola taona maro aty aoriana ny tena fiverenana ao Jerosalema, tian'Andriamanitra ny vahoakany hahafantatra fa tsy lavitra azy ireo Izy ary antony maro no tokony hananany fanantenana.
Vakio ny Isa. 41:8-14. Inona avy ireo anton'ny fanantenana fantatrao fa ananan'ny olona izay miandry fatratra ny fanafahana ho avy? Ahoana no anampian'io teny fikasana io antsika eto am-piandrasana ny fifaranan'ny famaboana antsika eto an-tany?
 
Hita ao amin'ny and. 13 ny anankiray amin'ireo sary mahery vaika indrindra ao amin'ireo and ireo. Milaza ilay Andriamanitra mpanjakan'izao tontolo rehetra izao fa tsy misy tokony hatahoran'ny olony satria Izy no "mitantana ny tananao ankavanana". Lafiny anankiray io hahazoana an- tsaina ny fitarihan'Andriamanitra ny zava-miseho rehetra eto ambonin'ny tany, avy eo amin'ny seza fiandrianana lehibe izay lavitra dia lavitra ny tanintsika tokoa. Sary tena hafa tanteraka anefa izany mba hahazoana an-tsaina fa akaiky tokoa izy mba hitantana ny tanan'ny vahoakany tena malalany sy tena lalainy.
 
Rehefa sahirana isika dia mety ho sarotra ny mahatsiaro fa tena akaiky antsika tokoa Andriamanitra. Misy dia misy kosa anefa ny fiovana rehefa tena tsaroantsika fa Emanoela Izy: "Amintsika Andriamanitra". Rehefa eo amintsika ny fanatrehan'Andriamanitra dia toy izany koa ny zava-kendreny ho antsika, ny teny fikasany ary ny heriny manova.
 
Manaova fanandramana anankiray mandritra ny andro vitsivitsy. Amin'ny fotoana rehetra mety dia manandrama mampahatsiahy ny tenanao fa tena akaiky anao tokoa ilay Andriamanitr'izao tontolo rehetra izao mba hitantana ny tananao ary koa manome toky anao manokana fa hanampy anao.

 

     Mardi                        13.11.2007

7. UNE ESPERANCE INDESTRUCTIBLE

La présence du Père

" Car je suis le SEIGNEUR (YHWH), ton Dieu, celui qui saisit ta main droite, qui te dit : N'aie pas peur, je viens a ton secours." (Es 41.13)
Quelqu'un a dit un jour: "Quand Dieu semble très loin, qui est celui qui s'est éloigné ?" Quand des problèmes surgissent, nous imaginons que Dieu nous a abandonnés. La vérité, c'est qu'il n'est parti nulle part.

La présence divine semblait très lointaine aux Juifs en exil. Pourtant, par l'intermédiaire d'Esaïe, Dieu promettait qu'ils seraient délivrés. Mais si le retour à Jérusalem ne devait pas arriver avant de nombreuses années, Dieu voulait que son peuple sache qu'il ne s'était pas éloigné et que celui-ci avait toutes les raisons d'espérer.

Lisez Es 41.8-14. Quelles raisons d'espérer identifiez-vous, pour des gens dans l'attente d'une délivrance future ? En quoi cette promesse nous aide-t-elle également tandis que nous attendons la fin de notre exil sur terre ?

C'est au, verset 13 que l'on trouve l'une des images les plus puissantes de ce passage. Le Dieu souverain de l'univers dit à son peuple de ne pas craindre, parce qu'il "saisit ta main droite ". C'est une chose d'imaginer Dieu dirigeant les événements sur terre du haut d'un trône majestueux à des années-lumière de la terre, une autre de réaliser qu'il est suffisamment proche pour tenir la main de son peuple bien-aimé.

Lorsque nous sommes pris par nos activités, il nous est parfois difficile de nous souvenir que Dieu est proche de nous. Mais quand nous nous rappelons qu'il est Emmanuel, "Dieu avec nous ", quelle différence! Si Dieu est présent, ses desseins, ses promesses et sa puissance transformatrice le sont aussi.
Faites cette expérience les jours prochains : à chaque instant, essayez de vous rappeler que le Dieu de l'univers est suffisamment proche pour vous prendre la main et vous: promettre personnellement son aide. Notez de quelle façon votre vie en est changée. Préparez-vous à faire part de votre expérience sabbat prochain.

 


 

 

07 -Indestructible hope

 

  • (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

 
 

Alarobia 14-11-2007 : Ny drafitr'andriamanitra ho antsika

Mitady fanantenana ny olona rehetra. Avy aiza anefa no hahitana azy? Ho an'ny olona sasany, ny fanantenana dia hita eny amin'ny fitsikin'ny namana iray. Ho an'ny hafa kosa, ny fanantenana dia mitombo avy amin'ny tsy fahasahiranana ara-bola sy fanambadiana misy filaminana. Raha ny tena izy, aiza no itadiavanao ny fanantenana sy faherezana?
 
Manoratra ho an'ireo olona efa tsy nanana fanantenana intsony tany amin'ny tany naha-babo azy i Jeremia ao amin'ny bokiny. "Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona" (Sal. 137:1). Na dia vaky fo aza izy ireo dia ampahafantarin'i Jeremia azy ny tsy tokony hamoizany ny fanantenana.
 
Inona avy ireo antony tokony hananana fanantenana izay voalaza ao amin'ny Jer. 29:1-10.
 
Misy loharanom-panantenana telo lehibe tsara asongadina ao amin'io andalan-teny io.
Voalohany, milaza amin'ny vahoakany Andriamanitra fa tsy tokony hamoy ny fanantenana izy ireo satria tsy vokatry ny kisendrasendra na faharatsiana tonga tsy nampoizina ny zava-manjo azy. Andriamanitra mihitsy mantsy no nilaza hoe: "izay natolotra ho babo tany Jerosalema ho any Babylona" (and. 4). Na dia toa manodidina azy ireo aza anefa ny ratsy, dia tsy mba nandao na oviana na oviana ny ivon'ny tanan'Andriamanitra ny Joda.
 
Faharoa, milaza amin'ny" olony Andriamanitra fa tsy tokony hamoy ny fanantenana izy ireo satria vitany ny miasa, eny, fa na dia eo anivon'ireo fahasarotana mahjo azy aza. "Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa hianareo." (and. 7).
 
Fahatelo, milaza amin'ny olony Andriamanitra fa tsy tokony hamoy ny fanantenana izy ireo satria hofaranany amin'ny fotoana voatendriny ny famaboana azy: "Fa izao no lazain'i Jehovah: rehefa tapitra ny fito- polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahio aminareo ny teniko tsara ka hampodiko ho amin'ity tany ity hianareo." (and. 10).
 
Taorian'ny nanazavan'Andriamanitra fa Izy no efa niahy azy tany amin'ny lasa, miahy azy ankehitriny, ary mbola hiahy azy any amin'ny hoavy dia nasehony ny olony ny hatsaran'ny fikarakarany feno fitiavana (jereo and. 11-14).
 
Vakio ny and 11-14, ka soloy ny anaranao ny teny hoe anareo, sahala amin'ny hoe ho anao manokana no nanaovan'Andriamanitra ireo teny fikasana ireo. Ampiharo aminao ireo teny fikasana ireo na manao ahoana ady mety hatrehinao amin'izao fotoana izao na manao ahoana.
 
 

 

     Mercredi                        14.11.2007

7. UNE ESPERANCE INDESTRUCTIBLE

Les plans du Père à notre égard

 

 

Dans le livre de Jérémie, le prophète écrit a un peuple en exil qui a perdu espoir. "Près des fleuves de Babylone, là-bas, nous étions assis et nous pleurions en nous souvenant de Sion." (Ps 137.1). Mais les Israelites ont beau avoir le cœur brisé, Jérémie expose les raisons pour lesquelles ils ne doivent pas désespérer.

 

Quelles raisons d'espérer le prophète donne-t-il dans Jr 29.1-10?

Il y a, dans ce passage, trois sources importantes d'espoir dignes d'être soulignées.

Premièrement, Dieu dit à son peuple qu'il ne doit pas désespérer, parce que sa situation n'est pas. Le résultat du hasard ni d'un malheur imprévisible. En effet, Dieu lui-même parle de ceux "que j'ai exilés de Jérusalem à Babylone" (29.4). Même si le malheur semble l'environner, Juda est toujours porte par les mains divines.

Deuxièmement, Dieu dit à son peuple de ne pas désespérer, parce qu'il est à l'œuvre même au sein de ses difficultés présentes. "Recherchez le bien du pays ou je vous ai déportés ; priez Yahvé en sa faveur, car de sa prospérité dépend la vôtre." (29.7)

Troisièmement, Dieu appelle son peuple à ne pas désespérer, parce qu'il mettra fin à l'exil à un moment bien précis. "Mais ainsi parle le SEIGNEUR : Dès que soixante-dix ans seront écoulés pour Babylone, j'interviendrai pour vous et je réaliserai à votre égard ma bonne parole en vous ramenant en ce lieu." (29.10)

Dieu commence par expliquer qu'il a pris en charge le passé de son peuple, qu'il prend en charge son présent et qu'il prendra en charge son avenir, puis il le rassure avec tendresse (voir les versets 11- 14).

Tous, nous sommes à la recherche d'une espérance. Mais où la puiser? Pour certains, dans le sourire d'un ami. Pour d'autres, dans la sécurité financière ou un mariage stable. D'ou tirez-vous généralement votre espérance et votre courage?

 

 


     

07 -Indestructible hope

 

  • (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

 
 
 

Alakamisy 15-11-2007 : Ny fitsipi-pifehezan'ny raintsika

Vakio ny Heb. 12:5-13. Inona no hafatra ho antsika eto ary ahoana no ifanarahan'izany amin'izay efa nianarantsika tamin'ity telovolana ity?
 
Ao amin'ny Heb. 12:5-13 dia soritan'ny mpanoratra ny fizahan-toetra eo amin'ny tontolon-kevitry ny fitsipi-pifehezana. Ao amin'ny dkt NIV dia efa ho impolo ny teny hoe fitsipi-pifehezana no miseho. Eo amin'ny tontolo Grika indray, io teny io no teny fototra indrindra ho an'ny "fanabeazana". Noho izany ny fahatakarana ny "fitsipi-pifehezana" dia fahatakarana ny fomba fanabeazan'Andriamanitra antsika eo amin'ny sekolin'ny finoana, izay efa nosoritan'ny mpanoratra tery aloha ao amin'ny Heb.11.
 
Sarin'ireo lehilahy sy vehivavin'ny finoana no lokoin'ny mpanoratra manerana ny Heb.11, Ny finoan'izy ireo no nihazona azy handroso hatrany rehefa teo am-pihatrehana ny kazazam-pisedrana rehetra izy. Mitodika amintsika mpamaky ny mpanoratra raha vao miditra ao amin'ny toko 12 isika, ka milaza izy fa satria olona maro dia maro tokoa talohantsika no niaritra toe-javatra sarotra tsy mampino dia vitantsika ihany koa ny mihazakazaka sy miaina sy mamita ny fiainam-pinoana. Ny fampifantohana ny maso amin'i Jesôsy no fanalahidy (and. 2) mba ho Izy no ohatra amin'ny fotoam-pahasarotana (and. 3). Toy ny hoe nomena solomaso famakian-teny isika rehefa mamaky ny toko 12. Hanjavozavo mandrakariva ny fahitantsika sy ny fahatakarantsika ny fahoriana raha tsy misy ireo solomaso ireo. Raha mijery amin'ireo solomaso ireo anefa isika dia izy no hanitsy ny fanazavana manjavozavo izay ampitambesaran'ny kolontsaintsika amintsika mikasika ny fahoriana. Ho azontsika mazava tsara avy eo ny amin'ireo fizahan-toetra ary ho haintsika amin'ny fahiratan-tsaina ihany koa ny hiatrika izany.
 
Ampiasao ho solomaso ny Heb. 12:1-13. Mifantoha àry izao amin'ny and 5-13: Inona no ipoiran'ny fitsipi-pifehezana? Inona no fihetsitsika eo anatrehan'ny fitsipi-pifehezana? Inona no zava-kendren'ny fitsipi-pifehezana?
Vakio indray ny Heb 12:1-13. Tanisao ireo antony rehetra fantatrao fa mbola azo hananana fanantenana. Ahoana no efa nanandramanao io fanantenana io teo amin'ireo fotoana "nanabeazanao" ny ara-panahy?

 

     Jeudi                        15.11.2007

7. UNE ESPERANCE INDESTRUCTIBLE

Disciplinés par le Père

 

Lisez He 12.5-13. Quel en est le message pour nous? De quelle manière s'insère-t-il dans ce que nous avons étudié ce trimestre?

Dans He 12.5-13, l'auteur évoque des épreuves d'ordre disciplinaire. Dans La Nouvelle Bible Segond, les mots "correction" et "corriger " apparaissent une dizaine de fois. Dans le monde grec, ces termes, correction ou discipline, désignaient ce que l'éducation avait de plus fondamental. Comprendre ce qu'est une "correction" revient à comprendre comment Dieu nous éduque à l'école de la foi, école décrite par l'auteur précédemment dans He 11.

Tout au long d'He 11, l'auteur décrit des hommes et des femmes de foi. Celle-ci leur a permis de persévérer face à toutes sortes de difficultés. Au début du chapitre 12, l'auteur se tourne vers nous, les lecteurs, et déclare que si tant de personnes avant nous ont réussi à persévérer en dépit d'incroyables épreuves, nous aussi nous avons la possibilité de courir jusqu'au terme de notre vie de foi. La clef consiste à garder les yeux fixes sur Jésus (12.2) afin qu'il soit notre modèle quand la vie devient difficile (12.3). Lire le chapitre 12 revient à chausser des lunettes pour mieux comprendre. Sans celles-ci, la vision ou compréhension que nous aurons des épreuves sera toujours floue. Alors qu'en nous servant de ces lunettes, no us corrigerons les explications confuses de notre culture sur la souffrance. Nous comprendrons alors clairement et réagirons intelligemment face aux épreuves.

Chaussez ces "lunettes" que sont pour vous He 12.1-13. Concentrez-vous maintenant sur les versets 5-13.

Qui est la source de la discipline ou de la correction?

Comment y réagissons-nous?

Quel en est le but?

Relisez He. 12,1-13. Faites la liste de toutes les raisons d'espérer que vous y trouvez. Comment avez-vous vécu cette espérance lorsque vous avez été spirituellement " Corrigés " ?

 


 

07 -Indestructible hope

  •  (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

 

Zoma 16-11-2007 : Fianarana fanampiny

 Ed, tt.301-309; MH, 470-471.

 "Eo amin'ny fiainan'ny olona rehetra, dia misy fotoana tsy ahazoa-manao na inona na inona, sy isehoan'ny fahakiviana tanteraka, ary indraindray aza dia safotry ny alahelo isika, ka toa tsy ho azontsika atao ny mino fa ny Tompo dia mbola mpanasoa ny zanany ihany; ary misy koa andro izay itambesaran'ny fijaliana amintsika, hany ka aleontsika. mifidy ny ho faty toy izay ho velona. Amin'izay indrindra no ialan'ny fahatokian'ny olona maro an'Andriamanitra sy ilentehany lalina ao amin'ny fisalasalana sy ny tsy finoana. Koa raha tahiny ka haintsika ny mamantatra ny hevitry ny lalana itondran'Andriamanitra antsika amin'izay, dia ho hitantsika ireo anjely miezaka hanafaka antsika amin'ny tenantsika, ka hanatanjaka ny tongotsika eo amin'ny fanorenana ts. azo nohozongozonina, mafy lavitra noho ny havoana mandrakizay, ary amin'izay dia hamelombelona ny tenantsika manontolo ny finoana sy ny risi-po vaovao."MM, t. 130.
 
 
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :
 
1. Lazain'i Ellen White fa isika "rehetra"' no mandalo fotoam-"pahadisoam-panantenana goavaha sy fahakiviana tanteraka." Manao ahoana ny fifampijerentsika eo am-pandalovana ny fotoana toy izany? Ahoana no hianarantsika tsaratsara kokoa ny mba ho tonga mpamelona fanantenana ho an'ny hafa rehefa mandalo fahadisoam-panantenana mangidy toy izany isika?
2. Iverenonareo iray kilasy ny valin-teninareo mikasika ny fanontaniana farany tamin'ny Talata. Inona no fiovana niseho teo amin'ny fiainanareo rehefa nataonareo tao an-tsaina mandrakariva fa tena eo anilanareo mandrakariva Andriamanitra?
3. Vakio mafy eo amin'ny kilasy ny fizarazarana ao amin'ny Jôba 38-41. Inona no karazan'ny endrik'Andriamanitra asehon'io eto? Inona no nianaranao ka manome anao fanantenana sy faherezana? Ahoana no mampifanaraka tsara ny Sabata amin'io sary io? Ahoana no anampian'izany antsika mba hihazona eo anatrehantsika ny endrika sy ny toetran'Andriamanitra?
4. Avy any an-danitra ny fanantenana manova. Midika izany fa azontsika atao ny mivavaka mba hirotsahan'ny fanantenana  eo amin'ny fiainan'ny tsirairay avy. Manokana fotoana misimisy hivavahana ho an'ireo izay manana fanantenana latsaka ambany, mba hohavaozina indray izany gfanantenana izany.Ankoatr'izany, inona no azonao atao ho an'ny hafa izay mitolona mafy dia mafy mba hanana fanantenana?
5.    Raha misy olona iray vonona  dia asaivo mitantara ny fotoana nahavery fanantenana sy finoana azy izy nohon ny fahakiviana sy ny fizahan-toetra nanjo azy. Inona no nampiverina amin'ny laoniny izany olona izany? Inona no azontsika ifampizarana ka mety hanampy antsika  rehefa ao anatin'ny fotoampisalasalana sy fahakiviana isika?

 

     Vendredi               16.11.2007                              

8. ESPERANCE INDESTRUCTIBLE

 Pour aller plus loin

A lire

  

 

Ellen WHITE,

1.Education ,"L'école de l'au-delà", p. 333-341

2.Le ministère de la Guérison , " Viatique de la vie journalière", p. 405-407. "

Dans la vie de tout homme, il est des périodes de profonde dépression, de découragement total, des jours où la tristesse nous envahit, et il nous semble impossible de croire que le Seigneur est encore le bienfaiteur de ses enfants, des jours où les tourments nous accablent, si bien que la mort nous semble préférable à la vie. C'est alors que beaucoup perdent leur confiance en Dieu, et sombrent dans le doute et l'incrédulité. Si, à de tels moments, nous pouvions discerner la signification des voies de la providence, nous verrions alors des anges s'efforcer de nous délivrer de nous-mêmes et essayer d'affermir nos pieds sur un fondement inébranlable, plus solide que les collines éternelles; une foi et une ardeur nouvelles animeraient alors tout notre être. " - Ellen WHITE, Prophètes et rois, "De Jezréel a Horeb", p. 118.

 

 

A méditer...

 

Ellen White dit que "tout homme " éprouve des "périodes de profonde dépression, de découragement total ". Sommes-nous à l'écoute les uns des autres lorsque nous traversons de tels moments ? Comment apprendre à devenir davantage des messagers d'espérance les uns pour les autres lorsque nous éprouvons des déceptions aussi amères ?

Que les membres de la classe revoient leurs réponses à la dernière question de mardi. Quel changement s'est-il produit dans votre vie alors que vous vous efforciez de ne pas perdre de vue la réalité de la présence divine?

Lisez à voix haute des passages tirés de Jb 38 à 41. Quelle image de Dieu ces chapitres donnent-ils ? Qu'est-ce qui vous donne espérance et encouragement ? Comment le sabbat s'insère-t-il au sein d'une telle vision ? En quoi ce dernier nous permet-il de garder à l'esprit la vraie nature du caractère divin ?

L'espérance qui nous transforme vient du ciel. Cela signifie qu'il est possible de prier pour que l'espérance soit présente dans la vie des uns et des autres. Prenez le temps de prier pour ceux dont l'espérance a faibli récemment, afin qu'elle soit renouvelée. Plus encore, que faire pour ceux qui sont en train de perdre tout espoir ?

Qu'un membre, s'il le désire, raconte comment le désespoir et les épreuves lui ont fait perdre un jour l'espérance et la foi. Qu'est-ce qui lui a permis de s'en sortir ? Qu'allons-nous partager les uns avec les autres pour nous aider en période de doute et de désespoir ?

 


  

 
 
 
 
 

 

07 -Indestructible hope

  •  (Ho an'ny mpampianatra)

            http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_07.pdf

  •   ( Ho an'ny rehetra)  

            http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less07.html

 

www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006
Semaine 14 année 2006
Semaine 13 année 2006
Semaine 12 année 2006
Semaine 11 année 2006
Semaine 10 année 2006
Semaine 09 année 2006
Semaine 08 année 2006
Semaine 07 année 2006
Semaine 06 année 2006
Semaine 05 année 2006
Semaine 04 année 2006
Semaine 03 année 2006
Semaine 02 année 2006
Semaine 01 année 2006