Trimestre 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Leçon 8 : MAHITA NY TSY HITA

Date : 17-11-2007 au 23-11-2007. Etude : Isa 40:27-31; Jao 14:1-14; Rôm. 8:28-39; Efes 1:18-23.

Verset à mémoriser : Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka ; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy. Heb 11 : 27

Sabotsy 17-11-2007 : Mahita ny tsy hita

Miteraka fihaikana mandrakariva ny famaritana ny finoana ao amin'ny bokin'ny Hebreo. "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." (Heb. 11:1) Amin'ny fomba ahoana no ahazoantsika antoka ny amin'izay zavatra tsy hita? Izany mihitsy anefa no asehon'i Mosesy ao amin'ny tsianjerintsika: "Fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy." (and. 27). 

Vao mainka fihaikana lehibe lavitra noho izany aza ny mahafantatra fa isika dia antsoina hahita "Azy Izay tsy hita", tsy amin'ny fotoana mahafinaritra ihany fa indrindra rehefa tsy mandeha amin'ny laoniny iny ny zavatra rehetra. Ilaintsika ny finoana noho izany, finoana izay voarafitry ny fahamarinana mikasika an'Andriamanitra sy ny fanjakany. Ny fahamarinana mikasika ny fahatsaran'Andriamanitra, ny fahefana ao amin'ny anaran'i Jesosy, ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty, ary ny fangoraham-pon'Andriamanitra dia fahamarinana tsy azo avela, izay hahatonga antsika hijoro mafy tsara rehefa ao anatin'ny fitsapana ka mety ho voan'ny fakam-panahy hiahiahy ny amin'ny zavatra rehetra.
 
Hojerentsika amin'ity herinandro ity ireo fahamarinana mikasika an'Andriamanitra, izay afaka hanampy hanohana antsika na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra indrindra aza? 

  

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 4ème TRIMESTRE


LE FEU DE L’AFFINEUR

 

 8.  VOIR L'INVISIBLE

  

Etude de la semaine : Es 40.27-31; Jn. 14.1-14; Rm 8.28-39; Ep. 1.18-23.

 

Versets à mémoriser: "C'est par la foi qu'il quitta l'Egypte sans craindre la fureur du roi ; car il tint ferme comme quelqu'un qui voit celui qui est invisible." (He 11.27)

Questions clefs: Quelles vérités divines soutiennent le croyant même dans les pires circonstances ?

 

La façon dont l'épître aux hébreux définit la foi est un défi permanent. " Avoir la foi, c'est être sur de ce que l'on espère, c'est être convaincu de la réalité de ce que l'on ne voit pas. " (He 11.1, BFC) Comment peut-on être certain de ce qu'on ne voit pas ? Pourtant, c'est exactement l'exemple qu'en donne Moise dans le verset à mémoriser : " Il demeura ferme, comme s'il voyait le Dieu invisible. " (He 11.27, BFC)

Le défi est encore plus grand quand nous réalisons que nous sommes appelés à voir " celui qui est invisible " non seulement quand tout va bien, mais aussi et surtout quand tout va mal. Nous avons alors besoin de croire, nous avons besoin d'une foi à l'image du Christ, fondée sur la vérité de Dieu et de son royaume. La bonté du Père, la puissance dans le nom de Jésus, la résurrection et la compassion de Dieu sont des vérités essentielles qui permettent de tenir ferme dans l'épreuve quand on est tente de douter de tout.  

 
 
 

 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

  

08 -Seeing the Invisible

   

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Alahady 18-11-2007 : Ny maha-hafa kely ny raintsika

"Raha tena tia ahy marina Andriamanitra dia ho nanao izao  ho ahy mihitsy Izy !" Manontany tena aho hoe impiry izay io eritreritra io no efa nieloelo tao an-tsaintsika tao. Dinihintsika ny manjo antsika ka manomboka manontany tena isika raha tena tia antsika marina Andriamanitra, satria raha tena tia antsika marina tokoa Izy dia ho hafa ny zava-mitranga.

 
Misy antony roa izay matetika mitarika antsika hiahiahy ny fahatsaran'Andriamanitra. Voalohany, rehefa ao anatintsika ny faniriana miredareda ny zavatra izay inoantsika fa mahasoa, dia mety hampihomehy ihany ny fahafantarana fa misy zavatra hafa irin'Andriamanitrta ho antsika. Faharoa, mety hiahiahy ny fahatsaran'Andriamanitra isika satria mifandona amin'izay inoantsika ny fanandramantsika. Raha toa ka misy zavatra toa tsara ny fahitana azy, ny fahatsapana azy, ny fahenoana azy na ny tsirony, dia tsy maintsy tsara izay. Koa dia sosotra amin'Andriamanitra isika rehefa tsy azontsika izany.
Eo indrindra no idiran'ny finoana an-tsehatra. Amin'ny fotoana izay maha-voan'ny fakam-panahy antsika hiahiahy ny amin'Andriamanitra sy ny fahatsarany iny indrindra no miditra an-tsehatra ny finoana.
 
Andalan-teny manan-kery lehibe izay mitantara ny fahatsaran'Andriamanitra amintsika ny Rôm. 8:28-39. Inona avy ireo antony hitanao ao amin'io andalan-teny io ka afaka miaro ny saintsika amin'ny fiahiahiana ny fahatsaran'Andriamanitra?
 
Misy foto-kevitra lehibe maneho lôjikan-javatra ao amin'ny and 32, izay tena mahasoa dia mahasoa antsika tokoa eo amin'ny fiarovana antsika tsy ho trotraky ny toe-javatra manjo antsika. "Raha tsy nisalasala hamela ny zava-drehetra ho antsika Andriamanitra, nandray ny toerana misy antsika ka nametraka ny tenany teo amin'ny toe-javatra ratsy dia ratsy indrindra tamin'ny alalan'ny nandefasany ny Zanany, moa mbola misy ihany va ny zavatra izay tsy homeny maimaimpoana sy amim-pifaliana ho antsika?" (Message). Amin'ny fomba ahoana no mbola hiheverantsika fa nandefa an'i Jesôsy ho faty ho antsika Andriamanitra kanefa avy eo manjary ratsy fanahy sady mahihitra?
Midika izany fa ny fahamarinana mikasika ny fahalalahan-tanan'Andriamanitra amintsika, izay hita teo amin'ny fahafatesan'i Kristy dia tsy maintsy misy akony lehibebe kokoa eo amin'ny fisainantsika noho ireo ahiahy rehetra mety hateraky ny fizahan-toetra ao anatintsika.
 
Ahoana no hahatonga ny fahamarinana iray (ny fahatsaran'Andriamanitra) hanana akony mahery vaika kokoa eo aminao noho ireo ahiahinao? Manokàna fotoana misimisy handinihana ny fahamarinana mikasika ny nahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny toeranao, sy ny fitohizan'io fahalalahan-tanana tsy mampino io ho anao amin'ny fomba arivo samihafa amin'izao fotoana izao. Inona no asan'izany eo amin'ny finoanao?
 

 

    Dimanche                              18.11.2007

8. VOIR L'INVISIBLE

Un père extraordinaire

"Si Dieu m'aimait vraiment, il ferait certainement cela pour moi!" Je me demande combien de fois cette pensée nous a traverse l'esprit. Après examen de la situation, nous nous interrogeons sur l'amour de Dieu. En effet, s'il nous aimait vraiment, les choses ne seraient-elles pas différentes ?

Deux sortes de réflexions nous incitent à douter de la bonté de Dieu. Premièrement, lorsque dans notre cœur et notre esprit nous brulons du désir d'obtenir quelque chose que nous estimons être bon pour nous, penser que Dieu nous souhaite autre chose semble ridicule. Deuxièmement, nous doutons parfois de la bonté de Dieu parce que nos croyances se heurtent à l'expérience. Ce qui a l'air si bon, tant au niveau de l'apparence, du ressenti ou du gout, l'est surement. Le fait de ne pas l'obtenir nous met en colère contre Dieu.

C'est alors que la foi intervient, précisément quand nous sommes tentes de douter de Dieu et de sa bonté.

Rm 8.28-39 est un passage puissant, qui décrit la bonté de Dieu envers nous. Quelles raisons de ne pas douter de la bonté de Dieu trouvez-vous dans ce texte?

Le verset 32 nous livre un raisonnement logique extrêmement utile pour nous éviter d'être dépassés par les cir-constances. "II n'a même pas épargné son propre Fils, mais l'a sacrifie pour nous sauver tous ; comment ne nous donnerait-il pas aussi tout (ce dont il désire nous combler)?" (Parole Vivante) Comment imaginer que Dieu ait envoyé Jésus mourir pour nous et qu'il soit devenu ensuite avare et mesquin ?

Cela signifie que la vérité sur la générosité divine, telle que la mort du Christ la manifeste, doit avoir sur notre pensée un impact beaucoup plus grand que tous les doutes générés par l'épreuve.

Cette vérité - la bonté de Dieu - ne vous aide-t-elle pas à surmonter vos doutes? Prenez le temps de méditer cette vérité: Jésus est mort à notre place, son extraordinaire générosité continuant à se manifester envers nous aujourd'hui de mille façons différentes. Quel en est l'effet sur votre foi? 

 


 

  

08 -Seeing the Invisible

   

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Alatsinainy 19-11-2007 : Amin'ny anaran'i jesosy

 
"Raha mangataka zavatra amin'ny anarako hianareo dia hataoko izany (jao 14 : 14)
 
Tsy haharitra intsony ny hiarahan'i Jesôsy amin'ny mpianany. Ho any an-danitra ilay mpanohana sy mpampahery azy ireo, ka nanomboka nahatsiaro ho very hevitra sy tsy manan-kery ny mpianatra. Na dia tsy afaka hahita Azy ara-batana intsony aza anefa ny mpianatra dia nanome teny fikasana hafa kely ho azy ireo Jesôsy.
 
Vakio ny Jao. 14:1-14. Araka ny voalaza ao amin'ny and 13 sy 14 dia nanome toky i Jesôsy fa hanao ny "zavatra rehetra" izay angatahantsika amin'ny anarany. Noho io dia saika mandrakariva isika no mamarana ny vavaka ataontsika amin'ny hoe "Amin'ny anaran'i Jesôsy, amena."
 
Inona no ataontsika ho hevitr'izany rehefa milaza izany isika? Inona no tian'i Jesôsy holazaina rehefa mampirisika antsika hivavaka tahaka izany Izy? Inona avy ireo toromarika ao amin'ireo and ireo ka manampy antsika hahatakatra ny tiany holazaina?
 
Rehefa amin'ny "anaran'i Jesôsy" ny fangatahantsika dia efa azontsika antoka fa miasa ho antsika ny milin'ny lanitra iray manontolo. Mety tsy ho hitantsika ireo anjely izay miasa manodidina antsika. Alefa avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra anefa izy ireo, mba hanatanteraka ny fangatahantsika.
Indraindray rehefa mivavaka amin'ny anaran'i Jesôsy isika dia manokatra ny masontsika ka manantena ny fiovan'ny zavatra rehetra manodidina antsika kanefa dia toy ny teo aloha ihany izany. Na izany aza anefa, mety ho tonga amin'ny fomba manetriketrika tahaka ny nampitonian'i Jesôsy ny tafio-drivotra ny herin'Andriamanitra, kanefa koa mety ho tonga amin'ny mangingina, tsy misy mahatsikaritra, tahaka ny nanohanan'ny herin'Andriamanitra an'i Jesôsy tao Getsemane. Misy zavatra izay mety tsy hitranga tampoka amin'ny fomba manetriketrika, kanefa izany tsy midika fa tsy miasa ho antsika Andriamanitra.
 
Vak. indray Jao 14:1-14. Rehefa mamaky ianao dia ataovy toy ny miresaka mivantana sy mifanatrika aminao i Jesôsy. Inona ny fanantenana sy fampaherezana azonao sintonina avy amin'ireo teny fikasana ireo? Miaraka amin'izay dia anontanio ny tenanao manao hoe: "Inona avy ireo zavatra eo amin'ny fiainako ka mety ho sakana eo amin'ny fahatanterahan'ireo teny fikasana ireo amiko? Inona avy no fiovana tsy maintsy tratrariko hanovana ny foko?"
 
 

 
 

   Lundi                              19.11.2007

8. VOIR L'INVISIBLE

Au nom de Jésus 

 " Si vous demandez quelque chose en mon nom, je le ferai. " Jean 14.14

 Bientôt, Jésus n'allait plus être avec ses disciples. Celui qui avait été pour eux un soutien et un encouragement s'en allait au ciel et les disciples se sentaient troubles et impuissants. Malgré le fait qu'il ne serait plus avec eux physiquement, il leur donnait une promesse remarquable.

Lisez Jn 14.1-14. D'après les versets 13 et 14, Jésus a promis de faire pour nous tout ce que nous lui demanderons en son nom. C'est la raison pour laquelle nous terminons presque toujours nos prières par: "Au nom de Jésus, amen."

Lorsque nous disons cela, qu'est-ce que cela signifie généralement pour nous? Que veut dire Jésus en nous encourageant à prier ainsi? Quels éléments, dans ces versets, nous aident-ils à comprendre le point qu'il nous présente?

Quand notre requête est faite "au nom de Jésus ", nous nous assurons que le ciel se met à l'œuvre pour notre bien. Sans doute ne voyons-nous pas les anges au travail autour de nous, mais ils sont envoyés du trône céleste au nom de Jésus pour accéder à nos requêtes.

Parfois, quand nous prions au nom de Jésus, nous nous attendons à ce que tout soit différent autour de nous quand nous rouvrons les yeux, et pourtant, rien ne semble avoir change. Quoi qu'il en soit, si la puissance de Dieu se manifeste parfois de façon spectaculaire, comme lorsque Jésus a calme la tempête, elle peut également s'exer-cer avec douceur, sans être remarquée, comme lorsque la puissance de Dieu a soutenu Jésus à Gethsémané. Même si rien de soudain ne survient, cela ne signifie pas que Dieu n'œuvre pas en notre faveur.

 

Relisez Jn 14.1-14. Imaginez que Jésus vous parle face à face. Quelle espérance, quel encourage-ment tirez-vous de ces promesses? En même temps. Demandez-vous : " Quels sont les aspects de ma vie qui s'opposent à la réalisation de telles promesses? Quels changements dois-je décider dans mon cœur?" 

 
 

 

  

08 -Seeing the Invisible

   

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Talata 20-11-2007 : Ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty

Manamboatra ny olan'ny fananan-kerin'ny taranak'olombelona ny fitsanganana amin'ny maty. Rehefa mandinika mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty isika dia matetika izany fahafatesan'i Jesôsy izany no heverintsika ho toe-javatra izay nahatonga antsika ho vita fihavanana ara-dalana amin'Andriamanitra. Ary mazava ho azy fa marina izany.

 
Na izany aza anefa, lafin-javatra iray voafaritra no ampian'ny Fitsanganana amin'ny maty amin'ny famonjena. Zava-dehibe tokoa ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty, tsy vitan'ny hoe satria mampiseho amintsika izany fa hitsangana amin'ny maty koa isika indray andro any, Ny fitsanganana amin'ny maty dia nametraka an'i Jesôsy ho eo an-tanana ankavanan'ny Ray, eo amin'ny toeran'ny hery sy ny fahefana. Io herin'ny fitsanganana amin'ny maty io ihany koa no ilay hery omen'Andriamanitra antsika amin'izao fotoana izao!
 
Miresaka ny amin'ny fahefan'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny Efes. 1:18-23. Inona no ampianarin'io andalan-teny io amintsika mikasika ny herin'ny fitsanganana amin'ny maty? Inona no fanantenana sy teny fikasana ho anao izay hitanao ao amin'ireo and ireo?
 
Mivavaka ho an'ny Efesianina i Paoly mba hahatakarany ny zavatra vitsivitsy izay tsy takatra araka ny tokony ho izy raha tsy amin'ny fanampian'Andriamanitra ihany: (1) ny fisian'ny fanantenana ny amin'ny fiovana ary ny hoavy mandrakizay izay efa niantsoan'i Jesôsy antsika; (2) ny fahatakarantsika ilay hery naseho ho antsika.
 
Ezahin'i Paoly tantaraina avy eo fa mahagaga tokoa io hery io. Ilay hery azontsika raisina ankehitriny no ilay hery izay nanangana an'i Jesôsy tamin'ny maty, tsy hoe niala avy tao anaty tany ka velona indray fa mankamin'ilay toeran'ny hery eo an-tanana ankavanan'ny Ray.
 
Tsy nijanona teo anefa i Paoly, Tsy karazan-kery toy ireny hery hafa ireny fotsiny no nomen'ny fitsanganana amin'ny maty an'i Jesôsy fa hery hoenti-manapaka sy manome izay zavatra rehetra azo atao ka ilain'ny olony mandrakizay!
 
Tanisao ireo sehatra eo amin'ny fiainanao ka ilanao ilay herin'i Jesôsy natsangana tamin'ny maty. Rehefa vitanao izany dia mivavaha mba hotanterahina amin'ireo sehatra rehetra ilanao izany io hery io. Zahao ihany koa miaraka amin'ny fanaovanao izany ny ezaka sy safidy azonao atao, ka afaka hamela io hery io hiasa amin-kalalahana bebe kokoa eo amin'ny fiainanao?
 
 

 
 
 

   Mardi                              20.11.2007

8. VOIR L'INVISIBLE

La puissance de la réssurection

 

La résurrection résout le problème de l'impuissance humaine. Quand nous méditons sur la vie, la mort et la ré- surrection de Jésus, nous nous disons que la mort de Jésus a été l'événement qui nous a rendus justes aux yeux de Dieu.

Cependant, la résurrection ajoute une dimension spéciale au salut. Elle ne signifie pas seulement qu'un jour, nous aussi, nous ressusciterons. La résurrection a permis à Jésus de se placer à la droite du Père, en position de puissance et d'autorité. Cette puissance liée à la résurrection est celle-là même que Dieu met à notre disposition aujourd'hui!

Dans Ep. 1. 18-23, Paul évoque la puissance de Dieu. Qu'enseigne ce texte sur la puissance de la résurrection? Quelle espérance et quelles promesses tirez-vous de ces versets?

Paul prie pour que les Ephésiens comprennent un certain nombre de vérités qui ne peuvent être saisies qu'avec l'aide de Dieu : 1) l'espérance d'être transformes en vue d'un avenir eternel auquel Jésus nous a appelés; 2) la puissance manifestée en notre faveur.

Paul cherche ensuite à décrire ce que cette puissance a d'extraordinaire. La puissance qui est aujourd'hui à notre disposition est celle-là même qui a ressuscite Jésus, non seulement pour le relever de la tombe et lui rendre la vie, mais pour qu'il prenne sa place - position de puissance à la droite du Père.

Mais Paul ne s'arrête pas là. La résurrection n'a pas donne à Jésus une puissance quelconque, elle lui a donne la puissance de diriger son peuple et de lui procurer tout ce dont il a besoin, pour l'éternité!

Faites la liste des domaines de votre vie ou vous avez besoin de la puissance de Jésus ressuscité. Puis, priez pour que sa puissance s'exerce dans ces domaines à combler. En même temps, réfléchissez à la manière d'agir, aux choix à faire pour permettre à celle-ci d'agir plus librement dans votre vie.
  

  

08 -Seeing the Invisible

   

  •   ( Ho an'ny mpampianatra )

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

  •    ( Ho an'ny rehetra)   

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Alarobia 21-11-2007 : Mitondra ny fanahiantsika rehetra

Misy peta-drindrina ataon'ny olona sasany ao an-tranony izay mivaky toy izao: "Atao inona moa vavaka raha mbola azonao atao ny misahiran-tsaina?" Mampihomehy antsika izany satria fantatsika tsara hoe impiry moa isika no miahiahy fa tsy mba manatona an'Andriamanitra ka manome Azy ny fahasahiranan-tsaintsika rehetra.
 
Nisy olona anankiray nilaza indray mandeha fa rehefa feno fatopatotra ny fiainana dia atero eo amin'Andriamanitra izany ary aoka izy no hamaha ireo vona rehetra. Manao ahoana tokoa re ny tsy maintsy ho fanirian'Andriamanitra hanao izany ho antsika e? Mahazendana ihany anefa fa mbola miezaka ihany isika hifikitra amin'ny olana mahazo antsika mandra-pahavery hevitra tanteraka antsika. Nahoana isika no miandry ny ho very fanantenana vao manatona an'Andriamanitra?
 
Vak ny 1 Pet. 5:7. Averin'i Petera lazaina ny teny ao amin'ny Sal. 55:22. Inona no hafatra fototra ho antsika eto? Jereo ihany koa ny Mat. 6:25-33.
 
Andalan-teny tsotra dia tsotra io. Tsy misy tsiambaratelo miafina ao anatin'izany, ary izany lazainy izany mihitsy no tiany hambara. Ny hoe mametraka dia tena mametraka tokoa, manipy, manolotra, mba tsy hifampikasokasoka aminao intsony izay mahatonga ny maharary sy ny fahasahiranan-tsaina. Mazava loatra anefa fa tsy voatsipy eny rehetra eny fotsiny ny enta-mavesatsika. Tsy hoe manjavona any amin'ny lalina any izany. Nomena ny Raintsika any an-danitra izany, izay nanome toky fa hamaha izany. Izany no lazain'i Jescsy amintsika ao amin'ny Matio. Ny olana anefa dia tsy ny maha-sarotra azy, fa toa mora loatra aza izany, ary tsara loatra ka tsy mampino.
 
Antony maro samihafa no mahatonga ny tebiteby. Mety ho avy amin'ny fandodonan'ny asa izany. Mety ho tsikera tsy nampoizina. Mety ho fahatsapana fa tsy ilaina na tsy tiana isika. Na fanahiana ara-pahasalamana sy ara-bola. Na fahatsapana fa tsy mendrika eo anatrehan'Andriamanitra isika. Na mety ho fiheverana fa tsy voavela heloka isika.
 
Na inona anefa izany antony izany na inona, ny anankiray mahatonga antsika hifikitra amin'ny olana mahazo antsika dia satria heverintsika fa tsy misy mahavita mamaha izany amin'ny fomba tsaratsara kokoa ankoatra antsika. Mampirisika antsika anefa i Petera mba hamerina handinika tsara ny foto-kevitra toy izany. Ny antony tsy tokony hananantsika fanahiana dia satria mikarakara Andriamanitra. Moa ve Andriamanitra mbola mieritreritra ny hiditra an-tsehatra ihany rehefa mananontanona ny fisaraham-panambadiana na ihany koa rehefa mahatsapa ho tsy misy ilana antsika intsony isika? Ny Baiboly dia milaza fa tena miahy tokoa Izy ary mahavita manova ny toe- javatra rehetra.
 
Inona ireo zavatra manahiran-tsaina anao amin'izao fotoana izao? Na dia ara-dalàna mihitsy aza ny fisiany, na dia manelingelina aza izy ireo, misy ve ny zavatra sarotra ka tsy hain'ny Tompo vahana? Mety ho ny olana lehibe indrindra amintsika angamba dia ny hoe na dia inoantsika aza fa fantatr'Andriamanitra ny momba izany ary azony atao ny mamaha azy, dia tsy inoantsika fa hamaha izany amin'ny fomba izay itiavantsika hamahana azy Izy. Arak'io foto-kevitra farany io ka anontanio ny tenanao ny amin'ny fahamarinan'izany eo amin'ny fiainanao.
 

 
   
 

   Mercredi                              21.11.2007

8. VOIR L'INVISIBLE

Se décharger des fardeaux

 

 

Certaines personnes ont accroché chez eux une plaque ou se trouve écrit : " Pourquoi prier quand les soucis nous sourient? " Cela nous fait rire, parce que nous savons combien nous préférons nous faire du souci plutôt que de venir à Dieu et lui confier nos fardeaux !

Quelqu'un a dit un jour que lorsque la vie ressemble à un sac de nœuds, il faut la confier à Dieu pour qu'il la dénoue. Combien Dieu doit aspirer à faire cela pour nous! Il est pourtant surprenant de constater à quel point nous nous accrochons à a nos problèmes jusqu'a la folie. Pourquoi attendre d'être désespéré pour venir au Seigneur ?

Lisez 1 P 5.7. Pierre cite ici Ps 55.23. Quel est le message fondamental de ce passage? (Voir aussi Mt 6.25-33).

1 P 5.7 est un texte très simple. Il ne recèle aucun secret, son sens est à prendre à la lettre. " Déchargez-vous " signifie "jetez ", "abandonnez ", de sorte que ce qui vous cause de la souffrance et du souci se de tache de vous. Mais, bien sur, nous ne "jetons" pas nos fardeaux n'importe où. Nos soucis ne disparaissent pas dans le néant. Nous les confions au Père céleste, qui a promis de s'en occuper. C'est ce que déclare Jésus dans les versets de Matthieu. En fait, ce n'est pas difficile; au contraire, cela semble trop facile, trop beau pour être vrai.

L'anxiété est due a toutes sortes de causes: trop de pression au travail, des critiques inattendues, le sentiment de ne pas être désiré ou aimé, des soucis de santé ou financiers, le sentiment que nous ne sommes pas assez bien pour Dieu, se croire impardonnable.

L'une des raisons pour lesquelles nous nous accrochons a nos problèmes, quels qu'ils soient, est que nous croyons pouvoir les résoudre mieux que quiconque. Mais Pierre nous exhorte à reconsidérer les choses. La raison pour laquelle nous ne devons pas nous inquiéter, c'est que Dieu prend soin de nous. Mais se soucie-t-il suffisamment de nous quand un divorce menace ou quand nous nous sentons totalement inutiles? La Bible dit qu'il nous aime au point de vouloir transformer toute circonstance.

Quelles sont vos sources actuelles d'inquiétude? Si légitimes, si pénibles soient-elles, y a-t-il quel-que chose de trop difficile pour le Seigneur? Sans doute notre plus grand problème est-il lie au fait que même en sachant que Dieu les connait et qu'il est capable de s'en charger, nous pensons qu'il ne le fera pas de la manière que nous souhaitons. Réfléchissez à ce dernier point et demandez-vous dans quelle mesure il s'applique à votre vie.

 

 

  

08 -Seeing the Invisible

   

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Alakamisy 22-11-2007 : Mbola mahatoky ihany na dia tsy afaka mahita an'andriamanitra aza

Tena mahasorena tokoa ny fiheverana fa tsy misy miraharaha izay zava-manjo antsika. Ary mbola mandrera-tsaina lavitra noho izany ny fiheverana fa tsy mahafantatra na miraharaha antsika akory Andriamanitra.
 
Ho an'ireo vahoakan'ny Joda babo tany Babilôna dia toa tsy niraharaha firy ny zava-nanjo azy ireo Andriamanitra. Mbola babo izy ireo, mbola nahatsiaro ho nilaozan'Andriamanitra noho ny fahotany. I Isaià anefa nilaza teny fampaherezana ho azy. Lahatsoratra kanto dia kanto ny Isa. 40, ka ao no iresahan'i Isaià amin'ny olona amin'ny fomba feno fitiavana mikasika ny Andriamaniny: "Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany." (and. 11).
 
Rehefa ela ny ela anefa, dia nieritreritra ireo babo ka nametra-panontaniana hoe: Fa aiza ianao Tompo ô? Tsy mahita porofo izahay fa mbola ao ianao na mikarakara!
 
Vak ny Isa. 40:27-31. Amin'ny fomba ahoana no hanoritan'lsaià an'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana no maha-zava-dehibe io fanambarana ny amin'Andriamanitra io eo anatrehan'ny fiheveran'izy ireo fa "Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitra ny rariny tokony ho ahy " (and.27)
 
Hita ao amin'ny bokin'i Estera ireo antokon'olona iray hafa izay mety ho nihevitra fa tsy hitan'i Jehovah ny lalany. Tsy voatonona mihitsy Andriamanitra na indray mandeha aza ao amin'io boky io. Na izany aza anefa, ny tantara iray manontolo dia fanehoana amin'ny fomba mahery vaika ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra mba hamonjy ny olony tamin'ny lalàna izay tsy azo novana mba handravana azy ireo. Tsy mitantara ny lasa ihany io tantara io fa tandindon'ny fotoana any aoriana any koa, izay hanenjehana indray ny vahoakan'Andriamanitra ka hisy indray koa ny lalàna ho an'ny fanafoanana azy (Apôk. 13: 15). Mba azonao an-tsaina ve fa ho mora tokoa ny mihevitra fa tsy maintsy ho nandao ny olony Andriamanitra raha toa ka nisy ny toe-javatra mampivarahontsana toy ireny? Tsy tokony hatahotra anefa isika. Ilay Andriamanitra namonjy ireo olom-boafidiny tao amin'ny tantaran'i Estera ihany no mbola hamonjy amin'ny fotoan-tsarotra farany.
 
Efa novakintsika ny fomba nitantaran'i Isaia ny momba an'Andriamanitra tamin'ireo voababo. Ahoana no fomba hitantaranao ny amin'Andriamanitra amin'ny olona izay nahatsapa fa nanjavona sy nandao azy ireo Andriamanitra? Ahoana no hampianaranao azy mba hijery amin'ny mason'ny finoana ka tsy hiankina amin'izay hitany manodidina azy, amin'ny fijerin'olombelona ananany?
 

 
 

       Jeudi                              22.11.2007

     8. VOIR L'INVISIBLE

        Rester fidèle alors même que Dieu demeure invisible

 
 

 

 

 

II est très désagréable de s'imaginer que personne ne s'inquiète de ce qui nous arrive. Mais penser que Dieu lui-même ne sait rien ou ne se soucie pas de nous est tout à fait désespérant.

II ne semblait pas aux habitants de Juda exiles a Babylone que Dieu se souciait beaucoup de leur situation. Ils étaient toujours en exil, se croyant abandonnes de lui a cause de leurs péchés. Esaïe, cependant, leur a adresse des paroles de réconfort. Es 40 est un passage magnifique dans lequel le prophète parle de Dieu avec une gran-de tendresse : "Comme un berger, il fera paître son troupeau, de son bras il rassemblera des agneaux et les portera sur son sein; il conduira les brebis qui allaitent. " (Es 40.11) Mais après si longtemps, les exilés pensaient : "Ou es-tu, Seigneur? Nous n'avons aucun signe de ta présence, ni de ta sollicitude! "

Lisez Es 40.27-31. Comment Dieu est-il décrit ici? En quoi cette description répondait-elle aux Israelites qui croyaient ceci : "Ma destinée est cachée au SEIGNEUR, mon droit passe inaperçu de mon Dieu. " (40.27)

On trouve dans le livre d'Esther un autre groupe de personnes qui croyaient sans doute que leur destinée était cachée à Dieu. Dieu n'est pas mentionné une seule fois dans ce livre. Cependant, ce drame tout entier est le récit des interventions de Dieu pour sauver son peuple d'une loi irrévocable. Non seulement cette histoire décrit des événements passes, mais elle symbolise des temps futurs où le peuple de Dieu sera à nouveau persécuté, où une loi sera à nouveau édictée pour le détruire (Ap 13.15).N'est-il pas facile de conclure, en de Telles circonstances, que Dieu, certainement, à abandonne son peuple ? Mais ne craignons rien. Le Dieu qui a sauve son peuple choisi dans l'histoire d'Esther le sauvera à nouveau lors de la crise finale.
 
  

08 -Seeing the Invisible

   

  •   ( Ho an'ny mpampianatra )

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

  •    ( Ho an'ny rehetra)   

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

Zoma 23-11-2007 : Fianarana fanampiny

 MM, TT.489-494M, tt. 489-494.

"Tsy efa niteny ve Andriamanitra fa hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka Aminy? Ary moa ve io Fanahy io tsy tena misy marina, ary tena mpitari-dalana marina tokoa? Misy olona sasany toa matahotra ny hitana an'Andriamanitra amin'ny teniny, toy ny hoe hevitra tsy dia mitombina loatra izany ho azy. Mivavaka amin'Andriamanitra izy mba hampianatra antsika, kanefa dia matahotra izy hino ilay teny fikasan'Andriamanitra ary mihevitra koa fa efa nampianarina ny Aminy isika. Raha toa isika ka mbola manatona ilay Raintsika ao an-danitra amim-panetren-tena, sy amin'ny fanahy vonona ny hampianarina, vonona sy dodona ny hampianarina, inona no tokony hampiahiahy antsika fa hotanterahin'Andriamanitra ny teny fikasany? Tsy tokony hiahiahy ny Aminy na dia kely akory aza ianao, ka hanala baraka Azy toy izany.
 
Rehefa nikatsaka ny hahalala ny sitrapony ianao, ny anjaranao amin'izany fiaraha-miasa amin'Andriamanitra izany dia ny mino fa ho voatarika sy ho voatahy ianao eo am-panaovana ny sitra-pony. Mety tsy hatoky tena isika ndrao disoi ny fandraisantsika ny fampianarany, saingy ataovy antom-bavaka izany; ary matokia Azy, matokia indrindra Azy amin'ny fonao rehetra, fa ny Fanahiny Masina no hitarika anao hahatakatra tsara ny drafiny sy ny fiasan'ny fitantanany." — MR, b. 6, t. 225.
 
"Ny tolona amin'ny ahiahy sy ny fanoherana ny hery miasa mangina no mampahatanjaka ny finoana. Sarobidy lavitra noho ny firavaka lafo vidy indrindra ny fanandramana azo avy amin'ireo fizahan-toetra ireo," — TFL? b. 3, t. 555.
 
 
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :  
 
1. Resaho eo amin'ny kilasy ny amin'ireo karazan-javatra izay
 
2. Inoantsika kanefa tsy hitantsika, zavatra izay fantatsika fa tena misy marina tokoa kanefa tsy hitantsika. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe mahita "Azy Izay tsy hita?"
 
3. Ifanakalozy hevitra ilay fanontaniana farany ao amin'ny faran'ny lesona Alarobia. Impiry isika no tojo izany toe-javatra izany? Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hatoky bebe kokoa fa ny lalan'ny Tompo no tsara indrindra, na dia tsy izany aza no tiantsika?
 
4. Raha toa ka "ny tolona amin'ny ahiahy sy ny fanoherana ny hery miasa mangina no mampahatanjaka ny finoana", ary izany no mitarika amin'ny zavatra tena sarobidy indrindra -"Sarobidy lavitra noho ny firavaka lafo vidy indrindra"- ahoana no fomba hanovan'io ny fomba fijerintsika ny tolona toy izany?
 
5. Ny ankamaroany amintsika dia efa nahita olona, na Kristianina namana mihitsy aza ka tojo toe-javatra izay mitarika ho amin'ny fihafarana mampalahelo dia mampalahelo tokoa, fara-fahakeliny amin'ny fomba fijerintsika. Mitranga aminy ny zavatra ratsy indrindra eritreretintsika, na dia eo aza ny vavaka sy ny ezaka tsara indrindra natao. Ahoana no hahatakarantsika izany raha hazavaina araka izay efa nianarantsika?
 

 

     Vendredi                              23.11.2007                              

8. VOIR L'INVISIBLE

 Pour aller plus loin

 

 

A lire

  

 

 

 Ellen WHITE, Prophètes et rois, "Aux jours de la reine Esther ", p. 455-459.

"Dieu n'a+il pas dit qu'il enverrait le Saint-Esprit à qui le demanderait? Or un tel Esprit n'est-il pas un guide réel et véritable? Certaines personnes semblent avoir peur de prendre Dieu au mot, comme si c'était présomptueux de leur part. Elles prient pour que le Seigneur les enseigne, et pourtant elles ont peur d'accorder du crédit à la parole certaine de Dieu, elles ont peur de croire qu'il nous a véritablement enseignes. Tant que nous venons trouver no-tre Père céleste avec humilité et le désir d'apprendre, pourquoi douterions-nous que Dieu ne réalise ses promes-ses? Vous ne devez pas un seul instant douter de lui et ainsi le déshonorer. Une fois que vous avez recherche sa volonté, il vous appartient de croire que Dieu vous conduira, vous guidera et vous bénira dans l'accomplissement de cette volonté. Méfions-nous de nous-mêmes, de peur de mal interpréter ses enseignements. Faisons-en un sujet de prière et croyons, croyons de toutes nos forces, que le Saint-Esprit nous aidera à comprendre correctement ses plans et les œuvres de sa providence." - Ellen WHITE, Manuscrit Releases, vol. 6, p. 225.

"La foi se fortifie lorsqu'elle affronte le doute et les influences contraires. L'expérience acquise dans ces épreuves a plus de valeur que les plus précieux joyaux." - Idem, Témoignages pour l'Eglise, vol. 3, p. 365.

 

A méditer...

  


 

1.Discutez avec les membres de la classe des choses auxquelles vous croyez sans les voir, sachant qu'elles sont bien réelles et pourtant invisibles. En quoi cela peut-il nous aider à comprendre ce que signifie voir " celui qui est invisible "?

2.Discutez de la dernière question à la fin de la leçon de mercredi. Nous retrouvons-nous souvent dans cette situation? Comment avoir davantage confiance dans le fait que les voies du Seigneur sont les meilleures, pour nous, même si ce n'est pas ce que nous désirons?

3.Si " la foi se fortifie lorsqu'elle affronte le doute et les influences contraires" et si cela a des conséquences extrêmement positives - ayant " plus de valeur que les plus précieux joyaux " - quel regard porterons-nous désormais sur les épreuves?

4.Nous avons tous observe des gens, voire des frères chrétiens, vivre des situations dont l'issue était affreuse, du moins à nos yeux. Ce que nous avions imagine de pire est arrive, malgré les prières et tous les efforts possibles. Comment comprendre cela à la lumière de ce que nous avons étudié?

  


    

08 -Seeing the Invisible

      http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_08.pdf

                http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less08.html

www.advantistalyon.com
Semaine 51 année 2008
Semaine 50 année 2008
Semaine 49 année 2008
Semaine 48 année 2008
Semaine 47 année 2008
Semaine 46 année 2008
Semaine 45 année 2008
Semaine 44 année 2008
Semaine 43 année 2008
Semaine 42 année 2008
Semaine 41 année 2008
Semaine 40 année 2008
Semaine 39 année 2008
Semaine 38 année 2008
Semaine 37 année 2008
Semaine 36 année 2008
Semaine 35 année 2008
Semaine 34 année 2008
Semaine 33 année 2008
Semaine 32 année 2008
Semaine 31 année 2008
Semaine 30 année 2008
Semaine 29 année 2008
Semaine 28 année 2008
Semaine 27 année 2008
Semaine 26 année 2008
Semaine 25 année 2008
Semaine 24 année 2008
Semaine 23 année 2008
Semaine 22 année 2008
Semaine 21 année 2008
Semaine 20 année 2008
Semaine 19 année 2008
Semaine 18 année 2008
Semaine 17 année 2008
Semaine 16 année 2008
Semaine 15 année 2008
Semaine 14 année 2008
Semaine 13 année 2008
Semaine 12 année 2008
Semaine 11 année 2008
Semaine 10 année 2008
Semaine 09 année 2008
Semaine 08 année 2008
Semaine 07 année 2008
Semaine 06 année 2008
Semaine 05 année 2008
Semaine 04 année 2008
Semaine 03 année 2008
Semaine 02 année 2008
Semaine 01 année 2008
Semaine 52 année 2007
Semaine 51 année 2007
Semaine 50 année 2007
Semaine 49 année 2007
Semaine 48 année 2007
Semaine 47 année 2007
Semaine 46 année 2007
Semaine 45 année 2007
Semaine 44 année 2007
Semaine 43 année 2007
Semaine 42 année 2007
Semaine 41 année 2007
Semaine 40 année 2007
Semaine 39 année 2007
Semaine 38 année 2007
Semaine 37 année 2007
Semaine 36 année 2007
Semaine 35 année 2007
Semaine 34 année 2007
Semaine 33 année 2007
Semaine 32 année 2007
Semaine 31 année 2007
Semaine 30 année 2007
Semaine 29 année 2007
Semaine 28 année 2007
Semaine 27 année 2007
Semaine 26 année 2007
Semaine 25 année 2007
Semaine 24 année 2007
Semaine 23 année 2007
Semaine 22 année 2007
Semaine 21 année 2007
Semaine 20 année 2007
Semaine 19 année 2007
Semaine 18 année 2007
Semaine 17 année 2007
Semaine 16 année 2007
Semaine 15 année 2007
Semaine 14 année 2007
Semaine 13 année 2007
Semaine 12 année 2007
Semaine 11 année 2007
Semaine 10 année 2007
Semaine 09 année 2007
Semaine 08 année 2007
Semaine 07 année 2007
Semaine 06 année 2007
Semaine 05 année 2007
Semaine 04 année 2007
Semaine 03 année 2007
Semaine 02 année 2007
Semaine 01 année 2007
Semaine 00 année 2007
Semaine 52 année 2006
Semaine 51 année 2006
Semaine 50 année 2006
Semaine 49 année 2006
Semaine 48 année 2006
Semaine 47 année 2006
Semaine 46 année 2006
Semaine 45 année 2006
Semaine 44 année 2006
Semaine 43 année 2006
Semaine 42 année 2006
Semaine 41 année 2006
Semaine 40 année 2006
Semaine 39 année 2006
Semaine 38 année 2006
Semaine 37 année 2006
Semaine 36 année 2006
Semaine 35 année 2006
Semaine 34 année 2006
Semaine 33 année 2006
Semaine 32 année 2006
Semaine 31 année 2006
Semaine 30 année 2006
Semaine 29 année 2006
Semaine 28 année 2006
Semaine 27 année 2006
Semaine 26 année 2006
Semaine 25 année 2006
Semaine 24 année 2006
Semaine 23 année 2006
Semaine 22 année 2006
Semaine 21 année 2006
Semaine 20 année 2006
Semaine 19 année 2006
Semaine 18 année 2006
Semaine 17 année 2006
Semaine 16 année 2006
Semaine 15 année 2006