Trimestre 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Leçon 12 : MATY TAHAKA NY VOA

Date : 15-12-2007 au 21-12-2007. Etude : Sam. 2:12-3:18; 13:1-14; Zak. 4:1-14; Rôm. 12:1,2; Fil. 2:5-9.

Verset à mémoriser : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; far aha maty kosa izy, dia hahavokatra be " Jao. 12:24

Sabotsy 15-12-2007 : Fampidirana

Fampitahana mampitolagaga ny amin'ny fetezantsika ho eo ambanin'ny sitrapon'Andriamanitra ny saty nomen'i Jesôsy mikasika ny fahafatesan'ny voam-bary.

Voalohany, milatsaka amin'ny tany izany. Tsy afaka mifidy izay toerana na fomba hilatsahany amin'ny tany ilay voa rehefa miala amin'ny tahom-bary. Tsy afaka mifidy toerana eo amin'ny tany hilatsahany izay manodidina azy izy ary avy eo manototra azy.
Faharoa, mbola miandry kely aloha. Rehefa mitoetra ao anaty tany ilay voa dia tsy fantany izay hitranga rahampitso. Tsy afaka ny "haka sary an-tsaina' izay fiainana havoaky ny ampitso izy, satria tsy inona akory izy fa voam-bary ihany.
Fahatelo farany, misy ny fahafatesana. Tsy afaka ny ho tonga salohim-bary velively ilay voa raha tsy ilaozany aloha ilay toetry ny voa mbola ary fomba sy feno fiarovana teo. Tsy maintsy "maty" izy; izany hoe, tsy maintsy ilaozany ny maha-izy azy mialoha ny hanovana azy ho zava-maniry mamoa voa.                       

 INDRAY MITOPY MASO:

 

Raha fantatsika fa mahasoa indrindra antsika ny sitrapon'Andriamanitra, nahoana no sarotra amintsika tokoa ny manaiky izany? Inona ilay oha-pankatoavana navelan'i Kristy ho fianarantsika? Ahoana no fahitanao ny fahatantérahan'ny fanoharana mikasika ny voam-bary eo amin'ny fiainanao?


 

GUIDE DE L'ETUDE DE LA BIBLE 4ème TRIMESTRE


LE FEU DE L’AFFINEUR

 

 12.  MOURIR COMME LE GRAIN

  

Etude de la semaine : 1 S 2.12 à 3. 18 ; 13. 1-14 ; Za. 4. 1-14 ; Rm 12.1, 2; Ph 2.5-9.

 

Versets à mémoriser: "Vraiment, je vous l'assure: si le grain de blé que l'on a jeté en terre ne meurt pas, il reste un grain unique. Mais s'il meurt, il porte du fruit en abondance." Gn 12.24, (La Bible du Semeur)

Questions clefs: Sachant que la volonté de Dieu est ce qu'il y a de meilleur pour nous, pourquoi avons-nous du mal à l'accepter? Quel exemple de soumission le Christ nous a-t-il laissé ? En quoi l'image du grain de blé s'applique-t-elle à votre vie?

 

L'image donnée par Jésus d'un grain de blé qui meurt illustre de façon fascinante notre soumission à la volonté divine.

Tout d'abord, Jésus parle du grain que l'on jette. Le grain de blé; en tombant, ne peut en rien contrôler ni l'endroit ni la façon dont il tombe. II ne choisit pas la terre qui l'environne et le recouvre.

Deuxièmement, Jésus parle de l'attente. Le grain qui gît dans la terre ne sait rien de son avenir. II ne peut se l'imaginer, car il n'est qu'un grain de blé.

 

Puis il y a la mort. Le grain de blé ne deviendra jamais épi s'il n'abandonne pas son enveloppe sécurisante et confortable. Il lui faut "mourir", c'est-à-dire, il doit renoncer à ce qu'il a toujours été avant de pouvoir se transformer en une plante produisant du fruit.

 

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

12- DYING LIKE A SEED

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

              

 

              

 

 

 

 

Alahady 16-12-2007 : Fankatoavana hanompo

Vakio ny Fil. 2:5-9. Inona no hafatra lehibe ho antsika ao amin'ireo andininy ireo?

Ny kolontsaina ankehitriny dia mampirisika mafy antsika rehetra mba hitaky sy hanantitrantitra ny zontsika. Tsara avokoa izany, ary izany mihitsy aza matetika no tokony ho izy. Ao amin'i Jesôsy kosa anefa, mety hitaky antsika handao maimaimpoana ny zontsika ny sitrapon'Andriamanitra mba hanompoantsika ny Ray eo arnin'ny fanitarana ny fanjakany. Mety ho sarotra sady hanelingelina izany fandaozana izany satria hitondra ho arnin'ny fitsapana mahamay.

Jereo ny tomba nataon'i Jesôsy ao arnin'ny Fil. 2:5-8. Ireo andininy ireo dia mamaritra ny dingana telo nataon'i Jesôsy teo arnin'ny fetezany ho eo ambanin'ny sitrapon'ny Ray. Ery am-boalohany ary dia mampahatsiahy antsika amin'ny tomba somary manaitra ihany i Paoly manao hoe: "Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesôsy koa" (and.5).
                                              

Mba hahalavorary ny famonjena antsika dia nafoin'ï Jesôsy ny fitoviiany tamin'ny Ray ka nidina tety an-tany Izy sady naka ny endrika sy ny toetran'olombelona (and. 6,7).     

 Tsy olombelona malaza sy be voninatiitra no nahatongavan'i Jesôsy fa mpanompon 'olombelona (and.7).                  

Arnin'ny maha-olombelona mpanompo Azy dia tsy nanana fiainana feno fiadanana sy naharitra Izy fa "nanaiky hatramin 'ny fahafatesana. " Ary na dia ny fahafatesany aza dia tsy tamim-pahamboniana sy voninahitra rahateo. Tsia, fa "nanaiky hatramin'ny fahafatesana Izy dia ilay fahafatesana teo amin 'ny hazo fijaliana. " (and.8).

Eo amin'ny lafiny inona amin'ny fiainantsika no maha-môdely ho antsika  an'io ohatra nasehon'i Jesôsy io? . Raha toa mahasoa ka tokony    harovana ny zo sy ny fitoviana, dia ahoana no hanazavanao fa indraindray dia ilaintsika ihany koa ny mahafoy azy ireny? Vakio indray ary izao ny andininy 9. Arnin'ny fomba ahoana no anampian'io  andininy io antsika hahatakatra ny lôjikan'ny fetezana ho eo ambanin'ny sitrapon'ny Ray?

Mangataha fahendrena avy arnin'ny Fanahy Masina ka apetraho ity fanontaniana ity: «inona no zo tsy maintsy tanako amin'izao fotoana izao ka mety ho tena sakana tokoa eo amin'ny fanekeko ny sitrapon'i Jesôsy, eo amin'ny fanompoana ny ankohonako sy ny fiangonako ary ny manodidlna ahy? Hatraiza ny fahavononako hiharitra fanelingelenana mba hanompoana ny hafa amin'ny fomba mahomby kokoa?"  


    

   Dimanche                          16.12.2007

12. MOURRIR COMME LE GRAIN

Se soumettre pour servir

Lisez Ph 2.5-9. Quel message important ces versets nous communiquent-ils?

La culture contemporaine nous pousse les uns et les autres à demander et à affirmer nos droits. C'est une bonne chose et, le plus souvent, ce qui devrait se passer. Mais, comme pour Jésus, Dieu, par sa volonté, peut nous demander, de renoncer librement à nos droits pour le servir d'une manière qui aura un impact éternel sur le pro-grès de son royaume. C'est certainement là quelque chose de difficile et d'inconfortable à vivre, créant toutes les conditions d'une grande épreuve. 

Voyez ce qu'a fait Jésus (Ph 2.5-8). Ces versets montrent qu'il s'est soumis à la volonté du Père en trois étapes. Et, des le départ, Paul nous avertit: "Ayez en vous la pensée qui était en Christ-Jésus" (Ph 2.5, Segond révisée à la Colombe).

Afin de nous sauver, Jésus a renoncé a son statut d'égalité avec le Père; il est venu sur terre sous la forme et avec les limites d'un être humain (Ph 2.6, 7).
 
Dans quels domaines de notre vie Jésus est-il à cet égard un exemple pour nous? Si les droits et l'égalité des hommes sont de bonnes choses et doivent être protégés. Comment expliqueriez-vous que Jésus y ait renoncé? Lisez maintenant le verset 9. Ce verset ne nous aide-t-il pas à comprendre pourquoi nous devons nous soumettre à la volonté du Père?
 Il n'est pas venu sous l'aspect d'un homme grand et glorieux, mais comme le serviteur d'autres hommes (Ph 2.7).

Jésus n'a pas joui d'une longue vie paisible, il est devenu "obéissant jusqu' à la mort". Il n'est même pas mort d'une façon noble et glorieuse. Non, il est devenu "obéissant jusqu' a la mort - la mort sur la croix." (Ph 2.8)

 Priez pour que le Saint-Esprit vous accorde sa sagesse en lui demandant: " À quels droits est-ce que je m'accroche actuellement - attitude m'empêchant de me soumettre à la volonté de Jésus pour servir ma famille, l'Eglise et mon entourage? Dans quelle mesure suis-je désireux de supporter des désagréments pour servir autrui plus efficacement? "

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 12- DYING LIKE A SEED

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

             

 

 

 

Alatsinainy 17-12-2007 : Mialoha ny fahafantarana ny sitrapon'andriamanitra

Kristianina maro no mikatsaka amin'ny fo mahitsy tokoa ny hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ho an'ny fiainany. "Raha mba fantatro mantsy ny sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainako dia hamoy ny zavatra rehetra ho Azy aho." Mety mbola hanjavozavo amintsika ihany aza izany sitrapo izany, eny, fa na dia avy nanome toky an'Andriamanitra mikasika izany aza isika. Hitantsika ao amin’ny Rôm. 12:1,2 ny anton'io manjavozavo io. Soritsoritan'i Paoly ny fomba hahafantarantsika ny sitrapon'Andriamanitra, ka lafin-javatra iehibe iray no ambarany: Raha te hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ianao dia ataovy ho fanatitra aloha ny tenanao!

 

Vakio ny Rôm.  12:1, 2.  Nanoratra i Paoly fa ho haintsika ny "hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra"'(and. 2) rehefa:

 

1.Takatsika tsara ny “famindrapon'Andriamanitra" amintsika (and. 1).

   

2. Manototra ny tenantsika ho fanatitra velona ho an'Andriamanitra isika (and. 1).

  

3. Nohavaozina ny saintsika (and. 2).

   

Rehefa nohavaozina izany ny saintsika, izay isika vao afaka hahatakatra tsara ny sitrapon'Andriamanitra. Miankina amin'ny fahafatesan'ny tena anefa aloha voalohany indrindra io fanavaozana io. Tsy ampy raha nijaly ho antsika fotsiny i Kristy -tsy maintsy maty Izy. Dia tahaka izany koa isika.

 

Mangataha amin'ny Fanahy Masina mba hampiseho aminao ireo lafiny tsy mbola "mahafaty" anao tanteraka. Inona ny zavatra izay tian'ny Fanahy Masina hafoinao mba ho tonga "fanatitra velona" ho an'Andriamanitra ianao?

 

Rehefa tsy maty tanteraka ny amin'ny tena ireo lafiny sasany eo amin'ny fiainantsika dia avelan'Andriamanitra hisarika ny saintsika ny fizahan-toetra. Na izany aza anefa, tsy vitan'ny hoe manampy antsika hiatrika ny fahotantsika ihany ny fahoriantsika fa mampitodika ny fijerintsika amin'ny fanafoanan'i Jesôsy ny Tenany ho antsika ihany koa izany. Izao no nosoratan'i Elisabeth Elliot: Hafointsika ny hetaheta lalina indrindran'ny fontsika raha toa ka tonga amin'ny fahatakarana ny hazo fijaliana isika (...) Na dia maivana lavitra noho ny an'ny Mpamonjintsika aza ny fanandramantsika mikasika ny hazo fijaliana dia hitaona antsika hahafantatra Azy ihany izany amin'ny fiombonana amin'ny fijaliany. Miantso antsika ho amin'io fiombonana io Izy eo amin'ny endriky ny fijaliana rehetra mahazo antsika." QL, 1.182.

 

Vakio amim-pivavahana ny Rôm. 12:1, 2. Eritrereto ireo zavatra tianao hafoy mba hahatonga anao ho fanatitra. Ahoana no hanampian'io anao hahatakatra ny fijaliana natrehin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ho anao? Ahoana no anampian'io fahalalana io anao hiditra eo amin'ny fiombonana amin'i Jesôsy sy ny fijaliany?

    

   Lundi                          17.12.2007

12. MOURRIR COMME LE GRAIN

Le temps de Dieu

 

 

Lisez Rm 5.6; Ga 4.4. Que disent ces versets sur le temps de Dieu ?

 

Dans ces versets, Paul déclare que Jésus est venu mourir pour nous au temps voulu. Mais il ne dit pas pourquoi c'était le bon moment. En lisant ces versets, on a vite fait de se demander: "Pourquoi Jésus a-t-il attendu des milliers d'années avant de venir sur terre vaincre le péché ? L'univers n'avait donc pas compris bien avant combien le péché était mauvais ?" Nous nous demandons sans doute également pourquoi Jésus tarde à revenir. Nous nous posons peut-être cette question: " Pourquoi le Seigneur tarde-t-il tant à répondre à mes prières ?"


Réfléchissez, par exemple, à la prophétie des soixante-dix semaines de Dn 9.24-27, prophétie qui annonce Jésus en tant que Messie (revoyez-la si vous en ressentez le besoin). A quelle période cette prophétie a-t-elle correspondu ? Cela ne nous encourage-t-il pas à attendre que les choses se réalisent selon l'agenda divin, même si cela nous paraît long ?

Attendre enseigne de nombreuses et importantes leçons spirituelles. Premièrement, attendre donne l'occasion de concentrer l'attention sur Dieu plutôt que sur l'objet espéré. Deuxièmement, attendre donne l'occasion de mieux saisir ses motivations et désirs. Troisièmement, attendre développe la persévérance - ou courage spirituel. Quatrièmement, attendre met en valeur de nombreuses qualités spirituelles, telles que la foi et la confiance. Cinquièmement, Dieu a ainsi la possibilité de mettre en place d'autres pièces du puzzle que sont ses desseins dans leur ensemble. Sixièmement, nous ne saurons sans doute jamais pourquoi nous attendons ainsi; nous apprenons de la sorte à vivre par la foi. Avez-vous d'autres raisons à donner ?


Quels exemples bibliques montrent Dieu agissant en son temps, exemples qui donnent l'assurance qu'il fait la chose juste au bon moment ? (Pensez, par exemple, à Abraham, Sara et la promesse d'un fils).


En même temps, demandez-vous : " Est-ce que je freine d'une manière ou d'une autre l'exaucement de prières qui auraient pu trouver une réponse bien plus tôt ? "

 


 
 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

12- DYING LIKE A SEED

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

             

Talata 18-12-2007 : Fahavononana hihaino

 

 

« Ary Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe : ry Samoela, ry Samoela ô ! dia namaly Samoela hoe : Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. » (1 Sam. 3 :10).

Efa mba nandre ilay feo malefaky ny Fanahy Masina ve ianao saingy nodianao tsy heno izany? Vokany dia tsy handeha tami’ny laoniny ny zavatra rehetra, ary avy eo dia hoy ianao anakampo hoe: Fa dia naninona loatra re aho no tsy nihaino e?

Voalohany i Samoela dia milaza ny tantaran’ny lehilahy lehibe iray sy ny zanany roalahy ratsy fanahy sy tsy mpihaino an’i Jehôvah, ary ny zazalahy kely izay tsy mba toy izany. Na dia nisy aza ny fampitandremana mahery vaika avy amin’i Jehovah dia tsy mba nanova ny lalany ireo izay mila manao izany.

 

Vakio ny tantaran'izy ireo ao amin'ny 1 Sam. 2:12-3:18. Inona no tsy fitoviana aharihary eto momba ireo izay mihaino an'i Jehôvah sy ny tsy mihainoAzy?

 

Nisy zavatra hafa ankoatra izay mikasika an'Andriamanitra tao an-tsain'ireo zanak'i Ely roalahy, Na dia niteny tamin'ireo zanany aza i Ely rehefa avy nandre izay notadiavin'i Jehôvah dia toa tsy nisy zavatra hafa nataony ankoatra izany. Ireo zanany koa moa mazava loatra fa tsy mba vonona hanolotra ny tsipirian'ny fiainany ho eo ambanin'ny sitrapon'Andriamanitra. Mifanohitra dia mifanohitra amin’ilay Samoela zaza tokoa izany!

Tantarain'i Charles Stanley mpitoriteny fa tena zava-dehibe tokoa ny fahavononana hisokatra amin'ny feon'Andriamanitra izay antsoiny hoe "mampangina ny feo hafa rehetra." Izao no voalazany: "Ny Fanahy Masina dia tsy miteny mba hanao filazana lavabe. Miteny izy mba hisy fiovana mitranga. Ary mahafantatra Izy rehefa mibahana ao an-tsaintsika ao ny hevitry ny tenantsika izay milaza fa fandaniana andro fotsiny ny mihaino izay mifanohitra amin'izany. Rehefa izany no mitranga dia matetika Izy no mangina. Miandry antsika hampangina ny feo hafa rehetra Izy mba handrenesantsika Azy sy hankatoavantsika Azy amin’ny farany.” – WSFL, tt. 179, 180.

 

Inona araky ny hevitrao ny tian’i Stanley hambara amin’ny hoe : “fampanginana ny feo hafa rehetra” ? Rehefa mieritreritra ny amin’ny fisokafanao amin’Andriamanitra ianao, inona matetika ireo zavatra izay manakana anao “hampanginany feo hafa rehetra ka handre Azy ary hankato amin’ny farany?” Inona no ilainao atao eo amin’ny fiainanao mba hahatonga anao halaky hihaino ny feon’Andriamanitra ka hanapakevitra hankato ny fitarihany?

 


 

 

    

   Mardi                          18.12.2007

12. MOURRIR COMME LE GRAIN

Savoir écouter

   

Dans 1 S 16.1-13, le jeune David est oint par Samuel roi d'Israël. Quoi qu'il en soit, le voyage sera long, des champs de son père, Jessé, au trône de Jérusalem. Nul doute qu'il a pensé parfois se trouver au milieu d'une terrible épreuve.

Tout d'abord, le garçon est appelé à jouer de la musique pour calmer l'esprit troublé de Saül (1 S 16). Plus tard, en tuant Goliath, il est devenu le héros d'Israël (1 S 17). Puis de nombreuses années se sont écoulées, au cours desquelles David a fui pour préserver sa vie. Saül et son fils Jonathan savaient tous deux que David était destiné à devenir le prochain roi (1 S 23.17; 24.20). Mais David n'a rien fait pour réaliser le destin que Dieu lui avait choisi. Il semble en réalité agir à l'opposé. Même quand Saül a essayé de le tuer et que David a coupé un morceau de son manteau, ce dernier a souhaité ne pas l'avoir fait (1 S 24.57). Par la suite, alors que Saül cherchait à le tuer, David a refusé de tuer son ennemi quand l'occasion s'est présentée (1 S 26.7 -11).


Lisez 1 S 26.1-11. Pourquoi David a-t-il refusé de tuer Saul ? Quels principes son attitude nous enseigne-t-elle sur la façon dont Dieu accomplit ses plans pour notre vie ?
Si l'on réfléchit à l'ensemble du chemin parcouru par David jusqu'au trône, on peut le résumer en une courte phrase: ne pas s'emparer de ce que Dieu n'a pas encore donné. Les dons de Dieu doivent être reçus de sa main et en son temps. Il s'ensuit parfois une très longue attente. Les pousses de haricots sortent en quelques heures, tandis qu'il faut des années au chêne pour croître. Mais quand viendra la tempête, il ne sera pas déraciné.


Lisez maintenant 1 S 26.12-25. Que David ait refusé de tuer Saül a eu quel effet sur le roi ?
Qu'est-ce que cela nous enseigne sur les bienfaits que l'on reçoit quand on attend que Dieu agisse ?
David aurait pu facilement se justifier s'il avait tué Saül. (" Après tout, Dieu ne m'a-t-il pas dit que je monterais sur le trône ? Saül est de toute façon un si mauvais roi. ") Pourtant, ses actes expriment une foi authentique en Dieu, Quel enseignement en retirez-vous au sujet de votre attente, quelle qu'elle soit ?

 


  

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

 

12- DYING LIKE A SEED

  •   ( Ho an'ny mpampianatra )

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

  • ( Ho an'ny rehetra)   

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

             


 

Alarobia 19-12-2007 : Fahatokian-tena

 Rehefa nanota tao amin'ny Sahan'i Edena i Eva dia tsy hoe satria niahiahy ny tenin'Andriamanitra fotsiny ihany izy. Ny finoany fa nanam-pahendrena ampy hahafantarana izay tsara na ratsy ho azy no fototry ny olana nanjo azy. Nitoky tamin'ny fahaizan'ny tenany mandanjalanja izy. Rehefa mitoky amin'ny fahaizantsika mandanjalanja isika ka manohitra ny fitokisana amin'ny Tenin'Andriamanitra dia misokatra ho amin'ireo karazana olana maro samihafa.

 

Ny tantaran'i Saoly dia maneho ireo dingan'ny fahatokian-tena ary avy eo ny zava-doza nitranga haingana taorian'izay. Nohosoran'i Samoela ho mpanjakan’Andriamanitra i Saoly (1 Sam. 10:1). Nomeny toromarika manokana i Saoly avy eo (and.8 ) saingy tsy nankato izy.

 

Vakio ny tapany manaraka amin'ny tantara ao amin'ny 1 Sam.13:1-14. Inona no nataon'i Saoly ka nitarika azy ho amin'ny fitontonganana?

 

Dingana telo no nitarika an'i Saoly ho eo amin'ny lalan'ny fahatokian-tena izay efa ela talohan'ny nanosorana azy ho mpanjaka. Ny olana dia tsy nisy tamin'ireo dingana ireo no noheverina ho ratsy. Tao anatin'izy ireo anefa ny voan'ny fihafaran-dratsy satria tsy nankinina tamin'Andriamanitra ny nanaovana azy. Mariho ny filaharana izay nahatonga ny fahalavoan'i Saoly.

 

1.  Hoy i Saoly hoe: "Hitako" - fa niely nandao azy ny olona sady tsy tonga tamin'ny fotoana i Samoela (and. 11). Nahatsiaro fahaporetana i Saoly ka notombanany tamin'ny tomba fijeriny izay nitranga.

 

2.  Taorian'ny nilazany hoe "hitako" dia izao indray no nolazain'i Saoly: "hoy izaho" - hidina amin'izao ny Filistina hamely azy (and. 12). Izay hitan'ny masony no nanatanteraka izay nolazainy, na novinavinainy mikasika ny zava-nitranga,

 

3. Hoy indray i Saoly hoe "dia sahy aho”-  nanatitra fanatitra hodorana (and. 12). Nanatanteraka ny fahatsapany izao izay nosaintsainin'i Saoly.

 

Efa nanao izany isika rehetra: mitoky amin'ny maso maha-olombelona antsika isika, izay mitarika antsika hitoky amin'ny fisainana maha-olombelona antsika, ka mitondra antsika hitoky amin'ny fahatsapana maha-olombelona antsika. Ary dia ireo fahatsapana ireo no manosika antsika hanao zavatra.

 

Nahoana araka ny hevitrao no mora ho an'i Saoly tokoa ny nanaraka ny fanombatombanany, na dia mbola nanakoako tao an-tsofiny ihany aza ny fanoroana mazava nataon'Andriamanitra taminy? Raha fantatsika fa marefo tokoa isika sady tsy feno tahaka izany ny fahalalantsika, nahoana isika no mbola miezaka mitoky amin'ny tenantsika ihany? Inona no azontsika atao mba hianarana misimisy kokoa ny mitoky amin'ny didin'i Jehôvah fa tsy amin'ny tenantsika?                          

 

 

 


 
    

   Mercredi                          19.12.2007

12. MOURRIR COMME LE GRAIN

Quand on ne compte que sur soi-même

  

Quand Eve a péché dans le jardin d'Eden, ce n'était pas seulement parce qu'elle a doute des paroles de Dieu. En réalité, elle pensait avoir suffisamment de sagesse pour décider de ce qui était bon ou mauvais pour elle-même. Elle avait confiance en son propre jugement. Quand no us faisons de même, au lieu de placer notre confiance dans la Parole de Dieu, nous nous attirons toutes sortes d'ennuis.
 

L'histoire de Saul décrit les étapes d'une trop grande confiance en soi et les tragédies qui en découlent rapidement. Samuel avait oint Saul en tant que roi choisi par Dieu (1 S 10.1). Puis il lui a donné des instructions précises, auxquelles Saul a désobéi.

 Lisez la suite de 'histoire de Saül dans 1 S 13.1-14. Quelles ont été les causes de la chute de Saül?
Saul a parcouru, en trois étapes, le chemin vers une trop grande confiance en lui-même presque aussitôt après avoir été oint roi. En fait, aucune de ces étapes n'était mauvaise en soi. Mais elles contenaient les semences de la tragédie qui a frappé Saul, parce que ce dernier les a franchies indépendamment de Dieu. Notez dans quel ordre la chute de Saul s'est opérée.
 
1. Saul a déclaré: "J'ai vu" - il a vu ses troupes se disperser et constate l'absence de Samuel (1 S 13.11). Saul était inquiet et il a évalué la situation par lui-même.

2. Saul, de "J'ai vu" est passé à "Je me suis dit" - que les Philistins seraient victorieux (13 .12). Ce qu'il venait de voir a façonné ce qu'il a pense de la situation.

3. Saul, de "Je me suis dit" est passé à "Je me suis fait violence" - pour offrir un holocauste (13.12). De ce que Saul a pensé ont découlé ses sentiments.

Nous l'avons tous fait: nous nous fions à ce que nous voyons, d'où découle ce que nous en pensons, puis ce que nous ressentons - sentiments humains qui nous sont propres. Ensuite, nous agissons en conséquence.
 
Pourquoi, selon vous, Saül s'est-il fié à sa propre évaluation de la situation, alors même que les claires instructions de Dieu résonnaient encore à ses oreilles? Connaissant notre fragilité et notre connaissance imparfaite, pourquoi comptons-nous encore sur nous-mêmes? Comment apprendre à placer davantage notre confiance dans les commandements divins plutôt qu'en nous-mêmes?

 
 


  

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

12- DYING LIKE A SEED

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

             

 

 

Alakamisy 20-12-2007 : Mpisolo

Araka ny hitantsika omaly, dia mety hampihena ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra ny fitokisantsika amin'ny herin'ny tenantsika. Mety hitranga ihany koa ny fitokisana amin'ireo zavatra hafa maka ny toeran'Andriamanitra. Rehefa mahatsiaro ho rera-tsaina iny ny olona sasany dia mandeha miantsena izy ka mividy izay zavatra mahafalifaly azy. Ny sasany indray rehefa mahatsiaro ho tsy dia manana ny-maha-izy azy loatra dia mikatsaka laza. Rehefa misy indray ny olana eo amin'ny vady dia lasa ny sasany mitady olon-kafa hanome azy fifandraisana etiety kokoa sy fifaliana.
Maro amin'ireo zavatra ampiasaintsika no mety hampitony tokoa ilay harerahan-tsaina, saingy tsy voatery hamaha ny olana izy ireny na hampianatra antsika hahay hiatrika ny toe-javatra amin'ny fomba mahomby kokoa amin'ny fotoana manaraka, Ny fanampiana avy amin'Andriamanitra ihany, izay mihoatra ny herin'olombelona no afaka manao izany. Ny olana mantsy dia matetika tokoa isika no miezaka mitoky amin'ireny mpisolo ny toeran'Andriamanitra ireny fa tsy mba amin'Andriamanitra akory.

 

Indreto misy zavatra izay mety hampiasaintsika ka maka ny toeran'Andriamanitra:

 

1. Mampiasa ny lôjikan'olombelona na fanandramana taloha rehefa mila fanambarana vaovao avy amin'Andriamanitra. 2. Manangona ny olana rehetra ao an-tsaina rehefa mila vahaolana avy amin'Andriamanitra. 3. Miala amin'ny zava-misy marina sady tsy te hifanehatra amin'Andriamanitra kanefa mila ny firaisana Aminy mba hahazo ilay hery avy Aminy.

 

Manampy antsika hifantoka amin'izay tena zava-dehibe i Zakaria rehefa voan’ny fakam-panahy hampiasa ireo mpisolo an'Andriamanitra isika. Taorian'ny taona maro lasa izay, dia niverina avy tany Babilôna ihany nony farany ireo babo ka avy hatrany dia nanomboka nanangana ny tempoly. Nisy fanoherana lehibe tsy nampino anefa mikasika izany (hitantsika ao amin'ny Ezrà 4-6 ny tantara sasantsasany mikasika izany). Tonga àry i Zakaria miaraka amin’ity hafatra fampaherezana ho an’i Zerobabela ity, izay nitarika ilay asa.

 

Vakio io hafatra io ao amin'ny Zak. 4:1-14. Inona no tian'Andriamanitra hambara ao amin'ny andininy 6? Ahoana no fomba fidiran'ny Fanahy Masina an-tsehatra eo amin'ny fahatanterahan'ny tetik'asa fananganana trano? Inona no ampianarin'îzany antsika mîkasika ny fîfandraisana misy eo amin'ny Fanahy Masina sy ny zavatra ataontsîka?

 

 

Tsy nosakanan'Andriamanitra ny fanoherana teo amin'ny fananganana ny tempoly ary tsy narovany tamin'ny fahasahiranan-tsaina tamin’ny fanatanterahana izany koa i Zerobabela. Rehefa tonga anefa ny fanoherana, dia azon'Andriamanitra nampiasaina tsara izany mba ho fizahan-toetra hampianatra antsika hiankina Aminy.
Rehefa tonga ny rarin-tsaina, inona no fihetsikao voalohany indrindra? Sakafo ve? Sa vavaka? Sa fankatoavana an'Andriamanîtra? Inona no lazain'ny valin-teninao mikasika ny tenanao sy ny zavatra izay ilainao hianarana na hovana?

 


 
    

  Jeudi                         20.12.2007

12. MOURRIR COMME LE GRAIN

Des substituts de Dieu

Comme nous l'avons vu hier, il est difficile de se soumettre à Dieu quand nous comptons sur nos propres forces. Il est également possible de s'en remettre à des substituts de Dieu. Certaines personnes, lorsqu'elles se sentent déprimées, vont faire des courses pour se sentir plus heureuses. D'autres, mal dans leur peau, poursuivent la célébrité. D'autres encore, en conflit avec leur conjoint, vont chercher ailleurs intimité et passion.

Si un grand nombre de choses permettent de relâcher la tension, elles ne résolvent pas nécessairement le problème, pas plus qu'elles ne nous enseignent a mieux gérer la situation la prochaine fois.Seule une aide surnaturelle de Dieu peut nous venir en aide. Malheureusement, nous comptons souvent sur des substituts plutôt que sur Dieu lui-même.

 Voici trois substituts possibles :
 1. Faire usage de la logique humaine ou de notre expérience passée alors que nous avons besoin d'une révélation divine nouvelle.
 2. Chasser les problèmes de notre esprit alors que nous avons besoin des solutions de Dieu.
 3. Fuir la réalité et éviter Dieu alors que nous avons besoin de communier avec lui pour qu'il nous communique sa puissance.
Apres de nombreuses années d'exil, les Hébreux ont quitté Babylone et ont aussitôt commencé la reconstruction du temple. Mais ils ont rencontré une forte opposition (vous en trouverez des éléments dans Esd 4 a 6). C'est pourquoi Zacharie est venu avec un message d'encouragement adressé à Zorobabel, qui dirigeait les travaux.
 

Lisez le message contenu dans Za 4.1-14. Que veut dire le Seigneur au verset 6? Quel était le rap-port entre la réalisation d'une construction et le Saint-Esprit? Qu'est-ce que cela nous enseigne sur la relation entre le Saint-Esprit et tout ce que nous accomplissons de concret?

 

Dieu n'a pas écarté les opposants à la construction du temple ni épargné à Zorobabel les tracas que cela lui causait. Dieu ne nous protègera pas toujours de l'adversité. Mais quand celle-ci viendra, Dieu s'en servira peut-être pour nous apprendre à dépendre de lui.

Quand vous êtes stressés, quelle est votre première réaction? Manger? Regarder la télévision? Prier? Vous soumettre à Dieu? Qu'est-ce que votre réaction vous indique sur vous-même et ce que vous avez besoin d'apprendre ou de changer?
 

 


 

4th Quarter 2007

THE REFINER’S FIRE

 

12- DYING LIKE A SEED

             http://www.absg.adventist.org/2007/4Q/TE/ETQ407_12.pdf
 

              http://www.ssnet.org/qrtrly/eng/07d/less12.html

             

 

Zoma 21-12-2007 : Fianarana fanampiny

 

Tanteraka ny fetezantsika ho eo ambanin'ny sitrapon'Andriamanitra rehefa maty ny amin'ireo faniriantsika sy hambompontsika islka. Manokatra lalana ho amin'ny fanompoana marina ny hafa izany. Tsy afaka ny ho velona ho an'Andriamanitra isika raha tsy tonga fanatitra sy tsy miaina amin'ny fihainoana tsy tapaka ny feon'Andriamanitra. Mba nametrahana marina tokoa ny sitrapontsika ho eo ambanin'ny sitrapon'ny Ray dia tsy maintsy ekentsika ireo zava-doza rehetra vokatry ny fitokisantsika amin'ny tenantsika; ary koa amin'ireo mpisolo ny Tenin’Andriamanitra sy ny heriny.

 

Koa satria ny fetezana hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra no ivon'ny fiainana manahaka ny an'i Kristy dia avelan'Andriamanitra hitranga ny fizahan-toetra mahamay mba hampianatra antsika hiankina Aminy.

 

"Ny tsirambina nataon'i Ely dia entina tsotra izao eo anatrehan'ny ray sy ny reny rehetra. Vokatry ny fitiavany tsy nohamasinina sy ny tsy fahavononany hanao andraikitra mahadikidiky dia nijinja ny vokatry ny tsy fahamarinan'ireo zanany ratsy fanahy izy. Na ny ray aman-dreny namela ny faharatsiana toy izany na ny zanaka izay nanatanteraka azy dia samy meloka eo anatrehan'Andriamanitra, ka tsy handray fanatitra avy amin'ny fandikan-dalàny Andriamanitra," CG, t, 276.

 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Resaho eo amin'ny kilasy ilay fanetren-tena tsy mampino nananan'ny  Zanak'Andriamanitra tamin'ny nidinany tety an-tany tamin'ny endrik'olombelona, mba ho faty noho ny otantsika. Inona no lazain'izany amintsika tsirairay avy mikasika ny hevitry ny fanaovana fanatitra ny tena sy ny fandavana ny tena ho soa ho an'ny hafa? Na dia tsy vitantsika aza ny manao zavatra tahaka izany, ilay fitsipika dia efa nomena antsika ary tokony ho eo anoloantsika mandrakariva. Amin'ny fomba ahoana, eo amin'ny fahàfahantsika, no hahavitantsika manahaka izany karazana fankatoavana sy fanaovana fanatitra ny tena izay nasehon'i Jesôsy antsika teo amin'ny hazofijaliana izany?  

 

2.     Ho an'ny olona maro, mety ho zavatra mampihorohoro izany hoe mankato an'Andriamanitra kanefa tsy mahafantatra izay hitranga manaraka eo. Ahoana no hanomezanao torohevitra ny olona izay mitoky amin'ny tenany fa tsy Andriamanitra? Inona no holazainao mba hanampiana azy hiala amin'ny tahotra ny amin'ny tsy fahalalana ny hoavy na ny fahafahana hifehy izany?

 

3.     Manokàna fotoana ianareo iray kilasy hivavahana no an'ny olona izay fantatrareo fa manana olana eo amin'ny fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra, mba hahitany fa ny fitokisana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ihany no lalan-tokana ho amin'ny fiadanana maharitra. Miaraka amin'izany, inona no zavatra azonao atao ho an'ireo olona ireo mba hanampiana azy hahita fa afaka mitolo-batana amin'Andriamanitra izy sy hahita fa ny lalany ihany no tsara indrindra? Raha amin'ny fomba fiteny hafa, ahoana no hampiasan'Andriamanitra anao hanampy ny hafa hahafantatra ny fitiavany sy ny fahavononany hikarakara?