"Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? (...) Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalon'ilay tia antsika"- Rom- 8.35-37

Ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy mandray voninahitra na fankasitrahana avy amin'izao tontolo izao. Notoraham-bato i Stefana satria nitory an'i Kristy sy ny nanomboana Azy. Natao an¬tranomaizina i Paoly, nokapohana, notoraham-bato, ary novonoina nony farany, satria mpitondra hafatr'An¬driamanitra nahatoky tamin'ny jentilisa izy. Natokana tany amin'ny nosy Patmôsy ny apôstôly Jaona "noho ny Tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy" - Apôk. 1:9. Ny ohatra teo amin'ny fahatokian'ireo olona ireo, tao anatin' ny herin'ny avo indrindra, no porofo maneho amin'izao tontolo izao ny fahatanterahan'ny teny fampanan¬tenana avy amin'Andriamanitra, ny fanatrehany mandrakariva, ary ny fahasoavany mihazona.

Tsy mba nasehon'i Jesôsy tamin' ny mpanaradia Azy mihitsy ny fanantenana ny amin'ny fahazoana voninahitra sy harena ety an-tany, na ny fananana fiainana tsy misy fitsapana. Antsoiny mihitsy aza izy ireo mba hanaraka Azy amin'ny lalan'ny fandavan-tena sy ny tsikera ataon'ny hafa. Notoherin'ny fitambaran'ny herin'ny ratsy, Ilay tonga nanavotra izao tontolo izao.

Nanenjika ny vahoakan'An¬driamanitra i Satana nandritra ny taona nifandimby. Nampijaliany izy ireo ary novonoiny, kanefa tamin'ny alalan'ny fahafatesany no nandresen'izy ireo. Nijoro ho vavolombelona ny amin'ilay Mahe¬ry kokoa noho i Satana izy ireny. Mety hampijaly sy hamono ny tena ny olona ratsy fanahy, saingy tsy azon'izy ireny kasihina kosa ny fiainana izay voafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.

Amin'ny alalan'ny fitsapana sy ny fanenjehana no hanehoana ny voninahitra, izany hoe ny toetran'Andriamanitra, amin'ireo izay nofidiny. Ireo izay mino an'i Kristy, ankahalaina sy enjehin'izao tontolo izao, dia beazina sy fehezina ao anatin'ny sekolin'i Kristy. Mandeha amin'ny lalana tery izy ireny ety an¬tany; diovina ao anatin'ny afon'ny fahoriana izy ireny. Manaraka an'i Kristy ao anatin'ny ady mampahory izy; miaritra ny fandavana ny tenany, ary mandalo fahadisoam-panan¬tenana mangidy; ao anatin'izany indrindra anefa no ahitany ny fahamelohana sy ny fampahorian' ny fahotana, ka fankahalana no ho tsapany rehefa mijery izany izy. Rehefa miara-mizaka ny fahorian'i Kristy izy dia afaka mijery miho¬atra lavitry ny taratry ny vonina¬hiny sady milaza hoe: "Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro, ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika" - Rôm. 8:18.