"Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, ary azon'ny fisasarana  ampiana izany." - Ohab. 10:22

Rehefa tao anatin'ny fahoriany i Jakôba, ka nihazona ilay Anjely ary nangataka tamin-dranomaso, dia niezaka mafy handositra azy ilay Mpitondra hafatry ny lanitra ho fizahana ny finoany sy fampaha¬tsiahivana azy ny fahotany. Tsy niala anefa i Jakôba. Nianarany fa mpamindra fo Andriamanitra, ary niantoraka tamin'ny famindram¬pon'Andriamanitra ny tenany. Voataona hibebaka noho ny fahotany izy, ary nangataka fanafahana. Rehefa nanao jery todika ny fiaina¬ny izy, dia saika voasarika ho amin' ny fahadisoam-panantenana; nofikiriny anefa ilay Anjely, ary tamin'ny alalan'ny tomany tamin'ny fo sy tamim-pitarainana fatratra no nanohizany hatrany ny fangata¬hany mandrapahazoany fandresena.

Toy izany no fanandramana handalovan'ny vahoakan'Andriamanitra ao anatin'ny ady farany hifa¬nandrinany amin'ny herin'ny ratsy. Hozahan'Andriamanitra ny finoan'izy ireo, ny faharetany, ny fahato¬kiany ny heriny amin'ny fanafaha¬na azy ireo. Hiezaka fatratra hampi¬horohoro azy ireo i Satana, miaraka amin'ny fiheverana hoe efa tsy misy antenaina intsony manoloana ny tranga atrehany. Ho latsa-paka ao anatin'izy ireo ny fahalemeny, ary rehefa manao jery todika ny fîainany izy dia ho rendrika ny fanantenany. Rehefa mahatsiaro ny fahalehibiazan’ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fibebahany tamin'ny fo anefa izy dia hitaky ny teny fikasana nomena tamin'ny alalan'i Kristy, ho an'ny tsy manan-kiahy sy ny mpanota rehetra nibebaka. Tsy hihemotra ny finoan'izy ireo na dia hoe tsy mivaly eo no ho eo aza ny vavaka ataony. Hihazona ny herin'Andriamanitra hatrany izy ireo, tahaka ny nihazonan'i Jakoba ilay Anjely, ary toy izao no teny mivoaka avy amin'ny fanahiny: "Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho" - Gen. 32:27.

Ny tantaran'i Jakoba no ahazoa¬ntsika toky fa Andriamanitra dia tsy hanary ireo izay voafitaky ny fahotana mihitsy, ka miverina eo Aminy miaraka amin'ny fibeba¬hana marina. Tamin'ny alalan'ny fanolorantena sy finoana feno fahatokiana no nahazoan'i Jakôba ny zavatra izay tsy ho azony mihitsy raha ny herin'ny tenany no iantehe¬rana. Rehefa izany dia ampianarin'Andriamanitra ny mpanompony hoe ny herin'ny avo indrindra sy ny fahasoavana irery ihany no afaka manome azy ny fitahiana izay efa nandrandrainy fatratra. Noho izany dia hiaraka amin'ireo izay velona amin'ny andro farany izy io. Rehefa manodidina azy ireo ny loza ka mamatotra ny fanahiny ny fahakiviana, dia tsy maintsy miankina tanteraka amin'ny fahamendrehan'ny fanavotana izy ireo. [...]