«Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo.» - 1 Tes. 4:3.

Ny  fanamasinana dia tsy asa ao anatin'ny fotoana fohy, na ao anatin'ny ora iray na andro iray. Ny fanamasinana dia fitomboana mitohy ao amin'ny fahasoavana. Tsy fantatsika androany izay mety ho hamafin'ny ady hatrehintsika rahampitso. Velona i Satana ary miasa izy, koa ilaintsika ny mitalaho isan'andro amin'Andriamanitra mba hahazo ny fanampiany sy ny hery avy Aminy hoenti-manohitra an'i Satana. Raha mbola manjaka i Satana, ny tsy maintsy ataontsika dia ny mampilefitra ny izaho, mandresy ny fahalemena, ary tsy misy toeram-piatoana, tsy misy fotoana hahafahantsika milaza hoe efa nahatratra ny fahatanterahana isika (...)

Ny fiainana kristianina dia ilana mitohy. I Jesôsy no mpanadio ny vahoakany; ary rehefa voaseho tanteraka eo amin'izy ireo ny endriny, dia tanteraka sy masina izy ireo ary vonona hakarina. Asa lehibe no takina amin'ny Kristianina. Antsoina isika mba hanadio ny tenantsika amin'ny faharatsiana rehetran'ny nofo sy ny fanahy, mba ho masina tanteraka ao amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Izany no asa lehibe natao hotontosaintsika. Misy asa natao hotontosain'ny Kristianina mandrakariva.

Tsy misy olona azo antsoina hoe Kristianina raha tsy manao fanandramana isan'andro ny momba an'Andriamanitra sy miaina isan'andro ny fandavana ny izaho ary mitondra amin-kerim-po ny hazo fijaliany ka manaraka an'i Kristy. Ny Kristianina tsirairay dia handroso isan' andro ao amin'ny fiainana araka an'Andriamanitra. Arakaraka ny androsoany mankamin'ny fahatanterahana no hanandramany fiovam-po isan'andro; ary tsy ho tanteraka izany fiovam-po izany raha tsy amin'ny fahatrarana ny fahatanterahan'ny toetra kristianina, dia fahavononana tanteraka ho amin'ny fanovana farany ho tsy mety maty intsony ( ... )

Tsy fahatsapana na fihetseham-po fotsiny ny fifandraisana amin' Andriamanitra. Ny fivavahana dia foto-kevitra izay mifamatotra amin' ny adidy sy ny raharaha atao andavanandro (...) Ny fitozoana amin'ny fanaovana ny tsara no hamolavola ny toetrantsika ho vonona ho any an-danitra.

Tsy maintsy miaina ho an'i Kristy isa-minitra, isan'ora, isan' andro isika; amin'izay dia hitoetra ao anatintsika Izy, ary rehefa mihaona isika dia ho ao am-pontsika ny fitiavany, miboiboika toy ny loharano any an'efitra, mamelombelona ny olona rehetra, ary mampisotro ny ranon'aina ho an'ireo izay efa ho faty.