Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.” – 1 Tim. 6:12.

MOFON'AINA

Fa na iza na iza no manaiky hiasa “amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena azy” (Fil. 2:12) dia ho voafidy. Izay rehetra mandray ny “fiadian’Andriamanitra” (Efes. 6:10) ka miady ny “ady tsaran’ny finoana”, izay rehetra manaiky mba hiambina sy hivavaka, izay rehetra mandinika ny Soratra Masina sy mankatò ny “teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”, dia ho voafidy. Ny fomba ahazoana ny famonjena sy ny vokatry ny famonjena dia samy atolotra maimaimpoana avokoa ho an’izay rehetra vonona hanatanteraka ny fepetra rehetra.

Fa Esao dia nanao tsinontsinona ny fepetra rehetra momba ilay fanekena. Ny zavatsoan’ny nofo dia nataony ambonimbony kokoa noho ny zavatsoan’ny fanahy, ka dia nahazo izay niriny izy. An-tsitrapo no nialany tsy ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra, fa Jakôba kosa nifidy ny lovan’ny finoana. Nefa, noho izy nampiasa hafetsena sy lainga mba hananany izany, dia navelan’Andriamanitra ho voakapoka izy noho ny fahadisoany. Niharihary taminy fa ny hevi-petsiny sy ny fitaka nataony dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary teo afovoan’ny fiovaovana sy ny fahangidiam-piainana nahazo azy, dia tsy hadinony ny zavatra izay efa nofidiny.

Ilay tolona mamatonalina teo amin’ny rian-dranon’i Jakôba, dia nanova an’i Jakôba ho olom-baovao. Levona teo aminy ny fahatokian-tena ary fongana tsy nisy ilay toe-tsaina fetsifetsy nananany fahiny. Ny fitaka dia nisolo fahamarinana sy fahitsiana. Nianatra hiantehitra tamin’ny sandry maherin’ny Tsitoha izy sy hanaiky amim-panetren-tena ny fitondrany na dia sendra fahoriana sy fitsapana aza. Levona tsikelikely tao amin’ny afon’ny memy ny fahalotoana rehetra teo amin’ny toetrany ka ny finoan’i Abrahàma sy Isàka indray kosa no namirapiratra fatratra ho solon’izany. - PM, tt. 2033-2043.