Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” – 1 Jao. 5:4

MOFON'AINA

Nitetika haka teo an-tanan’ireo olona vaventibe izay nampihorohoro ny Isiraely ny tanànany mimanda, miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra izy. Tsy faniriam-boninahitra na fitadiavana fisandratana ho an’ny tenany anefa no anton’ny hataka nataony. Ity mpanafaka mahery fo ity, izay antitra teo amin’ny fanafihana, dia ta-hanome ohatra ny Isiraely ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra manontolo sy ho fampaherezana ny firenena sisa hahavita ny asa noheveriny tsy ho vita dia ny fanafihana ny tany Kanana.

Nahazo ho lova ny tany izay efa nametrahany ny fony nandritra ny efa-polo taona i Kaleba, ka nifikitra tamin’ny fanampian’Andriamanitra “dia noroahiny niala tao Hebrona izy telo lahy, taranaky ny Anakita.” – Jos. 15:14. Tsy nihena ny herim-pony nahazo ny anjara lova ho azy sy ny ankohonany. Tsy nijanona nifalifaly tamin’ny anjara lovany izy, fa lasa nandray anjara tamin’ny fanafihana hanasoa ny firenena sy ho voninahitr’Andriamanitra.

Nihinana ny voaloboka avy any Eskaola ireo mpisafo tany mahatoky roalahy, fa maty tany an’efitra kosa ireo fololahy kanosa sy mpikomy. Samy nandray ny vokatry ny finoany ny olona tsirairay avy. Ny tsy mino, dia nahita tokoa ny fahatanterahan’ny tahotra nahazo azy, araka izay notadiaviny ihany. Na teo aza ny teny fikasan’Andriamanitra, dia nilaza izy fa tsy azo atao ny hanafika an’i Kanana, ka dia tsy tafiditra tokoa izy. Fa tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina kosa ireo izay niankina tamin’ilay Mpanafaka azy, fa tsy nijery ny zava-tsarotra teny am-pandehanana. “Izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana… afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.” – Heb. 11:33, 34. “Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” – 1 Jao. 5:4. - PM, tt. 5363-5371.