Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitory teny Jesosy ka nanao hoe : Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra." – Mat. 4 :17.

MOFON'AINA

Fa rehefa ny fon’ilay olona kosa no mitolo-batana hiasan’ny Fanahin’Andriamanitra, dia hifoha ny fieritreretana, ary ny mpanota dia hahatsinjo ny halalinana sy ny toetra masina ananan’ny lalàn’Andriamanitra, dia lalàna izay fototry ny fanjakany any an-danitra sy etỳ an-tany. Ilay Fahazavana izay “tonga amin’izao tontolo izao”, dia “mahazava ny olona rehetra” – Jao. 1:9; ka manazava na dia ny ao am-po tsy miloaka aza; ary mampiharihary, na dia ny zava-miafin’ny haizina indrindra aza. Tonga ao amin’ny fanahiny sy ny fony ny fahalalana marina ny fahadisoana. Ny fahamarinan’i Jehôvah no hitan’ny mpanota, ary mahatsiaro tahotra izy, amin’ny hisehoany, miaraka amin’ny fahadisoany sy ny tsy fahadiovany, eo anatrehan’Ilay Mpandinika ny fo. Hitany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hatsaran’ny fahamasinana ary ny fifaliana amin’ny fahadiovana. Ka dia iriny ny ho voadio sy ny ho sitrana indray, ka ho tafaray amin’ny Lanitra.

Ilay fivavahana nataon’i Davida taorian’ny nahalavoany no azo anehoana ny alahelo marina noho ny fahotana. Tsotra sady vokatry ny fo ny fibebahany. Tao amin’ny fibebahany dia tsy nanao izay hahafa-tsiny azy tamin’ny fahadisoany akory izy, na naniry handositra ny fitsarana izay hihatra aminy. Hitan’i Davida ny halehiben’ny fandikany ny lalàna. Hitany ny halotoan’ny fanahiny; ka dia nankahala ny fahotany izy. Tsy ny famelan-keloka ihany no nangatahiny, fa ny fahadiovam-po koa. Niriny ny hahazo ny fifaliana avy amin’ny fahamasinana sy ny firaisana amin’Andriamanitra. Izao no teny vokatry ny fony:

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.

Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” – Sal. 32:1,2.

Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben'ny fiantranao vonoy ny fahadisoako…

Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

(…) Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio;

sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

(…) Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko

Aza manary ahy hiala eo anatrehanao;

ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 

Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; 

ary tohàny fanahy mazoto aho…

Vonjeo ho afaka amin'ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; 

Hihoby ny fahamarinanao ny vavako.” – Sal. 51:1-14.

DHK, tt. 283-301/ (FT), tt. 273-292.