« Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany. » Jao. 19:17,18

Mofon'aina :

Teo amin’i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin’ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan’ny mpanao meloka Izy mba hahazoany manavotra antsika avy amin’ny fanamelohan’ny lalàna. Nitambesatra teo amin’ny fony ny fahadisoan’ny taranak’i Adama tsirairay. Ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoany dia nahazendana ny fanahin’ny Zanany. Nandritra ny fiainany manontolo dia notorin’ny Kristy tamin’izao tontolo izao lavo ireo vaovao mahafaly momba ny famindrampon’ny Ray sy ny fitiavany mamela heloka. Famonjena ho an’ny lohan’ny mpanota no lafin-kevitra nasehony. Nefa ankehitriny, noho ny vesatra mahatsiravin’ny heloka nentiny, dia tsy afaka mahita ny tavan’ny Ray mitory fampihavanana Izy. Ny fialan’ny tavan’Andriamanitra tsy ho hitan’ny Mpamonjy tamin’ity fotoana nampitebiteby Azy mafy indrindra ity, dia nanindrona ny fony tamin’ny alahelo izay tsy takatry ny olona na oviana na oviana amin’ny fomba feno. Mafy loatra io ady mihatra aman’aina niaretany io ka saiky tsy reny ny fanaintainany ara-nofo. 

Nandrotidrotika ny fon’i Jesosy i Satana tamin’ireo fakam-panahy mahery vaika nalefany. Tsy afaka nahita izay tany ankoatry ny varavaram-pasana ny Mpamonjy. Tsy nasehon’ny fanantenana teo anatrehany intsony ny fivoahany avy ao am-pasana toy ny mpandresy, ary tsy nolazainy taminy ny faneken’ny Ray ny sorona nataony. Natahotra Izy sao mahatsiravina loatra an’Andriamanitra ny fahotana ka ho mandrakizay ny fisarahany. Tsapan’i Kristy ny tebiteby izay ho tsapan’ny mpanota rehefa tsy hifona ho an’ny taranaka meloka intsony ny famindrampo. Ny fahatsapana ny fahotana izay nahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra teo Aminy tamin'ny naha-solon’ny olona Azy, no nampangidy toy izany ny kapoaka izay nosotroiny, ka nahavaky ny fon’Ilay Zanak’Andriamanitra. 

Ireo anjely izay nanatri-maso ny fialan’aina nampamoifon’i Kristy dia nanakona ny tavany teo anoloan’izao fisehoan-javatra mahatsiravina izao (…) Nampiseho ny firaisam-pony tamin’ny Mpahary azy izay notsiratsiraina ary efa ho faty, na dia ny zavaboahary aza. Ny masoandro dia nandà tsy hanazava toe-javatra mampahory toy izao. Raha teo amin’ny mitataovovonana iny indrindra izy, ka namirapiratra fatratra amin’ny fahafenoany tanteraka, dia toa nilentika tampoka teo. Nisy fahamaizinana, toy ny lambam-paty, nanarona ny hazo fijaliana. “Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany”. Tsy nisy fanakona-masoandro na antony voajanahary azo lazaina ho nahatonga io haizina io, izay maizina tokoa toy ny fahamaizinan’ny misasak’alina, rehefa tsy misy volana aman-kintana mamiratra. Vavolombelona mahagaga izay nomen’Andriamanitra mba hanamafy orina ny finoan’ny taranaka any aoriana izany .   IFM, tt. 811,§4 – 812.