«Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.» - 1 Jao. 4:16.

MOFON'AINA

Tena toetran’ny lalàn’Andriamanitra mihitsy ny tsy miova. Fanambarana ny sitrapo sy ny toetra amam-panahin’Ilay nanao azy ny lalàna. Ny foto-kevitra roa lehibe iorenany dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny olona. “Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” (Rôm. 13:10). Ny toetran’Andriamanitra dia fahitsiana sy fahamarinana; toy izany koa ny toetran’ny lalàna. Hoy ny mpanao Salamo: “Marina ny lalànao; marina ny didinao rehetra” (Sal. 119:142,172). Ary hoy ny ambaran’ny apstoly Paoly: “ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara” (Rôm. 7:12). Ny lalàna toy izany, izay fanehoana ny saina sy ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy maharitra tahaka an’Ilay nanao azy. 

Asan’ny fiovam-po sy ny fanamasinana ny mampihavana ny olona amin’Andriamanitra amin’ny hitondrany azy hifanaraka amin’ireo foto-kevitry ny lalàny. Nohariana araka ny endrik’Andriamanitra ny olona tamin’ny voalohany. Tanteraka izy teo amin’ny fifandrindrany tamin’ny toetran’Andriamanitra sy ny lalàny; voasoratra tao am-pony ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Nampisaraka azy tamin’ny Mpanao azy anefa ny fahotana. Tsy nitaratra ny endrik’Andriamanitra intsony izy. Niady tamin’ny foto-kevitry ny lalàn’Andriamanitra ny fony. “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany” (Rôm. 8:7). Nefa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy tokana” (Jao. 3:16), mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ny olona. Amin’ny alalan’i Kristy dia azo averina indray hifandrindra amin’ny Mpanao azy izy. Tsy maintsy havaozin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fony; tsy maintsy manana fiainana vaovao avy any ambony izy. Io fiovana io no fahateraham-baovao, izay nolazain’i Jesosy fa izay tsy manana izany “dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra”. - HM, t. 481,§2,3.