«Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.» - 1 Jao. 4:7-11.

MOFON'AINA

Rehefa tazan’i Jaona izany fihemorana ara-panahy tao amin’ny fiangonana izany, dia nantitranteriny tamin’ny kristiana ny tsy maintsy hanehoany fifankatiavan’ny mpirahalahy mandrakariva. Izao no foto-kevitra misongadina ao amin’ny epistily nosoratany: Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika. Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika” (1 Jao. 4:7-11).

Tian’i Jaona ny hitarika ny sain’ny mpino ho amin’ny endrika isehoan’ny fitiavana ka hoy izy: “Ry malala tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany; Ny didy ela dia ilay teny efa renareo. Ary koa didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava no mahazava ankehitriny. Izay milaza fa ao amin’ny mazava izy kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy” (1 Jao. 1:7-10). “Izay efa nambara taminareo, sady efa renareo hatramin’ny voalohany dia ny tokony hifankatiavantsika”. “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy”. 

Tsy ny fanoherana avy any ivelany no tena loza lehibe ho an’ny fiangonana, fa ny ota kobonina ao am-pon’ny Kristiana. Hitondra azy ho amin’ny faharavana izany fahotana izany ary koa hampitaredretra ny fandrosoan’ny asan’Andriamanitra; tsy misy fomba azo antoka kokoa azo hanalefahana ny fiainana ara-panahy toy ny fikotrehana fialonana sy fiahiahiana, sy fitsikerana ary ny tsy fitokisana ny hafa. 

Fa ny mifanohitra amin’izany kosa, ny fifanarahan-tsaina sy firaisan-kina ao amin’ny olona samy manana ny maha-izy azy ary samy mambra ao amin’ny fiangonana iray dia porofo mampiaiky volana indrindra fa efa naniraka ny Zanany ho amin’izao tontolo izao Andriamanitra. Izany toe-tsaina izany dia tokony ho hita miharihary ao amin’ny mpianatr’i Kristy tsirairay avy. Kanefa mba hahazoana manambara izany dia tsy maintsy ho eo ambany fifehezan’ny Mpamonjy izy, ka hampitovy lasitra ny toetrany amin’ny toetran’Andriamanitra, ary ny sitrapony ho vita lasitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. - VM, tt. 485,§2 – 486,§3.