«Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.» - 1 Jao. 4:18.

MOFON'AINA

Ny fanomezana tsara indrindra azontsika raisina avy amin’ny Raintsika any an-danitra, dia ny fitiavana ambony asehontsika Aminy sy ny fitiavana feno fandavan-tena ataontsika amin’ny hafa. Tsy fihetseham-po vetivety izany fitiavana izany, fa fitsipika mitoetra sy iainana avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka hitsiry amin’ny fo tsy voaova izany. Ao amin’ny fo anjakan’i Kristy ihany no ahitana azy. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha”. Io no fitsipika mifehy ny toetran’izay nohavaozin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Manova ny toetra izany, mifehy ny fihetseham-po ary manome fahamendrehana ny fitiavana. Rehefa tehirizina ao amin’ny fanahy izany dia manome hamamiana ny fiainana sy mampiely hery manadio. 

Niezaka hampahafantatra ny tombontsoa tokony ho azon’ny Kristiana i Jaona raha vonona hanampy ny hafa izy ireo. Tokony hifehy ny fihetsika rehetra ny fahefan’i Kristy Mpanavotra ka hampisandratra ny fiainana kristiana eo ambonin’ny hery lehibe ao aminy io fitiavana io, ka manjary fanoitra mampihetsika ny fiainany, dia hahatratra ny fahatanterahan’ny fitokisana sy ny fahatokiana an’Andriamanitra izy eo eo andaniny, ary hahatanteraka koa ny fifandraisan’Andriamanitra aminy eo ankilany. Ho azony atao amin’izay ny manatona Azy amin’ny ho avy. “Izany no soratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo. Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika Aminy”. - VM, tt. 487,§3 – 488,§2.