«Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.»
1 Kôr. 13:4-7.

MOFON'AINA

Manaraka izany no nanambaran’i Paoly ny amin’ny loharano ipoiran’ny aingam-panahy sy ny fampaherezana iray ho an’ny mpino. Na tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, na ho an’ny olona ankehitriny dia mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fitiavana izy. Io fitiavana io no tokony hokatsahin’ny mpianatr’i Kristy: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana ny faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko ho an’ny malahelo aza ny fananako rehetra ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa akory izany” (1 Kôr. 13:1-3).

Na dia mendrika toy inona aza ny finoan’ny kristiana iray, raha tsy miboiboika fitiavana an’Andriamanitra ny fony ary tia ny namany, dia tsy tena mpianatr’i Kristy izy. Mety hanana finoana goavana izy, ka hahavita fahagagana, nefa raha tsy manana fitiavana izy, dia tsinontsinona ny finoany. Raha mampiseho fahalalahan-tanana eo am-pizarany ny fananany ho an’ny malahelo, dia tsy hahazoany sitraka amin’Andriamanitra ny asam-piantrana ataony. Noho ny hafanam-pony hanao ny asan’i Kristy, dia mety hiharan’ny fanenjehana ho maritiora izy; nefa raha tsy ny fitiavana no tena manosika azy dia ho toy ny manao hafanam-po tsy misy antony izy ary ho toy ny mpihatsaravelatsihy no ijeren’Andriamanitra azy. 

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo” (1 Kôr. 13:4).

Ny fitiavana tonga lafatra dia mipoitra avy ao amin’ny fanetren-tena lalina. Ny toetra matanjaka sy mendrika indrindra dia miorina eo amin’ny fahari-po sy ny fitiavana ary ny fileferana eo ambanin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po” (1 Kôr. 13:5). Ny fitiavana mitovy amin’ny an’i Kristy no mitady ny lafi-tsarany mandrakariva eo amin’ny asa sy ny fikasana ataon’ny namany. Tsy mba milaza tsy amin’antony ny kileman’ny hafa izy, ary tsy manongilan-tsofina amin’ny fifosana fa miezaka kosa hitarika ny sain’ny mpihaino hijery ny toetra tsara eo amin’ny hafa. 

Ny fitiavana “tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana, fa mifaly amin’ny fahamarinana kosa; mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra” (1 Kôr. 13:6,7). “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Kôr. 13:8). Tsy mety hihem-bidy izy satria toetran’Andriamanitra. Izay manana izany no hiditra any amin’ny lapan’ny lanitra ka hiravaka io zava-tsoa sarobidy io. - VM, tt. 278,§2 – 279,§5.