Imprimer
Catégorie : Fiambenana maraina

«Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.» - Rôm. 5:8.

MOFON'AINA

Tsy noho ny nitiavantsika Azy voalohany no itiavan’i Kristy antsika; fa “fony mbola mpanota isika” dia maty ho antsika Izy. Noho ny fahotantsika dia mendrika antsika Izy. Noho ny fahotantsika dia mendrika ny homelohina isika, nefa tsy manameloka antsika Izy. Efa nandritra ny taona maro no niaretany ny fahalementsika sy ny tsy fahalalantsika Azy, ny tsy fahaizantsika mankasitraka sy ny fahadisoan-dalana. Na dia teo aza ny firenirenentsika, ny fahamafisan’ny fontsika, ny fanaovantsika an-tsirambina ny Teniny Masina, dia mbola mitsotra ihany ny tanany. 

Ny fahasoavana dia toetra manokana an’Andriamanitra izay miasa amin’ny olombelona tsy mendrika. Tsy mitady izany isika, nefa nalefany hitady antsika izany. Mahafaly an’Andriamanitra ny mampitosaka ny fahasoavany amintsika, tsy noho ny fahamendrehantsika, fa noho isika tsy mendrika indrindra. Ny hany ahazoantsika ny famindram-pony dia noho ny tena ilantsika Azy. 

Ny Tompo Andriamanitra dia manatsotra ny tanany miantso ny mpanota sy ny lavo mandritra ny andro rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Vonon-kandray azy rehetra sy hanolo-tanana azy amim-pitiavana Izy. Voninahitra ho azy ny mamela heloka ny mpanota faraidiny indrindra. Horombahiny avy amin’ny afo ny forohana. Hampidina ny rojo volamenan’ny famindrampony Izy hatrany amin’ny lalina indrindra eo amin’ny fahalavoan’ny olombelona, ka hanandratra ny fanahy simba nolotoin’ny fahotana. - TMF, tt. 124 – 125,§2 / (FT) t. 101,§1-3.