« Niandry an’i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, ary ny teniny no nanantenako. Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina, dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina. » Sal. 130:5,6

MOFON'AINA :

Ny tenin’Andriamanitra dia matetika no mifanohitra amin’ny lafin-toetran’ny olona nolovainy na nokolokoloiny sy amin’ny fahazaram-piainany. Ny mpihaino atao hoe “tany tsara” anefa, rehefa nandre ny teny, dia manaiky ny fepetra sy izay rehetra tadiavina aminy. Ny fahazarany, ny fombany, ny fanaony dia ampileferiny eo ambanin’ny tenin’Andriamanitra. Eo imasony, ny baiko avy amin’izay olombelona izay mbola voafetra sy mania ihany, dia tsy misy antony eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra tsy voafetra. Amin’ny fony manontolo, amin’ny fikasana tsy voazarazara no ikatsahany ny fiainana mandrakizay, ary na dia hisy fatiantoka, na fanenjehana, eny na fahafatesana aza, dia hankatò ny fahamarinana izy. 

 Ary mamoa “amin’ny faharetana” izy. Tsy misy mandray ny Tenin’Andriamanitra ka afaka amin’ny zava-tsarotra sy ny fitsapana; fa rehefa tonga ny fahoriana, ny kristiana marina dia tsy hitabataba foana sy ho very fanantenana na ho kivy. Na dia tsy hitantsika aza ny fiafaran’ny fandehan-javatra, na tsy azontsika an-tsaina aza ny fikasan’ny fandaminan’Andriamanitra, dia tsy tokony hanary ny fitokiantsika isika. Eo am-pahatsiarovana ny famindrampo sy ny fitiavan’ny Tompo antsika isika, dia hametraka ny ahiahintsika eo Aminy, ary hiandry ny famonjeny amim-paharetana. 

Eo amin’ny fizahan-toetra dia mihamatanjaka ny fiainana ara-panahy. Ny fitsapana rehefa zakaina amin-kerim-po dia mampitombo sy mampifamatra ny toetra amam-panahy sy ireo fahasoavana sarobidy ara-panahy. Ny vokatra tanteraka indrindra amin’ny fahatsarany amin’ny finoana, ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana dia matetika no masaka eo amin’ny tafio-drivotra sy ny rahona ary ny haizina.  HF. tt. 41,§4 - 42,§2.