Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” - Rôm. 12:2.

MOFON'AINA

Araka ny fahita, ny lehilahy sy ny vehivavy izay manan-tsaina, manana fikasana tsy mihevitra ny tena, fironana ambony, dia ireo izay nanana ireo toetra amam-panahy, ireo nitombo teo amin’ny fiarahany tamin’ny namany fony izy mbola kely. Teo amin’ny fitondrany an’Isiraely, dia nanantitrantitra Andriamanitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny ankizy amin’ny fiarahany amin’ny hafa. Ny fandaminana rehetra teo amin’ny fiainana teo amin’ny fiaraha-monina, teo amin’ny fivavahana dia natao mba hitsinjovana ny fiarovana ny ankizy amin’ny namana manimba azy sy natao mba hahatonga azy ireo hifankazatra amin’ny fitsipika sy ny foto-kevitry ny lalan’Andriamanitra, dieny mbola kely izy. Ny lesona azo tsapain-tanana nomena teo amin’ny fahaterahan’ny firenena dia tokony ho tafalatsaka lalina ao amin’ny fo rehetra. Talohan’ny nianjadian’ny fitsarana farany mahatsiravina teo amin’ny Egyptiana, dia ny fahafatesan’ny lahimatoa, dia nibaiko ny vahoakany Andriamanitra hanangona ny zanany ao an-tokantranony. Voatentin’ny ra ny tolàm-baravarana rehetra, ary nitoetra teo ambanin’ny toky azo avy amin’io fiarovana io izy rehetra. Toy izany koa ankehitriny, ny ray aman-dreny izay tia sy matahotra an’Andriamanitra dia tokony hitana ny zanany ho eo ambanin’ny “mariky ny fanekena”, ao anatin’ny fiarovan’ireo hery masina miasa mangina sy tony tanteraka noho ny ran’i Kristy manavotra.

Izao no nolazain’i Kristy momba ny mpianatra: “Efa nomeko azy ny teninao; (...) tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao”. (Jao. 17:14)

Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao”, hoy ny baikon’Andriamanitra amintsika; “fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina”. (Rôm. 12:2) - TMF, tt. 333,§3 – 334,§1 / (F2) 262,§2-4.