Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa hatrany alohan’ny lalàna aza dia nisy ota tamin’izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna; fa ny fahafatesana nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy, na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ny maro kosa.” - Rôm. 5:12-15

MOFON'AINA

Mijoro ho marina ny fitondram-panjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa fanavotana ataon’i Kristy. Ampahafatarina ho Andriamanitra fitiavana ny fiampangana nataon’i Satana ary ho afa-tsarona ny toetra amam-panahiny. Tsy afaka hiverina na oviana na oviana intsony ny fikomiana. Tsy afaka hiverina hiditra indray eo amin’izao rehetra izao intsony ny fahotana. Voaaro amin’ny fihemorana ny rehetra mandritra ny mandrakizay. Noho ny fahafoizan-tenan’ny fitiavana, dia voafatotra amin’ny fatorana tsy azo vahana amin’ny Mpamorona azy ireo mponina eto an-tany. 

Ho tanteraka ny asan’ny fanavotana. Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra. Ny tany mihitsy, dia ilay toerana ihamboan’i Satana fa azy dia tsy hoe avotana fotsiny, fa asandratra koa. Ity izao tontolo izao kelintsika ity izay eo ambanin’ny ozon’ny fahotana, ka hany pentina mainty eo amin’ny voahary be voninahitra nataon’Andriamanitra, dia homem-boninahitra ambonin’izao tontolo izao rehetra. Eto amin’ity tany ity, izay nitoeran’ny Zanak’Andriamanitra an-day tao amin’ny nofon’olombelona, izay niveloman’Ilay Mpanjakan’ny voninahitra, izay nijaliany sy nahafatesany, - rahatrizay hohavaoziny ny zavatra rehetra ka ho eo amin’ny olona ny tabernakelin’Andriamanitra, eto amin’ity tany ity no “hitoetra eo aminy Izy, ary ireo ho olony ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny!” (Apôk. 21: 3). Koa mandritra ny andro maro tsy manam-pahataperana, raha mandeha eo amin’ny fahazavan’ny Tompo ny voavotra, dia hidera Azy izy ireo noho Ilay Fanomezany tsy hay ambara, - dia IMANOELA, “Amintsika Andriamanitra”. - IFM, tt. 17,§3 – 18.