Ary tsy tahaka ny avy amin’ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny anankiray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.” - Rôm. 5:16,17.

MOFON'AINA

Tamin’ny alalan’i Jesosy, dia niseho tamin’ny olona ny famindrampon’Andriamanitra; nefa tsy nampihataka ny fahamarinana akory ny famindrampo. Mampiseho ireo lafin’ny toetra amam-panahin’Andriamanitra ny lalàna, ary tsy misy azo ovana na dia ny tendron-tsoratra iray aza mba hanala tsiny ny fahalavoan’ny olona. Tsy novan’Andriamanitra ny lalàny, fa ny tenany no nataony sorona tao amin’i Kristy, ho fanavotana ny olona. “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy”. (2 Kôr. 5:19)

Mitaky fahamarinana ny lalàna – fiainana marina, toetra amam-panahy tanteraka; ary tsy manan-komena ny amin’izany ny olona. Tsy afaka manome fahafaham-po ny fitakian’ny lalàn’Andriamanitra masina izy. Nefa raha tonga teto an-tany tamin’ny maha-olombelona Azy Kristy, dia efa nivelona tamin’ny fiainana masina, ary efa nahavanona toetra amam-panahy tanteraka. Ireo dia atolony ho fanomezana maimaimpoana ho an’izay rehetra handray Azy. Ny fiainany no mijoro ho solon’ny fiainan’ny olona. Amin’izany fomba izany dia mahazo famelana ny ota tamin’ny lasa ny olona, noho ny faharipon’Andriamanitra. Ary mihoatra noho izany, dia vontosan’i Kristy amin’ny toetran’Andriamanitra ny olona. Manorina ny toetra amam-panahin’ny olombelona Izy, hanam-pitoviana amin’ny toetra amam-panahin’Andriamanitra, dia sangan’asa kanto feno hery sy hatsaran-tarehy ara-panahy. Amin’izay dia tanteraka mihitsy ao amin’ny mpino an’i Kristy ny fahamarinan’ny lalàna. Azon’Andriamanitra atao ny “ho marina sady ho mpanamarina izay mino an’i Jesosy”. (Rôm. 3:26) - IFM, t. 822,§2,3.