Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray. Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” - Rôm. 5:18-21.

MOFON'AINA

Liana fatratra ny olona ta-hahalala ny didim-pitsarana avoaky ny fitsarana eto an-tany, nefa maivana dia maivana izany raha mitaha amin’izay hita any an-kianjan’ny lanitra rehefa misy anarana voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana entina hodinihina eo anatrehan’ny Mpitsara ny tany rehetra. Mandahatra Ilay Andriamantra Mpanelanelana milaza fa izay rehetra nandresy tamin’ny alalan’ny finoana ny rany, dia avela ny fandikany ny lalàna, fa averina indray ao amin’ny tokantranony tao Edena izy, ary satroham-boninahitra amin’ny maha-mpiara-mandova azy Aminy ao “amin’ny fanapahana voalohany” (Mika 4:8). Nihevitra i Satana tamin’ny ezaka nataony hamitahana sy hakana fanahy ny taranak’olombelona fa hanafoana ny drafitra nataon’Andriamanitra tamin’ny namoronana ny olombelona; nefa nangataka izao Kristy ny hampiharana io drafitra io tahaka ny tsy lavo iny mihitsy ny olona. Tsy famelan-keloka fotsiny sy fanamarinana feno sy tanteraka ihany no angatahiny ho an’ny vahoakany, fa ny andraisany anjara amin’ny voninahiny sy toerana eo amin’ny seza fiandrianany. 

Raha mbola mandahatra ho an’ireo niantefan’ny fahasoavany Jesosy, i Satana kosa miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitra ho mpandika lalàna. Efa nitady izay hitarihana azy ho amin’ny fisalasalana ilay mpamitaka lehibe, hahatonga azy tsy hatoky an’Andriamanitra intsony; ho tafasaraka amin’ny fitiavany sy handika ny lalàny. Izao dia tondroiny ny tantaram-piainany, ireo kilema eo amin’ny toetra amam-panahiny, ny tsy fitoviany amin’i Kristy, izay nanala-baraka ny Mpanavotra azy, ireo fahotana rehetra izay nakany fanahy azy, ary noho ireny dia takiny ho olony izy ireo.

Tsy manala tsiny ny fahotany Jesosy fa asehony kosa ny fibebahany sy ny finoany, ka mitaky famelan-keloka ho azy Izy. Asandrany eo anatrehan’ny Ray sy ny anjely masina ireo tanany voaratra, ka hoy Izy hoe: Fantatro amin’ny anarany izy. Efa vita tombo-kavatsa eo amin’ny tanako izy. “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” –Sal. 51:17). Ary hoy izy amin’ilay mpiampanga ny vahoakany: “Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana; eny Jehovah izay nifidy an’i Jerosalema anie hananatra anao; tsy forohana nosarihina tamin’ny afo va ity?” (Zak. 3:2) Hotafin’i Kristy amin’ny fahamarinan’ny tenany ireo olony mahatoky, mba hahazoany mitondra azy eo anatrehan’ny Ray “ho fiangonana madio, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany” (Efes. 5:27). Voatana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany, ary izao no voasoratra ao momba azy ireo; “ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy”. (Apôk. 3:4) - HM, tt. 500 - 501.