Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.” - Rôm. 6:1-4.

MOFON'AINA

Na taiza na taiza nitoriana ny tenin’Andriamanitra tamim-pahatokiana dia nahitam-bokatra izay nanamarina ny maha-avy tamin’Andriamanitra ny hafatra. Nomba ny hafatra nentin’ny mpanompony ny Fanahin’Andriamanitra ka nanan-kery ny teny. Tsapan’ny mpanota fa nihamatanjaka ny feon’ny fieritreretany. Ny “mazava izay nahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao” no namirapiratra tao amin’ny efitra manginginan’ny fanahiny ka niharihary ny zavatra nosaronan’ny haizina. Niaiky marina tokoa ny saina amam-pony. Resy lahatra ny amin’ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ho avy izy. Nahatsapa ny fahamarinan’i Jehovah izy ka toran-kovitra ny hiseho, amin’ny fahadisoany sy ny tsy fahadiovany eo anatrehan’Ilay Mpandinika ny fo. Tamim-pitebitebena no niantsoany hoe: “Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rehefa nasehony ny fijalian’i Kalvary, sy ny sorona sarobidy naterina teo noho ny fahotan’ny olombelona, dia hitan’izy ireo fa tsy misy afa-tsy ny fahamendrehan’i Kristy no ampy hanavotana ny fandikan-dalàna nataony; io ihany no afaka hampihavana azy amin’Andriamanitra. Tamim-pinoana sy fanetren-tena no nanekeny ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny ran’i Jesosy no “tsy namalian’Andriamanitra ny fahotany lasa”. 

Ireny fanahy ireny dia nitondra vokatra mendrika ny fibebahana. Nino izy dia natao batisa, ary nitsangana mba handeha amin’ny fiainam-baovao – dia olom-baovao ao amin’i Kristy Jesosy; tsy araka ny filan’ny nofo teo aloha, fa hanaraka ny dian’ny Zanak’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny finoana Azy, hitaratra ny toetra amam-panahiny ary hanadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. Ny zavatra nankahalainy teo aloha no ankamamiany ankehitriny ary izay notiaviny kosa dia manjary ankahalainy izao, ny mpirehareha sy ny mpitompo-teny fantatra dia nanjary nalemy fanahy sy tsy niavona am-po. Ny mpieboebo foana sy ny mpanambony tena nanjary maotona sy mipetrapetraka. Ny mpaniratsira tonga feno fanajana, ny mpidoroka mahonon-tena ary ny mpijangajanga madio fiaina. Nafoy ireo fomba amam-panaon’izao tontolo izao tsy misy antony. Tsy nitady ny firavaka eny ivelany ny Kristiana, “toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana fa (...) ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra”. (1 Pet. 3:3,4) - HM, tt. 475 - 476,§1.