“Ary tahaka ny nanandratanan’i mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratrana ny Znak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.” Jao. 3:14,15

Mofon’aina:

  Ny nanandratana ilay menarana varahina (Nom. 21:4-9) dia natao mba hampianatra lesona manan-danja ny Isiraely. Tsy afaka namonjy ny tenany tamin’ny hery mahafatin’ny poizina tao amin’ny ratrany izy ireo. Andriamanitra irery ihany no afaka nanasitrana azy ireo. Saingy mbola nangatahina haneho ny finoana izy ireo ho fanantanterahana izay nolazainy. Tsy maintsy mijery izy ireo mba ho velona. Ny finoan’izy ireo no azo nekena teo anatrehan’Andriamanitra, ary ny fibanjinan’izy ireo ilay menarana no nanehonay ny finoany. Hain’izy ireo fa tsy nisy fahatsarana tao amin’ny maha-izy ilay menarana , fa tandidon’i Kristy izany, ary ny filana ny finoana ao amin’ny Fahamendrehany araka izany dia naseho tao amin’ny fisainan’izy ireo. Hatreto dia maro no nitondra ny fanatirt’izy ireo teo amin’Andriamanitra, ary nahatsapa fa amin’ny fanaovana izany dia nanao fanatitra fisoloana ampy ho an’ny fahotany izy ireo. Tsy niankina tamin’ilay Mpanavotra izay ho avy izy ireo, izay naseho ara-tandindona tamin’ireo fanatitra ireo. Ankehitriny ny Tompo dia te hampianatra azy ireo fa ny sorona nataon’izy ireo , amin’ny maha-izy azy, dia tsy manana hery hafa na fahefana mihoatra noho ilay menarana varahina, fa tahaka izany koa, mba hitarika ny sain’izy ireo ho amin’i Kristy, ilay fanatitra lehibe noho ny ota (...).

  Namonjy ny ainy tamin’ny alalan’ny fibanjinana ilay menarana nasandratra ireo Isiraelita. Naneho finoana io fibanjinana io. Velona izy ireo satria nino ny tenin’Andriamanitra, ary nahatoky ny fomba izay natolotra mba hamerenana amin’ny laoniny azy ireo. Toy izany koa no tokony hibanjinan’ny mpanota an’i Kristy, ka ho velona. Mandray famelana amin’ny alalan’ny finoana izy amin’ny fanatitra fisoloana . Tsy toa ireo tandindona tsy mihetsika sy tsy misy aina, i Kristy dia manana hery sy fahefana ao amin’ny Tenany mba hanasitrana ireo mpanota mibebaka.

  Rehefa tsy afaka mamonjy ny tenany ny mpanota, dia mbola manana zavatra tokony hatao izy mba hihazonana ny famonjena. “Izay manatona Ahy” hoy Kristy, “dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao. 6:37. Fa tsy maintsy manatona Azy isika; ary rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika isika, dia tsy maintsy mino isika fa hanaiky sy hamela antsika Izy. Fanomezan’Andriamanitra ny finoana, fa ny hery hampiharana izany dia antsika. Ny finoana no tanana izay handraisan’ny fanahy ireo tolotra avy any ambonin’ny fahasoavana.

 

  Nampanantena ny Teniny i Jesosy; hamonjy izay rehetra manatona Azy Izy. Na dia an-tapitrisany izay mila izany mba hositranina aza no handà ny famindrampo atolony , tsy misy na dia iray aza izay matoky ny fahamendrehany havela ho very.