“Fa fahasoavan no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra.” Efes. 2:8

Mofon’aina:

  Fanirian’ny apôstôly ny mba hahatsiarovan’ireo izay nanoratany fa tsy maintsy maneho eo amin’ny fiainany ny fiovana be voninahitra nentina teo aminy tamin’ny alalan’ny fahasoavana manovan’i kristy izy ireo. Tokony ho fahazavana eo amin’izao tontolo izao izy ireo, amin’ny alalan’ny toetrany voadio, voamasina mampihatra hery miasa mangina manohitra ny hery miasa manginan’ny tafik’i Satana. Tokony hotsarovan’izy ireo indrindra ireo teny hoe: “tsy avy amin’ny tenanareo”. Tsy afaka hanova ny fony izy ireo. Ary amin’ny alalan’ny ezak’izy ireo, ny fanahy dia voatarika hiala amin’ny laharan’i Satana mba hijoro ho an’i Kristy, tsy mila mangataka laza ho an’ny fanovana natao.

  Miantso izay rehetra maniry ny ho avy sy hisotro amin’ny ranon’aina maimaimpoana Andriamanitra. Ny herin’Andriaùanitra no singan’ny fahombiazana ao amin’ny asa lehibe hahazoana ny fandresena izao tontolo izao sy ny nofo ary ny ratsy. Mifanaraka amin’ny drafitra avy any ambony ny hanarahantsika ny taratra tsirairain’ny hazavana nomen’Andriamanitra. Tsy afaka manatanteraka  na inona na inona tsy miaraka amin’Andriamanitra ny olombelona ; ary nandamina ny drafiny ho toy izany Andriamanitra mba tsy hanatanterahana na inona na inona amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny taranak’olombelona raha tsy misy fiaraha-miasa amin’ny olombelona miaraka amin’ny any ambony. Ny ajara takina amin’ny olombelona mba hohazoniny dia tena bitika tokoa, ary na dia ao amin’ny drafitr’Andriamanitra aza dia io ampahany io indrindra no ilaina mba hahatonga ny asa ho fahombiazana.

  Ny fiovana lehibe hita eo amin’ny fiainan’ny mpanota iray taorian’ny fiovam-po dia tsy vokatry ny fahatsaran’olombelona. Izy izay manankarena famindram-po dia nanolotra ny Fahasoavany ho antsika. Amin’izany dia aoka ny dera sy ny fisaorana no hisandratra ho any Aminy, satria tonga Mpamonjintsika Izy. Aoka ny fitiavany mameno ny fontsika sy ny saintsika, hitobaka avy amin’ny fiainantsika amin’ny haren’ny rian’aratry ny fahasoavana. Fony mbola maty tamin’ny fandikan-dalàna sy ny fahotana isika, dia nanafaingana antsika ho amin’ny fiainam-panahy Izy. Nitondra fahasoavana sy famelan-keloka Izy, nameno ny fanahy tamin’ny fiainam-baovao. Amin’izany ny mpanota dia tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Ankehitriny izy dia mitondra ny adidiny vaovao ao amin’ny fanompoana an’i Kristy. Tonga marina sy mahery ny fiainany, feno asa tsara. “Satria velona Aho”, hoy i Kristy, “dia ho velona hianareo”.

 

  Tsy hisy famindrampo faharoa intsony. Ankehitriny, rehefa antsoina izany, raha hihaino ny feon’ny Tompo isika, ka hitodika tanteraka Aminy, dia hamindra fo amintsika Izy, hanome famelan-keloka mitafotafo.