“Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va? Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay” 1 Tes. 2:19,20

Mofon’aina:

  Nety ho tratran’Andriamanitra tsy nila fanampiana avy amintsika ny tanjony amin’ny famonjena ny mpanota; saingy mba hananantsika toetra toy ny an’i Kristy, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny asany koa isika. Mba hidirantsika amin’ny fifaliany – dia ny fifaliana amin’ny fahitana fanahy voaavotra noho ny sorona nataony – dia tsymaintsy mandray anjara amin’ny asany ho famonjena ireo fanahy ireo isika.

  Olona tsy maintsy tolorana antso ho ao amin’ny Fanjakany no hitan’i Jesosy eo amin’ny fanahy tsirairay. Nanatratra ny fon’ny olona Izy tamin’ny fandehadehanany teo anivon’izy ireo, naniry ny soa ho azy ireo. Nitady azy ireo Izy teny an-dalambe , tany an-tranon’olona manokana, teny ambony sambo, tao amin’ny sinagoga, teny amoron’ny farihy, ary tao amin’ny fanasana fampakaram-bady. Ary naneho fahalianana tamin’ny raharahany. Nitondra ny fampianarany tao an-tokantrano Izy, nitondra ireo fianakaviana ho ao an-tranon’izy ireo nomban’ny hery miasa mangina avy amin’ny fanatrehany. Ny firaisam-po lalina nasehony manokana dia nanampy tamin’ny fahazoana fo maro.

  Tamin’ny alalan’ny fifampikasohana sy fifandraisana manokanano nanofanan’i Jesosy ny mpianany. Niara-nipetraka tamin’izy ireo teny an-tehezan-tendrombohitra, indraindray, no nampianarany azy ireo; indraindray teny amoron-dranomasina, na nandeha niaraka tamin’izy ireo teny an-dalana, no nanehoany ireo zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy ninantsanantsana toy izay ataon’ny olona ankehitriny Izy. Na taiza na taiza nisy fo nisokatra mba handray ny hafatra avy any ambony, dia noborahiny ny fahamarinan’ny lalam-pamonjena. Tsy mba nibaiko ny mpanany hanao an’itsy na iroa Izy, fa nanao fotsiny hoe” Manaraha Ahy”. Nentiny niaraka taminy izy ireo, nandritra ireo diany namakivaky ny vohitra sy tanàna, mba ho hitan’izy ireo ny fomba fampianarany ny vahoaka (...).

 

  Ny ohatr’i Kristy tamin’ny nampifandraisany ny Tenany tamin’ireo tombontsoan’ny taranak’olombelona no tokony harahin’izay rehetra mitory ny teniny, sy izay rehetra nandray ny filazantsaran’ny fahasoavany. Tsy avy eny amin’ny polipitra ihany no ikasihan’ny fahamarinana avy any ambony ny fon’ny olona. Mbola misy sahan’asa hafa, tsotra kokoa angamba, saingy mahabe fanantenana. Any an-tolantranon’ny mahantra, sy any amin’ny tranoben’ny olona ambony; any amin’ny trano fandraisambahiny, sy any amin’ireo fivoriana misy fifalifaliana madio ataon’ny mpiara-monina, no ahitana izany sahan’asa izany (...). Na aiza na aiza alehantsika dia tokony hitondra an’i Jesosy miaraka amintsika isika, sy haneho amin’ny hafa ny maha-sarobidy ny Mpamonjintsika.