“Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro”. 2 Kôr. 4:15

Mofon’aina:

  Ny fiangonana dia fitaovana voatendrin’Andriamanitra mba ho famonjena ny olona. Voalamina ho amin’ny fanompoana izany, ary ny iraka nampanaovin’azy dia ny hitondra ny filazantsara ho any amin’izao tontolo izao. Hatrany am-piandohana dia efa drafitr’Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny fiangonany no hitarafana ny fahafenoany sy ny fahampiany ho an’izao tontolo izao . Ireo mambra ao amin’ny fiangonana, izay nantsoiny hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga, dia tokony haneho ny voninahiny. Ny fiangonana no toerana fametrahana ny harem-pahasoavan’i Kristy. ; ary amin’ny alalan’ny fiangonana mazava ho azy na hanehoana na dia ireo “fanapahana sy fahefana any an-danitra” Efes. 3:10 – aza, ny fanehoana feno sy farany ny fitiavan’Andriamanitra (...).

  Ny fiangonana no mandan’Andriamanitra , ny Tanàna fandosirany, izay hazoniny ao anatin’ny tontolo mikomy iray (...)

  Nandritra ireo vanim-potoanan’ny haizina ara-panahy , ny fiangonan’Andriamanitra dia toy ny tanàna miorina eo an-kavoana. Nandritra ireo taona nifanesy , tamin’ny alalan’ny taranaka nifandilby , dia novelarina teo amin’ny sisin-taniny ireo foto-pinoana madion’ny lanitra. Toa marefo sy tsy mahombyno nahitana azy, ny fiangonana dia iray amin’ireo zavatra izay anomezan’Andriamanitra amin’ny heviny manokana ny fijeriny ambony indrindra. Izany no lampihazon’ny fahasoavany, ao no ahitana ny fifaliana amin’ny fanehoana ny heriny mba hanova fo.

 

  Tahaka ny itsofohan’ny taramasoandro any amin’ny zoro maizina indrindran’ny tany, dia toy izany no anendren’Andriamanitra fa ny fahazavan’ny fahamarinana dia tokony hanerana ny fanahy tsirairay eto ambonin’ny tany . Amin’izao fotoana izao, raha eo am-piasana mafy tsy mbola nisy toy izany mba hanintona ny sain’ny lehilahy sy vehivavy ilay fahavalo, dia tokony hiasa amin’ny hetsika mitombo hatrany isika. Amin-kerim-po tsy amin’ny fitiavan-tena , dia tokony hanambara ny hafatra faran’ny famindram-po any amin’ireo tanan-dehibe isika- eny an-dalambe sy sakelidalana . Natao hotratrarina avokoa ireo sokajy rehetra. Rehefa miasa isika dia tokony hihaona amin’ny fokom-pirenena samihafa. Tsy misy tokony hodinganina ka tsy hampitandremana . Ny Tompo Jesosy no fanomezan’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao – tsy ho an’ny saranga ambony irery, ary tsy ho an’ny firenena iray monja, ka ny hafa tsy tafiditra ao. Ny fahasoavany mamonjy dia mihodidina izao tontolo izao. Na iza na iza maniry, dia afaka misotro amin’ny ranon’aina. Misy tontolo iray izay miandry ny handre ny hafatry ny fahamarinana ankehitriny.