“Ary hotoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany” Mat. 24:14

Mofon’aina:

  Hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany, ny filazantsaran’i Kristy dia filazantsaran’ny fahasoavana mamonjy. Hevitra miavaka sy mifehy izany, fanampiana ho an’izay mila izany, fahazavana ho an’ny maso jamba tsy mahita ny fahamarinana, ary mpitarika ho an’ny fanahy mikatsaka ny tena fanorenana marina. Ny famonjena feno sy maharitra mandrakizay dia azon’ny fanahy rehetra raisina. Miandry ary mangetaheta hanambara famelan-keloka i Kristy, ary hanolotra ilay fahasoavana omena maimaimpoana. Mijery izy ary miandry miteny toy izay nolazainy tamin’ilay jamba teo ambavahadin’i Jeriko hoe: “Inona no tianao hataoko aminao?” Mar. 10:51. Hesoriko ny helokao; hosasako amin’ny Rako ianao.

  Eny amin’ny lalamben’ny fiainana rehetra dia misy fanahy hovonjena. Miraparapa ao amin’ny haizina ny jamba. Omeo azy ireo ny fahazavana, ary hitahy anao Andriamanitra amin’ny maha-mpiasany anao.

  Mila hafanam-po bebe kokoa ho an’i Kristy isika. Tokony homena amin’ny hery ilay hafatra miezinezin’ny fahamarinana, hanaitra ireo tsy mpino fa miasa miaraka amin’ny ezaka ataontsika Andriamanitra, ary ny Avo indrindra no loharano velon’ny fahatanjahantsika. Tombontsoa ho an’ny kristianina tsirairay, tsy ny hikatsaka fotsiny ihany, fa ny hanafaingana ny fiavian’ny Tompontsika Jesosy Kristy. Raha ireo rehetra manambara ny anarany no hitondra vokatry ny voninahiny, dia ho faingana manao ahoana ho an’izao tontolo izao manontolo ny ho voafafy farany, ary ho avy i Kristy hanangona ireo voa sarobidy.

  Tonga ny fotoana  rehefa amin’ny alalan’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra no hamelarana ny horonan-taratasy ho amin’izao tontolo izao. Ny fahamarinana ao anatin’ny hafatry ny anjely voalohany sy faharoa ary fahatelo dia tsy maintsy mandeha mankamin’ny firenena, fokom-pirenena, samy hafa fiteny , ary ny olona rehetra; tsy maintsy manazava ny fahamaizinan’ny tanibe tsirairay izany, ary handrakotra ireo nosy any amin’ny ranomasina . Tsy tokony hisy fahatarana eo amin’io asa io.

 

  Ny teny fanevantsika dia tokony hoe: mandroso, mandroso hatrany! Ny anjelin’ny lanitra no hialoha antsika ka hanomana ny lalana; Ny enta-mavesatra manindry antsika amin’ireo faritra rehetra dia tsy azo apetraka raha tsy efa nohazavain’ny voninahitr’Andriamanitra avokoa ny tany iray manontolo.