“Masina, masina, masina Jehovah Tompon’ny maro: Henika ny voninahiny ny tany rehetra” Isa. 6:3

Mofon’aina:

  Raha vao nivoaka avy teo am-pelatan’ny Mpahary, tsy ny zaridainan’i Edena ihany fa ny tany iray manontolo mihitsy, no tao anatin’ny fahatsarana tonga lafatra. Tsy nisy pentin’ny fahotana, na aloky ny fahafatesana, nandindona ilay famoronana tonga lafatra.

  Ny voninahitr’Andriamanitra “manarona ny lanitra ary manenika ny tany ny fiderana Azy” Hab. 3:3. “Niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra” Jôba 38:7. Noho izany ny tany dia tena famantarana naneho Azy izay “be famindrampo sy fahamarinana” Eks. 34:6, tena fianarana mifanaraka tsara ho an’ireo izay noforonina ho araka ny endriny. Ny sahan’i Edena dia fanehoana ny fanirian’Andriamanitra ho an’ny tany, ary tanjony, arakaraka ny hitomboan’ny isan’ny fianakavian’olombelona, ny hanorenan’izy ireo trano sy sekoly hafa mitovy amin’ilay iray izay nomen’Andriamanitra.Araka ny fandehan’ny fotoana izany ny tany iray manontolo dia tokony ho feno trano sy sekoly maro izay tokony ho nianarana ny teny sy ny asan’Andriamanitra, ka ireo mpianatra dia ho tonga taratry ny fahafenoany, mandritra ireo taona tsy manam-pahataperana, ny fahazavan’ny fahalalana ny Voninahiny.

 

  Rehefa nivoaka teo am-pelatanan’ny Mpamorona i Adama , dia nitondra, teo amin’ny vatany, ny fisainany, ary ny ara-panahiny, fanahafana ilay Mpanao azy. “Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny” Gen. 1:27, ary tanjony ny hoe: arakaraka ny hiainan’ilay lehilahy ela no tokony hitarafany bebe kokoa ny endriny – ny hitarafany amin’ny fahafenoany kokoa ny voninahitry ny Mpamorona. Ny fahafaha-manaony rehetra dia afaka nivelatra; ny tanjany sy ny heriny dia tokony ho nitombo hatrany. Goavana tokoa ny fivelaran’ny zavatra azon’izy ireo natao, be voninahitra ny sahan’asa nisokatra ho amin’ny fikarohan’izy ireo. Ireo zava-miafin’ny tontolo hita maso – ny “fahagagana avon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana” Jôba 37:16. – dia nisintona ny fandinihan’ny olomnelona. Fifanatrehan-tava mivantana, firaisam-po tamin’ny Mpanao azy no tombontsoany ambony indrindra. Raha nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy, dia ho azy mandrakizay izany rehetra izany mandritra ny taona mandrakizay dia ho nitohy nahazo raki-tsarobidin’ny fahalalana izy, hahita loharanom-pifaliana vaovao hatrany, ary nahazo fahatakarana mazava ary mazava kokoa hatrany ny fahendrena sy ny hery ary ny fitiavan’Andriamanitra. Dia ho tanterany tsikelikely ny tanjon’ny namoronana azy, ho tratrany amin’ny fahafenoany tsikelikely ny fitarafana ny voninahitry ny Mpamorona.