“Mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” Rôm. 5:21

Mofon’aina:

  Ny drafitra izay hany ahazoana antoka ny famonjena ny olombelona , dia mahakasika ny lanitra manontolo tao amin’ny sorona tsy hita fetra. Tsy afaka nifaly ny anjely raha nanokatra teo anoloan’izy ireo ny drafi-pamonjena i Kristy, satria hitan’izy ireo fa ny famonjena ny taranak’olombelona dia tsy maintsy hiteraka fahavoazana tsy hay lazaina ho an’ny Kômandy malalan’izy ireo. Tao anatin’ny alahelo sy ny fitalanjonana no nihainoan’izy ireo ny Teniny raha nilaza tamin’izy ireo ny tsy maintsy hidinany hiala avy amin’ny fahadiovana sy ny fiadanan’ny lanitra Izy, ny fifaliany sy ny voninahiny ary ny fiainana tsy misy fahafatesana , ary ho tonga hifampikasoka amin’ny fahasimban’ny tany, mba hiaritra ny fahavoazana sy henatra ary fahafatesana ao aminy. Tsy maintsy nijoro nanelanelana ny mpanota sy ny famaizan’ny fahotana Izy; nefa mbola vitsy ihany no naniry handray Azy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy. Nandao ny toerana ambony amin’ny maha-Mpanjakan’ny lanitra Azy Izy, hiseho eto an-tany ary hanetry ny Tenany ho tonga olombelona, ary amin’ny alalan’ny fanandramany manokana dia hifankazatra amin’ny fahoriana , sy fakam-panahy izay tsy maintsy hiaretan’ny olombelona. Tena ilaina izany rehetra izany mba hahafahany manavotra ireo izay tsy maintsy alaim-panahy. Rehefa tsy maintsy hifarana ny iraka nampanaovina Azy amin’ny maha-mpampianatra Azy, dia tsy maintsy hatolotra ho eo an-tanan’ny olon-dratsy ka hiaritra ny faniratsirana sy ny fampijaliana rrehetra izay azon’i Satana atoro azy ireo mba hataony. Tsy maintsy hiatrika ny fahafatesana ratsy indrindra !izy, hihantona eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany toy ny mpanota meloka. Tsy maintsy handalo ora maro hiaritra ny fijaliana mafy indrindra izay tsy ho tantin’ny anjely ny hanatrika izany, fa hanafina ny tavany tsy hahita izany izy ireo. Tsy maintsy miaritra fahoriam-panahy Izy, ny fanafenan’ny Rainy ny tavany, raha ny fahamelohan’ny fandikan-dalàna – ny vesatry ny fahotan’izao tontolo izao- no tsy maintsy ho eo Aminy.

  Nangataka ireo andian’anjely rehetra Izy mba hiombona amin’ny drafitra izay neken’ny Ray, ary hifaly fa, amin’ny alalan’ny fahafatesany, ny olombelona lavo dia ho afaka hihavana ami’Andriamanitra.

 

  Nony avy eo, fifaliana, fifaliana tsy hay ambara, no nameno ny lanitra. Ny voninahitra sy ny fitahian’ny tontolo voaavotra, dia nihoatra lavitra noho ny fahoriana sy ny soron’ilay Andrian’ny fiainana. Nanerana ireo kianjan’ny lanitra no nampanako voalohany ilay hira izay natao hohiraina teo ambonin’ireo havoan’i Betlehema- “Voninaihtra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” Lio. 2:14