"Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra." - 2 Kôr. 7:1.

Mofon’aina :

Maro ireo nianjadian’ny harerahan-tsaina be izay tsy nohamaivanin'ny fampiasan-tena. Ny vokatr'izany dia fitontonganan'ny hery ka manjary manana fironana hitsoaka andraiktra izy ireo. Ny ilain’izy ireo dia fanaovana asa vatana am-pahavitrihana. Izany fitsipika izany dia tsy natao fotsiny ho an'ireo manana volo efa fotsin'ny fanalan'ny fotoana; fa ny tanora ihany koa izay tafalatsaka amin'ny toe-javatra toy izany dia manjary osa ara-tsaina.

Ny fahazarana feno fahononan-tena hentitra, ampiarahana amin'ny fampiasana ny hozatra sy ny saina, dia hanolokolo ny herin-tsaina sy ny herim-batana, ka hanome tanjaka sy lazon'ady ho an'ireo manana anjara amin'ny asa fanompoana, ho an'ireo tonian-dahatsoratra, sy ho an'ireo rehetra izay manana fomba fiainana tsy mitaky fampiasam-batana.

Ny pasitora, ny mpampianatra sy ny mpianatra dia tsy manana fahazavan-tsaina araka izay tokony hananany mikasika ny filàna ny fampiasam-batana eny ankalamanjana. Ataon'izy ireo tsirambina io adidy io, adidy izay tena ilaina amin'ny fitandroana ny fahasalamana. Mampifantoka be ny sainy amin'ny fianarana izy ireo, kanefa ny sakafo hohaniny dia tony ny sakafon’olona miasa vatana. Misy amin'izy ireo no manjary matavy noho ny fahazarana toy izany, satria tsentsina ny rafitra ao amin'ny tenany. Ny sasany kosa tonga mahia sy osa, satria very hery be ny tenany, manilika ny sakafo diso tafahoatra (...). Raha ampiarahina amin'ny fampiasan-tsaina ny fampiasam-batana, dia ho tsara kokoa ny fikorianan'ny ra, ary ho araka ny tokony ho izy ny fiasan'ny fo, ho voailika ny singa maloto, ary aina sy hery vao no ho tsapa amin'ny faritra rehetra amin'ny vatana.

Asa masina ity tanterahintsika ity (...) Adidintsika eo anatrehan’Andriamanitra ny mihazona ny saina ho madio, satria tempolin’ny Fanahy Masina. Raha atokana ho amin'ny fanompoana an’Andriamanitra ny saina sy ny fo, ka mankato ny lalàn’Andriamanitra, ary tia Azy amin'ny fo sy ny fahafaha-manao, amin'ny ny saina sy ny hery manontolo, ary tia ny namantsika tahaka ny tenantsika, dia ho hita mahatoky amin'ny fepetra takin'ny lanitra isika.

 

Ao anatin'ny sahan'asan’Andriamanitra isika izao. Maro amintsika no vato marokoroko mbola tsy voatefy. Kanefa rehefa entina ho eo amintsika ny fahamarinan'Andriamanitra, dia voaaisotra ny tsy fahatomombanana rehetra, ary vonona ny hamiratra toy ny vato velona ao amin’ny tempolin'ny lanitra isika, izay hampiraisana antsika, tsy amin'ny anjely masina ihany, fa amin'ny Mpanjakan'ny lanitra mihitsy. Ny fahatakarana ny tokony hatao no fanafody tsara indrindra ho an'ny vatana sy ny saina marary. Ny fitahiana manokana avy amin’Andriamanitra izay mitoetra eo amin’ny mpandray azy dia fahasalamana sy hery. Ny olona izay mahatsapa fahatoniana sy fahafaham-po ao amin’Andriamanitra dia mizotra eo amin'ny lalan'ny fahasalamana. — CTBH, 160-162.