“Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. Mat. 25:34

Mofon’aina:

   Efa akaiky sy antomotra mihoatra noho ny niheverantsika azy tamin’ny voalohany indrindra ny fiavian’i Kristy. Efa akaiky ny fiafaran’ilay hery mifanandrina. Efa mby an-toerana ny fitsaran’Andriamanitra. Miteny amin’ny fomba manetriketrika izy ireo manaho hoe: “Koa miomana kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny zanak’olona” Mat. 24:44

  Miaina ao anatin’ny fiafaran’ny tantaran’izao tontolo izao isika. Tanteraka hainga dia haingana ny faminaniana. Vetivety dia tapitra ny fotoanan’ny fahafahana. Tsy manana fotoana na ora, hahatonga antsika ho resy isika.  Aoka isika tsy ho hita ho resin’ny torimaso ka tsy miambina. Aoka tsy hisy olona na dia iray aza hilaza ao am-pony na amin’ny alalan’ny asany ka hanao hoe: “Maharitra ela ny tompoko” Mat. 24:48. Ataovy izay hahatonga ny hafatra momba ny fiverenan’i Kristy tsy hoe ela mba ho voalaza amin’ny alalan’ny teny feno fampitandremana (...)

  Aoka isika mba ho vonona ny hanao araka izay tratry ny heirntsika rehetra mba hanaparitaka ny fahazavana ho an’ireo olona rehetra manodidina antsika. Tsy tokony halahelo na ho kivy isika, fa tokony ho feno fifaliana hatrany, ary tokony hitazona an’i Jesosy Tompo ho eo alohantsika hatrany. Ho avy tsy ho ela IOzy, ary tsy maintsy vonona isika ary miandry ny fisehoany. Ho voninahitra lehibe tahaka ny ahoana re izany ho hahita Azy izany ary harahabainy tonga soa amin’ny maha-olom-bonjeny antsika! Efa ela no niandry isika, kanefa tsy tokony hihena ny fanantenantsika. Raha toa ka tsy mahita afa-tsy ny fahatsaran’ny Mpanjaka isika, dia hahazo fitahiana mandrakizay. Toa misy fahatsapana tsapako ato anatiko, tsy maintsy hiteny amin’ny feo mafy manao hoe:” hiverina amin’ny tany niaviana!” efa manakaiky ny fotoana izay hiverenan’i Kristy amin-kery sy voninahitra lehibe isika, izay hakany ireo izay efa nanolorany ny ainy ho any amin’ilay trano fonenany mandrakizay (....)

 

   Efa ela no niandrasantsika ny fiavian’ilay Mpamonjintsika. Kanefa na izany aza dia azo antoka ny teny fikasana nomeny. Tsy ho ela dia ho tonga any amin’ilay fonenana sy trano efa nampanantenainy antsika isika. I Jesosy no hitarika antsika rehefa tonga any, ho eo anilan’ilay rano mikoriana avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary amin’izay fotoana izay no hanazavany amintsika ny mikasika ilay herin’ny maizina izay navelany hosetraitsika teto amin’ity tany ity mba hahatonga antsika hanana toetra tonga lafatra sy tanteraka. Any no ahitantsika amin’ny fomba fijery tsy misy mipika fa amin’ny endriny tonga lafatra ilay Edena efa voatahiry tamin’ny endriny voajanahary. Hatsipintsika eo an-tongotry ny Mpanavotra ny satroboninahitra izay napetrany teo amin’ny lohantsika , hitendry ny lokangantsika vita amin’ny volamena isika ary hofenointsika fiderana an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ny lanitra manontolo.