“Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy” Mat. 25:31.

  Re ny feon’Andriamanitra miteny avy an-danitra, manambara ny andro sy ny ora hiavian’i Jesosy, ary milaza amin’ny olony ilay fifanekena mandrakizay. Tahaka ny firaon-draon’ny kotro-baratra mafy indrindra no firedon’ny feony ety an-tany. Hihaino eo am-pitsanganana ireo Zanak’i Isiraelin’ANdriamanitra, ary ny mason’izy  ireo hibanjina ny lanitra. Hamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra ny tavan’izy ireo.

  Tsy ela aorian’izay dia hita manangasanga eny atsinanana ny rahona mainty kely iray, tahaka ny haben’ny felatanan’olombelona fantatry ny vahoakan’Andriamanitra fa io no famantarana ny Zanak’olona. Ao anatin’ny fahanginana lehibe no handinihan’izy ireo izany, arakaraka ny hanakekezany ny tany, manjaray mihamazava tsikelikely ary lasa be voninahitra kokoa, mandra-pahatongany ho lasa rahona fotsy lehibe , ary ny fototra hiorenany dia be voninahitra ary tahaka ny afo mandoro, ary eo amboniny dia hisy ny havan’ny fanekena. I Jesosy no mitarika izany, amin’ny maha-mpandresy mahery Azy.

  Amin’ny alalan’ny hiran’ny lanitra, no hanotronan’ireo anjely masina, maro be tsy voaisa, Azy eny amin’ny lalana rehetra izay izorany sy alehany. Raha jerena dia toa feno endrika zava-manan’aina mamirapiratra “alinalina sy arivoarivo” ny lanitra (Apok. 5:11). Tsy misy penin’olombelona afaka mamariparitra sy maneho an-tsary izany trangan-javatra izany; tsy misy sain’olombelona mety maty afaka haka sary an-tsaina ny hatsaran’izany fotoana izany.

  Mihorohoro ireo olo-marina eo am-pihikana hoe: “ka iza no mahajanona?” Apok. 6:17. Hitsahatra ary hangina ny hiran’ireo anjely, hisy fotoana feno fahanginana mampahatahotra. Amin’izay fotoana izay ho re n feon’i Jesosy milaza hoe: “Ampy ho anareo ny fahasoavako” 2 Kor. 12:9. Hamirapiratra ny endrik’ireo olo-marina, ary fifaliana no hameno ny fo rehetra. Horedonin’ireo anjely indray ny hira, ary ataony amin’ny feo avo kokoa.

 

  Hidina avy eny amin’ny rahona ny Mpanjakan’ny Mpanjaka , voarakotry ny afo miredareda. Hivalona ny lanitra, mihorohoro ny tany manoloana Azy, ary ireo tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia hifindra hiala eo amin’ny toerana nisy azy. Aleon’ireo ratsy fanahy mivavaka mba hianjeran’ny vatolampy avy eny an-tendrombohitra toy izay hifanatrika amin’ny tavan’Ilay efa nankahalainy sy nolaviny. Ankehitriny ireo olona rehetra namotika sy nandrava an’i Kristy sy ny olony mahatoky dia hanatri-tava ny voninahitra mitoetra eny amin’izy ireo; Ary ao anatin’izany fihorohorony  izany dia handre ny feon’ny olomasina, feno fifaliana , izy ireo izay manao hoe: “Indro Andriamanitsika , izay nandrasantsika hamonjy antsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika”. Isa. 25:9