“Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana , ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana” Isa. 35:10

Mofon’aina:

  Tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’i Kristy teto amin’ity tany ity, dia tao anatin’ny fanetrentena sy ny haizina no naatongavany , ary ny fiainanay teto an-tany dia feno fijaliana sy fahantrana. Hiova izany rehetra izany amin’ny fiverenany fanindroany. Tsy tahaka ny lehilahy gadra voahodidina vahoaka maro be no hahitan’ny olona Azy amin’io fotoana io, fa amin’ny maha-Mpanjakan’ny lanitra Azy. Ho avy amin’ny voninahiny i Kristy, amin’ny voninahitry ny Rainy, ary amin’ny voninahitry ny anjely masina.

  Anjely maro be an’alinalina sy an’arivony, miaraka amin’ireo zanak’Andriamanitra Mpandresy, izy ao anatin’ny fahatsaran-tarehiny, kanto dia kanto tsy misy ohatra izany ary be voninahitra, no hanaraka Azy eny amin’ny lalana halehany. Satroboninahitra no ho satrohany eo amin’ny lohany fa tsy satroka tsilo intsony- satroboninahitra eo ambony satroboninahitra. Ho solon’ilay akanjo volomparasy lava fahiny, dia hitafy ny akanjo fosty indrindra amin’ny akanjo fotsy Izy, “ka tsy misy mpamotsy toy izany” Mar. 9:3. Ary hisy anarana hosoratana eo amin’ny lambany sy eo amin’ny feny, “Mpanjakan’ny Mpanjaka ary Tompon’ny Tomp”.

  Namana isan’andro, ary azo lazaina mihitsy fa namana efa mifankazatra ho an’ireo olona mahatoky nanaraka Azy i Kristy. Niaina fiainana feno fifandraisana ety tamin’Andriamanitra izy ireo. Ary teo ambonin’izy ireo no nametrahana ny voninahitry ny tompo. Tao amin’izy ireo no nitarafana ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny endrik’i Jesosy Kristy. Ankehitriny  izy ireo mifaly ao anatin’ilay tara-pahazavana , tsy misy kianina , fa mamirapiratry ny voninahitry ny mpanjaka eo amin’ny fiandrianany. Efa vonona izy ireo ny hikambana amin’ny lanitra; satria efa ao am-pon’izy ireo ny lanitra.

  Hampitraka ny lohany izy ireo, ary ny famirapiratan’ny tara-pahazavan’ilay masoandron’ny fahamarinana hanjelajelatra eo aminy, ary ao anatin’ny fifaliana fa efa akaiky ny fanavotana azy ireo no handehanan’izy ireo hihaona amin’ilay Mpampakatra.

  Tsy ho ela dia hahita ny Mpanjaka ao anatin’ny fahatsarany isika. Tsy ho ela dia hofafany ny ranomaso rehetra eny amin’ny masontsika. Ary amin’izay fotoana izay, feo maro be tsy voaisa no hihira ilay hira hoe: “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” Apok. 21:3

 

  “Koa amin’izany , ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny tompo amin’ny fihavanana” 2 Pet. 3:14