“Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina , na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy” 1 Kor; 2:9

Mofon’aina:

  Raha voasariky ny fahatsarana misy eto an-tany ny retsipandrenao, dia eritrereto ilay tany vaovao ho avy, izay tsy nahalala ny faharatran’ny fahotana sy ny fahafatesana mihitsy; ao amin’io tany vaovao io dia tsy hitafy ny aloky ny ozona intsony ny endriky ny natiora. Avelao ny eritreritrao  haka sary an-tsaina ny fonenan’ireo voaavotra , ary tsarovy fa mbola be voninahitra lavitra mihoatra noho ny famirapiratana ambony indrindra azon’ny saina eritreretina izany. Mbola ampahany kely indrindra amin’ny famirapiratan’ny voninahitr’Andriamanitra ihany no hitantsika ao amin’ireo zavaboary maro isan-karazany izay nomeny antsika.

  Ary tsy ho ela, hosokafana ny vavahadin’ny lanitra mba hampidirana ireo Zanak’Andriamanitra , ary hipololotra eo amin’ny molotry ny Mpanjakan’ny voninahitra, tahaka ny mozika be feon-javamaneno, ny tso-drano manao hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat. 25:34. Ary amin’izay fotoana izay ireo voaavotra dia harahabaina tonga soa any amin’ireo trano fonenana namboarin’i Jesosy ho azy.

  Hitako Jesosy mitarika ireo voaavotra ho eny amin’ny vavahadin’ny tanàna. Tazoniny ilay vavahady, ary atosiny hivoha hanaraka ny fivilin’ilay savily mamirapiratra mipetaka eo aminy, aorian’izay dia asainy ireo firenena rehetra nitandrina ny fahamarinana mba hiditra ao amin’ilay tanàna. Feno zavatra mahasariaka ny maso ao amin’ilay tanàna. Ary hijery ireo olo-masina, izay navotany, i Jesosy; mamirapiratry ny voninahitra ny tavan’izy ireo; ka rehefa banjininy amin’ny masom-pitiavany izy ireo, dia hoy Izy amin’ilay feony kanto, toy ny feon-java-maneno miraondraona marobe: “indro mijery ny asan’ny fanahiko aho ary afa-po amin’izany. Natao ho anareo mba hifalianareo mandrakizay ity voninaihtra lehibe ity. Tapitra ny alahelonareo. Tsy hisy fahafatesana intsony, tsy hisy fanaintainana intsony”

 

  Tsy ampy ny teny entina hanazavana ny mombamomba ny lanitra. Rehefa niseho teo anoloako izany trangan-javatra izany, dia talanjona tanteraka ny tenako. Rehefa voasintona tao anatin’izany hatsarana tsy takatry ny saina sy voninahitra tonga lafatra izany aho, dia napetrako ny penina , ary hoy aho nilaza hoe: “fitiavana re izany! Tena fitiavana mahagaga tokoa!” Ny teny ambony indrindra dia tsy ampy hamaritana ny voninahitry ny lanitra na ny halalin’ny fitiavana tsy manam-paharoan’ny Mpamonjy.