"Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy." Jao. 3 : 5
Mofon'aina :
Tsy maintsy "hateraka indray" isika, mba ho azo ekena ny fanompoana an'Andriamanitra ataontsika. Tsy maintsy avela ny toe-potsika efa ao anatintsika rahateo izay mifanohitra amin'ny Fanahin'Andriamanitra. Tsy maintsy ovàna ho lehilahy sy vehivavy vaovao ao amin'i Kristy isika. Tsy maintsy manome toerana ho an'ny fiainam-baovao, ilay fiainantsika taloha, izay mbola tsy nohavaozina - fiainana feno fitiavana, mahatoky, manana finiavana hankato. Moa ve ianao mihevitra fa tsy ilaina ny fiovana tahaka izany mba hidirana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ? Henoy ny tenin'ny Mpanjakan'ny Lanitra : "Tsy maintsy hateraka indray hianareo." - Jao. 3 : 7. "Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo." - Mat. 18 : 3. Tsy afaka ny hanompo an'Andriamanitra araka ny tokony ho izy isika raha tsy tanteraka io fiovana io. Tsy hahomby ny asantsika ; ny drafitra avy eto an-tany no hoentina ; afo tsy izy, manala baraka an'Andriamanitra, no hatolotra. Tsy ho masina ny fiainantsika ary tsy hisy fifaliana, feno tebiteby sy hasosorana.