"Mangataha ranonorana amin’ i Jehovah hianareo amin’ ny andro fara-orana, Dia amin’i Jehovah, Izay manao ny helatra; ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny." Zak. 10 : 1

Mofon'aina :

Any amin'ny firenena tatsinanana, amin'ny fotoanan'ny famafazana voa no milatsaka ny ranonorana voalohany. Ilaina izany mba hahatonga ny voa hitsimoka. Vokatry ny hery miasa manginan'ilay ranonorana mahavokatra, dia mipoitra ilay tsimoka marefo. Ny ranonorana farany kosa, izay milatsaka eo amin'ny manodidina ny fiafaran'ny taom-pamokarana eo, dia manamasaka ny voa, ary manomana izany mba hojinjana amin'ny antsim-bilona. Ampiasain'ny Tompo ireo fiasan'ny zava-boary ireo mba hanehoany ny asan'ny Fanahy Masina. Toy ny hanomezana ny ranon'ando sy ny ranonorana, mba hahatonga ny voa hitsimoka, ary aorian'izay manamasaka ny vokatra hojinjana, dia toy izany ihany koa no nanomezana ny Fanahy Masina mba hanatontosa, avy amin'ny dingana iray hafa, ny fizotry ny fitomboana ara-panahy. Ny fahamasahan'ny voa dia entina hanehoana ny fahatnterahan'ny asan'ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny fanahy. Natao ho tonga lafatra eo amin'ny toetra ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny ara-moraly, amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina. Natao hovana tanteraka hitovy amin'i Kristy isika.

Maro be ireo olona tsy nandray ny ranonorana voalohany. Tsy nahazo ireo tombontsoa rehetra nomen'Andriamanitra ho azy izy ireo. Manantena izy ireo fa hofenoin'ny ranonorana farany izany banga izany. Rehefa arotsaka ny harem-pahasoavana mitafotafo, dia manantena ny hanokatra ny fony izy ireo ary handray izany. Manao fahadisoana lehibe anefa izy ireo. Tsy maintsy mitohy tsy ankiato ny asa izay natombok'Andriamanitra tao amin'ny fon'ny olombelona, tamin'ny nanomezany ny fahazavany sy ny fahalalany. Tsy maintsy mahatsapa ny zavatra ilainy ny olona tsirairay avy. Tsy maintsy mahatsapa ny zavatra ilainy ny olona tsirairay avy. Tsy maintsy fongorina sy foanana tanteraka ny loto rehetra, ary diovina mba hitoeran'ny Fanahy.

Tamin'ny alalan'ny fiaiken-keloka sy ny fialana amin'ny fahotana, ary tami'nny alalan'ny vavaka mafana sy fanokanan-tena ho an'Andriamanitra no niomanan'ireo mpianatra voalohany ho amin'ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, tamin'ny andro Pentekosta. Asa tahaka izany no tsy maintsy atao amin'izao vanim-potoana izao, saingy amin'ny fatra lehibe kokoa noho ny amin'izany fotoana izany. Amin'izay fotoana izay, mila mangataka fotsiny ny fitahiana ireo olombelona miasa ho an'Andriamanitra, ary miandry ny Tompo hanantanteraka ny asa mahakasika azy ireo. Andriamanitra no nanomboka ny asa, ary hofaranany izany asany izan, ka hataony tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy ny olona. Kanefa tsy tokony hisy mihitsy ny tsy firaharahana ny fahasoavana naseho tamin'ny alalan'ny ranonorana voalohany.
[...] - RH, 2 Mar. 1897