"Ary izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina". Rôm. 8:27. 

Mofon'aina:

Tokana ihany ny fantsona ahafahantsika manatona an'Andriamanitra. Amin'ny alalan'ny anarana iray ihany no ahafahan'ny vavaka ataontsika ho tonga eo amin'Andriamanitra - dia ny anaran'i Jesôsy Tompo, ilay Mpisolovavantsik­a, izany. Tsy maintsy ny Fanahiny no manainga ny fanahintsika eo amin'ny fangatahana ataontsika. Tsy tokony hisy afo tsy izy ampiasaina ao anatin'ilay fandoroana ditin-kazo manitra, izay nahevaheva teo anatrehan'Andriamani­tra tao amin'ny Fitoerana Masina. Araka izany dia ny Tompo mihitsy no tsy maintsy mandrehitra ny faniriana miredareda ao ampontsika, raha toa ka ekena ao Aminy ny vavaka ataontsika. Tsy maintsy mifona ho antsika, amin'ny fitarainana tsy azo tononina, ny Fanahy Masina ao anatintsika.

Ny Fahatsapana lalina ny zavatra ilaintsika, sy ny faniriana lalina ireo zavatra angatahintsika, ireo no tsy maintsy toetra mamaritra ny vavaka ataontsika, raha tsy izany dia tsy hohenoina ny vavaka ataontsika. Kanefa tsy tokony ho kivy sy reraka isika, ka hampitsahatra ny fangatahantsika, satria tsy azo teo no ho eo ny valin'ny vavaka nataontsika. "Ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny
" - Mat. 11:12. Ny fandrombahana an-keriny voalaza eto dia ilay hafanam-po masina izay nasehon'i Jakoba. Tsy mila miezaka hampiakatra ny tenantsika mba hanana fihetseham-po lalina isika ; fa amim-pahatoniana sy amim-paharetana no tokony hitondratsika hatrany ny fangatahantsika eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. Ny asantsika dia ny mampilefitra ny fanahintsika eo anatrehan'Andriamman­itra, miaiky ny fahotantsika, ary manakaiky an'Andriamanitra amim-pinoana. Namaly ny vavak'i Daniela Andriamanitra, tsy hoe mba hahafahan'i Daniela mirehareha, fa mba hahafahan'ilay fitahiana mitaratra ny voninahitr'Andriamani­tra. Efa fikasan'Andriamanitr­a ny haneho ny tenany ao amin'ny fiarovany sy ny fahasoavany. Tsy maintsy ny voninahitr'Andrriaman­itra no tanjona kendren'ny vavaka ataontsika, fa tsy ny fitadiavana voninahitra ho an'ny tenantsika.

Rehefa tsapantsika fa malemy ny tenantsika, tsy mahalala na inona na inona, ary tsy mahavita na inona na inona, ary izany tokoa no izy raha ny tena marina, dia hanantona an'Andriamanitra isika tahaka ny olona mpitalaho, izay feno fanetren-tena. Ny tsy fahalalana an'Andriamanitra sy i Kristy no mahatonga ny fanahy ho be hambom-po sy manamari-tena. Ny fomba tsy mety diso ahafantarana fa tsy mahafantatra an'Andriamanitra ny­ olona iray dia hita rehefa mahatsapa io olona io ao anatiny ao fa lehibe na tsara izy. Ny fireharehan'ny fo dia mifandray mandrakariva amin'ny tsy fahalalana an'Andriamanitra. Ny hazavana avy amin'Andriamanitra no­ ampiseho ny haizina misy antsika sy ny fahantrantsika. [...]

Rehefa mahita an'Andriamanitra amin'ny maha-Andriamanitra Azy ny olona manetry tena mitady an'Andriamanitra, amin'izay fotoana izay dia hahita ny tenany tahaka ny nahitan'i Daniela ny tenany io olona io [...] - RH, 9 Feb. 1897.