« Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa Zanak’Andriamanitra isika. » Rôm. 8:16.

Mofon’aina:

Inona ny zavatra miseho raha toa ka mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika ny Fanahy Masina, ary milaza fa zanak’Andriamanitra isika? Hilefitra tanteraka eo amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay fanahy mino. Ny fiandrianan’ny lanitra mihitsy no midina ho amin’ny firaisana masina sy ety amin’ny olona izay mitady an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo, ary amin’ny fanehoana ny fahasoavany lehibe dia hiova ho malefaka tahaka ny zazakely mbola mila fianteherana ny zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy apetrakao eo amin’Andriamanitra amim-pahatokiana tanteraka ny heriny sy ny finiavany hitahy anao ny fanahinao sy ny tenanao, amin’ny maha-olona tsy mahavita na inona na inona sy tsy mendrika anao. “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” - Jao. 1:12. 

Aoka tsy ho be fihetsiketsehana be fahatany, fa aoka harisika sy hazoto ao amin’ny finoana, ka ny tanjona tokana dia ny hitarika fanahy ho eo amin’i Jesôsy Kristy, Ilay Mpanavotra nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy ny toriteny manaraka ny lôjika, na ny toriteny mandresy lahatra ny manam-pahaizana no hanao izany asa izany. Tsy maintsy resy lahatra ny fo, ary miempo hiova ho amin’ny fahalemem-panahy. Tsy maintsy ampileferina eo ambany sitrapon’Andriamanitra ny sitrapo, ary ny faniriana rehetra sarihina hiompana amin’ny any an-danitra. Tsy maintsy mamoky ny tenanao amin’ny tenin’Ilay Andriamanitra velona ianao. Tsy maintsy entinao hampiharina eo amin’ny fiainanao izany. Tsy maintsy manapaka sy mifehy ny maha-ianao manontolo izany (...) 

Rehefa i Jesôsy no ataontsika toky maharitra ho antsika, dia ny tenantsika no tonga fanatitra ho an’Andriamanitra. Eo amin’ny fahamarinan’i Jesôsy Kristy sy ny fanelanelanana ataony, amin’ny maha-hany fanantenana ho antsika Azy, no hisy ny fianteherantsika. Tsy hisy ny fahasahiranan-tsaina, tsy hisy ny tsy fitokisana, satria amin’ny finoana no ahitantsika an’i Jesôsy, ilay nohosoran’Andriamanitra ho amin’izany tanjona izany mba hampihavana noho ny fahotan’izao tontolo izao. Hijoro Izy, handray andraikitra noho ny amin’ilay fanekena mendrika haja mba ho mpanelanelana ho an’izay rehetra manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany, ary hanatanteraka ny famonjena azy ireo raha toa ka mino izy ireo. Omena antsika ny tombontsoa hanatona amim-pahasahiana ny seza fiandrianan’ny fahasoavana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, izay hanampy antsika amin’ny fotoana rehetra ilantsika fanampiana. – MR, b. 14, tt. 276,277.