« Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa ; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’izany andro izany. Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana” Asa. 2: 41,42

Mofon’aina: 

Marina fa amin’ny andro farany, rehefa mifarana ny asan’Andriamanitra eto an-tany, dia hisy fanehoana manokana ny fankasitrahan’Andriamanitra hanaraka ny ezaka mafana ataon’ireo mpino nanolo-tena eo ambanin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny endriky ny ranonorana aloha sy aorina, izay milatsaka any atsinanana amin’ny fotoana famafazana sy ny fijinjana , no nentin’ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan’ny fahasoavana ara-panahy amin’ny fatra mahagaga eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Apôstôly no fiantombohan’ny ranonorana aloha, na voalohany ary be voninahitra ny vokatr’izany. Hatramin’ny andro farany dia hitoetra eo amin’ny fiangonana marina ny fanatrehan’ny Fanahy.

Nefa rehefa akaiky ny fiafaran’ny fijinjana ny tany, dia hisy fanomezana manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina, izay hanomana ny fiangonana ho amin’ny fiavian’ny Zanak’olona. Ampitovina amin’ny filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan’ny Fanahy io; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan’ny kristianina fangatahana amin’ny Tompon’ny vokatra “aminn’ny andro fara-orana”. Ho valin’izany dia “handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo (Jehovah), eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha”- Zak. 10:1; Joe. 2:23. Nefa raha tsy manana fifandraisana velona amin’ny loharanon’ny fitomboana ara-panahy rehetra ny mambra ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra ankehitriny, dia tsy ho vonona izy amin’ny andro fijinjana. Raha tsy tazoniny hadio sy mirehitra ny jirony, dia tsy ho afaka handray fahasoavana fanampiny izy amin’ny fotoana ilàny fanampiana manokana. VM,t.49,50.