“Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany? Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanany no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo. Raha ny zavatra ety an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?” Jao. 3:9-12.


Mofon’aina:

Tamin’ny sarany tsy voafetra no nanomanana ny nilaina rehetra mba hanatraran’ny lehilahy sy vehivavy ny fahatanterahan’ny toetra kristianina. Ireo izay vonton’ny Soratra Masina amin’ny maha-feon’Andriamanitra azy sy maniry ny hanaraka ny fampianarany, dia tokony hianatra sy handray hery sy zotom-panahy isan’andro, izay nomanina ho an’ny mpino marina tsirairay tao anatin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Fitaovana maimaim-poana , miasa ary mahaleo tena ny Fanahy Masina. Mampiasa ny Fanahiny araka izay sitrany ny Andriamanitry ny lanitra, ka tsy afaka mametra ny fiasany na mamaritra ny fantsona iasany ny sain’ny olombelona, ny eritreritry ny olombelona, ary ny fomba fiasan’ny olombelona, dia tahaka ny tsy ahafahany miteny amin’ny rivotra manao hoe: “Mandidy anao aho mba hitsoka amin’ny zotra izato, sy hitondra tena tahatahaka izaroa”. Tahaka ny ihetsehan’ny rivotra amin’ny herin’ny tenany, ka ampileferiny sy anapahany ireo hazo mijoalajoala eny amin’ny lalany, dia tahaka izany koa no hiasan’ny Fanahy Masina mangina ao amin’ny fon’ny olombelona, ka tsy misy olona voafetra afaka hamaritra ny asany (...).


Tsy vonona ny hiaiky io fahamarinana io i Nikôdemôsy, satria tsy takany ny zavatra rehetra mifandraika aminn’y fiasan’ny herin’Andriamanitra. Nanaiky ireo tranga miseho eo amin’ny natiora ihany anefa izy, na dia tsy azony nazavaina na takarina mihitsy aza izy ireny. Tahaka iroe olona velona nandritra ny taona nifandimby rehetra, izy koa dia nandray ireo fisehoana ivelany sy ireo fombafomba fanao maty paika ho manan-danja kokoa eo aminn’y fivavahana noho ny fiasa lalin’ny Fanahin’Andriamanitra (...) 

Tsy maintsy hodiovina ny loharanon’ny fo vao afaka ny ho lasa madio ireo sakeli-drano. Tsy misy antoka ho an’ny olona izay tsy manana afa-tsy fivavahana ara-pombafomba, sy endrika toe-panahy araka an’Andriamanitra ivelambelany fotsiny. Ny fiainana kristianina dia tsy fanamboamboarana na fanatsarana ny fiainana teo aloha, fa fanovana ifotony ny toetra. Misy fahafatesana aminn’y fahotana sy aminn’y izaho, ka fiainam-baovao tanteraka no ivelomana. Ny fiasa mahombin’ny Fanahy Masina ihany anefa no afaka mitondra io fiovana io. ST, 08 Martsa 1910.