"Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany." - Asa. 4:32. 

Mofon'aina : 

Hoy ny teny hoe: "Fa tsy nisy olona nalahelo teo aminy", ary lazainy izay fomba namenoana ny banga. Ny mpino nanam-bola sy fananana dia nahafoy izany tamim-pifaliana hoentina misetra ny zava-manahirana. Namidiny ny tranony sy ny taniny, nentiny ny vola ka napetrany teo an-tongotry ny Apostoly, dia "nozaraina tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy." - Asa. 4:34,35.

Vokatry ny firotsahan'ny Fanahy io fahalalahan-tanana teo amin'ny mpino io. Niray fo sy saina ireo voaova fo nanaraka ny Filazantsara. Zavatra iray no nahaliana sy nifehy azy, dia ny fahombiazan'ny iraka nankinina taminy; koa tsy nisy toerana ho an'ny fitsiriritana teo amin'ny fiainany. Lehibe noho ny fitiavany vola aman-karena ny fitiavany ny rahalahiny sy ny safidy niandaniany. Vavolombelona ny asany fa noheveriny ho sarobidy lavitra noho ny harena eto an-tany ny fanahin'ny olona. 

Ho toy izany hatrany rehefa manjaka ao amin'ny fiainana ny Fanahin'Andriamanitra. Izay manana ny fony feno ny fitiavan'i Kristy, dia hanaraka ny ohatr'Ilay nanjary mahantra, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Ny vola, ny fotoana, ny hery miasa mangina dia samy fanomezana noraisiny avy eo am-pelatanan'Andriamanitra ary tsy hisy izany raha tsy ampiasaina ho fitaovana hoenti-mampandroso ny asan'ny Filazantsara. Toy izany ny tao amin'ny fiangonana voalohany; ary rehefa hita ao amin'ny fiangonana ankehitriny fa nanala ny fitiavany tsy ho eo amin'ny zavatra eo amin'izao tontolo izao ny mambra noho ny herin'ny Fanahy, ka sitrapony ny hanao fahafoizan-tena mba hahazoan'ireo mpiara-belona aminy mandre ny Filazantsara, amin'izay dia hanan-kery indrindra amin'ny mpihaino ireo fahamarinana notorina. – VM, t. 65,66.