“Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana , dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana” Heb. 2:14,15

Mofon’aina:

Nahatonga alahelo ho an’ny lanitra iray manontolo ny fahalavoan’ny olombelona, ary voahetsiky ny fangorahana tsy misy fetra ny tontolo izay very sy ny taranaka rava, ny fon’i Jesôsy. Hitany ny olombelona tafalentika anaty  fahotana sy fahoriana, ary fantany fa tsy manana herin-tsaina handresena izany izy ireo raha mitaha amin’ny herin’ilay fahavalo, izay tsy mandry andro tsy mandry alina. Tamim-pitiavana sy fangorahana no nahatongavany teto an-tany hanao ny ady ho antsika, satria Izy irery ihany no afaka handresy ilay fahavalo. Tonga Izy mba hampikambana ny olona amin’Andriamanitra ho an’ireo fanahy mibebaka, ary tany amin’ny tranon’omby ka hatrany Kalvary mba hanafoana ny lalana tokony ho nandehanan’ny olona, nanome ohatra tonga lafatra ho an’ny olombelona amin’izay tokony hatao, ary nampiseho tamin’ny fombany ny toetran’ny olombelona rehefa tafakambana amin’ny maha-Andriamanitra.

Maro anefa no milaza fa tsy mitovy amintsika i Jesôsy, milaza izy ireo fa tsy tahaka antsika izay eto amin’izao tontolo izao Izy satria Andriamanitra, noho izany dia tsy haharesy izay noreseny mihitsy isika. “Diso anefa izany, “ Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’Abrahama no vonjeny (...) Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay aliam-panahy koa Izy” Heb. 2:16-18. Fantar’i Kristy ny fitsapana mihatra amin’ny mpanota, fantany ny fakam-panahy mahazo azy. Nitafy ny maha-olombelona Izy; nalaim-panahy tamin-javatra maro tahaka antsika. Nitomany Izy, lehilahy be alahelo izy, ary zatra fahoriana.

Niaina teto an-tany Izy tamin’ny maha-olona Azy, ary niakatra nankany an-danitra avy eo. Tamin’ny maha-olona Azy no nisoloany ny taranak’olombelona, sy niainany mba hanao fanelanelanana ho antsika. Amin’ny maha-olona Azy, ho avy indray Izy amin’ny herin’ny mpanjaka sy voninahitra handray ireo izay tia Azy, ary ireo izay anomanany toerana amin’izao fotoana izao. Hifaly isika ary hisaotra fa Andriamanitra “efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny”. Asa 17: 31.BE, 01 Nôvambra 1892.