"Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao, fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao." - Gen. 22:12. 

Mofon'aina :

I Abrahama, raha nankatò ny baikon'Andriamanitra, dia lasa nandeha niaraka tamin'Isàka teo anilany. Hitany teo anoloany ilay tendrombohitra efa nolazain'Andriamanitra taminy fa hanaovany fanatitra. Nesoriny ny kitay teo an-tsoroky ny mpanompony, ka napetrany teo amboniny i Isaka, ilay hatolotra ho fanatitra. Ny sainy rahateo efa nomaniny tamin'ny finiavana sy fanapahan-kevitra tanteraka fa vonona hanao izay nasain'Andriamanitra hataony. Tamin'ny fo torovan'alahelo sy tànana mangozohozo no nandraisany ny afo, raha nanontany azy kosa i Isaka hoe: Ry ikaky ô! Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa ny ondry hatao fanatitra dorana? Tsy afaka namaly azy anefa  i Abrahama teto. Dia niara-nanamboatra ny alitara izy mianaka. Tamin'izay indrindra no tonga ny fotoana mafy indrindra ho an'i Abrahama, hilazany amin'i Isàka zanany ny zavatra izay efa nampihorohoro ny fanahiny teny an-dalana, dia ny hanolorana ho fanatitra an' i Isaka. Tsy vao zazakely Isàka teto fa efa zatovo feno fahamatorana. Azony natao ny nanda tsy hanolo-tena tamin'izay nasain-drainy hatao aminy raha toa ka izany no safidiny. Tsy nihevitra an-drainy ho very saina anefa i Isaka, na koa nitady izay hanovana ny fikasan-drainy. Nilefitra izy. Nino ny fitiavan'ny rainy azy izy ary fantany fa tsy hanao sorona ny lahitokany mihitsy izy raha tsy Andriamanitra no nibaiko azy hanao izany.

Tanam-pitiavana nangovitra no namatotra an'i Isaka, dia ny tanan-drainy izay fatra-pangoraka azy, satria Andriamanitra no nibaiko izany. Nanaiky niroso hatao sorona ilay zanaka lahy satria fantany ny toetran-drainy fa olo-mahatoky izy. Kanefa rehefa vonona ny zavatra rehetra ka voazaha tanteraka ny finoan'ilay ray sy ny fanoloran-tenan'ilay zanaka, dia nohazonin'ny anjelin'Andriamanitra ny tanan'i Abrahama efa nihinjitra hamono an-janany, ka hoy ny anjely taminy hoe "ampy izay". - TFC 3:368.

Tena ilaina ny fananana herim-po lehibe hoenti-mankato an'Andriamanitra an-tsitrapo manoloana ny toe-java-tsarotra rehetra atrehina. - Ms, t. 146, 1902.

Amin'ny fitiavantsika sy ny fankatoavantsika Azy ihany no hahafahantsika mahalala an'i Kristy. Ny lehilahy be herim-po no antsoin'Andriamanitra, dia izay tsy mba ho mora kivy na ho ketraka. - Ms, t 19, 1892.