"Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tanan'olona miakatra avy tamin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midina, fandrao voasakan'ny ranonorana hianao." - 1 Mpanj. 18:44. 

Mofon'aina :

Misy lesona lebibe ampitaina amintsika eto amin'ity fanandramana niainan'i Elia ity. Raha teny an-tampon'i Karmela izy hivavaka mba hirotsahan'ny ranonorana, dia nozahana ny finoany ary nikiry fatratra izy hampahafantatra an'Andriamanitra ny zavatra angatahiny. Inenina izy no efa nivavaka tamim-pitalahoana fatratra kanefa tsy mbola nisy famantarana fa hivaly ny fangatahany. Saingy napetrany teo an-tseza fiandrianan'ny fahasoavana tamin'ny finoana matanjaka io fangatahany io. Raha toa kivy izy ka nilavo lefona teo amin'ny fanineniny, dia tsy ho nivaly ny vavaka nataony. Manana Andriamanitra Izay tsy mba lalodalovana amin'ny fangatahana ataontsika isika. Ary raha manaraka ny teniny isika, dia hankarahany koa ny finoantsika Tiany raha mifamatotra amin' izay mahaliana Azy ny zavatra rehetra mahaliana antsika, ka hitahy antsika Izy, noho izany. Tsy hanandratra ny izaho intsony isika rehefa mirotsaka amintsika izany fitahiana izany, fa hidera sy hisaotra an'Andriamanitra kosa. Tsy ho voavaly mandrakariva ny vavaka ataontsika amin'ny fotoana hiantsoantsika Azy voalohany. Raha izany mantsy, dia hihevitra isika fa mendrika antsika avokoa ny fitahiana sy ny soa rehetra efa narotsany tamintsika. - RH, 27 Martsa 1913. 

Nitazana teny ilay mpanompony raha mbola nivavaka i Elia (...) Raha teo am-pieritreretana lalina izy, dia toa nihen-danja hatrany ny maha-izy azy, na teo amin'ny fahatsapany manokana izany na teo imason'Andriamanitra. Toa tsapany fa tsinontsinona ny tenany, ary Andriamanitra kosa no manana ny fahafenoana. Koa rehefa tsy niantehitra tamin'ny herin'ny tenany intsony izy, sady nifahatra tamin'llay Mpamonjy ho hany heriny sy fahamarinany, dia tamin'izay indrindra no tonga ny valim-bavaka. - RH, 26 May 1891.

Na dia be herim-po sy mahomby manao ahoana aza ny olona anankiray amin'ny fanatanterahana asa manokana, dia ho very ny herim-pony raha tsy mibanjina an'Andriamanitra mandrakariva izy ao anatin'ny toe-javatra izay hitsapana ny finoany. Eny, na dia efa nasehon'Andriamanitra taminy aza ny famantarana fa nomeny hery izy, dia mbola tsy hahomby ihany na dia efa nahazo hery hanaovana ny asan'Andriamanitra aza raha toa ka tsy matoky tanteraka an'Ilay, Tsitoha. - RH, 16 Okobra, §113.